Fampitana fanao isan-taona
Fianarana lalina sy fifaliana ao amin’ny Tompo


Fianarana lalina sy fifaliana ao amin’ny Tompo

Fampitana ny fiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota Fianarana Filazantsara • 13 jona 2017

Fitahiana ho ahy ny miresaka amin’ny fianakaviamben’ny S&I maneran-tany. Tiako be ianareo ary feno fankasitrahana aho noho ianareo sy ny zavatra rehetra ataonareo ary ny toetra rehetra anananareo. Mivavaka aho mba ho eo aminareo ny fitahian’ny Tompo ao anatin’ilay asa lehibe izay hiantsoroantsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, asa manan-danja ny mampianatra, manomana, manentam-panahy, ary mankahery ny taranaka vao misondrotra. Mahatsapa fahamehana sy hamafiny aho momba io asa io. Miatrika olana sarotra sy fahafahana mahatalanjona maro ireo tanora sy zatovon’ny Fiangonan’ny Tompo. Feno teknôlôjia mahery vaika ny tontolo manodidina azy ireo izay ampiasaina amin’ny zavatra tena tsara sy tena ratsy. Maro amin’ireo zatovo sy tanorantsika  no ao anatin’ny firenena iharan’ady sy tabataban’ady, asa fampihorohoroana, kolikoly, fahasimban’ny fianakaviana, korontana ara-pôlitika sy ara-piarahamonina, herisetra ara-pivavahana, ary ny fandravan’ny fahantrana sy ny aretina ary ny mosary.

Mandritra izany korontana sy disadisa rehetra izany anefa i Jesoa Kristy Tompo dia manomana ny fanjakany sy ny olony amin’ny fiverenany. Mandroso amin-kery Izy manerana ny tany manontolo mba hanangona ny Isiraely miely patrana, sy mba hanangana ny fanjakany ary hanorina an’i Ziona. Mihinjitra ho an’ny tanora sy ny zatovon’ny Fiangonany ny sandrin’ny fitiavany sy ny sandrin’ny famindram-pony, manasa azy ireo mba handray ny heriny manasitrana sy mampatanjaka ary mamonjy ho eo amin’ny fiainany.

Ilay ady lehibe teo amin’ny tsara sy ny ratsy izay nanomboka tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia mbola mitohy sady mihamafy hatrany amin’izao andro farany izao. Amin’izany ady izany ireo tanora sy ireo zatovon’ny taranaka vao misondrotra dia tsy hoe fiandry fotsiny. Eny anoloana izy ireo, ary hanana andraikitra mihamanan-danja hatrany ao amin’ny asa lehiben’ny Tompo izy ireo. Ka izany no mahatonga ahy hiresaka aminareo.

Miaraka amin’ireo taranaka vao misondrotra eo anoloana ianareo. Rehefa mieritreritra anareo sy ny zavatra ataonareo isan’andro mba hampisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ireo tanora sy zatovo an’aliny maro ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo aho, dia mieritreritra ny fahitan’ny Nefia ny androntsika:

“Ary … izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”1

Manoritsoritra dingana masina izay irotsahanareo amin’ny fomba manan-danja i Nefia. Rehefa mieritreritra ny zavatra ataonareo ianareo rehefa mampianatra seminera sy institiota, dia manantena aho fa ho tonga ao an-tsainareo io andinin-tsoratra masina io. Fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra ianareo amin’ny dingana masina iray izay hahazoan’ireo zanaky ny fanekempihavanana sarobidiny ny fahamarinana ary handray ny heriny sy ny voninahiny.

Izany no ataonareo. Mampianatra ireo tanora ireo ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy ianareo, ary manampy azy ireo handray hery masina ao amin’ny fisoronana, ao amin’ny tempoly, amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana, ao amin’ny soratra masina, ao amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina. Herin’ Andriamanitra izany, ary omeny ireo zanaka malalany izany mba hahafahan’izy ireo mitia sy mampianatra ary manompo amim-pinoana sy fanantenana Azy, eo am-panaovana ny asany mandritra ny fiainany manontolo.

Mety ho sarotra indraindray ny mampifandray ny fahitana nentanim-panahy hitan’i Nefia sy ny zavatra iainanareo amin’ny kilasin’ny seminera manomboka amin’ny 6:15 maraina na ny kilasin’ny institiota efa taraiky amin’ny hariva miaraka amin’ny mpianatry ny oniversite efa reraka. Efa nahazo ny anjarako tamin’ny fiarahana amin’ny tanora mbola te hatory vao maraina be aho. Ary azo antoka fa fantatro hoe manao ahoana izany mpianatry ny oniversite efa reradreraka izany. Saingy nahita ny zava-nitranga tamin’ireo tanora sy mpianatry ny oniversite ireo aho rehefa mampianatra azy ireo miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo ny mpampianatra iray izay tia azy ireo. Efa nahita ny zavatra nitranga tao am-pon’izy ireo sy tao amin’ny fanahin’izy ireo aho rehefa sokafin’izany mpampianatra izany amin’izy ireo ny herin’ny soratra masina ary ampiany izy ireo hianatra lalina amin’ny fomban’ny Tompo. Fantatro izany satria izany no nitranga tamin’ireo zanako rehetra. Ary izany no mitranga amin’ireo zafikeliko.

Tena mahatalanjona ireo tanora sy zatovo izay ampianarinareo. Saingy mila maro, tena maro kokoa amin’izy ireo isika mba hahazo ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly, hanao asa fitoriana, hanambady any amin’ny tempoly, hanorina fianakaviana mandrakizay, hanompo ny Tompo ao amin’ny fanjakany, ary ho fahazavan’izao tontolo izao—mila maro kokoa amin’izany isika. Midika izany fa mila manohy mihatsara hatrany hatrany ianareo amin’ny zavatra ataonareo. Mila anareo ho mahery sy mahomby bebe kokoa ny Tompo amin’ity asa lehibe ity.

Fifaliana ao amin’ny Tompo

Tiako ny hizara hevitra vitsivitsy aminareo anio izay antenaiko fa hanampy anareo rehefa manaraka izany tanjona masina izany ianareo. Tsotra ny hafatro: mila manao misimisy kokoa isika mba hanampiana ireo tanora sy zatovon’ny Fiangonana hiaina fifaliana, fifaliana tena izy sy ara-panahy, ao amin’i Jesoa Kristy Tompo. Mino aho fa ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fianarana lalina ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomban’ ny Tompo. Ijoroako ho vavolombelona aminareo fa ny fianarana lalina ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy dia mahatonga fifaliana ao amin’ny Tompo.

Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe:

“Ry rahalahy sy anabaviko malala, misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.

“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, izay vao nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson antsika teo, sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra.”2

Izany no fifaliana ilaina ho tsapan’ireo tanora. Miaro azy ireo amin’ny ratsy izany, mampaharisika azy ireo hanao ny marina, mamoky ny faniriany hanana ny Fanahy Masina miaraka aminy, ary mandrisika azy ireo hankany amin’ny Tompo

Nanome lalana mahavariana mba hanampiana anareo amin’ny fanampiana ny mpianatrareo hahita fifaliana ao Aminy ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Koa, aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko. Indro hitanareo fa efa nivavaka tamin’ ny Ray Aho, ary efa vavolombelona avokoa ianareo.

“Ary hitanareo fa efa nandidy Aho mba tsy hisy  aminareo handeha hiala, fa efa naleoko kosa nandidy ny hankanesanareo atỳ Amiko ka hahazoanareo mitsapa sy mahita; dia toy izany koa no hataonareo amin’ izao tontolo izao.”3

Rehefa niseho tamin’ny vahoaka teo amin’ny tempoly tao Soafeno ny Tompo, dia tia azy ireo Izy, nampianatra azy ireo ny fotopampianarany, ary nitahy azy ireo. Nahatsapa fifaliana be izy ireo. Eto amin’ity andalana ity ny Tompo dia miantso anareo hanatona Azy ary, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, dia hahita ny asany, hahatsapa ny fitiavany, ary hiaina ny fifaliany. Avy eo dia mandidy anareo Izy hitondra ny zavatra efa hitanareo sy tsapanareo mankany amin’ny mpianatrareo: tiavo izy ireo, ampianaro azy ireo ny fotopampianarany, asao izy ireo hanatona an’i Kristy ary hahatsapa ny fifaliany. Raha ao aminareo ny fitiavana, ny fotopampianarana, ny fahazavana, ary ny fifalian’i Jesoa Kristy, dia afaka manentana ny fanahin’izy ireo ianareo ary mamporisika azy ireo hitrandraka ny traikefan’izy ireo mangina sy manokana ary ara-panahy miaraka amin’ny Tompo.

Fifaliana sy fianarana lalina

Ny fianarana izay mitondra mankany amin’ny fifaliana dia ny fianarana lalina ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy, ary tsy maintsy atao amin’ny fomban’ ny Tompo izany. Ny fianarana lalina dia fianaran’ny fanahy manontolo, dia ny eritreritra, ny fo, ny vatana, ary ny fanahy tsy mety maty. Ny fianarana lalina dia mampitombo ny herin’ny mpianatra hanao zavatra anankitelo:4

1. Hahafantatra sy hahatakatra

Ny voalohany dia ny mahafantatra sy mahatakatra. Fahalalan’ny saina sy ny fo izany. Raha ampiharina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ohatra dia mianatra ireo mpianatra fa ny finoana an’i Kristy dia fitsipika iray mitaky asa sy hery. Amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy dia mahatsapa ny fahamarinan’izany fitsipika izany izy ireo ary manomboka mahita mazava kokoa, manana faniriana bebe kokoa, ka hahatakatra bebe kokoa ao am-pon’izy ireo ny fiasan’izany fitsipika izany amin’ny fiainany.

2. Hanao asa mahomby sy tsara

Ny faharoa dia ny fanaovana asa mahomby sy tsara. Mianatra ny fomba fampiharana ny fitsipiky ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fiainany ireo mpianatra ary avy eo dia hanao izany tokoa. Ohatra, mety hanapa-kevitra hanao zavatra am-pinoana ny Mpamonjy izy ireo mba hanana risipo hanasa namana iray hamaky ny Bokin’ i Môrmôna. Rehefa manao zavatra am-pinoana Azy izy ireo dia mitombo ny fatokian’izy ireo Azy ary hanome finoana lehibe kokoa azy ireo ny Tompo.

3. Ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa

Ny fahatelo dia ny hoe tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa. Ilay hoe fahatongavana dia dingana iray hiovan’ny toetran’ny mpianatra mihitsy. Tonga amin’ny alalan’ny hery manavotra sy mampatanjaka an’i Jesoa Kristy izany. Raha ampiharina amin’ny fitsipiky ny finoana ny Mpamonjy izany dia midika fa lasa olona mahatoky kokoa ny mpianatra. Tafiditra ao amin’ny toetran’izy ireo sy ny maha-izy azy ireo ny finoana an’i Kristy rehefa mitombo foana sy tsy tapaka ny fahalalany sy ny fahatakarany ny finoana an’i Jesoa Kristy sy rehefa manao asa am-pinoana Azy mba hanao izay zavatra tiany ho vita ary mikatsaka ny fanomezam-pahasoavany sy ny fitahiany mba ho tonga tahaka Azy sy ny Rainy.

Ireo lafiny telo amin’ny fianarana lalina ireo dia mifandray sy mifanome hery. Ny fahatongavana ho olona mahatoky dia mampitombo ny fahafahan’ny mpianatra hahafantatra sy hahatakatra. Ny fahatakarana lalina kokoa dia mamporisika hanao asa mahomby kokoa, izay miteraka fisian’ny fahalalana vaovao sy toetra matanjaka kokoa. Misy fifaliana lehibe ao amin’ny singa tsirairain’ny fianarana lalina: fifaliana amin’ny fahatakarana vaovao, fifaliana amin’ny asa tsara, fifaliana amin’ny fahatongavana ho tahaka ny Ray sy ny Zanaka bebe kokoa.

Ny fomban’ny Tompo amin’ny fianarana lalina

Fanasana telo

Ny fomban’ny Tompo amin’ny fianarana lalina dia tsotra nefa mahery vaika. Indro ny famaritan’ny Tompo ny fianarana lalina amin’ny fombany:

“Ary raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo.”5

“[Alamino] ny tenanareo, sy [hamasino] ny tenanareo.”6

“ [Mifampianara] ny fotopampianaran’ny fanjakana.”7

“Mampianara amin’ ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako. ”8

“Mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena.”9

“Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”10

“Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra.”11

“Aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra …dia ho azo aorina ny rehetra amin’ ny alalan’ ny rehetra.”12

“Ary ambonin’ ny zava-drehetra, dia atafio ny tenanareo toy ny kapaoty ny famatoran’ ny fiantrana.”13

Ireo andininy mahafinaritra ao amin’ny fizarana faha-88 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireo dia mampiseho singa telo mifandray sy manamafy orina ao amin’ny fianarana lalina amin’ny fomban’ny Tompo: Ny voalohany dia ny fandalinana, fikatsahana, fandaminana ary fankatoavana fatratra.14 Ny faharoa dia ny fivoriana mba hifampianatra, ao amin’ny famatoran’ny fiantrana, tarihin’ny mpampianatra entanim-panahy, miaraka amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Ny fahatelo dia ny fandraisana fanambarana, fanentanam-panahy, ary fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ny mpampianatra amin’ny fomban’ny Tompo dia manana andraikitra mavitrika sy nentanim-panahy amin’ny famporisihana ireo mpianatra hirotsaka amin’ny fanarahana ireo singa rehetra amin’ny fianarana lalina. Zavatra roa no tena manan-danja: voalohany dia ny fananana ny Fanahy Masina miaraka aminareo ary faharoa, ny fitiavanareo ireo mpianatra.

Manana loharanom-pitaovana mahafinaritra ianareo, dia ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara15 izany, mba hanampiana anareo hampianatra ka hahatonga ireo mpianatra hianatra amin’ny fomban’ny Tompo. Koa mamelà ahy ianareo hampanao zavatra anareo: Tiako ianareo mba hamaky sy handalina ilay boky torolalana sady manaraka ny fomba fianarana lalina, indrindra fa ny amin’ny fotopampianaran’i Jesoa ilay Kristy, izay mitondra fifaliana. Raha vantany vao takatrareo izany fianarana lalina izany, satria fifaliana no tanjonareo, dia hanova ny fomba fampiharanareo ireo fitsipika mahery vaika hazavaina ao anatin’ilay boky torolalana izany. Mamelà ahy hanome anareo  ohatra tsotra anankitelo (mbola misy maro hafa):

  • Hangataka ireo mpianatra ianareo ny mba hiomanan’izy ireo hifampianatra rehefa tonga ao an-dakilasy.

  • Hataonareo ho lohalaharana ny fanampiana ny mpianatrareo hampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy.

  • Hataonareo ho tanjona ifampizarana ao amin’ny kilasinareo ny fifaliana, ary hizara tsy tapaka fijoroana ho vavolombelon’ny fifaliana ireo mpianatra.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, fantatro fa efa manao zavatra mhatatalanjona sy mahafinaritra maro ianareo mba hanampiana ny mpianatrareo hanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy lalina ao am-pon’izy ireo ary hiaina fifaliana ao Aminy. Fantatro ny fahafoizan-tenanareo sy ny fanoloran-tenanareo. Ary fantatry ny Tompo koa izany.

Tiako ho faranana amin’ny fanasana telo ny lahateniko androany. Fantatro fa raha manao zavatra araka ireto fanasana ireto ianareo dia hanampy ny mpianatrareo hianatra lalindalina kokoa amin’ny fomban’ny Tompo ary hiaina fifaliana bebe kokoa ao Aminy.

Fanasana 1: Ny maha-izy azy sy ny tanjona mandrakizay  Manasa anareo aho hanampy ny mpianatrareo mba hianatra hoe iza marina izy ireo. Ampio izy ireo hahita sy hahatsapa ary hahafantatra fa tena zanak’ Andriamanitra marina izy ireo, zanaka lahy sy zanaka vavy malalany. Ampio izy ireo hahatakatra ny lanjany sy ny fampiharana “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” rehefa milaza izany fa ny mpianatra tsirairay dia “manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra … [ary] ny maha-izy azy [mandrakizay sy] … tanjona.”16

Ampio izy ireo hahatsapa lalina ao am-pony fa izy ireo dia olona ara-panahy miaina ny fiainana an-tany. Nijaly sy maty ho azy ireo i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo “[mandroso] mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahakan’Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”17 Izany no drafitry ny Ray any An-danitra ho azy ireo. Ataovy izay haha-tena misy ilay drafiny ho azy ireo.

Ampianaro azy ireo fa izy ireo dia nateraky ny Ray aman-dReny any An-danitra mba hianatra sy hitombo ary ho lasa tahaka Azy ireo. Ny fianarana no ivon’ny tanjon’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fiainana an-tany ary ho an’ny famonjena azy ireo mandrakizay. Mila mianatra momba ny zavatr’ Andriamanitra sy ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ireo tanjon’Andriamanitra amin’ny fiainany. Ampio izy ireo hahita fa ny fianarana dia manan-danja eo amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra, ka araka izany, manan-danja amin’ny tanjony sy maha-izy azy mandrakizay.

Fanasana 2: Ny fomban’ny Tompo amin’ny fianarana lalina  Manasa anareo aho mba hanampy ny mpianatrareo hianatra ny fomba fianarana lalina amin’ny fomban’ ny Tompo. Ataonareo amin’ny alalan’ny ohatra izany amin’ny ampahany. Amin’ny fomba mahery vaika, ny fomba fampianaranareo no zavatra ampianarinareo azy ireo momba ny fomban’ny tompo amin’ny fianarana. Rehefa mamorona traikefa ho azy ireo amin’ny fianarana amin’ny fomban’ ny Tompo ianareo, dia hianatra amin’ny fomban’ ny Tompo izy ireo. Raha tsy manao izany ianareo, dia tsy hanao izany koa izy ireo.

Manantena aho fa hampianatra ny mpianatrareo ny fomban’ ny Tompo amin’ny fianarana ianareo amin’ny alalan’ny ohatra asehonareo. Saingy manantena ihany koa aho fa hampianatra azy ireo mivantana sy amin’ny nahim-po ary amin’ny finiavana marina ny fombany ianareo. Ahitana fahafahana mahafinaritra hanaovana izany ao amin’ny Fifehezana Fotopampianarana, izay ampianaran’ny fitsipiky ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” marina ny fomban’ ny Tompo amin’ny fianarana. Rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo ianareo mandritra ny taona, dia hampianatra azy ireo ny fomban’ny Tompo amin’ny fianarana. Azonareo atao ao amin’ireo kilasy ampianaranareo ao amin’ny institiota ihany koa izany fampianarana izany.

Ampio ny mpianatrareo hahatsapa fa ny fomban’ny Tompo dia azo ampiharina amin’ny zavatra rehetra izay halalinin’izy ireo. Ny fomba manokana izay hitan’izy ireo ao amin’ireo kilasiny amin’ny fianaran’izy ireo ao amin’ny ambaratonga faharoa na aorian’izany dia ho arakarak’izay mpampianatra azy ireo. Saingy ny mpianatrareo dia afaka ny handray anjara mavitrika sy hazoto amin’ny fandalinany ary hanana ny Fanahy Masina miaraka amin’izy ireo foana. Asao ny mpianatrareo hiaraka amin’ny Fanahy Masina any an-tsekoly.

Fanasana 3: Fibebahana sy fianarana  Manasa anareo aho mba hampianatra ny mpianatrareo fa ny fibebahana dia ivon’ny fianarana lalina. Ny fibebahana no dingana araka ny Tompo ho an’ny fianarana manokana sy ny fitomboana ara-panahy ary ny fahatongavana ho tahaka Azy bebe kokoa hatrany. Mianatra amin’ny fomban’ ny Tompo ny mpianatrareo amin’ny alalan’ny fiasan’ny hery manavotra sy mampatanjak’i Jesoa Kristy amin’ny fiainany, izay manokatra ho azy ireo ny famindrampony sy ny fahasoavany.

Ampio ireo mpianatrareo hahatakatra fa ny fibebahana no dingana masina izay ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka ny Mpamonjy amin’ny fotoana rehetra. Indraindray ny fibebahany dia hikasika ny zavatra izay mila atsahatr’izy ireo. Indraindray izany dia hikasika ny zavatra izay mila atombok’izy ireo atao. Ampio izy ireo hahafantatra fa ny fibebahana dia mihoatra lavitra ny hoe mamboraka amin’ny Tompo sy ny evekany ny zavatra tsy nety nataony. Ny hoe manota dia miala amin’ny Tompo. Ny hoe mibebaka dia miverina Aminy indray. Mitaky fiovan’ny fo sy ny saina ny fibebahana, fiovan’ny fiainana izay voatefy araka ny toe-javatra misy ny mpianatra manokana.

Saingy ampianaro azy ireo ihany koa fa ny fibebahana dia afaka mitahy azy ireo tsy tapaka. Izany no fomba hanampian’ny Tompo azy ireo hihatsaratsara kokoa hatrany mandritra ny fiainany. Mitaky ny hiovany sy ny hitomboan’izy ireo izany, ary midika izany fa izy ireo dia mila mibebaka, mitodika amin’ny Mpamonjy bebe kokoa, manome Azy bebe kokoa ny fony amin’ny fotoana rehetra. Izany dingana hitodihana sy hanomezana izany dia mandritra ny fiainana manontolo. Tena ilaina amin’ny fianarana lalina izany.

Fijoroana ho vavolombelona

Omeko anareo izao fampanantenana izao: Raha toa ka ampianarinareo ny mpianatrareo ny hoe iza marina izy ireo, ahoana no hianarana lalina amin’ny fomban’ ny Tompo, ary ny fitsipika masin’ny fibebahana, dia hianatra lalina ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy izy ireo, hitombo ny finoany Azy sy ny fitiavany Azy, ary hanana fifaliana ao amin’ny Tompo izy ireo. Hiaina izao fampanantenana mahafinaritra izao ianareo sy ny mpianatrareo:   “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanomezako amin’ ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao.”18

Fantatro fa marina izany fampanantenana izany. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona Andriamanitra Raintsika. I Jesoa no ilay Kristy. Velona Izy! Asany masina ity. Izany no ijoroako ho vavolombelona sy avelako aminareo amim-pitiavana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy