Seminera
Jaona 9


Jaona 9

Nampahiratra lehilahy jamba iray i Jesoa

Sary
Depiction of Jesus healing a blind man. For Mormon Channel use.

Nampahiratra lehilahy iray teraka jamba i Jesoa. Nanontany an’io lehilahy io ny Fariseo dia nandroaka azy hiala tao amin’ny synagoga satria tsy nanaiky ny hiampanga an’i Jesoa ho mpanota noho ny fanasitranana nataony tamin’ny Sabata izy. Nitady ilay lehilahy ny Mpamonjy, dia nidera an’i Jesoa ho ny Zanak’ Andriamanitra ilay lehilahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra hoe ahoana no ahafahana mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky amin’izay zavatra fantatrao momba Azy, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

Mampiato ny horonantsary mba hanaovana fifanakalozan-kevitra. Azo atao ny mampiato ny horonantsary amin’ireo fotoana voakendry tsara mba hametrahana fanontaniana, hanomezana sahan-kevitra, hanasana ny mpianatra hametraka fanontaniana. Rehefa miomana ny hampianatra amin’ny alalan’ny horonantsary dia eritrereto ireo fotoana hampiatoanao ilay horonantsary mba hampandraisana anjara feno ny mpianatra amin’ny zavatra ampianarin’izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay nijanonan’izy reo ho mahatoky hatrany tamin’ny zavatra fantany sy inoany momba an’i Jesoa Kristy manoloana ny fanoherana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fijanonana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy

Hevero ny hamorona indray ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fampiasana raozy na zavatra hafa ity rafi-tantara eto ambany ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena boaty anankiray misy raozy miloko mavo ao anatiny ianao.

  • Inona no havalinao raha toa ka misy olon-kafa izay tsy nahita akory ilay raozy tao anatin’ilay boaty kanefa milaza aminao fa mavokely ilay izy?

Indraindray dia mety mifanena amin’olona na mifanehitra amina hevitra manohitra ny fahalalantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika. Na dia efa ny Fanahy aza no nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy tamintsika, dia mety mbola hiezaka handà izany fahamarinana izany ny hafa.

Ny mpianatra sasany dia mety manana zavatra niainana azony zaraina momba ireo fotoana niatrehany fanoherana momba ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Azon’ireo mpianatra atao ny mizara ny zavatra neritreretiny nandritra ny sahanasa Fanomanana ny mpianatra. Raha ilaina dia hevero ny mizara ilay ohatra momba an’i Joseph Smith ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26 na koa zavatra niainana manokana.

  • Miatrika fanoherana ve ianao amin’ny ezaka ataonao mba hijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Raha eny, dia inona no fiatraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Hevero ny hanoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny mpianatra mitadidy izany rehefa mianatra ny Jaona 9 izy ireo.

Hianatra momba ny lehilahy jamba iray izay nositranin’ny Tompo ianao ao amin’ny Jaona 9 . Isan’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ity lehilahy ity ny hoe rehefa mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy isika na dia eo aza ny fanoherana dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mitadiava porofo manamarina ity fitsipika ity rehefa mianatra ilay tantara ao amin’ny Jaona 9 ianao.

Vakio ny Jaona 9:1–12 , dia tadiavo ny zavatra nianaran’ilay lehilahy jamba momba an’i Jesoa.

  • Inona ny zavatra fantatr’ity lehilahy ity momba an’i Jesoa tamin’io fotoana io?

Rehefa nahiratra ilay lehilahy jamba, dia niady hevitra ny vahoaka hoe ity lehilahy ity tokoa ve ilay teraka jamba, ary ny sasany kosa dia nanontany tena ny amin’ny fomba nahasitrana azy. Nentina teo anatrehan’ireo Fariseo izy, izay tsy tezitra satria natao tamin’ny andro Sabata ilay fahagagana. Nanomboka nanadihady ilay lehilahy izy ireo. Nanontany ny ray aman-dreniny ihany koa ireo Fariseo, kanefa dia nandà ny hamaly ireo Fariseo ny ray aman-dreniny noho ny tahotr’izy ireo ho voaroaka hiala ao amin’ny synagoga raha manohana an’i Jesoa izy ireo. Dia mbola nanontany an’ilay lehilahy mikasika ny nahiratan’ny masony indray ireo Fariseo. (Jereo ny Jaona 9:13–34 .)

Vakio ny andininy 11, 17, 25, sy 30–33 , dia raiso an-tsoratra ny zavatra izay nolazain’ilay lehilahy momba an’i Jesoa.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo teny isan-karazany nambaran’ilay lehilahy momba an’i Jesoa. Mety hahazo tombontsoa koa ireo mpianatra raha manisy marika ireo teny nambara ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona no porofo hitanao ao amin’ny tantaran’ilay lehilahy jamba izay manamarina ilay fitsipika hoe rehefa mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy isika na dia eo aza ny fanoherana dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Tamin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no nahatakaran’ity lehilahy ity bebe kokoa hoe iza i Jesoa?

  • Inona no ampianarin’ny teny nambaran’ity lehilahy ity anao momba an’i Jesoa Kristy?

Koa satria mbola nanohy nilaza ity lehilahy ity fa avy amin’ Andriamanitra i Jesoa, dia noroahin’ireo Fariseo hiala ny synagoga izy (jereo ny Jaona 9:34).

Vakio ny Jaona 9:35–38 , dia tadiavo ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy ilay lehilahy.

Eritrereto ny zavatra ilain’ireo mpianatra, dia misafidiana amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hifanakalozana hevitra. Mety hahazo vokatsoa avy amin’ny famaliana ao amin’ny diariny ireo fanontaniana izay nosafidina ny mpianatra mialoha ny hifanakalozana hevitra momba izany miaraka amin’ny rehetra.

Fanontaniana azo apetraka hanaovana fifanakalozan-kevitra

  • Ahoana no nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay lehilahy teraka jamba rehefa nijanona ho mahatoky tamin’ny zavatra fantany momba ny Mpamonjy izy?

  • Afaka ny hatanjaka amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika fanoherana na fisedrana finoana isika?

  • Inona ny zavatra ianarantsika momba ny toetran’i Jesoa Kristy avy amin’ny fifaneraserany tamin’ilay lehilahy teraka jamba?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ny Mpamonjy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay lehilahy jamba? Ahoana no hanampiany antsika hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy ao amin’io tantara io manampy anao amin’ny fiatrehana ny fanoherana amin’izao fotoana izao na amin’ny ho avy?

Azonao atao ny mizara zavatra niainanao manokana momba ny fijanonana ho mahatoky amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika fanoherana.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 9:1–3 . Inona ny antony nahatonga ireo mpianatr’i Jesoa nino fa vokatry ny fahotana ny fahajamban’ilay lehilahy?

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Efa mandeha ho azy amin’ireo ray aman-dreny manan-janaka [manana fahasembanana] ny manontany tena hoe, “Inona ny ratsy nataonay?” Ny fiheverana fa vokatra mivantana nateraky ny fahotana ny fahoriana rehetra dia efa nampianarina hatramin’ny andro taloha. Fotopampianarana diso izany. Hatramin’ny sasany tamin’ireo mpianatra tany aloha tany aza dia nanaiky izany mandra-panitsian’ny Tompo azy ireo.

“Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.

“Ary ny mpianany nanontany Azy hoe, Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

“Jesosy namaly hoe, tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.” ( Jaona 9:1–3 .)

Tsy azo ekena ny fahatsapana ho meloka mifandray amin’ny [fahasembanana]. Ny [fahasembanana] sasany dia mety ho vokatry ny tsy fitandremana na fanararaotana, ary ny sasany dia noho ny fiankinan-dohan’ireo ray aman-dreniny tamin’ny zavatra anankiray. Saingy ny ankamaroan’izy ireny dia tsy avy amin’izany. Mahazo ny olona tsy manan-tsiny ny fahoriana.

(Boyd K. Packer, “The Moving of the Water,” Ensign, May 1991, 7–8)

Inona ny zavatra niainan’ilay lehilahy jamba taorian’ny nampiharany ny finoany ny Mpamonjy?

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra hoe:

Sary
Howard W. Hunter

Nomena indroa ny fahiratana teto—ny iray dia nanasitranana tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka ary ny iray dia mba hahitana ny Mpanjakan’ny Mpanjaka mialoha ny hiakarany ho eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay. Nohafainganin’i Jesoa indray miaraka ny fahitana ara-nofo sy ara-panahy. Natolony tao amin’ny toerana maizina ny hazavany, ary ity lehilahy ity, tahaka ireo maro hafa tamin’izany andro izany sy amin’izao androntsika izao koa, dia nanaiky ilay hazavana ka nahita.

(Howard W. Hunter, “The God That Doest Wonders,” Ensign, May 1989, 16–17)

Toy ny ahoana ny fomba isehoan’ny fahazoana fahiratana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika?

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ireo izay efa nahatsapa ny tanan’ny Mpampianatra dia somary tsy afaka manazava ny fiovana izay niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo. Misy faniriana hiaina tsaratsara kokoa, hanompo amim-pahatokiana, sy handeha amim-panetren-tena, ary hiaina ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Rehefa nahazo ilay fahiratana ara-panahy sy nahita sombiny tamin’ireo fampanantenana mandrakizay izy ireo, dia niteny ny zavatra nolazain’ilay lehilahy jamba nampahiratan’i Jesoa hoe: “zavatra iray loha ihany no fantatro; jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao” [ Jaona 9:25 ].

(Thomas S. Monson, “Anxiously Engaged,” Ensign or Liahona, Nov. 2004, 58)

Jaona 9:22, 34–35 . Inona ny hevitry ny hoe voaroaka hiala ny synagoga?

“Ny synagoga dia nampiasaina ho ivontoerana ara-pivavahana sy ara-piarahamonina ho an’ny fiarahamonina Jiosy maro. Ny synagoga dia nanolotra fahafahana hahazoana fampianarana ara-panahy sy hanaovana fiderana, ary nanolotra fahafahana hianatra sy hanaovana serasera ara-piarahamonina koa. Noho ny synagoga nahakasika manontolo ny fiarahamonina Jiosy, izany hoe voaroaka tao amin’ny synagoga izany … dia nihoatra lavitra ny hoe voaroaka sy very zo tsy ho mpikambana ao amin’ny fiarahamonina ara-pivavahana. Izany dia nidika ho fanilihana tsy handray anjara amin’ireo raharaha ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ihany koa. Hita ho sarotra tokoa izany fampitahorana izany ka nahatonga ny ray aman-drenin’ilay lehilahy teraka jamba tsy hiditra be loatra tao anatin’ny fikarohana ny mikasika ity fahagagana ity” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra momba ny Testamenta Vaovao [2014], 230).

Sahanasa fianarana fanampiny

Jaona 9:1–7 . Afaka mampiasa ny zava-tsarotra mianjady amintsika Andriamanitra mba hanehoana ny asany sy ny heriny

Hevero ny hampiasa ny Jaona 9:1–7 mba hampianarana ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mampiasa ny zava-tsarotra mianjady amintsika Andriamanitra mba hanehoana ny asany sy ny heriny.Ny sasany amin’ireo fehezan-teny ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika ity. Azon’ireo mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ny fiantraikan’ity tantara ity amin’ny fomba fijerin’izy ireo ny zava-tsarotra mianjady aminy manokana sy izay mianjady amin’ny hafa. Afaka mizara ihany koa ny zavatra niainany manokana izay mifandray amin’ity fitsipika ity ny mpianatra. Mety hanampy ny fampahatsiahivana ny mpianatra mba tsy hizara zavatra niainana mahakasika be loatra ny tenany manokana na tsiambaratelo.

Misy fitsipika mitovy amin’izany ao amin’ny lesona Avia, Hanaraka Ahy (jereo “Aprily 24–30. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara,-” Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023). Afaka misintona lesona avy amin’izay mety ho zavatra niainany na ireo hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinana nataony manokana na niarahany tamin’ny fianakaviana ny mpianatra.

Famaranana lesona azo atao

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika avy amin’ity lesona ity dia omeo azy ireo ny tahadikan’ity kisary manaraka ity. Omeo torolalana ny mpianatra hanampina ny masony havia sy hitazona ilay kisary amin’ny tanana mitsotra tsara. Asao izy ireo hijery ilay marika (+) amin’ny masony havanana ary hampanatona moramora ilay taratasy mankany amin’ny tarehiny. Hisy fotoana tokony hampanjavona ilay boribory miloko mainty ho lasa any ivelan’ny fahitan’izy ireo. (Mety ho tianao ny hanazava fa antsoina hoe “point aveugle” (fotoana tsy hahitan’ny maso intsony) ilay fotoana hanjavonan’ilay teboka.)

Sary
A plus sign and a black dot inside a rectangle.

Hazavao fa rehefa amboarin’ny mpianatra ny elanelana misy ilay taratasy sy ny masony dia hipoitra indray ilay teboka. Entano izy ireo mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: raha maneho ny Mpamonjy ilay teboka hita eo amin’ilay kisary, dia inona no fanitsiana azonao atao eo amin’ny fiainanao mba hahitanao mazava kokoa ny Mpamonjy? Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanoratra ny zavatra hataon’izy ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.

Hamoaka printy