Ny soratra masina
3 Nefia 17


Toko 17

I Jesoa dia nisarika ny olona hisaintsaina ny teniny sy hivavaka hahatakarany izany—Nositraniny ny marary—Nivavaka ho an’ny vahoaka Izy ka nampiasa fiteny izay tsy hay soratana—Nanompo ny anjely ary nanodidina ny ankizy madininy ny afo. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Indro, ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa niteny ireo teny ireo i Jesoa, dia nanopy ny masony manodidina indray tany amin’ny valalabemandry Izy, ary hoy Izy taminy: Indro, efa antomotra ny fotoako.

2 Takatro fa osa ianareo ka tsy afaka ny hahatakatra ny teniko rehetra izay andidian’ny Ray Ahy hoteneniko aminareo amin’izao fotoana izao.

3 Koa modia any an-tranonareo, ary saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko, ary anontanio amin’ny Anarako ny Ray, mba hahatakaranareo, ary omany ny sainareo ho amin’ny ampitso, ary hankaty aminareo indray Aho.

4 Fa ankehitriny kosa Aho dia hankany amin’ny Ray ary haneho ny tenako koa amin’ny foko very amin’i Isiraely, fa tsy very izy amin’ny Ray, fa Izy mahalala izay efa nitondrany azy.

5 Ary ny zava-nitranga, nony efa niteny toy izany i Jesoa, dia nanopy ny masony manodidina indray tany amin’ny valalabemandry Izy, ary nahatazana azy tao amin’ny ranomaso ary ny fijeriny dia nifantoka Taminy miova tsy ny te hangataka Azy mba hijanona maharitraritra miaraka aminy.

6 Ary hoy Izy taminy: Indro, ny kiboko dia feno fangorahana aminareo.

7 Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po.

8 Satria takatro fa irianareo ny hanehoako aminareo izay efa nataoko tamin’ny rahalahinareo tao Jerosalema, satria hitako fa ampy ny finoanareo hanasitranako anareo.

9 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany Izy, dia niara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandroso niaraka tamin’ny marariny sy ny oriny ary ny maleminy, ary niaraka tamin’ny jambany, ary niaraka tamin’ny mareniny sy tamin’ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany.

10 Ary izy rehetra, na ireo izay nositranina, na ireo izay salama, dia samy niankohoka teo an-tongony, sy nitsaoka Azy; ary izay rehetra afaka nanatona Azy avy tamin’ny valalabemandry dia nanoroka ny tongony, hany ka izy ireo dia nampandro ny tongony tamin’ny ranomasony.

11 Ary ny zava-nitranga dia nodidiany ny hitondrana ny ankizy madininy.

12 Koa nentiny ny ankizy madininy sy napetrany tamin’ny tany manodidina Azy, ary nijoro teo afovoany i Jesoa; ary ny valalabemandry dia nanome lalana ambara-pitondrany azy rehetra teo anoloany.

13 Ary ny zava-nitranga nony efa nentina avokoa izy ireny ary nijoro teo afovoany i Jesoa, dia nodidiany ny handohalihan’ny valalabemandry amin’ny tany.

14 Ary ny zava-nitranga, nony efa nandohalika tamin’ny tany ireo, dia nitoloko ny tao anatin’i Jesoa, ary hoy Izy: Ray ô, ory Aho noho ny faharatsian’ny vahoaka amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

15 Ary nony efa nilaza ireo teny ireo Izy, dia nandohalika tamin’ny tany koa ny tenany; ary indro nivavaka tamin’ny Ray Izy, ary ny zavatra izay nivavahany dia tsy hay soratana, ary ny valalabemandry dia vavolombelona manambara, izay nandre Azy.

16 Ary toy izao no fomba ijoroany ho vavolombelona: Ny maso dia tsy mbola nahita na oviana na oviana, ny sofina tsy mbola nandre zavatra lehibe sy mahatalanjona loatra toy izay hitanay sy renay notenenin’i Jesoa tamin’ny Ray;

17 Ary tsy misy lela afaka miteny, tsy misy olona koa afaka manoratra, tsy hain’ny fon’ny olona koa ny misaintsaina ny zavatra lehibe sy mahatalanjona tokoa toy ny nahitanay sy ny nandrenesanay an’i Jesoa niteny; ary tsy misy afaka misaintsaina ny fifaliana izay nameno ny fanahinay tamin’ny fotoana nandrenesanay Azy nivavaka tamin’ny Ray ho anay.

18 Ary ny zava-nitranga, nony efa nofaranan’i Jesoa ny vavaka tamin’ny Ray, dia nitsangana Izy; fa lehibe loatra kosa ny fifalian’ny valalabemandry ka ankona ireo.

19 Ary ny zava-nitranga dia niteny taminy i Jesoa sy nibaiko azy hitsangana.

20 Ary nitsangana avy tamin’ny tany ireo, ary hoy Izy taminy: Hotahiana ianareo noho ny finoanareo, Ary ankehitriny, indro, feno ny fifaliako.

21 Ary nony efa nilaza ireo teny ireo Izy, dia nitomany, ary ny valalabemandry dia vavolombelona nanambara izany, ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

22 Ary nony nanao izany Izy dia nitomany indray;

23 Ary niteny tamin’ny valalabemandry Izy, ary hoy Izy taminy: Jereo ny madinikareo.

24 Ary raha nijery izy ireo mba hitazana, dia nanandratra ny masony nankany an-danitra izy ireo, ary nahita ny lanitra nisokatra sy nahita anjely nidina avy tany an-danitra miova tsy ny teo afovoan’ny afo; ary nidina ireny sy nanodidina ireo ankizy madinika ireo; ary nohodidinin’ny afo ireo; ary ny anjely dia nanompo azy ireo.

25 Ary ny valalabemandry dia nahita sy nandre ary vavolombelona manambara; ary fantany fa ny fanambarany dia marina, fa sady nahita no nandre avokoa izy ireo, ny tsirairay ho an’ny tenany avy; ary izy ireo dia niisa sahabo ho dimanjato sy roa arivo olona; ary izy ireo dia nahitana lehilahy, vehivavy ary ankizy.