Fampitana fanao isan-taona
Jereo ilay olona iray


Jereo ilay olona iray

Fampitana ny fanofanana fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota fianarana filazantsara • 13 jona 2017

Mankasitraka ny fahafahana manatrika izao fotoana anio izao aho ary mizara ny fitiavako ny Mpamonjy sy ny fitiavako anareo ary ny fitiavako ireo zatovo sy tanora izay nanomezana fahafahana ho antsika mba ho tompoina.

Tsaroako ilay fijoroana ho vavolombelona mahery vaika izay azoko avy tamin’ny Fanahy Masina fony aho niofana ho mpampianatra tamin’ny fotoana voalohany namakiako ity teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer manaraka ity: “Mino aho fa raha ny halehiben’ny asa vitanareo, araka ny fanamby sy andraikitra atrehinareo dia tena misoritra eny amin’ny tarehinareo ny endrik’i Kristy. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin’izany kilasy izany amin’izany fotoana izany sy ao anatin’ilay fihetsika aseho miaraka amin’ilay fanentanam-panahy dia ianareo no Izy ary Izy dia ianareo.”1 Ny fieritreretana hoe manana tombontsoa hisolo toerana ny Mpamonjy ao amin’ny andraikitro dia faniriana izay nanosika ahy hatrany sy fahamarinana niantefa tamin’ny asako ao amin’ny S&I.

Nampianatra antsika nandritra ilay Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana ambony farany indrindra ny Loholona Gong fa anisan’ny zavatra iray mahatonga ny Mpamonjy ho mpampianatra tonga lafatra ny fahaizany sady mampianatra olona miisa 5.000 no mampianatra ny olona tsirairay avy. Hoy izy hoe: “Izany dia fahagagana izay katsahantsika mpampianatra, dia ny hampianatra ny kilasintsika manontolo sy ny olona tsirairay ao amin’ny kilasintsika. Izany dia mitaky ny firesahantsika amin’ireo 5.000 sy ny tsirairay. Manasa antsika izany hamaha ny olana iraisana sy ny filan’ny tsirairay avy.”2 Efa nanontany tena ny amin’ny fomba nahafahan’ny Mpamonjy nanao izany ve ianareo?

Te hizara zavatra nitranga iray nandritra ny taona faharoa nampianarako aho, izay nampiofanan’ny Tompo ahy tamin’ny alalan’ny fanampiany ahy hahita ny dikan’ny hoe misolo toerana Azy ao an-dakilasy. Nisy zatovolahy iray tokony teo amin’ny 15 taona teo tao amin’ny kilasiko. Tao anatin’ireo andro vitsivitsy voalohany dia nahafantatra aho fa tsy hanana faharetana amin’ny toetrany ary nahatsapa fa ho sarotra ny taom-pianarana amin’ny fiezahana mampihatra fanomezam-pahasoavana izay tsy nananako. Nivavaka aho mba hanana ny fahafahana mitia azy sy ny mpianatro rehetra.

Nandritra ny herinandro fianarana faharoa, raha nitsangana hizara ny vatsim-panahy ity zatovolahy ity ary nizara misimisy kokoa momba ny fiainany dia nomena ahy ny fanomezam-pahasoavana hahita azy tahaka ny Tompo ary avy hatrany aho dia nanatsapa fitomboan’ny fitiavako azy. Nilaza izy fa nizotra tamin’ny fisaraham-panambadiana ny ray aman-dreniny ary tsy nandao ny Fiangonana fotsiny ihany ny reniny fa niady tamin’ny Fiangonana ihany koa. Hitako teo amin’ny endriny ny ratram-po sy ny fisavorovoroana tsapany raha nilaza ny tantarany izy. Raha ny marina no ambara dia tsy tsaroako ny vatsim-panahy nozarainy saingy tsaroako fa nampianarin’ny Fanahy Masina aho. Tonga tato an-tsaiko ny eritreritra hoe: “Manehoa fanajana lalina satria homeko fahafahana hitondra fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona anankiray ianao izao. Matoky anao aho ho fitaovana mahatoky hitondra fiantraikany eo amin’ny fiainan’ity zatovolahy ity, ary ilaiko ny hitiavanao azy tahaka ny hitiavako azy.” Nanomboka tamin’izay aho dia niova. Niova ny foko. Noraisiko, ary tena nataoko marina tokoa izany, tamin’ny maha-zanakalahin’ Andriamanitra azy izy, izay afaka ny ho lasa tahaka Azy sy manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy ary afaka mitondra zavatra betsaka ho an’ny kilasinay. Tsy dia niova loatra ny fitondrantenany nandritra izay taom-pianarana izay saingy izaho dia niova. Ary tao anatin’izany fiovana izany dia niaina zavatra mahavariana maro niaraka izahay. Hankasitrahako mandrakizay io zatovolahy io sy ny fahafahana nomen’ny Tompo ahy mba hiovan’ny foko sy ny fomba fijeriko.

Mbola variana hatrany aho amin’ny fahafahan’ny Ray any An-danitra mahafantatra ny zavatra ilain’ny olona tsirairay avy nefa koa manome izany ho azy ireo. Fantatro fa mahita sy mahatakatra ary mahafantatra ahy amin’ny fomba tonga lafatra Izy. Manoatra izany aza, lavorary ny fitiavany ahy. Fantatro ihany koa fa mandray ahy ho toy ny olona izay afaka ny ho tonga tahaka Azy Izy ary fantany fa miaraka amin’ny fanampiany dia ho tonga tahaka Azy aho. Fantatro fa mino izany zavatra izany ho an’ny tsirairay avy aminareo Izy ary ho an’ny zatovolahy sy zatovovavy tsirairay izay miditra ao amin’ny varavarantsika. Mahita azy ireo amin’ny fomba tonga lafatra Izy, ary te hamonjena ny tsirairay avy amin’izy ireo Izy. Mahita mihoatra noho ny endrika ivelany sy ny fitondran-tena Izy ary misafidy ny hibanjina amin’ny toetra tsara sy ny tanjaka nolovain’izy ireo Taminy. Ary amin’ny maha-mpampianatra antsika dia miandrandra antsika mba hanao toy izany koa Izy.

Amin’ity taona ity isika dia hampiditra laharam-pahamehana vaovao iray antsoina hoe “Jereo ilay olona iray.” Ny zavatra ifantohan’io laharam-pahamehana io dia ny fikolokolontsika tsirairay avy ilay fahafahana tahaka ny an’i Kristy mba hahita ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay avy, ny tanjaka ananany, ary ny fahafahany ho lasa tahaka an’ Andriamanitra. Manantena isika fa isika tsirairay avy dia hikolokolo na hahatonga ny fahafahantsika mahita tahaka an’i Kristy mihoatra noho ny famariparitan’ny hafa sy ny endrika ivelany ho lalindalina kokoa ary hianatra hahita ny mpianatra tsirairay ho olona miavaka izay afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra ary handray ny mpianatsika lahy sy vavy araka izany.

Ny mpianatra tsirairay avy dia miditra ao an-dakilasintsika miaraka amin’ny toe-javatra sy filàna ary olana manokana izay hisy fiantraikany eo amin’ny fianaran’izy ireo. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny seminera sy institiota dia ampahany iray monja amin’ny fiainan’ny mpianatra tsirairay, ampahany manan-danja izany kanefa ampahany ihany. Ny fomba fianarana, ny fahasamihafana ara-kolontsaina, ny fahasembanana, ny fiankinan-doha, ary ny nahafatesan’ny olon-tiana iray sy ny fisaonana dia ampahany ihany amin’ireo zavatra izay mety hisy fiantraikany amin’ny fianaran’ny mpianatra. Ny toe-javatra sy ny famariparitan’ny hafa dia tsy mamaritra ny mpianatsika fa manome antsika ny fahafahana mahita sy mitia azy ireo tahaka ny ho ataon’ny Mpamonjy kosa. Manana ny tombontsoa sy ny andraikitra masina hanao misimisy kokoa isika mba hanampiana ireo izay manana enta-mavesatra ary ireo izay tonga ao an-dakilasy mba hikatsaka fatratra ilay fanantenana omen’ilay Mpamonjin’ny olon-drehetra.

Raha nisaintsaina izany andraikitra masina mba hijery ilay olona iray izany aho dia nianatra betsaka avy tamin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 12. Tiako ny hizara aminareo lesona telo avy tamin’ny fandalinako ity toko ity.

Lesona 1: Manomboka ny fampianarany momba ny tenan’i Kristy sy ny lanjan’ny mpikambana tsirairay i Paoly amin’ny alalan’ny fampianarana momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Teo am-pandalinana ny andininy 1–11, dia nahatsapa ho nila nieritreritra aho fa ny fanalahidin’ny fahitana ny olona tsirairay tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo dia ny manaiky voalohany indrindra fa manana fanomezam-pahasoavana sy tanjaka izy ireo izay mila fantarina sy ampiasaina. Rehefa mijery ireo mpianatra tahaka izany isika dia hahafantatra sy hitrandraka ny tanjak’izy ireo fa tsy hifantoka amin’ny tsy fahalavorariana sy fitondran-tena tsy mendrika ataon’izy ireo. Matetika ny fitondran-tenan’ny mpianatra dia tsy manambara tsara ny maha-izy azy. Fahaiza-manao tsotra iray azon’ny mpampianatra voizina ny miato mialohan’ny hamaliana avy hatrany ny teny na fihetsika lazaina na ataon’ny mpianatra iray avy eo mandinika antony roa na telo izay mety ho “mahatonga” ny mpianatra iray hiteny na hanao fihetsika toy izany. Hanampy ny mpampianatra tsy hanao zavatra an-kamehana sy hamantatra ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’ny mpianatra izany.

Rehefa miezaka mitadidy isika fa ny mpianatra tsirairay avy dia afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra dia tsy maintsy manaiky ihany koa fa ireo toe-javatra na tsy fahafahana dia mety hanakana ny faniriana na ny fahafahana mianatra. Izany dia mitaky ny famolavolantsika amim-pitandremana bebe kokoa ireo traikefa amin’ny fianarana izay manasa sy mitaona ny olona tsirairay hampihatra ny fahafahany misafidy mba hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’izy ireo rehefa mianatra. Tsy mora izany zavatra izany saingy rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo isika dia hanampy antsika Izy hahafantatra ny fomba hahafahantsika mitondra fiantraikany eo amin’ny zanany.

Ny zavatra iray niainako izay nianarako ny lanjan’ny famantarana ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’ny mpianatro dia tamin’ny alalan’ny mpianatro iray izay tsy dia nazoto loatra tamin’ny famakiana ao an-dakilasy na ao ivelan’izany. Nanan-talenta be tamin’ny mozika izy ary raha nivavaka ny amin’ny fomba hikasihana ny fony aho dia namaly ny vavaka nataoko tamin’ny zavatra izay mbola tsy nandramako teo aloha ny Tompo. Nomeko azy ny fandaharam-potoan’ny lesona dia nangataka azy aho hikaroka hira iray ho an’ny lesona tsirairay avy izay hanampy amin’ny fampianarana ny iray amin’ireo fahamarinana hita ao amin’izany adian-tsoratra masina izany. Izany dia nitaky ny famakiany amin’ny fotoana ivelan’ny kilasy mba hahafahany mamantatra ireo fahamarinana azony hikarohana hira. Nanome azy fahafahana hijoro ho vavolombelona ao an-dakilasy momba ny zavatra nianarany avy tamin’ny fanomanana nataony izany. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja dia nahita ny fitomboan’ny fitiavan’io mpianatra io ny Mpamonjy aho ary ny fandraisany anjara tao an-dakilasy dia nihatsara. Ankehitriny izy dia misiônera amin’ny fotoana feno ary tsy mamaky fotsiny ihany fa mampianatra ny soratra masina ihany koa ary mizara ny fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny mozika ananany.

Lesona 2: Manantitrantitra i Paoly fa ny singa tsirairay amin’ny vatana dia manan-danja. Ao amin’ny andininy 14–18 dia toy izao no ampianariny:

“Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.

“Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’izany dia tsy momba ny tena va izy?

“Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena, koa amin’izany dia tsy momba ny tena va izy?

“Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?

“Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony.”

Tiako ilay fanoharana momba ireo faritra amin’ny vatana izay manatanteraka anjara asa samy hafa nefa ilaina. Tsy afaka manolo ny tongotra ny tanana. Tsy afaka manolo ny maso ny sofina. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia manana anjara asa manokana nefa manan-danja, ary tsy mitovy ny fandraisana anjara hoentin’ny singa tsirairay. Ilain’ny vatana avokoa ny tsirairay avy amin’izy ireo mba hiasany amin’ny fahafahany manontolo.

Nampiasa fifanahafana hafa ny Loholona Holland mba hampianarana izany fahamarinana izany: “Efa rafitra masina ny fisian’ny tsy fitovian’ireo feo rehetra ao amin’ny amboarampeon’ Andriamanitra. Mila karazana feno: feo voalohany, feo faharoa, feo fahatelo ary beso, mba hahazoana mozika tena kanto. … Rehefa tsinontsinoavintsika ny maha-miavaka antsika, na ezahintsika ny hanaraka ireo foto-kevitra ny amin’izay heverina ho lafatra … dia very ny harenan’ny fahasamihafana izay namboarin’ Andriamanitra rehefa namorona tontolo ahitana zavatra maro samihafa Izy.”3

Mba hahafahantsika mahomby amin’ny fanampiana ny mpianatra tsirairay avy ho lasa “miova fo … dieny mbola miaraka amintsika,”4 dia tsy maintsy mino isika fa ny mpianatra tsirairay avy dia manan-danja ary tokony manao zavatra araka izany isika. Eo am-pandinihana izany fahamarinana izany dia manasa anareo tsirairay avy aho hametraka izao fanontaniana anankiroa izao amin’ny tenanareo: Voalohany, “Mino amim-kitsimpo marina ve aho fa ny mpianatro tsirairay avy dia manan-danja ary afaka ny ho lasa mpikambana mitondra anjara biriky?” “Maneho izany finoako izany ve ny zavatra ataoko?”

Mivavaka aho ny mba hanampian’ny Tompo antsika ho voataonan’izany finoana izany bebe kokoa.

Lesona 3: Mampianatra i Paoly fa tokony hitovy ny fiahiahiana hasehontsika amin’ny mpikambana tsirairay avy. Milaza izy hoe: “Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.”5

Izany andinin-tsoratra masina izany dia nahery vaika tamiko ka nahatonga ahy handinin-tena: Mitovy ve ny “[fiahiako]” ny mpianatra tsirairay? Mifantoka bebe kokoa amin’ireo mpianatra izay toa mandray anjara amin’ny fomba miharihary ve aho? Mora kokoa amiko ve ny mitia ireo izay manangan-tanana ary mivonona amin’ny soratra masiny hatrany mba hizarana ny fijoroany ho vavolombelona ary hevitra manan-danja? Mora kokoa amiko ve ny manome fitiavana sy firaharahiana ho an’ireo izay tia ahy, tia ny kilasy, tonga ara-potoana ary tsy manapaka raha tsy hoe misy aretina mampidi-doza? Ireo mpianatra hafa ve mahatsikaritra rehefa tsy mitovy ny “[fiahiako]” ny mpianatra tsirairay avy? Amin’ny fomba ahoana ary no iantraikan’izany eo amin’ny tontolom-pitiavana, sy fanajana, ary antom-pisiana ao amin’ny kilasiko? Ny mpianatra dia hifampijery sy hifandray bebe kokoa tahaka ny ho ataon’ny Mpamonjy rehefa maodely momba izany isika tsirairay avy.

Eo am-piezahantsika ny hisolo toerana ny Mpamonjy ao amin’ny fampianarantsika sy hikolokoloantsika ny fahafahana mijery tahaka Azy dia tsy maintsy mahatsiaro isika fa (1) ny rehetra dia manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay ahafahany mitondra anjara biriky, (2) ny mpikambana tsirairay avy dia manan-danja, ary (3) mila mampiseho “[fiahiana]” mitovy ho an’ny mpikambana tsirairay avy isika.

Tiako ny hizara lesona iray fanampiny izay nianarako raha nisaintsaina ny tokony ilana ity laharam-pahamehana ity aho. Amin’ny androntsika ny fahavalo dia “tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.”6 Amin’ny maha-mpanao hosoka ikoizana azy dia katsahany hatrany ny handroba ny maha-izy azy araka an’ Andriamanitra sy ny fifandraisan’ny olona amin’ny lanitra. Tsy maintsy mikolokolo ny fahafahana mijery tahaka ny fijerin’ny Mpamonjy isika mba hahafahantsika manampy ny hafa hahatakatra fa izy ireo dia afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra ary ny ho mahatoky ny Tompo ao amin’ny tontolo mifanjevo izay milaza “ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina.”7

Ny iray amin’ireo mahery fo ao amin’ny soratra masina tiako indrindra izay ohatra tsara momba izany fahaiza-manao izany dia i Abigaila. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia voalazalaza ho “vehivavy hendry sady tsara tarehy izy.”8 Nanambady an’i Nabala, izay lehilahy ratsy “amin’izay ataony” izy.”9 Taorian’ny naniratsiran’i Nabala an’i Davida sy ny tsy nanekeny hanampy azy dia nanangona ny miaramilany i Davida mba handripaka an’i Nabala sy ny ankohonany. Rehefa nolazain’ny mpanompon’i Nabala tamin’i Abigaila ny loza mananontanona dia nanangona vatsy avy hatrany izy ary nanao drafitra hihaona amin’i Davida.

Tamin’ny fihaonana tamin’i Davida dia niankohoka teo anatrehany i Abigaila ary, tamin’ny naha-fambara an’i Kristy azy dia nandray ho an’ny tenany ny maha-tompon’andraikitra ny faniratsirana tsy nataony akory ary nangataka famelan-keloka izy.10 Inona ny zavatra hitan’i Abigaila tao amin’i Nabala izay nanosika azy amin’ny fiarovana azy?

Inona no zavatra hitany tany amin’i Davida ka nahatonga azy hiteny hoe “Masìna hianao, mamelà ny fahadisoan’ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ny andro rehetra iainanao”?11

Nahoana izy no nisafidy, nandritra izany fotoana tena sarotra izany ny hampahatsiahy an’i Davida ny maha-izy azy ary ireo fampanantenana nataon’ny Tompo? Inona no fiantraikan’ny zavatra nataony tamim-pinoana?

Tiako ny valintenin’i Davida taminy rehefa nilaza izy hoe:

“Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany:

“Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ny tenako.”12

Mino aho fa tamin’io fotoana io, araka ny fampanantenan’ny Filoha Packer, dia “nisoritra teo amin’ny [tarehiny] … ny endrik’i Kristy. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin’izany kilasy izany amin’izany fotoana izany sy ao anatin’ilay fihetsika aseho miaraka amin’ilay fanentanam-panahy dia [nisolo toerana ny Mpamonjy izy ary ny Mpamonjy dia izy.”13

Mijoro ho vavolombelona aho fa manana ny fahafahana torak’izany isika mba hijery ny hafa tahaka ny hahitany azy ireo ary hanampy azy ireo hahita ny fahamasinana ao amin’izy ireo.

Tsy haiko lazaina ny fitiavana sy fankasitrahana tsapako ho an’ireo izay naneho izany toetra tahaka ny an’i Kristy izany tamin’ny alalan’ny ohatra teo amin’ny fiainako. Voalohany indrindra, ny reniko izay anjely dia nandray ahy foana tahaka ny olona afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Hitany hatrany fa izaho dia mpitondra anjara biriky, na dia tsy naneho izany aza ny zavatra ataoko, ary tsy sasatra izy manampy ahy hitombo. Misy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nitondra fanantenana teo amin’ny fiainako tamin’ny fanehoana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra tamiko sy tamin’ny fampahatsiahivana ny lanjako. Ireo mpampianatra seminera sy institiota ahy, izay maro amin’izy ireo no mijery ity fampitana ity amin’izao, dia nahita zavatrao tao amiko izay tsy afaka hitako tao amiko. Ny lalan-kasako dia nanan-karena lehilahy sy vehivavy izay nampatanjaka ahy sy nitarika ahy ho eo amin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny ohatr’izy ireo amin’ny fijerevana ilay olona iray.

Feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ireo fomba mbola hanehoan’ny Tompo amiko fa mandray ahy ho tahaka ny olona mendrika sy manan-danja Izy. Notahiany aho amin’ny fananana fanomezam-pahasoavana ary manome fahafahana ho ahy Izy hampiasa izany fanomezam-pahasoavana izany mba hanampiana ny hafa ho lasa tahaka Azy. Ary fantatro ihany koa fa manao izany ho anareo tsirairay avy Izy ary ho an’ny mpianatsika tsirairay avy.

Nandritra ireo volana vitsivitsy lasa dia niaina fotoana mahafinaritra aho nandalina ny soratra masina tamin’ny fifantohana amin’ny fomba fijerevan’ny Mpamonjy ny olona iray ary ny fampianarany araka izany fomba fijery izany. Ny fianarana avy Aminy mivantana dia nanova ahy. Manasa anareo aho hanao toy izany koa. Izy no ohatra tonga lafatra. Maro tsy tambo isaina ireo ohatra momba ny namolavolany traikefa amin’ny fianarana sy lesona mba hahatratrarana ny zavatra ilain’ny olona iray sy hanampiana tsaratsara kokoa ireo izay hampianariny mba hahatakaran’izy ireo fa afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izy ireo.

Ry namako malala, mivavaka aho ny mba hanohizan’ny Raintsika any An-danitra ny Hampitombo ny fahaiza-manaontsika manokana amin’ny fahitana ny hafa tahaka ny hahitany ny hafa, ny fitiavana tahaka ny hitiavany, ary ny fanaovana zavatra tahaka ny hanaovany zavatra. Mivavaka aho ny mba hikatsahantsika izany fanomezam-pahasoavana izany ary hahitantsika ireo fomba hahazoana sy hampitomboana izany. Mivavaka aho ny mba hanohizantsika ny fiezahana amin’ny fananana ny endriky ny Mpamonjy misoritra eo amin’ny tarehintsika rehefa mijoro eo anoloan’ny mpianatsika isika isan’andro. Fantatro fa afaka mampitombo izany fanomezam-pahasoavana izany isika rehefa mikatsaka ny fanampiany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy