Fanampiana amin’ny fandalinana
2. Ny Havoana Komôrà sy ny Faritr’i Palmyra sy Manchester


2. Ny Havoana Komôrà sy ny Faritr’i Palmyra sy Manchester

Sary
sary 2

Io sary mitodika mianavaratra io dia maneho ny Havoana Komôrà ao Manchester, New York. Manomboka eo amin’ny zorony ambany ankavanan’ny sary ilay havoana, ary somary mihoatra ny tapany amboniny. Ny tsangambato fotsy tazana eo amin’ny farany avaratra amin’ny havoana dia fanomezam-boninahitra ny anjely Môrônia sy ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Havoana Komôrà dia tokony ho dimy kilaometetra atsimo atsinanan’ny Kirihitr’ala Masina. Akaikin’ny tendron’ny sary no misy ny Tanànan’i Palmyra, 6½ no elanelany. Eo amin’ny ilany ambony havia amin’ny sary no misy ny toeram-piompiana sy fambolendry Smith sy ny Kirihitr’ala Masina.

Ny zava-dehibe nitranga: Nonina tao amin’io toerana io ny fianakavian’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fotoanan’ny Fahitana Voalohany (JS—T 1:3). Tamin’ny 421 taona taorian’i Kristy, dia nalevin’i Môrônia tao amin’ny Havoana Komôrà ireo takelaka volamena izay mirakitra ny tantara masina mikasika ny olony (TiM 1:1–11; Môrm. 6:6; Môrô. 10:1–2). Io Môrônia io ihany no nanambara tamin’i Joseph Smith ny toerana hahitana ireo takelaka eo amin’ilay havoana. Nomen’i Môrônia azy izany tamin’ny taona 1827 (F&F 27:5; 128:20; JS—T 1:33–35, 51–54, 59).

Hamoaka printy