Efesiana 2
Jesoa Kristy, ilay vato fehizoro
Ireo Olomasina nipetraka tany Efesosy izay efa avy Jentilisa talohan’ny niovan’izy ireo fo dia mety nahatsapa ho toy ny “vahiny sy mpivahiny” (Efesiana 2:19) rehefa niara-nivavaka tamin’ireo Kristiana Jiosy izy ireo. Nampahatsiahivin’i Paoly ireo Olomasina tao Efesosy fa tafaray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy ireo toy ny “tompon-tany … ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra” (Efesiana 2:19). Ny fiangonana izay misy azy ireo ankehitriny dia naorina teo ambonin’ny fanorenan’i Kristy, sy ireo Apôstôly sy ireo mpaminaniny izay nanana ilay hahafahana mitahy azy ireo rehefa niara-niangona tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra sy hikatsaka ireo fitahiana mety ho azo satria i Jesoa Kristy no mitarika ny Fiangonany amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ireo mpaminany sy ireo Apôstôly.
Sahanasa fianarana azo atao
Fahatsapana ho mpiara-miombona
-
Inona ny antony mahatonga ny olona sasany mahatsapa ho tsy tokony ho isan’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy?
-
Raha ohatra ka misy olona mahatsapa ho tsy tokony isan’ny ao am-piangonana, dia inona no torohevitra omenao azy ireny?
Saintsaino ny zavatra izay fahatsapanao momba ny fiangonan’ny Tompo. Tamin’ny oviana ianao no efa nahatsapa ho mpiara-miombona ao am-piangonana? Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe tsy tokony ho isan’ izany? Inona avy ireo fitahiana izay tsapanao fa mety ho azo rehefa mpikambana ao amin’ny fiangonan’i Kristy ianao? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny zavatra izay nataon’ny Tompo ho antsika ka afaka mampiray antsika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonany antsika.
Fandravana ireo sakana
Tamin’ny andron’i Apôstôly Paoly, ireo olona izay tsy Jiosy ka niova ho Kristianina (na ireo izay efa avy Jentilisa taloha) dia mety nahatsapa ho tsy tokony ho isan’ireo hafa ao am-piangonana ary mety nahatsapa ho toy ny “vahiny sy mpivahiny” ( Efesiana 2:19). Ohatra, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, dia mety tsy navela handalo ny “efitry ny fisarahana” akory izy ireo ( Efesiana 2:14) handeha amin’ireo faritra masina kokoa ao amin’ny tempoly izay tsy nisy afa tsy ireo Jiosy ihany, anisan’izany ny Kristianina jiosy ihany no afaka mankao. Ho fanampin’izany, ny Jentilisa dia tsy mbola nisitraka ireo fitahian’ny filazantsara teo aloha hatramin’ny fotoana izay nanambaran’ny Ray any An-danitra tamin’i Petera (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10).
Nanoratra ho an’ireo Olomasina tao Efesosy i Paoly, izay vao avy niova fo vao aingana. Vakio ny Efesiana 2:12–14, 18–21 , ary tadiavo ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Efesiana. Mety hahasoa ny mahafantatra fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manomboka amin’ny fanasan’i Paoly ireo Olomasina mba hahatsiaro ny fiainan’izy ireo talohan’ny niovany fo. Ny “ankohonan’ Andriamanitra” ( andininy 19) izay lazain’i Paoly eto dia entina hilazana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
.
-
Ahoana ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Efesiana?
Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia nesorin’i Jesoa Kristy ny sakana rehetra izay nampisaraka ny Jiosy tamin’ny Jentilisa sy izay nampisaraka ny Jentilisa tamin’ Andriamanitra. Tsy voatery hiova ho Jiosy, na hiaina ny lalàn’i Mosesy, na hoforaina intsony ny Jentilisa vao afaka miditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nanatona an’i Jesoa Kristy izy ireo sy nanaiky ny filazantsarany, dia anisan’ny “ankohonan’ Andriamanitra” ( Efesiana 2:19)—anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.
-
Ahoana ny fomba nandravan’ny Mpamonjy ny sakana rehetra izay misy eo amintsika sy ny hafa?
-
Ahoana ny fahatsapanao izany hoe ny olona tsirairay “manatona … any amin’ny Ray” ( andininy 18) amin’ny alalan’ny “ran’i Kristy” ( andininy 13)?
-
Ahoana ny fomba hamintinanao ireo fitahiana izay hita ao amin’ny andininy 19–21 ho an’ny olona izay mahatsapa tsy tokony ho isan’ny fiangonan’ny Tompo?
-
Nahoana araka ny hevitrao no nampitaha ny Fiangonana ankohonana na ny fianakaviana i Paoly?
Ilay Vato fehizoro
Tamin’ny andron’i Paoly, ny vato fehizoro dia vato lehibe iray izay napetraka teo an-joron’ny vato fototra fanorenana. Ny vato fehizoro tsirairay amin’ny vato fototra fanorenana iray dia mizaka ny lanjan’ilay rafitra ary hampifandray ireo rindrina ihany koa. Ny zorony sy ny fametrahana ny vato hafa rehetra dia norefesina hatramin’ny vato fehizoro indrindra.
Manaova sary mampiseho ny zavatra izay voalaza ao amin’ny Efesiana 2:19–21 . Azonao atao ny manisy marika ny sarinao amin’ny alalan’ny teny avy amin’ny andinin-tsoratra masina.
-
Inona avy ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ny fomba nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany?
-
Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay nahatonga Azy hampitahaina amin’ny vato fehizoro?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manorina ny fiainantsika eo amin’ny Mpamonjy sy ny Apôstôly ary ny mpaminany?
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’ny fanorenan’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny ary ny apôstôliny no manampy antsika hahita toerana sy tanjona ao amin’ny Fiangonana?
Ny fototra iorenanao
Rehefa manao ireto sahanasa ireto ianao dia saintsaino ireto fanontaniana ireto:
-
Inona ny zavatra tokony hataoko mba hanorenana ny fiainako eo amin’ny fanorenan’ny mpaminany sy ny apôstôly miaraka amin’i Jesoa Kristy ilay vato fehizoro? Inona avy ireo fitahiana efa azoko?
-
Amin’ny fomba ahoana no tian’ny Tompo hanorenako bebe kokoa eo amin’iofototra io?
A. Makà fotoana fohy mba hisaintsainana hoe mety toy ny ahoana tokoa ny fiainanao eto an-tany ankehitriny raha toa ka tsy nisy ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo. Alaivo sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ny fahefan’izy ireo avy amin’ny Tompo, sy ny fampianarana entanim-panahin’izy ireo sy ny fitarihana ary ireo ohatra tahaka ny an’i Kristy. Soraty ao anaty diary fandalinanao ny zavatra izay mety ho niova na ny mety tsy ho azonao.
B. Tao amin’ny epistiliny taty aoriana i Paoly dia niresaka fitahiana fanampiny izay tonga amin’ny alalan’ireo mpaminany, sy apôstôly ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana. Vakio ny Efesiana 4:11–14 ary asio marika ireo fitahiana ireo. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny evanjelista dia patriarika, ary ny pasitera dia entina ilazana ny mpitarika ny daholobe, toy ny filohan’ny tsatòka na distrika, ny eveka na filohan’ny sampana. Manorata fomba iray na roa niainanao ireo fitahiana ireo.
D. Misafidiana lohahevitra iray na roa ao amin’ny Ry tanora, mahereza (bokikely, 2011). Soraty ireo fomba manokana izay nanampian’ity torolalana avy tamin’ireo Apôstôly sy mpaminanin’ny Tompo ity anao.
E. Eritrereto ny fomba nanampian’ireo mpaminany sy ny Apôstôly anao ho lasa nahafantatra ny Mpamonjy sy ho lasa tonga tahaka Azy kokoa. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny hevitrao. .
-
.
.
Inona no nianaranao?
Hamaranana ity lesona ity, dia eritrereto ny zavatra izay nianaranao. Hevero ny fomba hanorenanao ny fiainanao eo amin’ny fanorenan’ireo mpaminany sy Apôstôly izay sy Jesoa Kristy vato fehizoro indrindra izay mampiray anao amin’ny “ankohonan’ Andriamanitra” ( Efesiana 2:19). Eritrereto ny fomba hanorenanao bebe kokoa ny fiainanao eo amin’ny fanorenan’ireo mpaminany sy Apôstôly sy ny Mpamonjy izay vato fehizoro indrindra.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Efesiana 2:14 . Inona ilay “efitry ny fisarahana” izay resahan’i Paoly?
Nisy kianja na faritra maromaro tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, ary karazan’olona efa voafaritra fotsiny ihany no afaka niditra ao amin’ny kianja tsirairay. Navela hiakatra teo amin’ny tendrombohitry ny tempoly ny Jentilisa ka niditra tao amin’ny kianja ivelany, izay antsoina hoe Kianjan’ny Jentilisa. Ny kianja anatin’ny tempoly kosa dia voaaro tamin’ny alalan’ny fizarazarana na rindrina manokana mijoro izay manana haavony teo ho eo amin’ny iray metatra teo ka tsy azon’ny Jentilisa idirana. Raha ohatra ka misy Jentilisa mandika ilay rindrina, dia mety ho voaheloka ho faty izy. Nisy arkeologista dia nahita ny roa tamin’ireo blongam-bato marbra izay nanaovana an’io sakana io, ary nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina izay mivaky toy izao izany: “Tsy misy vahiny afaka mandika sakana izay manodidina ny toerana masina. Na iza na iza ka tratra manao izany dia ho voaheloka ho faty avy hatrany izy” (Richard Neitzel Holzapfel, Eric . Huntsman, Thomas A. Wayment, Jesus Christ and World of the New Testament [2006], 160).
Taorian’ny dia fitoriana filazantsara fahatelo izay nataon’i Paoly, dia niampanga an’i Paoly ireo jiosy sasany tany Jerosalema fa nitondra Jentilisa nandika ilay rindrina izy, ka nitarika fikomiana sy fisamborana an’i Paoly izany tamin’ny farany (jereo ny Nomery 1:51 ; Asan’ny Apôstôly 21:27–29).
Efesiana 2:20 . Inona ny antony nahatonga ny fiangonan’i Jesoa Krisy naorina teo amin’ireo Apôstôly sy ny mpaminany, sy Jesoa Kristy ilay vato fehizoro?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao mikasika ny fanorenan’ny Fiangonan’i Kristy:
Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, tamin’ny andron’ny Bokin’i Môrmôna, ary amin’izao andro maoderina izao, ireo manam-boninahitra dia mandrafitra ny vato fototra fanorenan’ny Fiangonana marina, izay mipetraka manodidina ary mahazo ny tanjaka mafy orina avy amin’ilay vato fehizoro, “ilay vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i [Jesoa] Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra” [ Helamàna 5:12 ]. … Izany fanorenana ao amin’i Kristy izany no niarovana sy ho fiarovana hatrany amin’ny andro “izay handefasan’ny devoly ny rivotra mahery, eny, ny fitsiokan’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandra sy ny tafio-drivotra rehetra izay entiny.”
(Jeffrey R. Holland, “Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 7)