Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 2:19–20


Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia miorina eo amin’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny ary ny Mpaminany

Sary
All the members of the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles are seated or standing with the Christus Statue and statues of the Original Twelve at the Visitors’ Center in Rome, Italy. Front Left to Right: Dieter F. Uchtdorf, Jeffrey R. Holland, M. Russell Ballard, Dallin H. Oaks, Russell M. Nelson, Henry B. Eyring, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Gary E. Stevenson, Ronald A. Rasband, Neil L. Andersen, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares

Nandritra ny fandalinanao ny Efesiana 2, dia nianatra ianao fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany ary i Jesoa Kristy ilay vato fehizoro indrindra. Ity lesona ity dia natao indrindra hampitomboana ny fifehezanao ireo fampianarana rehefa mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Efesiana 2:19–20 ianao, sy rehefa manazava fotopampianarana, ary rehefa mampihatra izany fotopampianarana izany sy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hilaza amin’ireo mpianatra ny rafi-tantara fampiharana avy amin’ity lesona ity sy ny hanasa azy ireo hisaintsaina ny fomba hahafahany mampiasa ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampiany ny namany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina ao aorian’ny “Efesiana 2,” izay mifandray amin’ny lesona ara-tsahan-kevitra momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Efesiana 2:19–20 . Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia alaivo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Sary
Line drawing of a meetinghouse.

Mba hanampiana anao hitadidy ity andinin-tsoratra masina fififehezana fotopampianarana ity sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao in-telo farafahakeliny ity manaraka ity: “Efesiana 2:19–20. Ny Fiangonana dia ‘naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.’”

Azonao atao ny manoratra ilay andian-teny amin’ny fomba ahafahana maneho ihany koa ilay fahamarinana. Ohatra, azonao atao ny manao sary mahitsizoro manodidina ilay andian-teny mba hanehoana ny vato fehizoro ary manao sary fiangonana eo amboniny. Na, raha efa avy nanao ohatra tamin’ity fanorenana ity ianao tamin’ny lesona teo aloha, dia azonao atao ny manoratra ilay andian-teny manan-danja eo ambony na akaikin’io sary io.

Mety hahomby ihany koa ny fanehoana ny marika famantarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary anontanio ireo mpianatra, inona ny zavatra ifandraisan’izy io amin’ny Efesiana 2:19–20 . Hevero ny hampiseho ny horonan-tsary “Manokatra ny lanitra mba hahazoana fanampiana” manomboka eo amin’ny mari-potoana faha 4:09 ka hatramin’ny 5:08, izay amariparitan’ny Filoha Russell M. Nelson ilay fampanatarana. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Global Visual Library Low-Fidelity Symbol Knockout

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hahafahany hanazava ny fotopampianarana izay nampianarina ao amin’ny Efesiana 2:19–20 : Ny Fiangonana dia “naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.” Ity sahanasa manaraka ity dia anisany hevitra iray amin’izany. Azon’ireo mpianatra atao samirery na mandeha tsiroaroa ireo dingana telo ireo.

A. Vakio ny Efesiana 2:19–20 , ary saintsaino ny hafatra izay voarakitra ao.

B. Mieritrereta fanontaniana iray izay mety hapetraky ny olona momba ireo mpaminany sy apôstôly izay azon’ny Efesiana 2:19–20 hovaliana. Ohatra amin’izany ny hoe “Nahoana ny fiangonanareo no manana mpaminany sy apôstôly?” “Inona ny zavatra izay ampianarin’ny soratra masina momba ny mpaminany sy ny apôstôly?” na koa “Inona no fifandraisana misy eo amin’ny Mpamonjy sy ny mpaminany ary ny apôstôly?” Soraty ireo fanontanianao.

D. Ampiasao ny Efesiana 2:19–20 , ary soraty ny zavatra izay mety holazainao hamaliana ilay fanontaniana.

Raha toa tokony hasaina manoratra ny valinteny ho an’ny dingana D ireo mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hiara-hiasa mandeha tsiroaroa ka hifamaly fanontaniana. Henoy ny valinteny izay aroson’ireo mpianatra ary tombano hoe hatraiza ny fahatakaran’izy ireo. Raha ilaina, dia avereno jerena ny Efesiana 2:19–20 miaraka amin’ireo mpianatra sy ireo fitaovana rehetra izay ilaina avy amin’ny “Efesianina 2.”

Fampiharana hanazaran-tena

Mandritra ity sahanasa manaraka ity, dia tombatombano ny fahaizan’ny mpianatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ary ampio izy ireo raha ilaina izany.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hamerina hijery ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Ampifandraiso amin’ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mifanaraka aminy ny fanambarana tsirairay. Raha ilaina, dia ampiasao ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mba hanampy anao.  

1. Ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana izay tsy azo antoka. 

2. Rehefa matoky amin’ny fahamarinana sy ny fahazavana izay efa avy noraisintsika isika dia handray misimisy kokoa.

3. Afaka mahita ireo olana amin’ny fomba mazava kokoa isika rehefa miorim-paka tsara amin’ny fahatokisantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny drafi-pamonjeny. 

a. Manao asa amim-pinoana.

b. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

d. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay voatendrin’ Andriamanitra.

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny iray amin’ireo anankiroa izay nampifandraisiny sy hanazava ny antony ahafahan’ilay fanambarana manokana izay nosafidin’izy ireo manampy azy hahazo fahalalana ara-panahy.

Alaivo sary an-tsaina hoe mahatsapa ho sahiran-tsaina ny namanao akaiky antsoina hoe Noro. Manana fijoroana ho vavolombelona momba ireo mpaminany sy apôstôly izy, saingy toheriny kosa ny fampianaran’ny Fiangonana ankehitriny. Raha ny tena marina, dia manana fihetseham-po tena mahery vaika manohitra izany izy. Mangataka fanampiana avy aminao izy mba hahafantarany izay tokony hatao. Amin’izay fotoana izay dia tsy fantatrao ny zavatra holazaina, saingy nanapa-kevitra ny hanaraka ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izay nampiasainao tany amin’ny seminera ianao mba hanomana anao hanampy ny namanao.

Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba hisaintsainanao ireo eritreritra sy ny fahatsapanao manokana momba ireo mpaminany sy apôstôly ary ny fomba hahafahanao manampy an’i Noro.

Hevero ny hanoratra ity fampahalalana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe na manomana azy ireo amin’ny tapa-taratasy iray mba ho azon’ireo mpianatra ampiasaina.

Ahoana no fomba nianarako natoky sy nanaraka ireo apôstôly sy mpaminany?

Ahoana ny fomba mety hanampiako ny namako?

Inona avy ireo zavatra izay efa niainako rehefa nanao zavatra tamim-pinoana an’i Jesoa Kristy aho mba hanarahako ny apôstôliny sy ny mpaminaniny? Inona amin’ireo zavatra izay efa avy niainako no mety hanampy ary azo zaraina amin’i Noro?

Inona no fanontaniana izay tokony hapetrako amin’i Noro mba hanampiana azy hihevitra ny fomba izay tian’ny Tompo hanaovany asa amim-pinoana?

Inona ny zavatra efa fantatro momba ny Ray any An-danitra, ny drafiny ary ny fomba ifandraisany amin’ireo zanany izay mety hanampy an’i Noro amin’izao toe-javatra andalovany izao?

Inona no fanontaniana izay tokony hapetrako amin’i Noro mba hanampiako azy hijery ny ahiahiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Inona avy ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra izay nanampy ahy hatoky ny apôstôly sy ny mpaminany? Ahoana no fomba nanampian’izany ahy?

Inona avy ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra azoko aroso an’i Noro?

Raha mila fanampiana amin’ireo fanontaniana amin’ny fomba hanampiana an’i Noro hijery ny ahiahiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo mpianatra, dia hevero ny hampiasa ireto ohatra manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra efa fantatrao mikasika ny anjara asan’ireo mpaminany ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

  • Inona ny zavatra izay mampiahiahy anao momba ity fampianarana manokana ity? Inona avy ireo fitsipika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mety hanampy anao hahatakatra izany bebe kokoa?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ny hanaraka na tsy hanaraka ireo mpaminany sy ny apôstôly aminao rehefa mandeha ny fotoana? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra?

Raha mila fanampiana amin’ny fanolorana ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra hianaran’i Noro ireo mpianatra dia entano izy ireo mba mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6 sy 1 Nefia 2:11, 16, 19 . Azo asaina mamaky ny zavatra notenenin’ny Filoha Henry B . Eyring izy ireo momba ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany sy apôstôly ao amin’ny “Finding Safety in Counsel” (Ensign, Mey 1997, 25), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Asao ireo mpianatra mba hilalao an-tsehatra ny zavatra izay mety hotenenin’izy ireo amin’i Noro, mandeha tsiroaroa na anatiny vondrona kely. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny manao kisarisary atao avy amin’ny tapa-kazo tsotra sy fampitenenan-tsary.

Mametraha fanontaniana fanaraha-maso toy ny hoe “Ahoana ny fomba ahafahanao mahatsapa fa matoky tena amin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampiana ny hafa? Nahoana?” “Inona ny zavatra izay mbola hilanao fanampiana na fanazaran-tena bebe kokoa?”

Ankasitraho ireo mpianatra amin’ny fomba fampiasan’izy ireo ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy ny fomba fivoaran’izy ireo.

Hevero ny hizara ny zavatra izay efa niainanao manokana na fijoroana ho vavolombelona mba hamporisihana ireo mpianatra.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Mampiasà sahanasa toy izao manaraka izao mba hamerenana mijery ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny lesona manaraka.

Manaova kisarisary tsotsotrana fanorenana fiangonana eo amin’ny solaitrabe, ary asio mahitsizoro eo ambaniny mba hanehoana ny vato fototra fanorenana. Soraty ao anatin’ity mahitsizoro ity, izao manaraka izao: Efesiana _:19–20, Ny Fiangonana dia “miorina eo ambonin’ny __________________ n’ny _____________ sy ____________, ary i Jesoa Kristy no ___________ ________.” Asao ireo mpianatra mba hameno ny banga. Vitao io famerenana io amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hamerina imbetsaka ilay andinin-teny sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary hamafa teny vitsivitsy isaky ny avy manandrana mamerina.

Sahanasa fianarana fanampiny

Ovaovao ny rafi-tantara

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity ho solon’ilay horonan-tsary izay efa ao amin’ny lesona:

Alaivo sary an-tsaina ohatra ny namanao akaiky Noro sy ny fianakaviany dia mbola mino an’i Jesoa Kristy sy ny Baiboly saingy mieritreritra ny hiala amin’ny Fiangonana satria tsy manaiky ny zavatra sasany izay ampianarin’ny mpaminany sy ny apôstôly amin’izao fotoana izao izy ireo. Mangataka fanampiana avy aminao izy mba hahafantarany izay tokony hatao.

Hamoaka printy