Seminera
Jaona 7


Jaona 7

Manaova ny sitrapon’ Andriamanitra mba hahafantarana ny fotopampianarany

Sary
Jesus Christ is teaching in the temple and being approached by the chief priests, elders and scribes who ask Him the source of his authority. Christ questions them whether the baptism of John the Baptist was of heaven or of man. Outtakes include closeups of people in the crowd and of Caiaphas.

Nandritra ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely tao Jerosalema dia nanazava ny fomba ahafahan’ny olona mamantatra manokana i Jesoa fa avy amin’ny Ray any An-danitra ny fotopampianarana izay nampianariny. Ity lesona ity dia hanampy anao hamantatra ny zavatra azonao atao mba hahalala ny fahamarinan’ny fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fampandraisana anjara ny mpianatra. Mitadiava fomba handrisihana ny mpianatra rehetra mba handray anjara ao an-dakilasy. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny tanjotsika dia ny manampy ireo mpianatra “hizaka tena ara-panahy … rehefa manampy azy ireo hianatra amin’ny fanaovana asa isika” (“Seek Learning by Faith” [Lahateny natao tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, Peb. 3, 2006], byu.edu).

Fiomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe iza na inona no nitaona azy ireo indrindra ka namolavola ny fahatakarana sy ny finoana ananany amin’izao fotoana izao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Asao izy ireo hanoratra ny eritreriny amin’ny taratasy iray ary hitondra ilay taratasy any an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Finoana samihafa momba an’i Jesoa Kristy

  • Inona avy ireo karazan-javatra inoan’ny olona momba an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy na inona na inona na inona mety ho eritreritry ny hafa?

Raha nahavita ny sahanasa Fanomanana ny mpianatra ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany.

Makà iray minitra hieritreretana ny zavatra nanova ireo zavatra inoanao momba an’i Jesoa Kristy. Farito izay loharanom-pahalalana hironanao mba hitadiavana ny marina, ary saintsaino ny fiantraikan’izany amin’ny zavatra inoana. Eo am-pandalinanao androany dia tadiavo ny zavatra azonao atao hamantarana ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.

Koa satria maro ny olona tao Jerosalema no nikasa hamono an’i Jesoa, dia nanatrika mangingina ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely Izy (jereo ny Jaona 7:1, 10). Teo am-pitadiavan’ny Jiosy an’i Jesoa, ary nandritra ilay firavoravoana, dia nifampizara hevitra samy hafa ny olona momba ny hoe iza moa i Jesoa.

Asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ilay tabilao. Zarao amin’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina sy fanontaniana mba tsy handaniana fotoana be loatra amin’ity ampahany amin’ny lesona ity.

Jaona 7:12, 40–41

Inona avy ireo hevitra samihafa nananan’ny olona momba an’i Jesoa?

Jaona 7:31

Nahoana ny olona sasany no nino an’i Jesoa?

Jaona 7:41–42, 52

Nahoana ny olona no niady hevitra hoe avy aiza i Jesoa?

Jaona 7:45–46

Inona no voalaza momba an’i Jesoa ka nanaitra ny mpiandry raharaha izay nirahina hisambotra Azy?

Jaona 7:47

Ahoana no namaritan’ny Fariseo ireo rehetra izay nino an’i Jesoa?

  • Inona avy ireo antony nolazain’ny olona fa ninoany na tsy ninoany an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo hevitry ny olona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany amin’izao andro ankehitriny izao?

  • Ahoana no hamantarantsika ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany?

Mahafantatra ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany

Nandritra ny Andro Firavoravoana nyamin’ny Tabernakely dia nandeha nankany amin’ny tempoly mba hampianatra i Jesoa. Nanazava tamin’ny olona tao Izy fa samy avy amin’ny Ray any An-danitra avokoa Izy sy ny fotopampianarana nampianariny (jereo ny Jaona 7:14, 16–18, 28–29)

Vakio ny Jaona 7:17 , ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny zavatra azon’ny olona atao mba hahafantatra fa marina ny fampianaran’i Jesoa ary ny Ray any An-danitra no naniraka Azy.

Asao ireo mpianatra hizara ireo fitsipika azony ianarana avy amin’io andininy io. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny zavatra zarain’ny mpianatra.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity ny hoe raha manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra isika dia afaka mahafantatra fa marina ny fotopampianarany.

Ny hoe manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra dia midika hoe miaina araka izay tiany iainantsika. I Jesoa Kristy Mpamonjy dia niaina mandrakariva araka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy nampianatra izany.

  • Inona avy ireo ohatra azonao zaraina mikasika an’i Jesoa nanao ny sitrapon’ny Ray?

  • Inona no mety hahasarotra ny fiainana fitsipika iray izay tsy mbola fantatsika fa marina?

Ny Filoha Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha dia nanome izao torohevitra manaraka izao mba hahalalana ny marina:

Sary
Official portrait of Bonnie Lee Green Oscarson, Young Women general president, 2013. Sustained at the April 2013 general conference.

Indraindray dia miezaka ny manao izany avy any amin’ny farany mankany aloha isika. Toy izao ohatra no fomba mety hanaovantsika izany: Ho faly aho hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena kanefa mila mahafantatra aho aloha hoe marina izany. Angamba aza isika mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena ary manantena fa hanome antsika izany fijoroana ho vavolombelona izany ny Tompo na dia mbola tsy nameno akory taratasy fandoavana fahafolonkarena aza isika. Tsy izany mihitsy no fizotrany. Miandry antsika hampihatra finoana ny Tompo. Mila mandoa fahafolonkarena feno sy marina tsy tapaka isika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahafolonkarena. Io lamina io dia mihatra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra na ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany, na ny fitsipiky ny fahamaotinana, na ny Tenin’ny Fahendrena, na ny lalàn’ny fifadian-kanina.

(Bonnie L. Oscarson, “Aoka ianareo hiova fo,” Liahona, nôv. 2013, 77)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’i Jesoa Kristy ho fantatsika fa avy amin’ny Ray any An-danitra ary marina ny fotopampianarany?

  • Afaka manampy antsika ihany koa hahafantatra an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa marina ny fotopampianarany?

Ampio ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fitsipika ampianarina ao amin’ny Jaona 7:17 . Mety ho fomba iray azo hanaovana izany ny fizarana ny zavatra niainan’ireo olona izay nahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana tamin’ny alàlan’ny fampiharana izany.

Mba hampianarana ilay fitsipika ao amin’ny Jaona 7:17 , dia misy ohatra aamin’ny horonantsary vitsivitsy hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ity lesona ity. Azo asaina hizara traikefa ihany koa ny mpianatra na manao ity sahanasa manaraka ity.

Misafidiana iray amin’ireo fampianaran’ny Tompo izay tianao hamafisina ny fijoroanao ho vavolombelona anananao momba izany. Mba hahitanao hevitra vitsivitsy amin’ny fampianarany dia afaka mijery ireo lahateny vao haingana natao ho an’ny zatovo nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany farany ianao. Azonao atao koa ny mitady hevitra ao amin’ny bokikely Jeunes soyez forts (2011) na ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery ! Asao ny Fanahy hanampy anao hisafidy ny iray amin’ireo fampianaran’ny Tompo mba hifantohana ka hitahy anao indrindra amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao.

Soraty eo an-tampon’ny pejy iray tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na amin’ny taratasy kely ny fampianarana nosafidinao. Izao dia mieritrereta sary na zavatra tsotra azonao atao sary mba hanehoana an’ity fotopampianarana ity ary ataovy sary eo afovoan’ny taratasinao izany.

Ohatra, mety nisafidy ny hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ianao fa tenin’ Andriamanitra izany. Afaka manao sarina Bokin’i Môrmôna tsotra ianao.

Mba hanampiana anao hieritreritra ny zavatra ilaina atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ilay fampianarana nosafidinao dia mieritrereta asa isan-karazany mifandray amin’ilay fampianarana izay mety ho tian’ny Ray any An-danitra hataonao. Manorata asa telo farafahakeliny manodidina ny sary nataonao.

Eritrereto hoe ahoana no mety ho fiantraikan’ny fanananao fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba an’io fotopampianarana io amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona ireo sakana mety hanakana anao tsy hiaina ity fotopampianarana ity? Ahoana no handresenao ireo sakana ireo?

  • Inona no zava-dehibe tokony ho takatra mikasika ny fotoana sy ny ezaka mety takina mba hamantarana fa avy amin’ Andriamanitra ity fotopampianarana ity?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ao anatina vondrona kely ny zavatra nosoratany sy ny sary nataony ary ny fotopampianarana nifantohany.

Azonao atao ny mizara ny drafitrao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao izay afaka manampy anao hiaina ilay fotopampianarana ary hahafantatra fa avy amin’ Andriamanitra izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 7:2 . Inona moa ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely?

Ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely (antsoina koa hoe Fetin’ny Trano Rantsankazo na Trano Bongo) dia nanomboka andro Sabata ary nifarana andro Sabata koa valo andro ny faharetany. Tao anatin’izany fankalazana izany ny fananganana trano bongo vetivety amin’ny rantsankazo. Nijanona tao anatin’ireo trano bongo ireo ny olona nandritra ny firavoravoana mba hampahatsiahivana azy ireo fa nitahy ny olony Andriamanitra nandritra ny 40 taona raha mbola nonina tany an-tany efitr’i Sinay izy ireo.

Jaona 7:17 . Inona ny maha-sarobidy ny fikatsahana ny fahamarinana amin’ny alàlan’ny fankatoavana?

Nilaza tamin’ny mpianany ny Mpamonjy fa ireo izay manohy miaina ny fampianarany dia hahafantatra ny marina ary hanome azy ireo fahafahana io fahamarinana io (jereo ny Jaona 8:31–32).Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony itiavantsika hanao ezaka hahazoana fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fahamarinana.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mety misy hilaza hoe sarotra loatra ireo dingana ireo na koa hoe tsy ahitam-bokatsoa ny fanaovana azy. Kanefa izaho dia milaza fa io fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana momba ny filazantsara sy ny Fiangonana io no zavatra manan-danja indrindra tokony ho azonao amin’ity fiainana ity. Tsy vitan’ny hoe hitahy sy hitarika anao amin’ity fiainana ity izany, fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainanao ho amin’ny mandrakizay ihany koa.

(Dieter F. Uchtdorf, “Mandray Fijoroana ho Vavolombelona momba ny Fahazavana sy ny Fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 22)

Jaona 7:39 . Nahoana i Jaona no nilaza hoe “ny Fanahy Masina tsy mbola nomena”?

I Jaona dia niresaka “fotsiny ihany mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina izay tsy mbola teo, satria niasa nandritra ny asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batista sy i Jesoa ny herin’ny Fanahy Masina; raha tsy izany dia tsy nisy olona nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay nampianarin’ireto lehilahy ireto [ Matio 16:16–17 ; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 12:3 ]” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fanahy Masina ”).

Sahanasa fianarana fanampiny

Ohatra amin’ireo horonantsary mampiseho fankatoavana izay mitondra mankany amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona

Ireto horonantsary manaraka ireto dia mampiseho ohatra ana olona miaina ny filazantsara ary mahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pahatokiana. Hevero ny handefa ny iray amin’ireto horonantsary ireto na izy roa mba hamporisihana ny mpianatra hiasa amim-pinoana ary hikatsaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana momba ny fampianaran’ny Ray any An-danitra.

Horonantsary 1: Ny Filoha Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia nitantara hoe toy ny ahoana izany nihalehibe tamin’ny zatovo azy izany tany amin’ny taona 1960. Ny fankatoavany ny Tenin’ny Fahendrena dia namela ny Fanahy Masina hanamafy taminy ny fahamarinan’izany fitsipiky ny filazantsara izany. (Jereo ny Bonnie L. Oscarson, “Aoka ianareo hiova fo,” Liahona, nôv. 2013, 77.)

Horonantsary 2: Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba nanampian’ny Ray any An-danitra azy hahatakatra ny fahamarinana momba ny fianakaviana mandrakizay rehefa nanao ny anjarany izy mba hisorohana ny fifandirana ary nitondra filaminana tao an-tranony. (Jereo Henry B. Eyring, “Fijoroana ho Vavolombelona Mitombo,” Liahona, mey 2011, 126–27).

Hamoaka printy