Seminera
Jaona 11:1–46, Tapany 2


Jaona 11:1–46, Tapany 2

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa

Sary
Jesus mourning Lazarus.

Tao amin’ny lesona teo aloha, dia namantatra fitsipika avy amin’ilay tantaran’ny Mpamonjy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty ianao. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampianatra fitsipika iray izay afaka manampy anao sy ny hafa handray ny fanampian’ny Mpamonjy mandritra ireo olana mitranga eo amin’ny fiainana.

Manampy ireo mpianatra hifampianatra. Ny fanomezana fotoana hahafahan’ny mpianatra mifampianatra dia afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hampihatra kokoa ireo fahamarinana izay nianaran’izy ireo. Rehefa mifampianatra ny mpianatra, dia mandraisa hatrany anjara mavitrika amin’ny alalan’ny fitetezana ireo vondrona sy ny fanaraha-maso ny sahanasa fianarana, ary manomeza fanampiana araka izay ilaina. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hifantoka tsara amin’ny asa ampanaovina azy sy hahazo ny fanampiana ilainy mba hahafahany mahazo tombontsoa kokoa avy amin’ilay sahanasa.

Fiomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo zavatra izay nianaran’izy ireo tamin’ny tantaran’i Maria, i Marta, sy i Lazarosy ary ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 11:1–46 . Lazao azy ireo fa hanana fotoana hahafahany hampianatra momba ny fitsipika izay nianarany avy amin’io tantara io izy ireo. Asao izy ireo hivonona hitondra hevitra ao an-dakilasy momba ny fomba ahafahany mampianatra io fitsipika io amin’ny fomba mahomby.

Sahanasa fianarana azo atao

Fiantraikan’ny fampianarana

Ity lesona ity no faharoa amin’ireo lesona roa mikasika ny Jaona 11:1–46 . Tamin’ny lesona teo aloha dia namantatra fitsipika ny mpianatra. Hevero ny hampianatra izany lesona izany mba hiomanana amin’ity anankiray ity.

Azon’ireo mpianatra atao ny mandeha tsiroaroa na mizarazara ho vondrona kely maromaro mba hizara ny valin-teniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mieritrereta fotoana iray izay nampianarana anao momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany ka nisy fiantraikany lalina teo aminao.

  • Ahoana no fomba nampianarana an’ilay izy anao?

  • Nahoana no nisy fiantraikany lehibe toy izany ilay izy?

I Jesoa Kristy no ilay Mpampianatra Lehibe. Rehefa nampianatra tamin’ny hery sy Fanahy Izy dia nahatsapa lalina ny fiantraikan’ny fampianarany ireo izay nihaino azy tamim-panetren-tena (jereo ny Jaona 3:2 ; Jaona 6:35, 68-69).

  • Manomeza hoe ohatra ana olona izay lehibe tokoa ny fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy teo aminy?

Saintsaino ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy ny zavatra niainanao manokana rehefa manomana sy mampianatra lesona fohy ianao miainga avy amin’ny tantaran’ny Mpamonjy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izay hita ao amin’ny Jaona 11:1–46 . Singa iray nandrafitra ny fampianaran’ny Mpamonjy ny hoe nampianatra fotopampianarana sy fitsipika marina hatrany Izy. Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ianao rehefa mampianatra fitsipika marina. Rehefa mampitombo ny fahaizanao mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ianao, dia afaka ny ho tonga tahaka Azy kokoa.

Lazarosy

Tadidio araka izay azonao atao ilay tantara momba ny nananganan’ny Mpamonjy an’i Lazarosy tamin’ny maty. Raha ilaina, dia vakio ity famintinana manaraka ity.

Manasà mpianatra iray na roa mba hamintina ilay tantara. Raha tianao, dia manaova sary tsotsotra vita amin’ny tsipika izay maneho an’i Maria, i Marta ary i Lazarosy eny amin’ny solaitrabe. Mampiasà sarin’ny Mpamonjy ihany koa (aza mampiasa sary tsotsotra vita amin’ny tsipika hanehoana ny Mpamonjy). Asao ilay mpianatra hampiasa ireo fitaovana natao hojeren’ny maso ireo rehefa mamintina ilay tantara. Raha ilaina, dia ampiasao ity fampahalalana manaraka ity mba hanampiana na hanazavana izay lazain’ireo mpianatra.

Nandefa hafatra ho an’i Jesoa i Maria sy i Marta hoe narary i Lazarosy anadahin’izy ireo. Ninian’i Jesoa nahemotra ny diany ka tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy Izy. Tamim-pitiavana sy tamim-pangorahana no nananganan’i Jesoa an’i Lazarosy tamin’ny maty. Ity fanehoana tamin’ny fomba mahagaga ny herin’ Andriamanitra ity dia nanantitrantitra fa i Jesoa no ilay Mesia voafidy ary nanana fahefana handresy ny fahafatesana Izy. Rehefa nahare momba io fahagagana io ny mpisoronabe sy ny Fariseo dia niray tetika hamono an’i Jesoa sy i Lazarosy izy ireo.

Ny lesonao

Manomàna lesona iray amin’ny alalan’ny fampiasana fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 11. Misafidiana fitsipika iray izay mahaliana anao indrindra na koa hitanao fa mifanaraka kokoa amin’ireo zatovo avy amin’ireto safidy manaraka ireto.

Asehoy ireto lesona azo isafidianana ireto mba hahafahan’ireo mpianatra misafidy amin’izany. Fantaro ireo mpianatra izay mety mitebiteby sy sahirana amin’ny fitondrana lesona. Afaka mandefa rindran-damina maneho ny fomba hampianarany ny lesona ireo mpianatra ireo fa tsy asaina mampianatra.

Mety hanampy ihany koa ny famantarana ireo mpianatra izay mety mila fanampiana amin’ny famakiana, ny fanomanana, na ny fitenenana sy ny fanendrena olona iray hiaraka amin’izy ireo hanomana ny lesona sy hampianatra.

Lesona Safidy 1: Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika ny Mpamonjy rehefa manao asa amim-pinoana Azy isika mandritra ny fitsapana lalovantsika ( Jaona 11:20–27,38–45).

Lesona Safidy 2: Ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany ( Jaona 11:1–7,11–17, 39–45).

Lesona Safidy 3: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa isika ( Jaona 11:32–36,43–44).

Lesona Safidy 4: Afaka mahita ny fiasan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny isika rehefa mampatanjaka sy mampionona antsika mandritra ny ady atrehantsika Izy ( Jaona 11:1–7,11–15,38–46).

Lesona Safidy 5: Manana fahefana hamerenana ny aina sy handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy ( Jaona 11:20–27,39–46).

Lesona Safidy 6: Misafidiana fitsipika nalainao manokana avy amin’ity tantara ity ( Jaona 11:1–46).

Eritrereto ny habetsahan’ny fotoana ilain’ireo mpianatra hanomanana sy hampianarana ny leson’izy ireo. Amboary araka ny filan’ireo mpianatra ny fotoana.

Zarao amin’ireo mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampiana azy ireo hanomana ny leson’izy ireo.

Sary
Preparing a Lesson for John 11

Valio ireto fanontaniana mampitsiry hevitra manaraka ireto mba hanampiana anao hamorona rindran-damina ho an’ny lesonao. Hevero ny handany 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hanomanana ny lesonao ary 5 ka hatramin’ny 10 minitra hampianarana izany.

  1. Ahoana no ahafahanao mampiditra ilay fitsipika nosafidinao amin’ny fomba izay hanampy ireo olona ampianarinao hahatakatra ny maha-zava-dehibe izany?

  2. Inona ny andinin-tsoratra masina hovakinao miaraka amin’ireo olona izay ampianarinao mba hanehoanao amin’ny fomba tsara indrindra ity fitsipika ity? (Raha mahafantatra tantara fanampiny ao anaty soratra masina ianao, na andinin-tsoratra masina, na tenina mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy ireo olona izay ampianarinao hahatakatra ilay fitsipika, dia hevero ihany koa ny hanoratra izany eto.)

  3. Inona no ampianarin’ity fitsipika ity anao momba ny Mpamonjy? Hevero ny hangataka ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity fitsipika ity.

  4. Inona no azonao zaraina mikasika ny fomba nanampian’ity fitsipika ity anao? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana izany? Hevero ny hanasa ireo olona ampianarinao mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo ihany koa.

  5. Soraty ny hevitrao momba ilay fitsipika izay ampianarinao sy ny fanazavana fohifohy iray mikasika ny fomba hanatanjahan’izany ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona raha mahatsapa ho taomim-panahy hanao izany ianao.

Misy fomba fanampiny hampianarana ity lesona ity sy loharanom-pitaovana fanampiny azon’ireo mpianatra ampiasaina amin’ny fanomanana ny leson’izy ireo azo jerena ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” sy ny “Sahanasa Fianarana Fanampiny” ato amin’ity lesona ity.

Asao ny mpianatra hiaraka tsiroaroa na anatina vondrona kely maromaro mba hifampianatra ny leson’izy ireo na hifampizara fohifohy ny rindran-damina izay nataony. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny lesony amin’ny fianakaviany any an-trano..

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’io traikefa io?

  • Afaka manampy anao sy ny hafa hanakaiky sy hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny fanomanana lesona sy ny fampianarana ny hafa?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto horonan-tsary sy lahateny manaraka ireto dia afaka manampy anao hanomana sy hampianatra ny lesonao. Mety hampiasa ireto loharanom-pitaovana ireto ianao amin’ny iray na ny maromaro amin’ireto fomba manaraka ireto:

  • mba hahatakarana kokoa ny fitsipika izay ampianarinao

  • mba hamantarana ireo fahamarinana, tantara, na hevitra izay azonao zaraina amin’ny alalan’ny teninao manokana rehefa mampianatra ianao

  • mba hahitana ireo teny nambara na horonan-tsary izay azonao aseho ho an’ireo olona izay ampianarinao

Ny horonan-tsary rehetra izay voatanisa anaty lisitra dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org avokoa.

Lesona Safidy 1: Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainanatsika ny Mpamonjy rehefa manao asa amim-pinoana Azy isika mandritra ny fitsapana lalovantsika.

Neil L. Andersen, “Ny Finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy_” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2015) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha 1:40 ka hatramin’ny minitra faha 4:32).

Lesona Safidy 2: Ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany

Jeffrey R. Holland, “Miandry ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 115–17.

Lesona Safidy 3: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa isika

Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68–75.

Lesona Safidy 4: Afaka mahita ny fiasan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny isika

rehefa mampatanjaka sy mampionona antsika mandritra ny ady atrehantsika Izy

John C. Pingree Jr., “Manana asa ho anao Aho” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôktobra. 2017) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-5:49 ka hatramin’ny minitra faha-6:48).

Lesona Safidy 5: Manana fahefana hamerenana ny aina sy handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy

D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 111–14.

Paul V. Johnson, “Ary tsy hisy fahafatesana intsony, Aprily. 2016) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-0:17 ka hatramin’ny minitra faha-4:56).

Sahanasa fianarana fanampiny

Bokikely entina miatrika ireo olana

Afaka mampiasa ireo fitsipika hita ao amin’ny Jaona 11:1–46 sy ireo votoatin-javatra ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra (sy izay mety ho zavatra hafa fantany) mba hanaovana ity sahanasa ity. Afaka manao ny iray na ny maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto ny mpianatra tsirairay.

  • Manaova sary maneho ny iray amin’ireo fitsipika izay ampianarina ato amin’ity lesona ity.

  • Mitantarà tantaran’ny tena manokana izay niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ny iray tamin’ireo fitsipika izay nampianarina tato amin’ity lesona ity sy nahitanareo ireo fitahiana izay nampanantenaina.

  • Mamoròna lisitra ahitana andinin-tsoratra masina na tantara ao amin’ny soratra masina, teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary resadresaka mombana lahateny na horonan-tsary izay mety afaka manampy olona mandalo fotoan-tsarotra.

Rehefa ampy ny fotoana nomena dia angony ny fandraisana anjara nataon’ireo mpianatra ary atambaro mba ho bokikely iray manokana natao mba hanampiana ireo olona miatrika olana. Azo atao tahadika io bokikely io mba hotehirizin’ny mpianatra sy ho ampiasain’izy ireo amin’ny manaraka rehefa mila fanampiana amin’ny olana iray izay atrehany izy ireo na ny olona akaikin’ny fon’izy ireo. Omeo an’ny mpianatra ireo loharanom-pitaovana ilaina mba hamitana ity sahanasa ity, toy ny taratasy sy fitaovana fanaovana asa kanto.

Sahanasa hafa azo atao

Afaka misafidy olona iray voalaza ao amin’ilay tantara izay voasoratra ao amin’ny Jaona 11:1–46 ireo mpianatra (Maria, Marta, Lazarosy, na iray amin’ireo mpanatrika) ary afaka manoratra momba ilay tantara avy amin’ny fomba fijerin’izany olona izany. Asao ireo mpianatra mba hampiditra ireto manaraka ireto ao amin’ny tantaran’izy ireo:

  • ny zavatra tsapan’ilay olona sy ny eritreriny mandritra io zavatra iainana io

  • ny zavatra izay mety nianaran’ilay olona ao amin’ilay tantara avy tamin’ny Mpamonjy sy momba ny Mpamonjy tao anatin’io zavatra niainany io

Afaka mifampizara ireo tantara ireo sy mampitaha izany amin’ny fiainan’izy ireo manokana ireo mpianatra ary manao drafitra mba hanao asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy