Seminera
Filipiana sy Kolosiana


Filipiana sy Kolosiana

Mahazo hery ao amin’i Jesoa Kristy

Sary
Nandritra ny fiaraha-mientana nitambarana dia niara-niasa ireo zatovovavy tao amin’ny paroasinay mba hanatratrarana ny tampon’ny tendrombohitra iray manerinerina ny Lemak’i Utah.

Inona ireo olana na fanamby atrehanao na ireo olona manodidina anao? Inona no mahasarotra an’ireo fanamby ireo? Efa nanontany tena ve ianao raha mba afaka ny handray fanampiana ilainao mba handresena ireo olanao? Niatrika olana sarotra maro i Paoly teo amin’ny fiainany, anisan’izany ireo taona naha-tany am-ponja azy tany Roma. Tao anatin’ireny toe-javatra ireny izy dia nanoratra epistily ho an’ny Olomasina tany Filipo sy Kolosia ary nampianatra azy ireo hitodika any amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana hery. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahafantatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo hery hiatrehana ireo fanamby atrehanao ianao.

Manampy ny mpianatra hampianatra. Ny fanomezana fotoana hahafahan’ny mpianatra mifampianatra dia afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hampihatra kokoa ireo fahamarinana izay nianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny Filipiana 4:13 .

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo fanamby sy olana atrehan’ny zatovo

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana voalohany mba hanovozan-kevitra mandritra ny lesona.

  • Inona no sasany amin’ireo olana na fanamby mahazatra atrehan’ireo zatovo eo amin’ny faritra misy anao?

  • Inona amin’ireo olana na fanamby ireo no heverinao fa tsy afaka ny ho resin’ny zatovo samirery? Nahoana?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanamby sy olana atrehinao manokana ary hazavao ny antony mahatonga azy ireo ho sarotra ho anao. Ataovy ao anatin’izany ny hevitrao mikasika ny antony ilanao fanampiana mba handresena azy ireo.

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hiomana sy hampianatra lesona fohy ka hampiasa ny epistilin’i Paoly ho an’ireo Filipiana sy Kolosiana. Eo am-pandalinanao ireo epistily ireo dia tadiavo ireo tenin’i Paoly izay afaka ny hanampy anao sy ny hafa hiantehitra amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fotoan-tsarotra.

Hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky mafy na hamintina ireto andiam-pehezanteny manaraka ireto mba hanampiana ny iray kilasy hahatakatra ny toe-java-nisy ireo Filipiana sy Kolosiana.

Niatrika olona sy fanamby maro ny Apôstôly Paoly. “Ny bokin’ny Filipiana sy Kolosiana dia mety ho nosoratana nandritra ny fotoana naha-tany am-ponja an’i Paoly tany Roma saingy ny mahatalanjona dia tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany no nanoratan’i Paoly momba ny -fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra- ( Filipiana 4:7). Ireo epistily roa ireo dia mijery ny lafy tsaran-javatra sy feno fanantenana ary ahitana ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly izay mazava sy hentitra indrindra momba an’i Jesoa Kristy. Nampianatra i Paoly fa raha miaina amim-pinoana sy amim-panehoam-pankasitrahana isika, dia afaka ny hampiroborobo ny foto-kevitry ny filazantsara amin’ny alalantsika ny Tompo, na toy inona na toy inona toe-javatra misy antsika. Koa amin’izany, rehefa miorina eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny tsy ho voafitaky ny firehan-kevitra sy fanaon’izao tontolo izao” (New Testament Student Manual [2014], 433; sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Filipiana, Epistily ho an’ny ” sy ny “ Kolosiana, Epistily ho an’ny,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Raha toa ny mpianatra ka nasaina hitadidy ny Filipiana 4:13 ho fiomanana ho amin’ity lesona ity, dia manasà mpianatra iray na mihoatra hitanisa izany amin’izao.

Vakio ny Filipiana 4:13, ka tadiavo ny zavatra nozarain’i Paoly momba ny maha-zava-dehibe an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany?

  • Araka ny eritreritraeo, nahoana izany no fampianarana manan-danja ilaina fantarina?

Afaka manampy antsika ao anatin’ireo olana i Jesoa Kristy

Eritereto ireo olana sy fanamby atrehan’ireo zatovo eo amin’ny faritra misy anao ary eritrereto ihany koa ny anao. Ampiasao ireto dingana A, B ary D eto ambany ireto hoenti-manomana lesona dimy minitra. Mifantoha amin’ny zavatra azonao ampianarina momba an’i Jesoa Kristy ka afaka manampy anao sy ny hafa handresy ireo fanamby.

Ampisehoy ity rindran-damina momba ny lesona sy toromarika manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hanomana ny leson’izy ireo. Eo am-panaovan’ny mpianatra asa dia mandehana manerana ny efitrano ka ampio araka izay ilaina izy ireo. Omeo fotoana ampy izy ireo mba hanomanany ny lesony.

Azon’ireo mpianatra atao ny manomana samirery na tsiroaroa ny leson’izy ireo mba hamitana ilay sahanasa. Ny tsirairay amin’ireo mpianatra miara-miasa tsiroaroa dia afaka mamaky ny antsasak’ireo andinin-tsoratra masina samirery ary avy eo mifanakalo hevitra momba ireo andinin-tsoratra masina sahanin’izy ireo amin’ny mpianatra miara-miasa aminy. Avy eo ireo vondron’olon-droa dia afaka miomana ny hiaraka hampianatra ilay lesona.

A. Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ireo fahamarinana izay tsapanao fa hanampy anao sy ny hafa.

Filipiana 2:5–8 ; 3:20–21 ; 4:6–7

Kolosiana 1:12–18 ; 3:1–2, 12–17, 23–24

B. Mifantena andininy iray na amboarana andinin-tsoratra masina ka mitadiava fahamarinana iray azonao ampianarina momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Ohatra, fahamarinana iray hita ao amin’ny Kolosiana 1:12–14 ny hoe Ny Ray any An-danitra dia nandefa ny Zanany mba ho afaka amin’ny haizina sy ho voavela amin’ny fahotana isika.

D. Ampidiro ao anatin’ny lesonao ny iray na mihoatra amin’ireto singa manaraka ireto:

  • Zarao ny zavatra niainanao na ny zavatra niainan’ny olona iray hafa mba hoentina maneho ilay fahamarinana. Asao ireo olona ampianarinao mba hizara zavara niainana ihany koa. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra na zavatra niainana avy ao amin’ny soratra masina na avy ao amin’ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ohatra hoe ny zavatra niainana mifandray amin’ilay fahamarinana natao tamin’ny endri-tsoratra matevina etsy ambony dia afaka mifantoka amin’ny Mpamonjy mamela olona iray na manafaka azy avy ao amin’ny haizina.

  • Mitadiava andinin-tsoratra masina mifandray izay afaka manampy. Ohatra, ho an’ilay fahamarinana amin’ny endri-tsoratra matevina etsy ambony dia azonao atao ny mizara ny Môzià 16:9 na ny 2 Petera 2:9. Asao ireo izay ampianarinao mba hikaroka soratra masina mifandray fanampiny amin’ny alalan’ny fampiasana loharano tahaka ny Torolalana ho an’ny Soratra masina.

  • Mitadiava teny nambarana mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy. Ohatra amin’izany ity fahamarinana manaraka ity, izay amin’ny endri-tsoratra matevina, nataon’ny Rahavavy Reyna I. Aburto tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Reyna Aburto. Sary nalaina tamin’ny 2017.

Raha toa ianao ka voahodidin’ny “zavon’ny haizina” [ 1 Nefia 8:23 ] foana dia mitodiha any amin’ny Ray any An-danitra. Tsy misy zavatra hafa efa niainanao izay afaka manova ilay fahamarinana mandrakizay hoe, zanany ianao ary tiany ianao. Tsarovy fa i Kristy dia Mpamonjy sy Mpanavotra anao ary Andriamanitra dia Rainao. Manana fahatakarana an-tsaina izy ireo. Alaivo sary an-tsaina izy ireo hoe akaiky anao, mihaino sy manolotra fanohanana. “Hampionon’[izy ireo] amin’ny fahorianareo ianareo” [ Jakôba 3:1 ]. Ataovy izay vitanao ary matokia an’ilay fahasoavana manavotry ny Tompo.

(Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!Liahona, nôv. 2019, 58–59)

Asao ireo mpianatra izay vonona mba hampianatra ny iray kilasy. Azo atao ihany koa ny manasa vondrona mpianatra mba hifampianatra ny leson’izy ireo.

Amporisiho ny mpianatra mba hahitsy sy hanao izay ezaka tsara indrindra avy aminy eo am-pampianarany sy rehefa ampianarina izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka fanampiana amin’ireo olana atrehan’izy ireo manokana rehefa mihaino tsara ny mpiara-mianatra aminy izy ireo.

Rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika dia ampatanjahana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22–23). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao sy tsapanao fa afaka manampy anao handray hery avy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny fiatrehanao ireo fanambinao. Katsaho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ny zavatra tiany hataonao mba handraisana ny herin’ny Mpamonjy. Araho an-tsakany sy an-davany ireo bitsika voarainao.

Amporisiho ny mpianatra hampianatra ny leson’izy ireo amin’ny fianakavian’izy ireo any an-trano. Mety hanampy ny mandefa hafatra any amin’ireo ray aman-dreny mba hampahafantarana azy ireo ity lesona ity ka hahafahan’izy ireo mamporisika ny mpianatra hampianatra ny leson’izy ireo any an-trano.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Filipiana 2:12–13. Nampianatra ve i Paoly fa tsy maintsy miasa ho an’ny famonjena antsika manokana isika?

Na dia manan-danja aza ireo asa maneho finoana an’i Jesoa Kristy, dia zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy hoe zavatra tsy mety vitantsika ny miasa ho amin’ny famonjena izany (jereo ny 2 Nefia 2:8 ; Môzià 2:24 ; Almà 22:14). Ny Filipiana 2:13 dia manazava fa Andriamanitra dia miasa ao amintsika mba hanampiana antsika hanao ireo zavatra izay tsy vitantsika samirery (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fahasoavana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Matetika io fanampiana sy hery io no antsoina hoe ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny hery afahafahany mamonjy antsika (jereo ny Efesiana 2:8).

Jereo ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny horonan-tsary “Be fitahiana” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 5:39 mba hianarana misimisy kokoa momba io lohahevitra.

Filipiana 4:13 . Inona no dikan’ny hoe “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy]”?

Nanazava ny Rahavavy Michelle D. Craig ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Rahavavy Michelle D. Craig.

Marina tokoa fa isika rehetra dia tsy hahatratra tanteraka ny fahafahana masina tokony hananantsika, ary misy fahamarinany ny fahatakarana fa raha mandeha irery isika dia tsy feno. Fa ny vaovao mahafaly avy amin’ny filazantsara dia ny hoe feno isika raha miaraka amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Afaka mahavita ny zava-drehetra isika amin’ny alalan’ny fanampian’i Kristy [ Filipiana 4:13 ]. Mampanantena ny soratra masina fa “[hahita] ny fahasoavany ho famonjena amin’izay andro mahory [isika]” [ Hebreo 4:16 ].

(Michelle D. Craig, “Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 54)

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks, nalaina tamin’ny martsa 2018.

Raha niresaka momba ny sasantsasany tamin’ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainany manokana ny Apôstôly Paoly dia nanoratra izy hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ Ilay mampahery ahy” ( Filipiana 4:13).

Koa mahita isika fa noho ny Sorompanavotany dia manana hery mba hamonjena, mba hanampiana, ny fanaintainana sy fahoriana ara-batana tsirairay ny Mpamonjy. Indraindray ny heriny dia manasitrana rofy iray, fa ny soratra masina sy ireo zavatra niainantsika anefa dia mampianatra fa indraindray dia mamonjy na manampy amin’ny fanomezana hery na faharetana mba hahafahantsika maharitra ny rofintsika Izy.

(Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 62)

Sahanasa fianarana fanampiny

Filipiana 2:12–13 . Finoana sy fahasoavana ary famonjena.

Mety ho andinin-tsoratra masina manahirana ny Filipiana 2:12–13. Asao ny mpianatra handalina tsara izany ary hamantatra ny zavatra ampianarin’i Paoly. Hevero ny hanasa azy ireo handalina ny fampahalalana ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” momba ny Filipiana 2:12–13 sy ny teny iditra ho an’io andinin-tsoratra masina io ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny Fianakaviana: New Testament 2023. Angataho izy ireo hanazava ny zavatra hitan’izy ireo ka nanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny fotopampianarana manan-danjan’ny asa, fahasoavana ary famonjena. Asao izy ireo hizara ny fomba nampatanjahan’io fahalalana io ny finoan’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Kolosiana 1:9–18. Ireo anjara asa sahanin’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ireo andininy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy, ny fiantsoana Azy, ary ny anjara asa sahaniny. Azo asaina ny mpianatra hizara ohatra avy ao amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana na avy amin’ny fiainan’ireo ireo olona fantatr’izy ireo ka tao anatin’izany dia naneho ny dikan’ny anarany, na ny anjara asany na ny fiantsoana Azy ny Mpamonjy? Asao ny mpianatra hizara anjara asa iray izay manan-danja indrindra amin’izy ireo sy ny fomba fiantraikan’izany eo amin’ny fahatsapana ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Kolosiana 2:6. Mandeha ao amin’i Kristy

Asao ny mpianatra hizara izay heverin’izy ireo ho dikan’ny hoe mandeha ao amin’i Kristy ( Colossians 2:6). Asao izy ireo handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka hitady ny dikan’ny hoe mandeha ao amin’i Kristy: Kolosiana 1:9–18 ; Kolosiana 2:6 ; Kolosiana 3:1–11. Azon’izy ireo atao koa ny mandalina ity fanambarana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’i Henry B. Eyring.

Inona no dikan’ny hoe mandeha ao amin’ny Tompo? Izany dia midika hoe manao izay ataony, manompo araka ny fomba anompoany. Nafoiny ny toerana tsara nisy Azy mba hitahiana ireo sahirana ary izany no ezahintsika atao. Toa tsikariny manokana ireo olona izay ataon’ny fiarahamonina ho tsinontsinona sy ailikiliny mihitsy aza. Koa tokony hiezaka ny hanao izany koa isika. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana kanefa tamim-pitiavana ny amin’ny fotopampianarana marina noraisiny tamin’ny Rainy Izy, na dia tsy tian’ny olona aza izany, ary izany koa no tokony hataontsika. Hoy Izy amin’ny rehetra hoe “Mankanesa aty amiko” ( Matio 11:28), ary hoy isika amin’ny rehetra hoe: “Mankanesa ao Aminy.”

(Henry B. Eyring, ““Miaraha mandeha Amiko”,” Liahona, mey 2017, 84)

Asao ny mpianatra hizara ireo zavatra hitan’izy ireo sy hikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny fanaovana drafitra ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo mandeha amin’ny fomba feno kokoa ao amin’i Kristy.

Hamoaka printy