Seminera
Galatiana 5


Galatiana 5

“Mandehana araka ny Fanahy”

Sary
A group of youth walking towards the St. George Utah Temple.

Moa ve ianao efa nahatsapa ho tsy nahita izay hatao nanoloana ny faniriana hilefitra amin’ny fakam-panahy sy ny faniriana hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hiaina amim-pahamarinana? Ny Apôstôly Paoly dia nanoritsoritra ny tolona anaty mety ho tsapantsika eo amin’ny faniriantsika eto ambonin’ny tany, ny vatantsika tsy lavorary sy ny Fanahin’ Andriamanitra, izay mandresy lahatra antsika hanao ny tsara. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa amin’ny fanomezana anao fahafahana hamantatra ireo fomba ahafahanao “mandeha araka ny Fanahy” amin’ny fomba feno kokoa ( Galatiana 5:16).

Mamorona tontolo azo antoka hahazoana mianatra. Miaraha-manao ezaka mba hanolokoloana tontolo feno fitiavana sy fanajana ary tanjona. Ny ezaka ataonao hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ho voaro sy hajaina ary manan-danja mandritra ny seminera dia hanampy azy ireo hahatsapa bebe kokoa ny Fanahy Masina sy hiaina zavatra manan-danja.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Môzià 3:19 ary hamantatra ireo fampianarana afaka manampy azy ireo handray ny fanampian’ny Mpamonjy handresena ny toetrantsika anaty fahalavoana, na ny “olona araka ny nofo.” Mety hahasoa ihany koa ny manasa ireo mpianatra hitadidy io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io.

Sahanasa fianarana azo atao

Fifaninanana misintona tady

Asehoy na ataovy eny amin’ny solaitrabe ity sary manaraka ity. Hevero ihany koa ny hanasa ny mpianatra hanao tahadika vetivety sary mitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Sary
Four men pulling a rope in a tug-of-war.
  • Amin’ny fomba ahoana no itovizan’ny fiainanao amin’ny fifaninana misintona tady?

Ao amin’ny epistiliny ho an’ny Galatiana, ny Apôstôly Paoly dia namaritra hery mifanandrina roa izay afaka mitarika antsika amin’ny lalana samihafa. Vakio ny Galatiana 5:16–17 , ary tadiavo ny torohevitr’i Paoly momba ireo hery ireo.

  • Inona avy ireo hery mifanandrina hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

Hevero ny hanoritra tsipika mitsangana midina iray eo afovoan’ilay sarin’ny fifaninanana misintona tady. Avy eo dia soraty ny hoe Mandehana araka ny Fanahy eo ambonin’ny ilany amin’ilay fifaninanana misintona tady ary ny hoe Tanteraho ny filan’ny nofo eo ambonin’ny ilany iray hafa. Amporisiho ireo mpianatra izay nandika ilay sary tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mba hanampy izany ao koa.

Ireo fakam-panahy iainantsika no antsoina hoe “[ireo] filan’ny nofo” ( andininy 16).

  • Inona avy ireo fakam-panahy ara-batana (filan’ny nofo) iainan’ny tanora?

Ampitahao amin’ny lisitra nataon’i Paoly ao amin’ny Galatiana 5:19–21 ny valin-teninao.

  • Inona no teny tsy mahazatra anao, raha misy?

Miomàna hanampy ireo mpianatra hahatakatra izay teny tsy mahazatra ao amin’ny andininy 19–21 amin’ny fampiasana ireo loharano hita ao amin’ny fanovozan-kevitra ao amin’ny Baiboly na rakibolana.

Makà fotoana kely handinihana amim-pahanginana ny fomba mety hitrangan’ny fifaninanana misintona tady eo amin’ny Fanahy sy ny filan’ny nofo eo amin’ny fiainanao. Ahoana avy ny fomba azonao hiadiana amin’ny filan’ny nofo? Inona no fitahiana azonao rehefa manaraka ny fitarihan’ny Fanahy ianao? Eo am-panohizanao ny fandalinana dia henoy tsara ireo fitaomam-panahy izay afaka manampy anao hahafantatra izay mety ho fanovana hanampy anao handresy ireo fakam-panahy atrehinao.

Manalavitra ny asa mampanarana ny nofo

Ireto sosokevim-pampianarana manaraka ireto dia ahitana fomba iray azo ampiasaina hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra bebe kokoa ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Galatiana 5 .

Raha toa ka mahazo tombony amin’ny fomba fiasa tsy manara-drafitra be loatra ny mpianatra dia hevero ny hanome fotoana manokana azy ireo handalinana ny Galatiana 5:16–23 , Môzià 3:19 , ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12 , miaraka amin’ny lahatenin’ny Loholona David A. Bednar tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany izay natao tamin’ny aprily 2013 mitondra ny lohateny hoe “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena” ( Liahona, mey 2013, 41–44). Azo omena loharanom-pitaovana hafa mifandray amin’izany ireo mpianatra ho entiny mandalina. Afaka asaina izy ireo hitatitra ny heviny sy hanoratra izay fitaomam-panahy azony tamin’ny fandalinany sy ny fifanakalozan-kevitra manaraka.

Araho ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo mpianatra hiaina zavatra manan-danja.

Vakio ny Galatiana 5:21 , ka tadiavo ny antony maha-zava-dehibe ny manalavitra ny filan’ny nofo.

  • Inona no nianaranao mikasika ny antony tokony hanalavirantsika ireo fihetsika ireo?

  • Inona no mety hanasarotra ny fanalavirana ny filan’ny nofo, na dia fantatsika aza fa tsy mety izany?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Koa satria zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika dia nandova hery masina ao anaty avy Aminy. Saingy mitoetra ao anatin’ny tontolo lavo isika amin’izao fotoana izao. Ireo singa fototra namoronana ny vatantsika dia lavo amin’ny toetrany voajanahary ary iharan’ny fanintonan’ny ota, ny faharatsiana, ary ny fahafatesana hatrany. Vokatr’izany, ny Fahalavoan’i Adama sy ny vokatr’izany ara-panahy sy ara-batana dia misy fiantraikany mivantana amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny vatantsika. …

Satria tena manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. Iray amin’ireo zavatra maneso sy mampihomehy indrindra momba ny mandrakizay ny hoe, ny fahavalo, izay fadiranovana tokoa satria tsy manana vatana, dia maka fanahy antsika hifampizara aminy ny fijaliany amin’ny alalan’ny fampiasana amin’ny fomba tsy mety ny vatantsika. Noho izany, ny fitaovana tsy hananany no tarigetrany voalohany amin’ny fikasany mba hitarika antsika any amin’ny fahasimbana ara-panahy.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42–43)

  • Teny na andian-teny inona no nanaitra anao tamin’io teny io? Nahoana?

Misafidy ny handeha araka ny Fanahy

Vakio indray ny Galatiana 5:16 ary tadiavo ny fampianaran’i Paoly mikasika ny fomba ahafahantsika mandresy ny fakam-panahy misarika ny nofo.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Galatiana 5:16 ny hoe rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia ho afaka ny handresy tsara kokoa ny fakam-panahy misarika ny nofo. 

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mandeha araka ny Fanahy”?

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fandehanana araka ny Fanahy dia ahitana ny fikatsahana sy fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fandehanana araka ny Fanahy anao handresy ny fakam-panahin’ny nofo?

Vakio ny Môzià 3:19 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12 , ka tadiavo ireo fampianarana afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fandehanana araka ny Fanahy.

  • Inona avy no eritreritra na fahatsapana tonga tao aminao rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?

  • Inona no nianaranao mikasika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao handresy ireo fakam-panahy atrehinao?

  • Inona avy ireo zavatra manokana azonao atao hahazoana antoka fa miaraka aminao amin’ny fomba feno kokoa ny Fanahy?

Hevero ny hizara ohatra manokana mifandray amin’ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hametrahana ilay fanontaniana amin’ny iray kilasy.

  • Inona no zavatra niainanao izay nanarahanao ny Fanahy ka nanampy anao nandresy ny fakam-panahy? (Ataovy izay tsy hizaràna zavatra mahakasika ny tena manokana loatra.)

Ny vokatry ny Fanahy

Sary
Drawing of a tree bearing good fruit

Nampahafantatra ireo fitahiana maro izay mety hitranga eo amin’ny fiainantsika i Paoly rehefa mihaino sy manaraka ny Fanahy Masina isika. Nantsoiny hoe “vokatry ny Fanahy” ireo fitahiana ireo ( Galatiana 5:22).

Vakio ny Galatiana 5:22–23 , ka tadiavo ny vokatry ny Fanahy izay nolazain’i Paoly.

  • Inona amin’ireo fitahiana na fahatsapana avy amin’ny Fanahy ireo no efa niainanao?

  • Inona no anampian’ireo fitahiana ireo anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Raha ilaina dia jereo ny Salamo 25:8–10 ; Môzià 2:41 .)

Ampiharo ny zavatra nianaranao

I Jesoa Kristy, izay nanao mandrakariva ny sitrapon’ny Ray any An-danitra (jereo ny 3 Nefia 27:13), no ohatra tonga lafatra niaina izany fomba izany handresena ny fakam-panahy hanota. Na dia niaritra ny karazana fakam-panahy rehetra misarika ny nofo aza Izy (jereo ny Hebreo 4:15 ; Almà 7:11), dia “tsy nilefitra tamin’ireny” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:22).

Saintsaino vetivety ny fomba hiezahanao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy hampiharana ireo fahamarinana nohalalininao androany. Eritrereto ireo fitaomam-panahy efa azonao, ary manaova drafitra mikasika ny zavatra hataonao mba handehanana amin’ny fomba feno kokoa araka ny Fanahy sy handresena ny fakam-panahy. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny drafitrao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny Fanahy Masina manampy ahy hanohitra sy handresy ny fakam-panahy?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra. …

Raha toa ianareo ka tafalatsaka amin’ny zavatra tsy tokony ho ataonareo, na miaraka amin’ ny olona izay mitarika anareo amin’ ny lalana mampivarina an-kady, dia izao no fotoana ampiasana ny fahaleovan-tenanareo, ny fahafahanareo misafidy. Henoy ny feon’ny Fanahy, dia tsy hivarina amin’ny lalan-diso ianareo.

Averiko indray fa miaina ao amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireo tanora ankehitriny miaraka amin’ ireo fitsipika ara-pitondran-tena izay mivaralila fatratra. Kanefa amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina.

(Boyd K. Packer, “Torohevitra ho an’ireo tanora,” Liahona, nôv. 2011, 18)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fampianaran’i Paoly sy ny nofin’i Lehia

Ao amin’ny Galatiana 5:16–23 , dia nampifanohitra ireo fitahiana amin’ny fandehanana araka ny Fanahy sy ny vokatry ny fanatanterahana ny filan’ny nofo i Paoly. Mety hanampy ny mpianatra ny fakana sary an-tsaina io fifanoherana io amin’ny alalan’ny fieritreretana ny fomba anehoana izany ao amin’ny fahitan’i Lehia momba ilay hazon’aina.

Sary
Lehi’s tree of life vision with bright gold tree, people holding on to the iron rod, and the great and spacious building.

Asehoy ilay sary miaraka amin’izany ary anontanio ireo mpianatra hoe ampahany inona amin’ny sary no maneho ny fampianaran’i Paoly momba ny fandehanana araka ny Fanahy ary ampahany inona no maneho ny fampianarany momba ny fanatanterahana ny filan’ny nofo. Mety hanampy koa ny manasa ireo mpianatra handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hahitana ny fomba hanehoana ireo lafiny samihafa amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ilay nofin’i Lehia: 1 Nefia 8:10–12 , 19–34 .

Galatiana 5:22–23 . Ny vokatry ny Fanahy

Hevero ny hifanakalo hevitra amin’ny antsipiriany kokoa momba ny vokatry ny Fanahy voatanisa ao amin’ny Galatiana 5:22–23 . Fomba iray azo hanaovana izany ny fanaovana sarina hazo iray misy voa eny amin’ny solaitrabe na manapatapaka taratasy miendrika sarina voankazo. Afaka mikaroka ao amin’ny Galatiana 5:22–23 ny mpianatra avy eo ary manoratra vokatry ny Fanahy iray amin’ny voankazo tsirairay. Avy eo dia hevero ny hifanakalo hevitra mikasika ny dikan’ireo andian-teny ireo, ireo zavatra niainan’ireo mpianatra mikasika ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy ireo, ary ireo olona izay fantany nanana fiainana maneho ny vokatry ny Fanahy iray manokana (nalaina avy tamin’ny “25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

Hamoaka printy