Finoana ho fitsipiky ny asa sy hery
Fampitana ny fampiofanana fanao isan-taona an’ny departemantan’ny Seminera sy Institiota • 13 Jona 2017
Miandrandra foana ny fotoana iarahana aminareo amin’ity fivoriana manan-danja ity aho. Ho fiomanana tamin’ity fivoriana ity dia nitalaho mafy tamin’ny Tompo aho mba hahafantarako ny zavatra izay tiany hataontsika ho an’ireo zanany izay mianatra any amin’ireo efitrano fianarantsika sy any an-tranontsika. Tamin’ireo fotoana mangina aho dia nahatsapa ny fankasitrahany ireo ezaka tsy tapaka sy fahafoizantena tsy tambo isaina ataonareo. Nahatsapa ihany koa aho fa Izy dia finaritra tokoa ny hitahy anareo sy ny fianakavianareo. Ary tsapako fa ny faniriany dia ny hanome ireo mpianatrareo ny fitiavana ny Zanany Malala sy fijoroana ho vavolombeloana momba Azy.
Tsy afaka ny hotontosana amin’ny alalan’ny rindran-damina, na fandaharam-pianarana, na fiofanana, na teknôlôjia misimisy kokoa na tsaratsara kokoa fotsiny izany satria tsy misy na inona na inona amin’ireo zavatra ireo hahasolo na oviana na oviana ny hery mahagagan’ny lanitra eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika. Ny zavatra antenaintsika dia ho tonga ho toy ny fanomezana avy amin’ny Raintsika be fitiavana any An-danitra irery ihany ary ho mila ny heriny mba hampisy fahagagana eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona.
Ny zavatra ho takian’izany amintsika dia ny mampihatra finoana lehibe kokoa satria ny finoana no mialoha ny fahagagana rehetra. Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “–Ny finoana raha tsy arahana asa dia maty.– Saingy [nampiany avy eo hoe:] –Ny asa tsy misy finoana dia maty mihoatra izany.–”1 Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny asa mafy rehetra ataontsika dia tsy hamokatra ilay vokatra nirintsika raha tsy atao amim-pinoana izany. Izany no izy satria ny finoana dia sady fitsipiky ny asa no fitsipiky ny hery. Ny fitomboana misy eo amin’ny finoantsika miaraka no ho fanehoana amin’ny Tompo fa miankina tanteraka Aminy sy matoky ny heriny isika mba hitarika, hampiova, hanamafy orina, hanomana, ary hiaro ny taranaka vao misondrontra. Ny fitomboan’ny finoana an’ny Mpamonjy no hanamafy orina ny fampianarantsika, ny fanasantsika ireo tanora sy ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony hanatrika seminera sy institiota na hamaky soratra masina, eny na dia ny fifandraisantsika amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mihitsy aza. Noho izany, amin’ireo herinandro sy volana ho avy dia hiombom-peo amiko ve ianareo amin’ny fangatahana ny Ray any An-danitra mba hampitombo ny finoantsika? Mino aho fa efa vonona Izy ny hanampy raha hataontsika izany fa angataho.
Fampiharana ny finoana ho fitsipiky ny asa
I Joseph Smith dia nampianatra fa ny fampiharana finoana an’ Andriamanitra dia mitaky ny hananantsika “fihevitra marina ny momba Azy, sy ny fahatanterahany, ary ireo toetrany” sy “fahalalana fa ny lalam-piainana izay arahin[tsika] ankehitriny dia mifanaraka amin’ny sitrapony.”2 Ireo fitakiana roa ireo dia samy mitaky ny hampiharantsika ny finoana ho fitsipiky ny asa.3
Tamin’ny fihaonambe maneran-tany farany indrindra ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara fomba iray azontsika atao mba hanatanterahana ireo fitakiana roa ireo.
“Arakaraka ny ahafantarantsika momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy, izany hoe arakaraka ny ahatakarantsika ny fotopampianarany sy ny zavatra nataony ho antsika, no ahafantarantsika bebe kokoa fa Izy dia afaka manome ny hery izay ilaintsika ho an’ny fiainantsika.
“Tamin’ny voalohandohan’ity taona ity aho dia nanasa ireo tanoran’ny Fiangonana mba hanokana ampahany amin’ny fotoan’izy ireo isan-kerinandro mba handalinana ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony izay voarakitra ao amin’ireo soratra masina eken’ny Fiangonana. Nanasa azy ireo aho mba hanao ireo andinin-tsoratra masina miresaka an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ho fandaharam-pianarana fototra manokan’izy ireo amin’ny fandalinana ny filazantsara.
“Nomeko azy ireo io fanasana io satria ny tenako dia efa nanaiky ny hanao izany. Novakiko sy notsipihiko avokoa ireo andinin-tsoratra masina voalaza ka miresaka momba an’i Jesoa Kristy, izay voatanisa ao amin’ny matoan-kevitra sy ao amin’ireo lohateny kely miisa 57 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Rehefa vitako izany asa mampientanentana izany dia nanontanian’ny vadiko ahy ny fiantraikan’izany tamiko. Nolazaiko azy hoe: ‘Niova aho!’”4
Tiako ny nampahatsiahy anareo io fanasana io satria nahita manokana ny tombontsoa azo avy tamin’io fandalinana matotra io aho ary mahafantatra fa arakaraka ny fitomboan’ny fahatakarantsika sy ny fitiavantsika ny Mpamonjy no hitomboan’ny finoantsika Azy.
Araka ny nolazaiko tany am-boalohany, ny Mpaminany Joseph dia nampianatra fa ny mianatra mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’ny Tompo no singa manan-danja iray hafa an’ny finoana. Ho fanazavana izany dia mamelà ahy ianareo hizara ohatra iray aminareo izay mifandray amin’ireo reny manatrika eto:
I Celeste Davis dia reny vao herotrerony iray izay manan-janaka telo. Mifoha matetika isan’alina ny zanany kely iray. Nanomboka nivavaka izy mba ho afaka hanana ny torimaso ilainy izy sy ilay zanany. Kanefa toa tsy nety voavaly ireo vavaka nataony. Nahatonga azy ho nanam-paniriana hahatakatra bebe kokoa momba ny vavaka izany sy ny antony tsy mbola nanomezana azy fitsaharana. Nianatra avy tao amin’ny Bible Dictionary izy fa “isika dia mivavaka amin’ny anaran’i Kristy rehefa ny eritreritsika no eritreritr’i Kristy ary ny fanirian’i Kristy no faniriantsika. … Amin’izany dia ny zavatra izay azon’ Andriamanitra omena antsika no angatahintsika. Maro ireo vavaka no tsy voavaly satria tsy natao amin’ny anaran’i Krisy akory; ary tsy maneho velively ny fiheviny fa vokatry ny fitiavan-tenan’ny olona fotsiny.”5
Noho izany dia nanapa-kevitra i Celeste ny hanao lisitra ny zavatra rehetra izay nivavahany hatramin’izay. Tamin’ny alalan’ny fanaovany io lisitra io no nahatonga saina azy fa ireo vavaka nataony dia niompana indrindra tamin’ny fangatahana ny Ray any An-danitra ny zavatra izay tiany, izay midika amin’ny Ray fa hovaina ny toe-javatra iainany. Nanapa-kevitra izy avy eo ny hanao lisitra iray hafa, sady nanoratra ireo zavatra izay azony antoka fa irian’ny Ray any An-danitra ho azy. Mazava ho azy fa tsy hoe tsy mitovy mihitsy ireo lisitra roa ireo; Izy dia tia antsika ary iriany ny hahasambatra antsika. Fa io fampiharana kely io dia mampianatra fahamarinana iray manan-danja. Raha toa ka ny hanovana ny toe-javatra niainany no tian’i Celeste, ny hanovana azy kosa no tian’ny Ray. Noho izany izy dia nanapa-kevitra ny hanova ny fomba fijeriny ny vavaka mba hahazoany mampifanaraka tsaratsara kokoa ny sitrapony amin’ny an’ny Ray any An-danitra. Toy izao no nosoratany:
“Namorona rakipohy kely aho mba hanampy ahy amin’ny vavaka ataoko. Toy izao fotsiny ilay izy: isaky ny mangataka zavatra izay irianao ianao ka tsy azonao antoka tanteraka raha toa ka zavatra tian’Andriamanitra ho anao izany, dia ampio ilay andian-teny hoe –kanefa raha tsy izany– dia avy eo ampio ny zavatra izay azonao antoka fa tian’ny Ray ho anao.
“Ohatra: ‘[Ray any An-danitra ô], mba ampio aho hatory kely anio alina, kanefa raha tsy izany, dia mba ampio aho hanana hery ampy mba ho tsara fanahy sy hiasa mafy ihany.’ ‘[Ray any An-danitra ô], mba tahio ny zanako ho sitrana amin’ ity aretina ity ka hihatsara, kanefa raha tsy izany, dia ampio izahay mba hahatoky Anao sy hanam-paharetana amin’ny tsirairay avy.’ ‘[Ray any An-danitra ô], mba tahio aho mba horaisin’ireo namako tsara, kanefa raha tsy izany, dia ampio aho mba ho tsara fanahy sy ho malala-tanana na dia mahatsapa ho voailikilika aza.’”
Notohizany hoe:
“Efa ho taona iray izao no nanandramako an’io, ary azoko lazaina fa niakatra be ny taham-pahombiazan’ny vavaka ataoko. …
“Toa tsapako nony farany fa manatanteraka ny tena tanjon’ny vavaka aho, izay tsy fiadiam-barotra ho an’ny faniriako fa ny fanarahako ny sitrapon’ Andriamanitra kosa. …
“Ny tombontsoa iray tsy nampoiziko dia hoe tsy matahotra toe-javatra sarotra na ny tsy hahazo ny zavatra izay tiako tahaka ny taloha aho satria hitako sy tsapako fa mamaly ny vavaka ataoko Andriamanitra, na ny faniriako na ireo hoe -raha tsy izany anefa- izay nataoko.” 6
Ny traikefan’i Celeste dia manome antsika ohatra azo tahafina izay afaka manampy antsika amin’ny vavaka ataontsika sy ireo ezaka ataontsika amin’ny fampiharana ny finoana ho fitsipiky ny asa. Raha ny marina, ny finoana dia tsy hanaisotra ny fahafahana misafidin’ireo zanatsika na ireo mpianatsika ary tsy hanaisotra ny fitsapana sy ireo fanamby rehetra eo amin’ny fiainantsika izany. Kanefa afaka manampy antsika haharitra tsara izany na dia ao anatin’ireo toe-javatra sarotra aza. Hanova ny fijerintsika ny mpianatsika (sy ny zanatsika) koa izany sy ny fomba fivavahantsika ho azy ireo. Hanova ny fifandraisantsika ao amin’ny efitrano fianarantsika sy ny tokantranontsika izany. Hanampy antsika hijoro amim-panantenana, sy amim-pahasambarana, ary hanana fomba fijery tsara amin’ny lafin-javatra rehetra izany eto amin’ity tontolo miharatsy ity. Hanome fahafahana ho an’ny fanambarana manokana ka hitondra hery eo amin’ny fampianarantsika izany. Hitondra ny fijoarantsika ho vavolombelona any am-pon’ireo olona tiantsika izany.
Ny finoana marina dia manala ny fanamarinan-tena. Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena izany, izay mitondra ho amin’ny fibebahana amin-kitsim-po sy fitomboana manan-danja. Izany dia manosika antsika hanalavitra ny fandrika avy amin’ny fiandrandrana fotsiny vahaolana avy amin’ny fiovan’ny hafa, toy ny rehefa milaza zavatra toy izao isika: “Raha mba nahazo fanampiana bebe kokoa avy tamin’ny ray aman-dreniko na ny Fiangonana mantsy aho dia ho tsaratsara kokoa ny zavatra rehetra.” Io fomba fanao io dia tsy fitokisana amin’ny Mpamonjy, koa noho izany dia tsy hahazo hery avy Aminy. Izany dia tsy hamokatra ny fahagagana izay ilaintsika. Manana izay ilaina sy ampy an’isa isika mba hanatanterahana ny asan’ny Tompo raha toa ka manana finoana ampy mba hangatahana amin-kitsimpo Aminy mba hanova antsika sy hamolavola antsika amin’ny maha-fitaovana eo am-pelantanany antsika.
Marina izany eny na dia rehefa mahatsapa tena ho tsy mahavita azy sy ketraka aza isika. Io lesona io dia nianarako tamin’ny izaho zatovolahy niomana hanao asa fitoriana. Tao an-tsaiko foana hatrizay ny hoe handeha hanompo aho, kanefa tamin’ny fahakeliko dia nampihararetra ahy ny fieritreretana izany. Tsy nampahazo aina ahy mihitsy ny miresaka eo imason’olona. Manana nenitoa iray aho izay mbola miteny foana fa tsy mba nahita ny masoko izy raha tsy efa zatovolahy aho satria naondriko foana ny lohako rehefa mandeha, mba hanafenana ny tarehiko. Tany amin’ny collège aho dia nahazo naoty 10 tamin’ny kilasy fianarana tantara an-tsehatra, naoty izay farany ambany indrindra ahafahana mifindra kilasy. Tsy vitako tsotra izao ny nijoro teo anoloan’ny iray kilasy, eny na dia ny hamaky tantara iray efa voaomana izay nomen’ny mpampianatro ahy aza.
Taorian’ny nandraisako ny antsoko hanao asa fitoriana tany Meksika dia nangatahana aho mba hiteny nandritra ny takariva amorom-patan’ny tanora niaraka tamin’ny rahalahiko. Dimy minitra teo ho eo no nanaovako ny anjarako ary ny rahalahiko no naka ny ambin’ny fotoana. Heveriko fa tsy ho filaza-masaka ny miteny fa ny lahateniko angamba no lahateny faran’izay ratsy indrindra na tato am-piangonana izany na tany amin’ny fiangonana hafa. Nony tapitra ilay takariva amorom-patana dia tanora maro no nitanjozotra niarahaba ny rahalahiko. Nisy olona tsara fanahy iray niala kely tamin’ilay laharana ka niteny tamiko hoe “Misaotra. Tsara ilay lahateny teo.” Tena nieritreritra mihitsy aho hoe “Tsara fanahy ianao saingy tena mpandainga ianao.” Nody tamim-pahakiviana aho sady nanontany tena hoe amin’ny fomba ahoana moa no mbola hanantenako ny hanao asa fitoriana. Tsy nahatsapa tena ho afaka mampianatra ny filazantsara amin’ny teny Anglisy aho, mainka fa ny teny Espaniola izay tsy maintsy mbola hianarako.
Andro vitsy taty aoriana, raha mbola navesabesatra ny foko, dia nanokatra ny soratra masina aho ka namaky ny tantaran’i Enoka. Rehefa nodidiana i Enoka mba hiantso ny olony hibebaka dia milaza ny andininy 31 fa “niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Tompo [izy] ary niteny teo anoloan’ny Tompo hoe: Nahoana aho no nahita sitraka teo imasonao na dia mbola zatovolahy aza aho ary mankahala ahy ny vahoaka rehetra; fa miadam-piteny aho; koa nahoana aho no mpanomponao?”7 Ho setrin’ny ahiahiny ny amin’ny tenany sy ny tsy fahatokian-tena miharihary nanan’i Enoka momba ny antsony dia nanome izao valinteny mahafinaritra sy manome toky hita ao amin’ny andininy 34 izao ny Tompo: “Indro mby eo aminao ny Fanahiko, koa ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko.”8
Sady nitebiteby aho no tsy nahatoky ny tenako ary koa ratsy fiomanana ny amin’izay miandry ahy saingy nankaherezin’ireo teny ireo rehefa nandeha fiara-manidina voalohany teo amin’ny fiainako ka hisidina ho any Meksika hanompo amin’ny fotoana feno. Teo no nianarako fa raha toa isika ka manam-piniavana dia tena afaka miara-mamindra amin’ny Tompo mihitsy. Nianatra aho fa ny zavatra izay nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson dia marina: “Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka manao zavatra lehibe mihoatra noho izay vitan’izy ireo eo amin’ny fiainany.”9
Fampiharana ny finoana ho fitsipiky ny hery
Avy amin’ny tantaran’i Enoka dia nianatra zavatra hafa momba ny finoana ihany koa aho. Henoy ange ny fanoritsoritana ny amin’ny fiovana nisy teo amin’ity zatovolahy izay miadam-piteny sy nankahalain’ny olona ity e! Ny Mosesy 7:13 dia mivaky toy izao: “ Ary lehibe tokoa ny finoan’i Enoka ka nitarika ny vahokan’ Andriamanitra izy ary tonga hiady amin’ izy ireo ny fahavalony; ary niteny ny tenin’ ny Tompo izy dia nihorohoro ny tany ary nandositra ny tendrombohitra, dia araka ny didiny izany; ary ny renirano dia nivily niala tamin’ ny lalany, ary ny fieron’ ny liona dia re avy any an-tany foana; ary ny firenena rehetra dia natahotra fatratra tokoa fa nahery izaitsizy ny tenin’ i Enoka, ary lehibe tokoa ny herin’ny fiteny izay efa nomen’ Andriamanitra azy.”10 Toa tsy tovolahy iray izay miadam-piteny akory izany. Toa lehilahy iray manam-pinoana, miara-dia amin’ny Tompo, izay afaka mamindra tendrombohitra no faheno azy.
Indraindray isika dia mampiasa ny andian-teny hoe “mandeha tsikelikely” na “mandeha miandalana” mba hanehoana ireo fivoarana kely ilaina kanefa ny Tompo dia tsy nanasa antsika mba hamindra lalana. Nanasa antsika Izy mba hamindra tendrombohitra. Hoy Izy, “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.”11
Io finoana mahafindra tendrombohitra io, na ara-bakiteny izany na ara-poto-kevitra, dia ambaratongam-pinoana iray hafa. Araka ny nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:
“[Misy] ambaratongam-pinoana iray izay miompana amin’ireo antoka ara-panahy sy mamokatra asa tsara, indrindra fa ny fankatoavana ireo fitsipika sy didin’ny filazantsara. Izany no finoana marina an’i Kristy. …
“Misy anefa ambaratongam-pinoana iray izay tsy vitan’ny hoe mifehy ny fitondrantenantsika fotsiny fa manome hery antsika ihany koa mba hanova izay misy sy hampitranga zavatra izay tsy ho nitranga raha tsy noho izany. Ny finoana, izay tsy fitsipiky ny asa fotsiny fa fitsipiky ny hery ihany koa, no resahiko eto.”12
Izany no karazana finoana voasoritra ao amin’ny Hebreo 11 izay nampiasan’i Enoka, Abrahama, Sara, ary Mosesy. Izany no finoana izay nahafahan’ireo mpaminany “nandresy fanjakana …, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampatanjahana, … [ary tamin’ny alalan’izany koa no nahafan’ny] vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona.”13
Izany no ilay karazana finoana voalaza ao amin’ny Etera 12, izay miresaka momba an’i Almà, i Amioleka, i Nefia, ary i Amôna.14 Izany no finoana izay nasehon’ny “rahalahin’ i Jarèda [izay] niteny tamin’ ny tendrombohitr’ i Zerina hoe, Mifindrà—dia nafindra izany. Ary raha tsy nanam-pinoana izy dia tsy ho nifindra izany.”15 Ary farany dia, “nisy maro izay natanjaka izaitsizy tokoa ny finoany, na dia talohan’ ny niavian’ i Kristy aza, izay tsy hay notanana taty ivelan’ ny voaly”; dia henoy anie ity andian-teny ity e,“ fa nahita marina tokoa tamin’ ny masony ny zavatra izay efa nojereny tamin’ ny mason’ny finoana.”16
Ireo dia ohatra tsy hay hadinoina momba ny finoana ho fitsipiky ny hery. Fa ilay ohatra farany no tena mahavariana ahy. Nahita ireo zavatra ireo tamin’ny masom-pinoany aloha izy ireo vao nahita ireny tamin’ny masony ara-batana. Misy ohatra maoderina iray tena miavaka momba izany avy tamin’ny Filoha Brigham Young. Hoy izy raha niresaka momba ny tany izay iorenan’ny tempolin’i Salt Lake City: “Tsy dia tena miresaka betsaka loatra momba ny fanambarana sy ny fahitana aho kanefa ampy ho ahy ny milaza fa … teto aho ary nahita ny tempoly tao amin’ny fanahy. … Tsy mbola nijery io tany io aho kanefa teo no nisy ilay fahitana azoko.”17
Ny fananana fahitana ny amin’izay mety hahatongavana, sy ny zavatra irian’ny Tompo dia singa iray manan-danja an’ny fampiharana finoana ho fitsipiky ny hery.
Hitanao amin’ny masom-pinoanao ve ilay fahagagana ilaintsika? Mahita ny tenanao mampianatra ireo kilasy omban’ny fahatokiana bebe kokoa ny Tompo sy ny teniny ary ireo mpianatrao ve ianao? Hitanao ve ireo mpianatrao mandao ny efitrano fianarana lasa miantehitra bebe kokoa amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, mahatohitra bebe kokoa ny fahotana, ary vonona kokoa ny hanao izay rehetra angatahan’ny Tompo azy ireo? Ary mahita amin’ny masom-pinoanao tanora maro, na mpikambana na tsia, izay mamaly ny fanasantsika azy ireo mba ho avy hiaraka amintsika ho amin’ity fahagagana ity ve ianao? Inona no mety hataon’ny Tompo raha toa isika ka miaraka mampihatra finoana ho fitsipiky ny asa no sady fitsipiky ny hery?
“Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo”
Mialohan’ny hamaranako ny teniko dia te hizara ohatra iray farany aho. Manana sary sokitra iray vita amin’ny hazo oliva aho ao amin’ny biraoko izay maneho ny iray amin’ireo tantara ara-tsoratra masina tiako indrindra no sady fampahatsiahivana lalandava ho ahy ny antony ilana finoana. Izy io dia sarin’i Kaleba sy i Josoa izay nirahan’i Mosesy miaraka amina lehilahy 10 hafa hikaroka ny misy ny tany Kanana ka hiverina hanome tatitra. Ireo lehilahy folo hafa dia niverina ka nilaza fa “mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe.”18
“Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
“Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.”19
Noho ny tsy fahampian’ny finoany dia “nilaza ratsy ny tany … izy ka nanao hoe, … ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe, … ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay.”20
Kanefa dia toy izao no navalin’i Josoa sy Kaleba: “Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.”21
Fa ny olona, tahaka ireo iraka 10 tsy manam-pinoana, dia tsy afaka nahita ny zavatra izay tian’ny Tompo ho natao ka tsy nanaraka an’i Josoa sy i Kaleba. Noho io tsy finoana io dia nirenireny tany an-tany foana nandritra ny 39 taona fanampiny ny olona. Avy tamin’io andian’olona voalohany io dia i Josoa sy i Kaleba irery ihany no tafavoaka velona ka navela hiditra ny tany nampanantenaina. Mety ho tadidinao ny teny malaza nataon’i Kaleba raha nijoro nanoloana ny tendrombohitra Hebrona, ilay toerana notadiavin’izy ireo fatratra taona maro taloha izy sy i Josoa. Hoy i Kaleba;
“Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy. …
“Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry.”22
Noho ny finoany dia nandova ny tendrombohitra azony teo amin’ny tany nampanantenana ny tenany sy ny fianakaviany nandritry ny fotoana maro.
Betsaka ny fanamby mbola miandry. Mety ho alaim-panahy hiahiahy sy hanome tatitra ratsy feno tahotra sy ahiahy isika. Izany tsy fahatokiana ny Tompo izany dia tsy hitondra antsika ho any amin’ny tany nampanantenaina. Tahaka an’i Kaleba sy i Josoa, isika dia tokony handroaka ny tahotra ka hampihatra ny finoantsika mba hitakiana ireo fitahiana izay nandrasany omena antsika. Ny fanamby sy ny fitsapana tsirairay dia tokony hojerentsika ho toy ny fahafahana hampahalalim-paka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.
Inona no mety hataon’ny Tompo raha toa isika ka miaraka manolo ny tahotsika sy ny ahiahintsika ho fanantenana sy finoana? Mino aho fa tsy hamindra lalana fotsiny Izy fa tendrombohitra ihany koa mba hahafahan’ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainan’ireo zatovo sy tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ato amin’ny Fiangonana. Rehefa mitombo ny finoantsika dia hitombo torak’izany koa ny an’ireo izay ampianarintsika. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia hitahy anareo sy hitahy ireo mpianatrareo rehefa mampihatra ny finoantsika an’ny Zanakalany be fitiavana sy tonga lafatra isika, dia ny Mpamonjy sy Mpanavotra, ary Mpanafaka izao tontolo izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2017 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 5/17. Fankatoavana ny fandikana: 5/17. Fandikana ny “Faith as a Principle of Action and Power.” Malagasy. PD60004121 654