Seminera
Lioka 1:39–79


Lioka 1:39–79

Miravoravoa ary miderà an’ Andriamanitra

Mary visiting her cousin Elisabeth, who is also expecting a child.

Nandritra ny fitondrana vohoka an’i Jesoa dia nitsidika an’i Elizabeta havany i Maria ary niara-niravoravo taminy noho ny fahatsaran’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hamantatra ny fahatsaran’ Andriamanitra sy hanolotra ny fideranao ho an’izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara andalana avy amin’ny hira ao amin’ny fihirana izay manasongadina ny fahatsaran’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

  • Araka ny eritreritrao, nahoana isika no mihira hira ao amin’ny fihirana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho isan’ny fitsaohantsika Azy ireo?

  • Inona ny hira ao amin’ny fihirana na andalana avy ao amin’ny hira ao amin’ny fihirana izay manasongadina ny fahatsaran’Izy ireo?

Raha mila fanampiana ny mpianatra dia mitanisà hira ao amin’ny fihirana vitsivitsy azon’izy ireo vakina ary amporisiho izy ireo hitady andian-teny iray izay manasongadina ny fahatsaran’ Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Makà minitra iray hieritreretana ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Saintsaino ny antony tokony hideranao Azy ireo ary impiry ianao no maneho ny fahatsapanao momba Azy ireo amin’ny fomba samihafa.

Ato amin’ity lesona ianao dia hanana fahafahana hieritreretana bebe kokoa ny antony sy ny fomba mety hideranao an’ Andriamanitra sy hiravoravoanao amin’ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy.

Niara-niravoravo tamin’ny fahatsaran’ Andriamanitra i Maria sy i Elizabeta

Raha mbola bevohoka an’i Jesoa i Maria dia nandeha namangy an’i Elizabeta zokiny izy, izay bevohoka tamin’ny fomba mahagaga ihany koa. Teo am-pahatongavan’i Maria, ny zanak’i Elizabeta, izay ho i Jaona Mpanao Batisa dia “nibitaka noho ny hafaliana tao an-kibon’i [Elizabeta]” ( Lioka 1:44). Izany no nanombohan’ny resadresaka nifanaovan’i Maria sy i Elizabeta izay niravoravoan’i Maria sy niderany an’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra hamaky samirery ny andiana andininy manaraka mba hitadiavan’izy ireo ny zavatra azon’izy ireo ampifandraisina.

Vakio ny Lioka 1:46–55 . Rehefa mandalina ny tenin’i Maria ianao dia miatoa kely ary saintsaino ny dikan’ireo teny na andian-teny manokana. Ny fiatoana sy ny fisaintsainana dia afaka manasa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ny soratra masina. Ohatra, afaka miato ianao eo amin’ny hoe “fahambani-toetry” na “ankizivaviny” ao amin’ny andininy 48 . Ireo teny ireo dia mety hanome fahatakarana ny fanetren-tenan’i Maria sy ny fanajany an’ Andriamanitra. Ny teny ao amin’ity andininy ity dia afaka manampy anao hahita fa mahafantatra sy tia ny zanany Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo. Raha hita fa manampy dia tadiavo ao amin’ny rakibolana na ny Torolalana ho an’ny soratra masina, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ny dikan’ireo teny izay tsy azonao.

  • Teny inona no nijanonanao ho eritreretina? Inona no nianaranao?

  • Inona ireo teny na andian-teny mbola hanananao fanontaniana ny mahakasika azy?

Ampio ireo mpianatra hahazo aina tsara hizara izay hitany sady manasa azy ireo hangataka fanampiana mba hahatakatra ireo teny na andian-teny sarotra. Ohatra, raha manana fanontaniana momba ny teny hoe “tahotra” ao amin’ny Lioka 1:50 ny mpianatra dia tadiavo miaraka amin’izy ireo izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.Izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa “ny matahotra an’ Andriamanitra dia ny manaja sy ny manahy ny Aminy ka mankatò ny didiny” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Tahotra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra ianaranao avy amin’ny tenivavolombelon’i Maria?

Mety hahatsikaritra fahamarinana maro ao amin’ireo andininy nianarany ireo mpianatra, anisan’izany ny sasany amin’ireto:

Afaka miravoravo isika amin’ny fahafantarana fa manana Mpamonjy ( Lioka 1:47)

Mahery ny Tompo ary mahavita zavatra lehibe ( Lioka 1:49)

Andriamanitra dia mpamindra fo amin’izay manome voninahitra sy mankatò Azy ( Lioka 1:50)

Andriamanitra dia mampihahaka ny mpiavonavona ary manandratra ny manetry tena ( Lioka 1:52)

Rehefa noana ara-panahy isika dia afaka ny hovokisan’ny Tompo ( Lioka 1:53)

Manatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra ( Lioka 1:54)

Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana nianarany tamin’ny fideran’i Maria.

Afaka miravoravo amin’ny fahatsaran’ Andriamanitra isika

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Maria ny hoe rehefa mandinika ny fitaoman’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka miravoravo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hahatsapa firavoravoana ny fahalalana ny fitahian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nitahian’ny fahatsiarovany ny fahatsaram-pon’ Andriamanitra taminy.

Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

Rehefa nisaintsaina ireo fanomezana avy tamin’ny Raintsika any An-danitra sy avy tamin’i Jesoa Kristy aho dia lasa fantatro ny fitiavan’Izy Ireo tsy manam-petra sy ny famindrampon’Izy Ireo tsy takatry ny saina ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra [jereo ny 2 Nefia 26:33 ]. Nanova ahy izany fahalalana izany, ary dia hanova anareo ihany koa.

(Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 44)

Ampio ny mpianatra hisaintsaina ny fitahiana azony tamin’ny fanehoana fitiavana an ’ Andriamanitra sy ny antony hanaovany izany. Omeo fotoana ny mpianatra hieritreretana fomba manan-danja hiderana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy hiraketana izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Fenoy ireto dingana manaraka ireto hanampiana anao hahafantatra ireo fitahian’ny Ray any An-danitra sy hidera Azy noho ny fahatsarany.

Dingana 1:

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto na vakio mafy izy ireo mba hanomezana ny mpianatra fotoana hisaintsainana.

Eritrereto izay valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra izay tena ankasitrahanao indrindra?

  • Inona no anampian’ireo fitahiana ireo anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahatsapa fifaliana noho ny fahalalana ireo fitahian’ Andriamanitra ho anao na ho an’ny olona iray fantatrao?

  • Inona no tantara ao amin’ny soratra masina na andinin-tsoratra masina manampy anao haniry hidera an’ Andriamanitra?

Dingana 2: Safidio ny fomba hideranao an’ Andriamanitra. Ireto misy hevitra vitsivitsy azonao isafidianana:

  • Manorata tononkalo na hira.

  • Manaova sary.

  • Manolora vavaka fankasitrahana.

  • Mijoroa ho vavolombelona amin’olona iray.

  • Manorata ao amin’ny diarinao manokana.

  • Zarao ao amin’ny tamba-jotra ifaneraserana ny fahatsapanao momba an’ Andriamanitra.

Afaka maneho ny hevitrao manokana ihany koa ianao. Rehefa avy nanao ny safidinao ianao dia atombohy ny asanao. Raha tsy afaka manomboka dieny izao ianao dia manorata drafitra amin’ny antsipiriany momba ny zavatra hataonao. Ohatra, raha te-hanolotra vavaka fankasitrahana ianao dia azonao atao ny manoratra hoe oviana sy aiza no hivavahanao ary ho an’ny inona no hanehoanao fankasitrahana. Azonao atao ny mizara ny hevitrao amin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka mampahatsiahy anao hanatanteraka ny drafitrao.

Omeo fotoana ireo mpianatra hanombohany ny fanatanterahany ny drafiny. Raha azo atao dia afaka mizara ny zavatra niainany ny mpianatra any amin’ny faran’ity fotoam-pianarana ity na amin’ny lesona manaraka.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Lioka 1:46–55 . Fa nahoana i Maria no midera ny Tompo?

Ny andininy 46–55 ao amin’ny Lioka 1 dia fantatra amin’ny fomba mahazatra hoe Tononkiran’i Maria. Ireo fiderana ireo dia mampifandray ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny lasa masina teo amin’i Isiraely. Ireo teny ao amin’izany dia mankalaza ny famindrampon’ny Tompo amin’ny fanolorana tanana indray hitahy sy hanome voninahitra ny olony—indrindra ireo izay “ambany” ( Lioka 1:52).

Lioka 1:53 . Ahoana no fomba hamokisan’ny Tompo ny “noana [amin’ny] soa”?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy ary hovokisana:

Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Mivavaka aho izao maraina izao mba ho ren’izay rehetra noana sy mangetaheta ary indraindray mirenireny, ity fanasana avy Aminy ity, ilay Mofon’aina, ilay Loharanon’ny Rano velona, ilay Mpiandry Ondry tsara antsika rehetra, ilay Zanak’ Andriamanitra: “Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” [ Matio 11:28–29 ]. Tena “novokisany soa tokoa ny noana,” araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Maria reniny [ Lioka 1:53 ]. Avia ary homàna eo amin’ny latabatry ny Tompo izay hijoroako ho vavolombelona fa ilay Fiangonany marina sy velona tarihin’ny mpaminany marina sy velona.

(Jeffrey R. Holland, “He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, Nov. 1997, 66)

Inona no mety hitranga rehefa mahatsiaro ny fahatsaran’ Andriamanitra isika?

Ny Loholona Dean M. Davies ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao momba ny zavatra hitranga rehefa mahafantatra ny fitahian’ Andriamanitra antsika isika:

Official Portrait of Bishop Dean M. Davies. Photographed in March 2017.

Isan’andro, fa indrindra indrindra ny andro Sabata, dia manana fahafahana miavaka isika hiaina ny fahagagana sy ny fitalanjonana avy any an-danitra ary hanolotra ny fiderantsika an’ Andriamanitra noho ny fahasoavany masina sy ny famindram-pony mitobaka. …

Rehefa mitsaoka isika, dia mitodika amim-piderana amin’ilay Andriamanitra malalantsika ny fontsika, na maraina, na antoandro, na hariva.

Manamasina sy manome voninahitra Azy tsy tapaka isika, any amin’ny trano fiangonantsika, sy tokantranontsika, sy tempolintsika ary amin’ny asa rehetra ataontsika.

Rehefa mitsaoka isika dia manokatra ny fontsika ho amin’ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny fiainantsika no lasa mariky ny fanehoantsika ny fitsaohantsika.

(Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 94–95)

Sahanasa fandalinana fanampiny

Nidera an’ Andriamanitra i Zakaria

Ho fanampin’ny famakiana ny teny fiderana avy nataon’i Maria, renin’i Jesoa, dia asao ny mpianatra hianatra avy amin’ny tenin’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa. Afaka mamaky ny Lioka 1:68–79 ny mpianatra hitadiavan’izy ireo ny fomba nideran’i Zakaria an’ Andriamanitra. Ny sasany ao amin’ny kilasy dia afaka mamaky ny tenin’i Maria raha ny sasany kosa mamaky ny tenin’i Zakaria. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra izay nianarany ireo mpianatra.

“O Come, O Come, Emmanuel”

Ny hafatra ao amin’ilay hira hoe “O Come, O Come, Emmanuel” (Avia, avia, ry Imanoela)dia milaza ny tokony hiravoravoan’i Isiraely amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy hamonjy ny olony. Asehoy na omeo ny tonony dia henoy ilay hira. Angamba mety misy mpianatra afaka mitendry ilay hira amin’ny zava-maneno, na afaka mijery ilay horonan-tsary “O Come, O Come, Emmanuel (The Piano Guys)” (5:27) ny iray kilasy, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo antony hiravoravoantsika noho ny fahatongavan’i Jesoa Kristy teto an-tany.

5:27