Fampitana fanao isan-taona
Ny fiovam-pon’ireo zanak’ Andriamanitra


21:42

Ny fiovam-pon’ireo zanak’ Andriamanitra

Fampitana ny fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana filazantsara • 13 jona 2017

Faly be aho mandray anjara miaraka aminareo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara sy ny vadinareo malala amin’ity fampaherezam-panahy ity. Nihaona tamin’ny maro aminareo manerana izao tontolo izao izahay, ary ianareo dia tena miavaka tokoa. Mino aho fa misy antony vitsivitsy mahatonga izany. Voalohany, ny Fiangonana dia tsy manakarama afa-tsy olona mahafeno fepetra izay mendrika ny hanana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, manana fahaiza-manao efa voaporofo hampianatra, ary natolotra sy nankatoavina tamina dingana isan-karazany, tafiditra amin’izany ny Filankevitra misahana ny fampianarana. Ianareo izay manana antso ho mpampianatra dia mety tsy dia narahana maso loatra tahaka ireo mpiasa ao amin’ny sampam-pianarana, saingy raha ny zavatra niainako dia miantso ny olona tsara sy mahay indrindra mba hampianatra ao amin’ny seminera sy institiota ny mpitarika ao an-toerana. Faharoa, ianareo dia mirotsaka tanteraka ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy, izay ambaran’i Nefia fa “ny hany fotopampianarana marina an’ny Ray sy an’ny Zanaka ary an’ny Fanahy Masina.”1 Ny fampianarana izany fotopampianarana izany dia miteraka famporisihana tsy tapaka mba hiaina izany fotopampianarana izany, ary izany no mahatonga anareo ho tena tsara. Mijanòna ho toy izany!

Fianakaviamben’ny seminera isika! Nantsoina ho filohan’ny Tsatòkan’i Honolulu Hawaii aho 32 taona lasa izay. Ny zanakay farany indrindra tamin’izay dia 18 volana ary ny zokiny indrindra tamin’ireo zanakay efatra dia 11 taona. Nanana asa nitaky zavatra betsaka aho, ary toa tsy afaka nanao mihoatra ny zavatra efa nataonay intsony izahay. Dia nanatona ahy ireo mpiandraikitra ao amin’ny seminera ao amin’ny tsatòkanay ary nangataka ahy, tsy dia tamin’ny fahatokian-tena loatra noho ny toe-javatra niainan’ny fianakavianay mbola tanora, nanao hoe: “Mino ve ianao fa, an, mety ho afaka mampianatra seminera Rahavavy Hallstrom?” Raha ny marina dia tsy zatra mandà antso izahay, koa nisento lalina izahay ary niteny hoe: “Mazava ho azy.”

Nanomboka tamin’izay ny vanim-potoana nitaky zavatra maro avy taminay nefa tena nahafa-po ihany koa ho an’ny fianakavianay. Nifoha tamin’ny 4 sasany isa-maraina i Diane vadiko amin’ny andavanandro mba hiomana amin’ny seminera amin’ny 6 maraina. Izany dia nitaky ny famohazako ny ankizy, ny fanampiako azy ireo mandro sy miakanjo, ny fanomanako ny sakafo maraina, ary ny fandaminako ny zava-drehetra amin’izay rehefa tafaverina ao an-trano i Diane amin’ny 7 dia afaka manainga mandeha miasa aho ary afaka mitondra ireo izay efa mianatra any an-tsekoly izy.

Izany no fanaonay nandritra ny valo taona, hatramin’ny niantsoana an’i Diane ho filohan’ny Zatovovavy. Dimy taona taty aoriana dia tonga tao an-tranonay indray ny mpiandraikitra ny seminera niaraka tamin’ny fangatahana hoe: “Manana kilasy ao amin’ny ambaratonga faharoa izay tena manahirana izahay; afaka mampianatra seminera indray ve Rahavavy Hallstrom?” Araka izany dia nampiana telo taona indray ireo valo taona, ary ny nanomezan’ny Filoha Hinckley antso ahy no nahatonga azy ho nisaorana. Nantsoina ho Manampahefana Ambony aho, ary tany Japana ny andraikitra nomena anay voalohany. Koa ianareo izay manana antso ho mpampianatra, mitandrema ianareo raha manantena ny hisaorana, tsy fantatrareo mihitsy hoe aiza ny mety hiafaranareo!

Izao izahay dia mahatsiarotsiaro izany fotoana sarotra sy nampisomebiseby izany amin’ny fo feno firavoravoana sy fankasitrahana. Tena tian’ i Diane ireo mpianatra seminerany (ary izy ireo koa dia tia azy). Nampianariny tao amin’ny seminera ihany koa ny zanakay tsirairay avy ary ny zanaky ny iray tampo aminay, ny anankiray amin’izany ankehitriny dia talen’ny institiota, ary manantena aho fa manatrika izao fampitana izao izy. Ankoatra izany, io fotoana nampianarana betsaka io dia nampitombo ny fahalalana sy ny fijoroan’i Diane ho vavolombelona momba ny filazantsara, zavatra iray izay nitondra tombotsoa be ho ahy sy ho an’ny fianakavianay. “Nanome fahafahana” ahy hiaraka amin’ireo zanakay amin’ilay hany fotoana izay nampalalaka ahy ao anatin’ny tontolo andro ihany koa izany, dia ireo ora vao maraina amin’ny andavanandro. Fitahiana lehibe ho ahy izany, ary mino aho fa fitahiana lehibe ho azy ireo ihany koa. Koa hitanareo amin’izany fa ny sasany amin’ireo enta-mavesatra lehibe indrindra entintsika dia tena lasa fitahiana lehibe indrindra ho antsika.

Finaritra ny tenako ankehitriny miaraka amin’ireo mpiara-miasa izay tena hajaiko tokoa. Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Fampianarana sy ny Kômity Mpanatanteraka ao amin’ny Filankevitra ahy dia mihaona in-droa isam-bolana amin’ny Loholona Kim B. Clark, ilay Mpiandraikitra antsika mahafinaritra be sy i Chad H Webb, ilay mpitantan-draharaha tena mahafinaritra ao amin’ ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara aho. Tena tsara ny mpitarika anareo ry mpiasa sy mpanompo ato amin’ny seminera sy institiota. Araka ny fantatry ny ankamaroanareo dia ny Filoha Thomas S. Monson no mpiahy ny Filankevitry ny Fiangonana misahana ny Fampianarana ary ahitana ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf izany Filankevitra izany. Mpikambana ao amin’izany Filankevitra izany ihany koa ny Loholona Dallin H. Oaks ary izy no miahy ny Kômity Mpanatanteraka. Ireo mpikambana fanampiny ao amin’ilay Filankevitra sy ao amin’ny Kômity Mpanatanteraka dia ny Loholona Jeffrey R. Holland sy Rahavavy Jean B. Bingham ary Rahavavy Bonnie L. Oscarson. Tsy mitsahatra ny talanjona amin’ny fanaovan’ny Fiangonana ho laharam-pahamehana ny fampianarana sy ny loharano atokany amin’izany aho.

Izao dia mamelà ahy ianareo hizara zavatra vitsivitsy aminareo, izay mihazona anjara asa manan-danja amin’ny fanabeazana ireo tanoran’ny Fiangonana amin’ny lafiny ara-panahy. Efa noresahako teo ny fotopampianarana lehiben’i Kristy. Amin’ny fomba ahoana ity Fiangonana ity no manampy ny mpikambana ao aminy hahatakatra sy hampihatra io fotopampianarana io? Ny fomba iray hafa hametrahana izany fanontaniana izany dia hoe: “Inona avy ireo laharam-pahamehan’ny Apôstôly ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?”

Ny fomba iray hianarana momba ireo laharam-pahamehana ireo dia ny fahatakarana ny “asa famonjena.” Ny famaritana fohy indrindra ny asa famonjena dia ao amin’ny Boky torolalana 2. Tsarovy fa ny Boky torolalana dia nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Hoy ilay izy hoe: “Ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nirahina -mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona- (F&F 138:56). Ity asa famonjena ity dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara.”2

Ny hevitra iray hafa mahakasika ireo laharam-pahamehana ireo dia teny iray voalaza ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoe “Ny tanjon’ny Fiangonana.” Mivaky toy izao izany: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia narafitr’ Andriamanitra mba hanampy eo amin’ny asany dia ny hanatanteraka ny famonjena sy ny fisandratan’ireo Zanany. Ny Fiangonana dia manasa ny rehetra “hanatona an’i Kristy, ary … hatao tanteraka ao Aminy- (Môrônia 10:32; jereo koa ny F&F 20:59). Ny fanasana hanatona an’i Kristy dia miantefa amin’ireo rehetra izay efa niaina na mbola hiaina eto ambonin’ny tany.”3

Mbola milaza io teny voalaza ao amin’ny boky torolalana io avy eo hoe: “Mifantoka amin’ireo adidy masina nampiandraiketina azy ny Fiangonana ao anatin’ny fanatanterahana ilay tanjony mba hanampy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ho mendrika ny hahazo ny fisandratana. Izany dia ahitana ny fanampiana ireo mpikambana mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa fitoriana, ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ary ny fanatanterahana ny famonjena ny maty amin’ny alalan’ny fanorenana tempoly sy fanaovana ôrdônansy isoloana tena.”4

Hitantsika amin’izany fa ny “asa famonjena” sy ireo “adidy masina nampiandraiketina” ireo dia mitovy amin’ny ankapobeny, ary izy ireo dia tokony hitarika ny zavatra rehetra ataontsika ato amin’ny Fiangonana, tafiditra amin’izany (angamba indrindra indrindra) ny fampianarana ny tanorantsika.

Amin’ny farany, ny zavatra rehetra ataontsika (ho antsika, ho an’ny fianakaviantsika, ary amin’ny toerana misy anareo ankehitriny) dia ny mampianatra ny “asa famonjena” sy ireo “adidy masina nampiandraiketina” mba hanampiana amin’ny fiovam-pon’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Izany dia ny mampianatra tahaka an’i Aharôna sy tahaka an’i Amôna sy i Ômnera ary i Himnia rahalahany, izany hoe mampianatra “araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana ary ny herin’ Andriamanitra,” mba hahafahan’izay olona betsaka indrindra mino “ny fitorian[ao], sy [lasa] [m]iova fo ho an’ny Tompo, … tsy [h]ihemotra na oviana na oviana.”5

Araka ny voalazan’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ireo tanora hoe: “Nantsoin’ny Tompo ianareo hanampy ny tanora ho lasa miova fo ho an’ny filazantsara.”6 Rehefa maka tahaka ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy isika dia matoky tena fa ireo tanorantsika dia hianatra amin’ny fomba lalina kokoa izay hitarika amin’ny fiovam-pon’izy ireo.

Noho izany, ny fanabeazantsika ny tanorantsika dia tsy ny mampianatra tantara fotsiny, fa ny fampianarana azy ireo ny fotopampianarana izay hanentana azy ireo hanao zavatra ihany koa. Ny anjara andraikitsika dia ny mba ho “fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra”7 mba hahafahan’izy ireo tsy mahare fotsiny ihany fa mahatsapa ihany koa, dia avy eo manatanteraka. Ny anjara andraikitsika dia ny “hifananatra sy hifampahery”8 mba hahafahantsika “[hamehy] ny tenan[tsika] mba handeha amin’ny fahamasinana rehetra.”9 Ny anjara andraikitsika dia ny mampianatra “finoana ho amin’ny fibebahana.”10

Inona ny fomba tsara indrindra hahatanterahan’izany karazana fampianarana izany? Ny fomba aroson’ny Fiangonan’ny Tompo dia ny hoe mirotsaka tanteraka amin’ny fitsaohana ampahibemaso, ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana ary ny fitsaohan’ny tena manokana isika. Mamelà ahy hamelabelatra ireo singa tsirairay ireo.

Fitsaohana ampahibemaso

Ny fitsaohana ampahibemaso dia rehefa miangona isika zanak’ Andriamanitra, amin’ny maha-mpiray tampo antsika, amin’ny maha-fiarahamonin’ Olomasina antsika. Izany fivoriana izany dia indraindray mivelatra, tahaka ny fihaonamben’ny tsatòka na ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mihitsy, na indraindray kely, tahaka ny fivorian’ny kôlejy na ny Zatovovavy na ny Fikambanana Ifanampiana na ny kilasin’ny seminera na institiota iray. Ny fivoriana fampaherezam-panahintsika anio dia karazana fitsaohana ampahibemaso. Mandritra ny tsirairay amin’ireny fivoriana ireny isika dia mivavaka, mampianatra, mijoro ho vavolombelona, ary mankahery, izany rehetra izany miaraka amin’ny tanjona mba hampitomboana ny fahatakarantsika ny Raintsika any an-Danitra sy i Jesoa ilay Kristy ary ny Fanahy Masina. Avy eo isika manana ny andraikitra hampihatra izany fahalalana tsy mitsaha-mitombo izany mba ho lasa fahendrena, mba hanohizantsika hatrany ny fampihenana ny elanelana misy eo amin’ny zavatra fantatsika sy ny fomba fiainantsika.

Ny fitsaohana any amin’ny tempoly dia karazana fitsaohana ampahibemaso masina iray satria tafiditra mivantana amin’izany ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana izay mampifandray antsika amin’ Andriamanitra. Manao ahoana ny fifandraisanareo amin’ny tempoly sy amin’ny fanekempihavananareo? Manao tsy tapaka ity karazana fitsaohana ampahibemaso masina ity ve ianareo mba hampatanjahana ny fahalalanareo sy ny fahendrenareo? Manampy ireo izay ampianarinareo mba hifandray amin’ny tempoly ve ianareo? Mamporisika ny tanorantsika ho mendrika sy hanana fahazoan-dalana voafetra hankany amin’ny tempoly ary hampiasa izany rehefa azon’izy ireo atao araka ny toerana misy azy ireo ve ianareo? Ny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena amin’ny alalan’ny fikarohana ny anaran’ny fianakaviana ary ny fankanesana any amin’ny tempoly mba hatao batisa sy hamafisina ho mpikambana ho an’ny razamben’izy ireo dia manome fahafahana azy ireo handray fitarihana ara-panahy.

Ny fivoriana fitsaohana ampahibemaso manan-danja indrindra ataontsika, izay ivelan’ny tempoly, dia ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ankoatra ireo fitsaohana ataontsika mandritra ny ankamaroan’ireo fivoriam-piangonana, io fotoam-pivoriana io dia mifantoka tanteraka amin’ilay ôrdônansy velon’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa manomboka sy mamarana ilay fivoriana isika, ary indrindra indrindra rehefa miomana handray ny fanasan’ny Tompo masina dia mihira sy mivavaka. Mandray anjara feno ve isika? Moa ve ao tsara ny saintsika sy ny fontsika, sa mandehandeha any an-kafa? Moa ve vonointsika ny findaintsika, sa ve mandefa hafatra sy tweet (na email ho antsika zokinjokiny kokoa) mandritra ilay ôrdônansy na mandritra ny ampahany hafa amin’ilay fivoriana isika? Rehefa miresaka ny mpandaha-teny, indrindra indrindra rehefa tsy dia havanana loatra izy, dia manao tsinontsinona amim-pieboeboana ve isika no mieritreritra hoe: “Efa henoko daholo izany taloha”?

Raha toa meloka nahavita ny iray amin’izany fahadisoana izany isika dia nampihena, ary angamba nanafoana, ny fahafahan’ny Fanahy mifandray amintsika. Dia avy eo isika manontany tena hoe nahoana isika no tsy nankaherezin’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriam-piangonana hafa?

Ny fitsaohana ampahibemaso dia fahafahana mahatalanjona iray izay manampy antsika, tafiditra amin’izany ny tanora, eo amin’ny lalan’ny fiovam-po.

Ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana

Ny fitsaohana ampahibemaso dia tokony hamporisika ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana. Tamin’ny 1999 ny Fiadidiana Voalohany dia nanoro hevitra ireo ray aman-dreny sy zanaka mba “hanao ho laharam-pahamehana ambony indrindra ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana sy fampianarana ny filazantsara ary ny fanaovana fiaraha-mientan’ny mpianakavy izay mampivoatra. Na dia tsara sy mendrika ho atao aza ny zavatra na fiaraha-mientana hafa dia tsy tokony havela izany hanolo toerana ireo andraikitra masina manokana izay ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ihany no afaka manatanteraka azy tsara.”1111 Mazava ho azy fa ireo fitsipika ireo ihany no efa nampianarin’ny mpitarika maro tato amin’ny Fiangonana im-betsaka tamin’ny fomba maro tsy voatanisa nandritra ny taona maro.

Miaina ao anaty tontolo feno fahasahiranana isika. Rehefa mitety ny Fiangonana manerana izao tontolo izao aho dia indraindray manontany manokana an’ireo mpitarika ao an-toerana (ary izy ireo dia Olomasin’ny Andro Farany tsara) hoe manao vavaky ny mpianakavy sy takarivan’ny mpianakavy ve ianao? Mandalina ny filazantsara miaraka amin’ny fianakavianao ve ianao? Matetika aho valiana amin’ny fijery menamenatra sy ilay fanazavana hoe: “Sahirana loatra izahay. Ny zavatra ataon’ny zanakay any an-tsekoly sy ivelan’ny fianarana, ny mozika sy ireo lesona hafa, ny andraikitra ara-piarahamonina, ary ireo asa atao any am-piangonana dia mahatonga ny fandaharam-potoan’izy ireo ho saika feno foana. Izaho sy ny vadiko dia sahirana amin’ny asa, ny Fiangonana, ary ireo zavatra efa nekena hafa. Mahalana ny fianakaviana no mba tafaraka.” Ny fanahin’ny torolalana nomen’ny Fiadidiana Voalohany dia ny hoe raha toa isika sahirana loatra manao na dia zavatra tsara aza ka mahatonga antsika tsy hahita fotoana hanaovana ireo zavatra tena manan-danja, dia tsy maintsy mitady vahaolana isika.

Rehefa beazin’ny ray aman-dreny niova fo izay nanorina maodely arahina momba ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana ny ankizy dia afaka hahatsapa bebe kokoa ny fitaoman’ny Fanahy Masina raha mbola tanora ary hanaraka izany maodely marina izany mandrakizay. Dia haka ny toerana tokony hisy azy avy eo ny fampianarantsika aty am-piangonana amin’ny maha-rafitra manohana ny fampianarana atao ao amin’ny fianakaviana azy ireny.

Ankoatra ny fitsaohana tsy tapaka sy amin’ny fomba mahomby ao amin’ny fianakaviantsika, ny mpampianatra ny tanora dia mila mamporisika araka ny tokony ho izy sy amim-pitandremana ny fitsaohana ao amin’ny fianakavian’ny mpianatsika. Ny sasany amin’izy ireo dia avy amina fianakaviana izay efa mampihatra izany fomba fanao izany, dia afaka mijery fotsiny ianareo ary mankahery amim-pahanginana. Ho an’ny sasany kosa dia tsy mitranga izany noho ny antony isan-karazany: manomboka amin’ny hoe ilay mpianatra no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany (na izy irery no mpikambana mavitrika) ka hatramin’ireo izay manana fianakaviana manatrika fivoriam-piangonana tsy tapaka saingy mbola tsy nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana. Sady tsy maka ny fahefana sy ny andraikitry sahanin’ny mpitarika ara-pivavahana sy ny ray aman-dreny dia asehoy sy ampianaro ny fomba fiainana amim-pahamarinana ary ampio ireo tanorantsika hianatra ny fomba izay hahafahany ho loharanon-kery ho an’ny fianakaviany amin’ny fikolokoloana fahazarana mitsaoka ao amin’ny fianakaviana.

Fitsaohan’ny tena manokana

Amin’ny farany anefa dia zavatra an’ny tena manokana ny fiovam-po. Ny fitsaohana ampahibemaso dia mitondra antsika amin’ny fitsaohana ao amin’ny fianakaviana, izay mitondra antsika amin’ny fitsaohan’ny tena manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny vavaky ny tena manokana, ny fandalinan’ny tena manokana ny filazantsara, ary ny fisaintsainan’ny tena manokana ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. “Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo … izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ny fony?”12

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny maha-manan-danja ny fahatakarana ny dikan’ny hoe masina dia tsotra: raha tsy mankasitraka ny zavatra masina ny olona iray dia hanary izany. Raha tsy ao ny fanajana dia hitombo haingana ny toe-tsaina baranahiny ary ho goragora kokoa ny fitondran-tena. Hisitaka tsikelikely amin’ny fefy fiarovana izay avy amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy. Ny fahatsapana ho tompon’andraikitra eo anoloan’ Andriamanitra dia hihena ary hoadino avy eo. Hanomboka amin’io fotoana io dia tsy hiraharaha afa-tsy izay maha-tsaratsara ny fiainany ihany izy ary ny fanatanterahana ny filàny tsy voafehy. Ary farany dia ho tonga amin’ny fankahalana ny zavatra masina izy, dia ny fankahalana an’ Andriamanitra mihitsy, ary avy eo dia hankahala ny tenany.”13

Tonga amin’ny fahatakarana izahay fa ny zavatra lehibe indrindra ahitana taratra ny fahombiazana ara-panahy (izay refesina amin’ny fahavitana ny fandrosoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka, ny fandraisana ny fanafiana masina, ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ny fanambadiana ao amin’ny tempoly, ary ny fanorenana fianakaviana amim-pahamarinana) ho an’ny zatovolahy na ho an’ny zatovovavy iray dia ny fananany traikefa ara-panahy an’ny tena manokana tao amin’ny fahatanorany, izany hoe ny fahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Mbola mihoatra lavitra noho ny hoe mazoto ao amin’ny Fiangonana izany; izany dia ny fahazotoana ao amin’ny filazantsara!

Ny tanjonareo ho an’ny kilasy tsirairay avy ampianaranareo, ny resadresaka rehetra tarihanareo, ny fifanakalozana atao eny rehetra eny dia ny mba hahafahan’ny Fanahy Masina ho ilay tena mpampianatra marina. Araka ny nampianarin’ny Mpamonjy hoe: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra.”14 Ny Fanahy Masina dia manana fahafahana hampifanaraka ny hafatra amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay mba hahafahany ho “nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana.”15 Noho izany, rehefa mampianatra ny asa famonjena sy ireo adidy masina nampiandraiketina isika dia manao izany amin’ny fomba izay mampiorina, mampitraka, mampientana ny fanahy, mitarika ireo izay ampianarintsika mba hampatanjaka ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany.

Milaza aminareo mpanabe ara-pivavahana mahafatra-po izahay hoe: Misaotra! Misaotra! Misaotra! Amin’ny anaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana aho dia milaza aminareo hoe: misaotra! Manàna fiainana mendrika, karakarao ny fianakavianareo, ary tompoy ny Tompo, karakarao indrindra indrindra ny taranaka vao misondrotra sarobidy. Ny filofosana amin’ny asa famonjena sy amin’ireo andraikitra nampandraiketina, eo ambany fitarihana sy fanalahidin’ireo Apôstôly dia hanandratra sy hampazoto antsika.

Ambarako ny maha-lehibe ny lovantsika any an-danitra sy ny fahafahantsika handray ny “fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”16 Mijoro ho vavolombelon’ilay Jehovah lehibe, izay teraka ka nantsoina hoe Jesoa, nomena ny anarana hoe Jesoa ilay Kristy, ilay “[nohosorana]” aho.17 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Sorompanavotany tsy manam-paharoa izay hahafahantsika tsirairay sy ny tsirairay amin’ireo izay ampianarinstika mandresy izao tontolo izao, dia ny fandresena ireo toe-javatra sarotra indrindra amin’ny fiainana miaraka amin’ny “fanantenana mamirapiratra sy lavorary.”18 Miaraka amin’ireo fitahian’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia manana izay rehetra ilaina mba hanampiana antsika hahare sy hahatsapa ary hanao zavatra isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.