Seminera
Matio 1; Lioka 1


Matio 1; Lioka 1

Topimaso

Matio, fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Levy, no mpanoratra ny Filazantsara voalohany amin’ny Testamenta Vaovao. Iray amin’ireo tanjony tamin’ny fanoratana ny fampisehoana fa nanatanteraka ireo faminaniana izay voalaza tao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia i Jesoa (jereo ny Matio 1:1–17). Niseho tamin’i Maria hanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ny anjely Gabriela, ilay “Zanakalahin’ny Avo indrindra” (jereo ny Lioka 1:1–38). Nandritra ny fitondrana vohoka an’i Jesoa dia nandeha nitsidika an’i Elizabeta havany i Maria ary niara-nifaly taminy noho ny fahatsaran’ Andriamanitra (jereo ny Lioka 1:39–79).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 1:1–17

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahalala an’i Jesoa Kristy ho Mesia araka izay efa nampanantenaina ary hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa ho Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Entano ny mpianatra ho tonga any an-dakilasy efa avy nieritreritra ny antony maha-zava-dehibe an’i Jesoa Kristy aminy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany ny fianakaviany na ny namany amin’ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Any am-piandohan’ny lesona, rehefa miantomboka mandray an-tsoratra ireo antsipiriany manan-danja momba an’i Jesoa Kristy ao anaty taratasy ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hanoratra sy handefa ny valintenin’izy ireo amin’alalan’ny chat. Omeo fotoana malalaka tsara ny mpianatra hamaky ny zavatra izay nosoratan’ireo mpianatra hafa.

Lioka 1:1–38

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahafantatra ny fomba tsara entina mamaly ny sitrapon’ Andriamanitra sy hampitombo ny fahatokiana Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra:Entano ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manampy anao hatrany hatoky azy ireo?

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Raha misy ny breakout rooms, dia mety hanampy ny mizara ireo mpianatra ho vondrona hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana roa izay manaraka ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Nelson any amin’ny faran’ny lesona. Manendre mpianatra iray isaky ny vondrona hitarika fifanakalozan-kevitra. Ka rehefa tafavory indray ny iray kilasy, dia mangataha solontena iray isaky ny vondrona mba hamintina ny zavatra izay nifanakalozan’ireo hevitra.

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra sy hampihatra ilay fitsipika manokana amin’ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa misy ny olana sy fanontaniana sarotra mitranga.

  • Fiomanan’ny mpianatra:Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany rehefa nisedra olana sarotra na fanontaniana saro-bahana (na io tamin’ny fiainany manokana na tamin’ny fiainan’olona hafa). Mety tafiditra ao anatin’izany ny zavatra toy ny fanontaniana ara-panahy tsy voavaly na fitsapana sarotra. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba niatrehan’izy ireo na mety hiatrehan’izy ireo ireo toe-javatra ireo.

  • Taratasy zaraina: “Inona no dikan’ny hoe Manao asa amim-pinoana?”

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Azonao atao ny manomana fampisehoana an-tsary maneho izay vaorakitra ao anatin’ilay taratasy zaraina na mandefa ilay taratasy zaraina amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny email na mampiasa ny rafi-pitantanana fianarana. Entano ny mpianatra hampiasa ilay taratasy zaraina mba hahafahan’izy ireo manaraka tsara mandritra ny fotoana izay ianarana.

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo toetra izay nolovain’i Jesoa tamin’ny reniny izay mety maty sy ny Rainy izay tsy mety maty ka ahafahany manampy antsika manokana mba handresy ny fahafatesana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo olana matetika atrehin’ny olona mitovy taona aminy.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra:Taratasy, pensilihazo miloko, pensilihazo, sns.

Lioka 1:39–79

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hamantatra ny fahatsaran’ Andriamanitra ary hidera Azy noho izany hatsarana izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra:Entano ny mpianatra ho tonga any an-dakilasy vonona hizara andalana iray ao amin’ny fihirana izay manasongadina ny fahatsaran’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra momba ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina amin’ny vidéo: Miomàna hampiseho ireo fanontaniana mitondra fisainana izay voatanisa any amin’ny faran’ny lesona mba hahafahan’ny mpianatra mijery azy ireo. Raha azo atao, dia avelao hanana fahefana feno hampiasa ny efijery ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo manoratra ireo toetra sy ny zavatra mampiavaka manokana ny Mpamonjy izay manan-danja indrindra amin’izy ireo.

Hamoaka printy