Lioka 17:11–19
“Ny finoanao no efa nahavonjy anao”
Nandritra ny diany avy tany Galilia hankany Jerosalema, dia nanasitrana boka folo i Jesoa. Iray tamin’ireo izay sitrana ihany no mba niverina nisaotra an’i Jesoa. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa sy haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra, sy i Jesoa Kristy, ary ny hafa.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fahatsapana anananao amin’izao fotoana izao momba ny fankasitrahana
Ampiasao ny teny hoe “matetika,” “indraindray,” na “na oviana na oviana,” dia tombano amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto ny ezakao manokana:
-
Mahatsapana fankasitrahana ny Ray any An-danitra, sy i Jesoa Kristy, ary ny hafa aho.
-
Maneho ny fahatsapako fankasitrahana aho.
-
Misy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainako ny fanehoana fankasitrahana.
Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantaranao fa afaka mitahy ny fiainanao ny fanehoana fankasitrahana.
Habokana
-
Inona ny zavatra mba fantatrao mikasika ny aretin’ny habokana?
Ny habokana, izay fahita kokoa fahiny noho ankehitriny, dia aretin-koditra izay mety hitarika ho amin’ny fahasimban’ny endrika sy ny fahafatesana. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia natoka-monina sy noterena hiantsoantso hoe “Maloto!” ny olona voan’ny habokana mba hampitandremana izay manatona azy ireo (jereo ny Bible Dictionary, “ Leper ,” “ Leprosy ”).
-
Inona no mety ho fahatsapana sy zavatra niainan’ny olona voan’ny habokana isan’andro tamin’ny andron’ny Baiboly?
-
Inona avy ireo antony mety hananan’ny zatovo fahatsapana toy izany amin’izao androntsika izao?
Vakio milamina tsara ny Lioka 17:11–14 , ary alaivo sary an-tsaina ny zavatra izay vakinao. Ny famakiana milamina tsara, ny fifantohana amin’ireo antsipirian-javatra, ary ny fakana sary an-tsaina ny zavatra vakinao dia afaka mitarika any amin’ny fiainana zavatra manan-danja kokoa rehefa mandalina soratra masina.Rehefa avy mamaky ireto andinin-tsoratra masina ireto, dia ezaho ny hamaly izay maro indrindra vitanao amin’ireto fanontaniana dimy manaraka mikasika ny antsipirian-javatra ao amin’ny Lioka 17:11–14 ireto ary tsy mijery Soratra Masina.
Mamaky milamina tsara, mifantoka tsara amin’ny antsipirian-javatra
-
Toy ny ahoana ny haben’ny elanelana nisy teo amin’ireo boka sy ny Mpamonjy?
-
Inona ny zavatra nangatahin’’ireo boka tamin’ny Mpamonjy?
-
Inona ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’izy ireo?
-
Firy tamin’ireo olona boka no nanana finoana hanao ny zavatra izay nangatahan’ny Mpamonjy?
-
Inona ny zavatra nataon’ireo boka rehefa sitrana izy ireo?
Maka sary an-tsaina ny zavatra vakinao
Alaivo sary an-tsaina hoe isan’ireo olona boka voadio ianao.
-
Mety ho nanao ahoana izany sitrana tamin’ny habokana izany? Inona ny zavatra mety ho tsapanao?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nitranga ny fanasitranana tamin’ity tantara ity “rehefa nandeha izy ireo”? ( andininy 14).
-
Inona araka ny hevitrao ny zavatra mety ho nataonao raha vantany vao nahatsikiritra fa nositranin’ny Mpamonjy ianao?
Vakio milamina tsara ny Lioka 17:15–19 dia tohizo ny fakana sary an-tsaina ny zavatra vakinao sy ny fitadiavanao ireo antsipirian-javatra manan-danja.
-
Inona avy ireo antsipirian-javatra tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitanao fa toa manan-danja indrindra aminao?
-
Inona ny zavatra nianaranao mikasika ny fanehoana fankasitrahana sy ireo fitahiana mety ho azo avy amin’izany?
-
Inona ny zavatra ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny valinteny nomeny an’ilay iray niverina?
Ny Ray any An-danitra dia tia mitahy antsika ary manao izany amin’ny fomba maro. Nandefa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ihany koa Izy ary nitahy ireo zanany tamin’ny alalan’ny Mpamonjy. Fahamarinana anankiray ianarantsika avy amin’ity tantara ity ny hoe rehefa maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana izay azontsika avy tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny ho sitrana.
Mety hanampy ny mahafantatra fa raha toa ka sendra nisy olona sitrana tamin’ny habokana dia notakina, teo ambany lalàn’i Mosesy, ny hisehoan’izy ireo tany amin’ny mpisorona mba hahafahana manambara fa madio izy ireo ary afaka miverina any an-tokantranony sy eny anivon’ny fiaraha-monina (jereo ny Levitikosy 14). Tsy fantantsika ny antony nahatonga ny tsirairay avy tamin’ireo lehilahy sivy hafa tsy niverina naneho fisaorana. Naneho finoana ny Mpamonjy izy ireo, nankatò, ary sitrana, kanefa dia nilaza tamin’ilay iray niverina, izay Samaritana, mba hisaotra Azy ny Mpamonjy, fa ny finoany no “nahavonjy” azy ( Lioka 17:19).
-
Inona no mety mampiavaka ny fahasitranana avy tamin’ny habokana sy ny fahazoana famonjena?
-
Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ity tantara ity ka mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?
-
Inona no fiantraikan’ny famakiana milamina tsara, sy ny fifantohana tamin’ireo antsipirian-javatra, ary ny fakana sary an-tsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fandalinanao?
Vakio ireto teny nambaran’ny mpaminany ireto, ary diniho ny fomba iharan’ireo fampianarana momba ny fankasitrahana ireo teo amin’ilay olona boka sy eo amin’ny fiainanao manokana.Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:
Ny fanehoana fisaorana vokatry ny fo dia tsy vitan’ny hoe manampy antsika fotsiny hamantatra ireo fitahiana omena antsika, fa mamaha ihany koa ny varavaran’ny lanitra ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.
(Thomas S. Monson, “Ny fanomezana masin’ny fankasitrahana,” Liahona, nôv. 2010, 87)
Nanamafy ny lanjan’ny fahatsapana fankasitrahana an’ny Tompo ny Filoha Russell M. Nelson. Vakio ity lahatsoratra manaraka ity.
Nandritra ireo 95 taona mahery teo amin’ny fiainako, dia hitako fa tsara lavitra kokoa noho ny fitanisana ireo olantsika ny fanisana ny fitahiana azontsika. Na inona na inona toe-javatra iainantsika dia fanafody ara-panahy haingam-piasa sy manasitrana mandritra ny fotoana maharitra ny fanehoana fankasitrahana noho ireo tombontsoa izay azontsika.
Moa ve miaro antsika tsy hianjadian’ny alahelo, ny fahoriana, ny fijaliana ary ny fanaintainana ny fankasitrahana? Tsia, fa saingy mampitony kosa ny zavatra tsapantsika izany. Manome antsika fomba fijery lehibe kokoa momba ny tena tanjona sy ny fifaliana amin’ny fiainana izany.
(“President Russell M. Nelson on the Healing Power of Gratitude,” ChurchofJesusChrist.org)
Mba hahafantarana sy hanatsarana ny fanehoanao fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia avereno adika ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity.
Ireo fitahiana izay azoko avy tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy: |
Fomba ahafahako maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana ireo: |
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nitahy anao tamin’ny fomba manan-danja sy mivantana. Saintsaino tsara ireo fitahiana ireo, dia soraty ao anatin’ny tsanganana voalohany izany. Mety hanampy ny fanaovana vavaka mangina hangatahana ny Ray any An-danitra hanampy anao hahatsapa ireo fomba maro izay nitahiany anao. Avy eo dia manoratra fomba vitsivitsy ao amin’ny tsanganana faharoa izay ahafahanao maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana ireo. Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia mety hanampy anao hahita hevitra: Môzià 2:20–22 ; Matio 25:40 ; Filipiana 1:1–3 ; 1 Tantara 16:29 .
-
Inona no fiatraikan’ny fakana fotoana nisaintsaina ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao manokana?
-
Raha mandinika ireo fomba nataonao lisitra mba hanehoana fankasitrahana ianao, dia inona amin’izy ireo no tianao hatsaraina na hatomboka hatao? Nahoana? Ahoana ny fomba mety azonao hanombohana?
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Lioka 17:14 . Olana ve ny maha Samaritana ilay olona boka niverina?
Ny Samaritana dia ireo olona izay nipetraka tao Samaria ary ny “fivavahany dia fifangaroana finoana sy fanao Jiosy sy Jentilisa” (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Samaritana ”). Matetika izy ireo no nambanian’ny ankamaroan’ireo jiosy. Eritrereto ny antony nahatonga an’i Lioka nilaza fa ilay olona boka naneho fankasitrahana dia Samaritana. Mampitombo inona amin’ny fahatakaranao ity tantara ity io antsipirian-javatra io? Mampianatra anao inona momba ny Mpamonjy izany?
Inona no mampiavaka ny fankasitrahana amin’ny fisaorana?
Nampianatra momba ny fankasitrahana sy ny fisaorana ny Filoha David O. McKay:
Ny fankasitrahana dia lalina kokoa noho ny fisaorana. Ny fisaorana no fiandohan’ny fankasitrahana. Ny fankasitrahana no vokatra farany azo avy amin’ny fisaorana. Ny fisaorana dia mety ahitana teny fotsiny ihany. Ny fankasitrahana kosa dia miseho amin’ny zavatra atao.
(David O. McKay, “Ny dikan’ny fisaorana,” Improvement Era, Nov. 1964, 914)
Ahoana no ahafahan’ny fankasitrahana manova ny fiainako?
Ireto horonantsary manaraka ireto dia maneho ny fiatraikan’ny fankasitrahana.