Seminera
Efesiana 2–5


Efesiana 2–5

Mikatsaka fahamarinana mandrakizay

Sary
Young woman sitting in home reading open scriptures that have been underlined. (horiz)

Manao ahoana ny fahatokian-tenanao amin’ny fahaizanao mikatsaka fahamarinana ao anaty soratra masina? Ireo mpaminany dia mampianatra fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra mba ho tombontsoantsika. Ohatra, i Paoly dia nampianatra ireo Olomasina tany Efesosy momba ireo fahamarinana entina mandresy izao tontolo izao sy ahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hianatra ny fomba ahitana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy anao eo amin’ny fiainanao sy hitondra anao akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Fampiharana ny fahaiza-mandalina soratra masina. Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fampiharana ny fahaiza-mandalina soratra masina ireo mpianatra, toy ny fampitoviana ny soratra masina amin’ny fiainany, ny fampiasana ireo fanampiana amin’ny fandalinana, ny famantarana ireo lohahevitra sy ireo lamina, ny fahatakarana ireo famantarana samihafa, ny fitadiavana ireo loharanom-pahalalana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny fanisiana fanamarihana ao anaty ny soratra masina, ny fanaovana lisitra, ny famintinana izay novakiany, ny fitadiavana sy ny fampiasana ny soratra masina mifandray, ny famaritana ireo teny sarotra, sy ny sisa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba handalina ny soratra masina eo anelanelan’izao fampianarana izao sy ny fampianarana manaraka ary hitady ireo fahamarinana izay ampianarin’izany soratra masina izany. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fomba ahafahan’izy ireo mamantatra ireo fahamarinana ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mitady soatoavina

Ny horonan-tsary “Flecks of Gold” (3:15) dia miresaka momba ny lehilahy anankiroa izay nitrandraka volamena. Vakio ilay tantara na jereo ilay horonan-tsary, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:26. Eritrereto ny lesona ara-panahy azonao tsoahana avy amin’izany.

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Matetika isika no mitovy amin’ilay mpivarotra tanora avy any Boston izay, tamin’ny 1849, araka ny voalaza, dia tafalatsaka tao anatin’ilay hafanam-pon’ny hazakazaka hitadiavana volamena tany Californie. Namidiny daholo ny fananany rehetra mba hitadiavana harena tany amin’ireo reniranon’i Californie, izay nolazaina taminy fa feno vongam-bolamena vaventy loatra ka sarotra ho an’ny olona iray ny mibata izany.

Nifandimby tsy nisy fiafarana ireo andro, izay nandrotsahany ny fanivanany tao anaty rano fa foana hatrany izany rehefa nakarina. Ny hany valisoa azony dia vato nivangongo niavosa. Kivy sy borona izy ary efa hilavo lefona kanjo indray andro nisy mpitrandraka iray efa antitra sy za-draharaha niteny taminy hoe, “Tena miavosa izany vato azonao izany, ry tovolahy.”

Namaly ilay tovolahy hoe “Tsy misy volamena eto. Handeha hiverina hody aho.”

Nanatona ireo vato niavosa ilay mpitrandraka anti-dahy ary nilaza hoe: “Misy volamena tokoa moa. Fa mila mahafantatra fotsiny hoe aiza no tokony ahitana azy.” Naka vato roa tamin’ny tanany izy ary nampifampikapohany izy roaroa. Vaky nisokatra ny vato iray ka niseho teo ny poti-bolamena nanjelatra notarafin’ny masoandro.

Nahatsikaritra kitapokely hoditra nibontsina nifatotra teny am-balahan’ilay mpitrandraka ilay tovolahy dia niteny hoe: “Vongany no tadiaviko, tahaka ireo ao anaty kitaponao, fa tsy poti-bolamena madinika fotsiny.”

Naroson’ilay mpitrandraka anti-dahy ny kitapony ho hitan’ilay tovolahy izay nijery tao anatiny, nanantena ahita vongam-bolamena vaventy maro. Gaga izy raha nahita fa feno poti-bolamena an’arivony ilay kitapo.

Hoy ilay mpitrandraka anti-dahy hoe: “Anaka, raha ny fahitako azy dia sahirana loatra ianao mitady vongam-bolamena vaventy ka tsy vitanao ny mameno ny kitaponao amin’ireto poti-bolamena sarobidy ireto. Ny fanangonana tamim-paharetana an’ireto poti-bolamena madinika ireto no nahazoako harem-be.”

(M. Russell Ballard, “Mahita fifaliana amin’ny alalan’ny asa fanompoana feno fitiavana,” Liahona, mey 2011, 46)

  • Inona ny zavatra izay mety ifandraisan’ity tantara ity amin’ny fitadiavana fahamarinana ao amin’ny soratra masina?

Vakio ireto fanambarana manaraka ireto, ary omeo naoty avy amin’ny isa iray ka hatramin’ny dimy izany (ny iray = tsy marina amiko mihintsy; ny dimy = marina hatrany)__ Matoky ny fahaizako mitady ny fahamarinana mandrakizay ao amin’ny soratra masina aho miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.

__ Fitahiana eo amin’ny fiainako ny fahitana ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ary manampy ahy mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra izay efa nahavita ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainany.

Mitady fahamarinana ao anaty soratra masina

Misy ireo fahamarinana sasany izay sarotra tadiavina kokoa noho ny hafa. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny hafatra navelan’i Paoly ho an’ireo Olomasina tany Efesosy. Hanampy anao ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo (jereo ny Môrônia 10:5 ; Jaona 16:13).

Ity fizarana ity dia natao ho ohatra iray entina manampy ireo mpianatra hahita ny fomba hamantarana ireo fahamarinana ao amin’ny andinin-tsoratra masina. Hevero ny hampiasa ireo fahamarinana hafa ao amin’ny Efesiana 2–5 raha mety hanampy ireo mpianatra izany.

Hevero ny hizara ilay horonan-tsary “Identifying Doctrine and Principles: Students’ Testimonies” (2:38) mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny hasarobidin’ny fianarana ny fomba ahafahana mampihatra ity fahaiza-manao ity. Izany horonan-tsary izany dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fomba ahafahany mamantatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

Raha voafonja tao an-tranomaizina tao Roma i Paoly, dia nanoratra ho an’ireo Efesiana izy mba hampahery sy hanoro hevitra azy ireo mikasika ny fomba ahafahana manohy manatona an’i Jesoa Kristy sy ny fomba handresena ireo fanafihana ara-panahy ataon’ny devoly. Manaova fanazaran-tena mamantatra ireo fahamarinana avy amin’ny zavatra izay nozarain’i Paoly tamin’ireo Olomasina ireo.

Ity manaraka ity dia fomba iray ahafahanao mikaroka ireo fahamarinana mandrakizay rehefa mandalina ny soratra masina ianao. Vakio ny Efesiana 2:4–10 , ary ataovy ireto dingana manaraka ireto:

Hevero ny hanoratra ireto dingana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe mba ahafahan’ireo mpianatra manao izany ho maodely mandritra ny lesona.

  1. Mitadiava teny, andian-teny, na andinin-tsoratra masina izay toa manan-danja indrindra. Hevero ny hanisy marika izany ao amin’ny soratra masinao.

  2. Fintino ny hevi-dehibe ao amin’ireo teny, andian-teny, na andinin-tsotra masina ireo. (Ohatra, azonao fintinina ve ny zavatra nolazain’i Paoly momba ny fahasoavana ao amin’ny andininy 8 ?)

  3. Amboary ireo zavatra izay nianaranao ho lasa fanambarana ny fahamarinana izay azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao.

  • Inona ny fahamarinana hitanao? Ahoana ny fomba nahafantaranao izany fahamarinana izany?

Manasà mpianatra maromaro mba hizara ny heviny. Derao hatrany izy ireo amin’ny ezaka izay ataony. Ahitana ireto manaraka ireto ny fahamarinana sasantsasany izay mety ho hita: Mamindra fo sy tia antsika Andriamanitra (jereo ny Efesiana 2:4); rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavany (jereo ny Efesiana 2:5, 8); tsy ampy hamonjena antsika ny asantsika samirery fotsiny ihany (jereo ny Efesiana 2:8–9). Rehefa mizara ireo mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Ahoana ny fomba ahafahan’izany fahamarinana izany manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na hanampy anao ho tonga tahaka Azy ireo kokoa?

  • Ahoana ny fomba nampiharanao na ahoana ny fomba izay mety hampiharanao izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao?

Manao fanazaran-tena mamantatra fahamarinana

Mety hanampy ny mamela ireo mpianatra hiasa mandeha samirery rehefa mitady fahamarinana. Avy eo dia afaka mitady mpianatra iray hafa ao an-dakilasy izay nandalina an’io andinin-tsoratra masina io izy ireo ary mifampitaha ireo fahamarinana hitan’izy ireo.

Ampiasao ireo dingana izay voatanisa teo aloha. Misafidiana anankiray na roa amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto, dia tadiavo ireo fahamarinana mandrakizay hita ao anatin’izany.

  • Efesiana 3:13–19

  • Efesiana 4:20–32 (Mety hanampy ny fahafantarana fa ilay “olona taloha” ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia maneho ireo fomba feno fahotana taloha ary ny “olona vaovao” dia maneho ny fiainana am-pahamarinana ao amin’i Jesoa Kristy.)

Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana izay hitanao ary saintsaino ny fomba ahafahan’izany manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na manampy anao mba hitovy kokoa amin’izy ireo.

Ampiasao ireo loharanom-pahalalana izay eo am-pelatananao (taratasy, pensilihazo miloko, fitaovana nomerika, sy ny maro hafa), mamorona peta-drindrina izay azo ampidirina ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery . Ampidiro ao anatin’ny peta-drindrinao izao manaraka izao:

  • Ny fitsipika izay hitanao sy ny andinin-tsoratra masina na ireo andininy izay nahitanao izany

  • Sary na kisary tsotra iray izay manampy ny mpamaky hahatakatra ny fahamarinana na maneho ny fomba mety hampiasan’ny olona io fahamarinana io eo amin’ny fiainany

Hevero ny haneho ohatra vitsivitsy amin’ny peta-drindrina avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mety hanampy ity rohy manaraka ity: https://www.churchofjesuschrist.org/media/collection/inspirational-picture-quotes-images?lang=eng.

Na jereo raha sendra misy peta-drindrina ny gazetiboky Ho zatovo mahery izay nivoaka farany indrindra.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny peta-drindrina nataony ary hanazava izany. Hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso toy izao manaraka izao: “Ahoana ny fomba nahitanao izany fahamarinana izany?” “Ahoana ny fomba ahafahan’izany manampy anao mba hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” “Ahoana ny fomba nitahian’ny Tompo anao rehefa niezaka ny niaina izany fahamarinana izany ianao?”

Mandinika ny fitadiavana fahamarinana

Eritrereto ny zavatra izay niainanao nandritra ny fitadiavana ireo fahamarinana mandrakizay tao amin’ny soratra masina.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fa nahomby ny zavatra nataonao?

  • Inona no sarotra?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitadiavana fahamarinana nanampy anao hahita ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao androany eo amin’ny fandalinanao manokana na ny fandalinan’ny fiankavianao ny soratra masina?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Efesiana 2:4–9 . Inona no atao hoe fahasoavana ary inona ny zavatra izay entin’izany amiko?

Raha tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia namaritra ny fahasoavan’ Andriamanitra ho toy “ilay fanampiana masina sy fanomezana hery izay ahafahantsika mivoatra avy amin’ilay olona tsy tanteraka sy manam-petra misy antsika amin’izao fotoana izao, ka ho tonga olona misandratra ao amin’ny -fahamarinana sy fahazavana, ambara-pahatonga [antsika] hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.-’ [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:28 ]” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po,” Liahona, mey 2015, 107). Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fahasoavana, dia hevero ny hamaky ilay lahateny manontolo, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy, dia vakio ny Môzià 2:20–24 sy ny Filipiana 2:12–13 .

Efesiana 4:22 . Inona no dikan’ny hoe “hialanareo ny toetrareo taloha”?

Nampianatra i Paoly fa rehefa misafidy ny hanaiky ny ôrdônansin’ny batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hampitsahatra ireo fombantsika teo aloha (na “hanala ny toetra taloha” [ Efesiana 4:22 ]) ary hanomboka fiainam-baovao ho toy ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy (jereo ny Romana 6:1–6 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). Tafiditra ao anatin’izany ny famelana ny fahotantsika sy ny zavatra rehetra izay manakana antsika tsy hanakaiky ny Ray any An-danitra. Tsy afaka manao an’izany dingana izany raha isika samirery fotsiny ihany. Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny fitaomana manamasina avy amin’ny Fanahy Masina ihany no ahafahana manao izany.

Sahanasa fianarana fanampiny

Mahatakatra lalindalina kokoa ny fahamarinana

Rehefa mahita fahamarinana iray avy ao amin’ny Efesiana ireo mpianatra, dia azo atao ny manasa azy ireo hanakatra lalindalina kokoa izany fahamarinana izany. Afaka mampiasa loharanom-pahalalana ara-tsoratra masina izy ireo, Lohahevitra ara-pilazantsara (topics.ChurchofJesusChrist.org), ny appliation Bibliotheque de l’Evangile, na ireo loharanom-pahalalana hafa misy ahafahana mitady ireo teny manan-danja. Azo atao avy eo ny manasa azy ireo hizara ny zavatra izay nianarany momba ireo fahamarinana sy ny fomba ahafahany mampiditra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany.

Hevitry ny Bokin’i Môrmôna momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy

Raha toa ka hanampy kokoa ireo mpianatra ny mifanakalo hevitra momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny toeran’ny fitadiavana fitsipika ao amin’ny soratra masina, dia asao izy ireo mba handalina ny Efesiana 2:1–12 , ka hampitaha ny mety ho endriky ny fiainan’izy ireo raha tsy teo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy (jereo ny andininy 1–3) sy ny endriky ny fiainanan’izy ireo miaraka amin’ny fahasoavany (jereo ny andininy 4–8). Rehefa avy eo dia afaka mandalina ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy izy ireo (jereo ny 2 Nefia 10:24–25 ; Jakoba 4:6–7 ; Helamàna 12:24 ; Etera 12:27 ; Môrônia 10:32–33), mamantatra ny antony izay tena ilan’izy ireo manokana ny fahasoavan’ny Mpamonjy, ary hamorona drafitra iray ahafahan’izy ireo mikatsaka matetika kokoa ny fahasoavany.

Hamoaka printy