Fanampiana amin’ny fandalinana
7. Tranombarotr’i Newel K. Whitney sy ny namany


7. Tranombarotr’i Newel K. Whitney sy ny namany

Sary
sary 7

Nitana anjara toerana lehibe tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana tao Kirtland ny tranombarotr’i Newel K. Whitney. Nonina tao i Joseph sy i Emma nandritra ny fotoana fohy. Fanambarana manan-danja maro no noraisina tao. Natao tao amin’ny tranom-barotra ny Sekolin’ny Mpaminany, nanomboka ny 24 janoary 1833 ka hatramin’ny volana aprily 1833 tany ho any.

Ny zava-dehibe nitranga: Nahazo fanambarana momba ny Tenin’ny Fahendrena ny Mpaminany Joseph (F&F 89). Tao no nanaovany ny ankamaroan’ny asa fandikana ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith (DJS).

Hamoaka printy