Seminera
Jaona 10


Jaona 10

“Ilay Mpiandry ondry Tsara”

Sary
Jesus Christ depicted as the Good Shepherd. Christ is portrayed with a small herd of sheep. He is carrying a sheep (or lamb) over His shoulders. Christ is also carrying a staff in His hands.

Nampianatra i Jesoa fa Izy no ilay Mpiandry ondry Tsara. Nampiasa io sarin-teny io Izy mba hanampiana ny olona nihaino Azy hahatakatra bebe kokoa ny momba Azy sy ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatsapa fahatokiana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho Mpiandry anao ary hampitombo ny fanirianao hihaino ny feony sy hanaraka Azy.

Mampiasa sary. Ny sary dia afaka manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ny olona, ireo toerana, ireo zava-nitranga, ary ireo fitaovana sy ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Raha ampiarahana amin’ny tenin’ny soratra masina dia afaka manampy amin’ny fanazavana ny fahamarinana sy manatsara ny fianaran’ny mpianatra ny sary.

Fiomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny teny iditra hoe “ Mpiandry ondry Tsara ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Angataho izy ireo ho vonona hamaly ny fanontaniana hoe “Nahoana no mamaritra tsara an’i Jesoa Kristy ny anarana fiantsoana hoe -Mpiandry ondry Tsara-?”

Sahanasa fianarana azo atao

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina sy hieritreritra an’i Jesoa Kristy ho Mpiandry Tsara dia hevero ny haneho sarin’ny Mpamonjy miaraka amin’ny ondry iray.

Jereo tsara ny sary naseho tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity ary diniho izay mety ho ampianarin’izany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no antony mety hitondran’ny Mpiandry Ondry ilay zanak’ondry? Inona no tsikaritrao momba ny toerana misy ny Mpiandry Ondry raha oharina amin’ireo ondry hafa?

Androany ianao dia hianatra ny fanoharana mikasika ny mpiandry ondry tsara. Amin’ity fanoharana ity dia ampitahain’i Jesoa Kristy amin’ny mpiandry ondry mitarika sy miaro ny andian’ondriny ny tenany. Rehefa mandalina ianao dia diniho tsara ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy.

Mampianatra i Jesoa ao amin’ny Jaona 10 fa Izy no ilay Mpiandry Tsara (jereo ny andininy 11, 14).

Azo asaina ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tamin’ny sahanasa Fanomanana ny mpianatra. Raha mitahiry ny lisitry ny anarana samihafa fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra dia afaka manampy izany izy ireo eto.

Soraty eo amin’ny faratampon’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao ny lohateny hoe “Mpiandry Tsara.” Eto ianao dia afaka mitanisa izay zavatra ianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpiandry Tsara sy izay ataony ho an’ny ondriny. Raha ilaina dia azonao atao ny manao sarina ondry tsotsotra iray amin’ny taratasinao toy ilay aseho etsy ambany ary manoratra ao anatin’ilay sary ny zavatra nianaranao na tsapanao.

Sary
sheep

Raha tianao kokoa, dia aza atao ao anatin’ny diarin’ny mpianatra ilay lisitra fa ataovy eny amin’ny solaitrabe ho hitan’ny iray kilasy.

Afaka miasa irery na ao anatina vondrona kely na tsiroaroa ny mpianatra. Hevero ny hampiseho ireo andinin-tsoratra masina etsy ambany mba hahafahan’ny mpianatra miverina mijery izany.

Vakio ny Jaona 10:1–5 , ka tadiavo ilay fanoharana ampianarin’i Jesoa momba ny anjara asany amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy.

Azo atao koa ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Mety hanampy ny manasa ireo mpianatra hametraka ny fanontaniana ananany momba ny hevitra fonosin’ireo andininy ireo.

Sary
sheep

Ampidiro ao amin’ny lisitrao izay mety ho hevi-baovao azonao momba ny Mpiandry Tsara.

  • Inona no manaitra anao amin’ny fifandraisan’ny mpiandry ondry sy ny ondry voalaza eto?

Ny sasany tamin’ireo izay nihaino dia tsy nahatakatra ilay fanoharana nampianarin’i Jesoa (jereo ny Jaona 10:6). Nanazava ny fomba nampianaran’ilay fanoharana momba Azy i Jesoa. Vakio ny Jaona 10:7–18, 27–28 , dia mitadiava hevi-baovao fanampiny mikasika an’i Jesoa amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy. Ampidiro ao amin’ny lisitrao ny fanamarihana nataonao. (Fanamarihana: Ny mpikarama dia olona iray izay ny handray karama no antony voalohany manosika azy hiasa.)

Hevero ny hizara ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hianatra kokoa momba ilay Mpiandry ondry Tsara: Salamo 23 ; Ezekiela 34:11–16 ; Almà 5:57–60 .

  • Rehefa mijery ny lisitrao ianao dia manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ilay fanoharana momba ny Mpiandry Tsara?

  • Inona no nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny antony hanirianao hanaraka Azy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay fehezan-teny tsy feno ary asao ny mpianatra hameno izany. Ireo mpianatra dia mety hanoratra hevi-baovao toy ny hoe “fiainana be dia be”, “fiarovana amin’ny amboadia sy ny mpangalatra” na “fiainana mandrakizay.” Azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’ny antsipiriany ny iray amin’ireo valin-teny ireo. Henoy tsara ny fomba hamalian’ny mpianatra izany, ary mahaiza mihaino ny Fanahy rehefa mieritreritra ireo fanontaniana azo apetraka mba hitondrana fanazavana bebe kokoa ianao.

Raha manaraka ilay Mpiandry Tsara aho dia hahazo …

  • Inona ireo zavatra niainana tonga ao an-tsainao izay nahatsapanao ny fikarakaran’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpiandry ondry Azy?

Ahoana no ahafahanao mandre ny feon’ny Mpiandry Tsara?

Ity ampahan’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny feon’ilay Mpiandry Tsara ary hampitombo ny faniriany handre sy hanaraka Azy. Asao izy ireo hisaintsaina ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra.

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ilanao ny fanampian’ny Mpamonjy na ny fitarihany?

  • Inona amin’ireo fitahiana omen’ny Mpamonjy ny ondriny no irinao?

  • Nahoana ianao no te hampitombo ny fahaizanao mandre ny feon’ny MpiandryTsara?

Ao amin’ity fanoharana ity, ny ondrin’ny Mpiandry Tsara dia ireo izay mandre ny feony sy manaraka Azy (jereo ny Jaona 10:3–5, 27).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome izao hevi-baovao manaraka izao momba ny fihainoana ny feon’i Jesoa Kristy:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.

Satria rehefa mikatsaka ny hihaino, tena hihaino, ny Zanany isika dia ho voatarika hahafantatra izay tokony hatao na inona na inona toe-javatra misy.

… Ao amin’[ireo] teny roa ireo hoe: “Henoy Izy,” dia manome antsika lamina ny Tompo hahazoana fahombiazana sy fahasambarana, ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity. Tokony hihaino ny tenin’ Andriamanitra isika, hitandrina azy ireny, ary hanaraka izay nolazainy antsika!

Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.

(Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89)

Hevero ny hanao lisitra miainga avy amin’ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity. Azo ampiasaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:31–32, 34–36 mba hamantarana fa ny feon’ny Tompo dia avy amin’ny alàlan’ny mpaminaniny, ny soratra masina ary ny Fanahy Masina.

  • Inona avy ireo fomba ahafahana mandre ny feon’ny Mpiandry Tsara?

Sary
sheep
Sary
sheep
  • Araka ny hevitrao dia afaka manampy anao amin’ny zavatra ilainao amin’ny fomba ahoana ny fihainoana ny feon’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fahalalanany anjara asany amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy?

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 10:7. Nahoana i Jesoa no niteny hoe: “Izaho no vavahadin’ondry”?

Ireo mpiandry ondry tao Isiraely dia nijoro teo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry ka nijery tsirairay ny ondry rehefa niditra izany, nitsabo ny ratra araka izay nilaina. Rehefa tafavory tao amin’ny valan’ondry ireo ondry tamin’ny alina dia natory teo amin’ny fidirana ny mpiandry ondry, nanakana ny lalana mba tsy hahafahan’ny biby mpihaza na ny mpangalatra namely ny ondry. Mazava ny teny nambaran’ny Mpamonjy hoe “Izaho no vavahady” fa vonona Izy ny “hanolotra ny ainy hamonjy ny ondry” ( Jaona 10:7, 15) ary Izy no hanapa-kevitra ny amin’izay hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra amin’ny farany. Raha nampiasa kisarisary mitovy amin’ny varavarana ny mpaminany Jakoba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanambara izy fa “Ny Iray Masin’ ny Isiraely no mpiandry ny vavahady” ary “tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ ny vavahady” ( 2 Nefia 9:41).

Inona no maha-samy hafa ny Mpiandry Tsara sy ny mpikarama?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

Indraindray anefa dia mety hisy biby dia iray entin’ny hanoanana ka mitsambikina ny rindrina ho eo anivon’ny ondry ka mampatahotra azy ireo. Ny trangan-javatra tahaka ity dia mampiavaka ny tena mpiandry ondry—izay tia ny ondriny—amin’ny mpikarama—izay miasa mba hahazoana karama sy noho ny adidy fotsiny ihany.

Vonona ny hanolotra ny ainy ho an’ny ondry ilay tena mpiandry ondry. Mandeha eo anivon’ny ondry izy ary miady ho an’izay mahasoa azy ireo. Etsy andaniny, ilay mpikarama, dia manome lanja ny fiarovana ny tenany manokana mihoatra ny an’ny ondry, ary matetika izy no mitsoaka ny loza.

Nampiasain’i Jesoa ity fanazavana fahita tamin’ny andro[ny] ity hanambarana fa Izy no Mpiandry Tsara, ilay Tena Mpiandry ondry. Vonona ny hanolotra ny ainy an-tsitrapo ho an’ny rahalahiny sy anabaviny Izy noho ny fitiavany ireo rahalahiny sy anabaviny. (Jereo ny Jaona 10:17–18 .)

(Ezra Taft Benson, “A Call to the Priesthood: ‘Feed My Sheep,’” Ensign, May 1983, 43)

Jaona 10:30. Inona no tian’i Jesoa ambara rehefa nilaza Izy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ny fanekem-pinoantsika voalohany sady manan-danja indrindra ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hoe “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” [ Fanekem-pinoana 1:1]. Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe ny Andriamanitra tokana dia iray eo amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. Mino isika fa Izy Ireo dia samy henik’ilay toetra araka an’ Andriamanitra feno famindram-po sy fitiavana, fahamarinana sy fahasoavana, faharetana, sy famelan-keloka ary fanavotana. Mihevitra aho fa mety tsara ny ilazana fa mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray, hevitra iray araka ny Trinité izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina.

(Jeffrey R. Holland, “The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign or Liahona, Nov. 2007, 40)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ahoana no ahafahanao mandre ny feon’ny Mpiandry Tsara?

Ampiasao ity sahanasa manaraka ity mba ho zavatra atao hanombohana ilay fizarana miaraka amin’ity lohateny ity ihany ao amin’ny lesona.

Tampeno ny mason’ny mpianatra iray na asaivo akimpin’izy ireo ny masony. Raha betsaka kokoa ny iray kilasy dia azo atao betsaka koa ny mpianatra mitampina maso. Avy eo dia mifantena mangingina vitsivitsy amin’ireo mpianatra sisa ary asao tsirairay avy izy ireo hamaky mafy ny Jaona 10:27. Jereo raha afaka mamantatra ny feon’ireo mpianatra mamaky ilay andininy ireo mpianatra mitampina maso.  

Azonao atao ny mametraka ny fanontaniana hoe “Inona no ilaina atao mba hamantaranao tsara ny feon’ny olona iray ka hahafahanao manavaka azy amin’ny feo hafa?” 

Ondry hafa

Ao amin’ny Jaona 10:16 , ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Jiosy tao Jerosalema fa hamangy ireo zanak’ Andriamanitra any amin’ny tany hafa Izy, hampianatra azy ireo ny filazantsara, ary hitondra azy ireo ho ao amin’ny valany (ny Fiangonany). Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika bebe kokoa hahatakatra io andininy io.

Afaka mamaky ny 3 Nefia 15:13–17, 21 ; 16:1–3 ny mpianatra, dia mitady ny fomba nahatanterahan’io faminaniana io.

Hamoaka printy