“Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana (2023)
“Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana
Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Ampianaro ny fotopampianarana
Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.
Fahaiza-manao
Manomàna fanasana izay manampy ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ireo mpaminany velona.
Mamaritra
Manampy antsika hahatakatra sy hanazava fotopampianarana ireo mpaminany velona mba hahafahantsika manara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mahomby kokoa. Afaka manasa ny mpianatra ianao mba hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny tenin’ireo mpaminany velona mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo ny zavatra ampianarina. Matetika ireo fanasana ireo no ahitana:
-
Filazana ny fahamarinana izay ampianarina.
-
Fanasana hikaroka fampianaran’ny mpaminany mba hahitana fahamarinana mifandray amin’izany.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
-
Te hanasa ny mpianatra Rahavavy Sosi mba hampifandray ny fandraisana fanambarana araka ny ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 amin’ny fampianaran’ireo mpaminany velona. Manomana ity fanasana ity izy: “Rehefa avy mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3, dia asaina ianareo hitady teny nambara avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany izay mifandray amin’ny fandraisana fanambarana.”
-
Te hanasa ny mpianatra Rahavavy Sosi mba hampifandray ny fandraisana fanambarana araka ny ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 amin’ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika.” Manomana ity fanasana ity izy: “Rehefa avy mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3, dia asaina ianareo handalina ilay lahatenin’ny Filoha Nelson avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany Aprily 2018 mitondra ny lohateny hoe -Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika- ary hitady zavatra izay nampianariny momba ny fandraisana fanambarana.”
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Mandiniha fahamarinana iray ao amin’ny fandaharam-pampianarana izay horesahina ao anatina fotoam-pianarana amin’ny manaraka.
-
Mamomàna fanasana izay hanampy ny mpianatra hampifandray izany fahamarinana izany amin’ny tenin’ireo mpaminany velona izay notadiavin’izy ireo manokana.
-
Manomàna fanasana izay hanampy ny mpianatra hampifandray izany fahamarinana izany amin’ny tenin’ireo mpaminany velona ao amina lahateny iray nosafidinao.
Mampiditra fahalalana
-
Manomàna fanasana, farafahakeliny in-dray mandeha isan-kerinandro, mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ireo mpaminany velona.
Mifanakalo hevitra sy misaintsaina
-
Inona no zavatra ianaranao momba ny herin’ny fampifandraisana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina amin’ny tenin’ireo mpaminany velona?
-
Afaka manampy ny mpianatrao ho lasa miova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany amin’ny fampianaranao?
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
Clark G. Gilbert, “Mpaminany iray eto amin’ny tany: Fanantitranterana amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany ho an’ireo tanora” (Fampitana fanao isan-taona an’ny S&I, 27 jan. 2023), ChurchofJesusChrist.org
-
(Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 24–27
Fahaiza-manao
Asehoy ny fitiavanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo mpaminany rehefa zaraina ao an-dakilasy ny tenin’izy ireo.
Mamaritra
Afaka mihalalina ny fanirian’ny mpianatra hanaraka ireo mpaminanin’ Andriamanitra rehefa mahita sy mandre ary mahatsapa ny fitiavan’ny mpampianatra ireo mpaminany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny mpaminany izy ireo. Mialoha na aorian’ny fizarana ny tenin’ny mpaminany iray ao an-dakilasy dia afaka maneho ny fitiavany na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba izany mpaminany izany ny mpampianatra. Manome fahafahana ny Fanahy Masina izany hanamafy ny tenin’ny mpampianatra sy ny zavatra tsapany ao am-po sy ao an-tsain’ny mpianatra ary hamela ny mpianatra handinika ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny fahatsapany manokana momba ireo mpaminany.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
-
Rehefa miomana ny hizara ao an-dakilasy teny nindramina iray avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson Rahavavy Arquero dia hoy izy amin’ny mpianany: “Te hampahafantatra anareo fotsiny aho hoe tena tiako ny Filoha Nelson ary manohana azy amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy ankehitriny aho.” Avy eo izy dia mangataka mpianatra iray hamaky mafy ilay teny nindramina.
-
Vao avy namaky ny 1 Nefia 3:7 ny mpianatra, dia hoy ny mpampianatra: “Nanentana ny fanahiko i Nefia mba -handeha … ary hanao- izay nandidian’ny Tompo, ary tiako ny ohatra mahery vaika nasehony tamin’ny fankatoavana.”
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Soraty na zarao amin’ny olona iray ny fomba hanehoanao ny fitiavanao ireo mpaminany na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba azy ireo ho an’ireto manaraka ireto:
-
Mifanakalo hevitra momba ny Môzià 3:17 ianareo, ary mby hizara ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ity ianao: “I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy hay takarina dia tsy vitan’ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy manome antsika ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana fotsiny, fa vonona ihany koa Izy hamonjy antsika amin’ny alahelo sy ny fijaliana mihatra amin’ny fanahintsika maratra” (“Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 85).
-
Zarain’ny mpianatra iray fa isan’ireo soratra masina tiany indrindra ilay nitenenan’i Môrmôna hoe: “Indro, izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy …” (3 Nefia 5:13).
-
Hampianatra ianao mandritra ny lesona manaraka.
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Inona no ianaranao rehefa mampihatra io fahaiza-manao io ianao?
-
Nanova inona teo aminao ny fitiavan’ny olona iray ireo mpaminanin’ Andriamanitra na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny mpaminanin’ Andriamanitra?
Mampiditra fahalalana
-
Miomàna hizara ny fitiavanao ireo mpaminany, na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba azy ireo, na izy roa isaky ny zaraina ao anatin’ny lesona hatao manaraka ny tenin’izy ireo. Ampitahao amin’ireo fotoana hafa izay nizarana teny nambaran’ny mpaminany kanefa tsy nanehoana fitiavana na fijoroana ho vavolombelona izany zavatra niainana izany.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
(Ulisses Soares, “Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 98–99