Fampitana fanao isan-taona
Feno fifaliana


Feno fifaliana

Fampitana ny fiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota Fianarana Filazantsara • 13 jona 2017

Roa taona lasa izay ny Loholona Kim B. Clark, Mpiandraikitra antsika, dia nampianatra avy ao amin’ny 3 Nefia momba ireo anjely sy ankizy izay voahodidin’ny afo. Nampianatra antsika izy fa amin’ny maha-mpanabe ara-pivavahana antsika dia tokony hodidinin’izany afo masina izany koa isika.1 Misy tantara iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, araka ny efa fantatrareo, izay miresaka olona nohodidinin’ny afo avy any an-danitra. Natsipy tany an-tranomaizina i Lehia sy i Nefia, dia hoy ny fitantarana hoe:

“Izy ireo dia tahaka ny eo afovoan’ ny afo mirehitra. …

“Ary indro, ny Fanahy Masin’ Andriamanitra dia nidina avy tany an-danitra, … ary nofenoina izy ireo miova tsy ny tamin’ ny afo.”2

Milaza ihany koa ilay fitantarana hoe: “Ary nofenoina tamin’ izato fifaliana izay tsy hay tenenina izy ireo ary heniky ny voninahitra.”3

Ny hafatra tiako hozaraina anio dia izao: Amin’ny maha-mpanabe ara-pivavahana antsika dia tsy tokony hoe hodidinin’ny afo fotsiny isika fa tokony ho feno fifaliana ihany koa. Tokony hianatra momba ny “drafitry ny fahasambarana” ireo mpianatra ao an-dakilasintsika saingy tokony ho hitany eo amintsika ihany koa ny porofo fa mahomby ilay drafitra, fa ny fiainana ny filazantsara dia mitondra fifaliana. Tao amin’ny nofy momba ny hazon’aina i Lehia dia nanofa tanana ny fianakaviany mba hanatona ka hihinana amin’ny voa izay “mampilendalenda … ka mahasambatra ny olona.”4 Nanana hery sy fahamarinany ilay fanasany satria avy tamin’ny zavatra niainany no niresahany. Efa nandray sy nahatsapa izany fifaliana izany ny tenany.

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Tena zava-dehibe ny hoe faly ao anatin’ity asa ity. Misy olona tsy dia faly loatra ato am-piangonana satria tsy takatr’izy ireo angamba fa ity no filazantsaran’ny fahasambarana.”5 Afaka mahazo ilay fahasambarana nolazain’ny Filoha Hinckley isika amin’ny fandraisana ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy, araka ny volazan’ny soratra masina hoe, miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”6

Tiako ny hanolotra fitsipika vitsivitsy ho anareo izay nanampy ahy, amin’ny maha-mpanabe ara-pivavahana ahy, hiaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Tsy hevitra lalina na vaovao izany, ary resahiko amin’ny fanantenana mba hanampy olona hiaina sy hampianatra amin-kafaliana kokoa. Miresaka tsy amin’ireo mpiasa mpanabe ara-pivavahana fotsiny aho fa ho an’ireo izay miaina, amin’ny fotoana tsy maharitra, ny fiainan’ny mpanabe ara-pivavahana “voantso” ao amin’ny seminera sy institiota ihany koa.

Taona maro lasa izay dia nahita teny iray izay nambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball aho izay nanahirana ny saiko. Hoy izy: “Aoka isika hihazona ny fahasambarana anio; satria fantaro fa raha tsy sambatra ianao izao, dia mety tsy ho sambatra na oviana na oviana.”7

Nieritreritra aho hoe tsy marina izany. Dia ahoana izany ny fibebahana? Raha tsy sambatra aho izao, tsy afaka manao zavatra ve aho mba hanova izany? Nodinihiko lalindalina kokoa izany, ary mino aho fa ny tanjon’ilay hafatry ny Filoha Kimball dia izao: Raha tsy sambatra ianao ary mino fa tsy ho sambatra mihitsy raha tsy miova ny toe-piainanao, dia mety tsy ho sambatra na oviana na oviana ianao satria ny fahasambarana dia tsy miankina amin’ny toe-javatra iainanao.

Nisy mpanoratra iray nilaza izany tamin’izao fomba izao: “Matetika isika no mieritreritra fa raha tany an-toeran-kafa isika (any am-pialan-tsasatra, miaraka amin’ny namana hafa, manana anton’asa hafa, ao anatina trano hafa, ao anatin’ny toe-piainana hafa), dia mety ho sambatra sy afa-po kokoa. Tsy ho sambatra izany isika!

Ny marina dia hoe, raha manana fahazarana ara-pisainana manimba ianao … na raha maniry zavatra hafa foana ianao, dia hanaraka anao ireo fironana nanananao ireo, na aiza na aiza alehanao.”8

I Lamana sy i Lemoela dia nino fa ny fahasambarany dia niankina tamin’ny toe-javatra niainany, indrindra fa ireo zavatra izay hampahazo aina azy ireo hatrany. Hoy izy ireo raha niresaka momba ny diany tany an-tany foana:

“Tera-bao tany an-tany foana [ny vadinay] sy niaritra ny zava-drehetra afa-tsy ny fahafatesana; ary ho tsara kokoa ho azy ireo ny maty talohan’ ny nialany tao Jerosalema, toy izay niaritra ireo fahoriana ireo.

“Indro, efa nijaly tany an-tany foana izahay nandritra ireo taona maro ireo dia fotoana izay mba tokony ho efa nankafizanay ny fanananay sy ny tany lovanay; eny, mety mba ho efa sambatra izahay.”9

Nianatra aho fa ny fahasambarako dia tsy miankina amin’ny toerana izay ipetrahako, na ny andraikitra nampanaovina ahy, na ny olona izay miara-miasa amiko, na ireo mpianatro, na ireo fahafahana izay tsy tonga tamiko. Izaho akory tsy milaza hoe ny fananana “toetra tsara” dia hampiala ny olanao ary hamirapiratra ny fiainana. Ny toe-javatra misy antsika indraindray dia mahavaky fo sy mila tsy ho zaka. Saingy mijoro ho vavolombelona aho fa na dia ao anatin’ireny toe-javatra ireny aza dia afaka ny hisy fanahy avy any an-danitra sy fomba fijery izay afaka mahatonga ny fiainana hahafinaritra.

Hoy ny andininy iray avy ao amin’ny bokin’i Almà izay hoe “Ary dia toy izany no fitantaran’ i Amôna sy ny rahalahiny ny diany tany an-tanin’ i Nefia, ny fijaliany teo amin’ ny tany, ny alahelony sy ny fahoriany, ary ny fifaliany tsy takatry ny saina.10 Ny fijaliana sy ny fifaliana dia tsy mifanipaka. Raha mpampianatra voantso ianao dia mety haniry ny hanana antso hafa. Raha mpampianatra no asanao dia mety haniry ny hanana andraikitra hafa ianao. Tsy maninona ny maniry, saingy tsarovy fa ny fahasambaranao dia tsy miankina amin’ny fahatanterahan’ny fanirianao. Ny fahasambarana dia tsapa eo am-piezahana manatratra tanjona fa tsy tanjona ho tratrarina. Raha mieritreritra izany ho tanjona ianao mandritra ny fiainanao, dia mety tsy ho sambatra na oviana na oviana ianao.

Ahoana no ahitan’ny olona fahasambarana, na inona na inona toe-javatra iainany? Tsy fantatro daholo ny valiny, saingy hanolotra iray tena manan-danja aho: Ny fankasitrahana dia misy idirany betsaka amin’ny fiainana “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Nilaza ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

Manoro hevitra aho hoe raha ny fanehoana fisaorana noho ireo zavatra miseho manokana no fanao dia aleo mifantoka amin’ny fanehoana fisaorana ao anatin’izay toe-javatra rehetra iainantsika—na inona izany na inona. …

“Io karazana fanehoam-pankasitrahana io dia misy foana na inona na inona mitranga manodidina antsika. … Mivelatra foana izany na ao anatin’ny fotoan-tsarotra na ao anatin’ny fotoana milamina. …

“Fihetsika maneho finoana an’ Andriamanitra ny fanehoam-pankasitrahana ao anatin’izay toe-javatra iainantsika. …

“Ny fankasitrahana marina dia fanehoana fanantenana sy fijoroana ho vavolombelona.”11

Mamela ahy ianareo hanolotra fitsipika iray hafa izay nanampy ahy hiaina sy hampianatra amin-kafaliana kokoa. Taona vitsivitsy tao amin’ny asako dia nanapa-kevitra ny hiala ny seminera sy institiota aho. Tonga tamin’izany fanapahan-kevitra izany aho satria tsy nieritreritra ny tenako ho tsara toy ireo mpampianatra hitako manodidina ahy aho. Nahita mpampianatra izay mifandray tsara amin’ny mpianany, manam-pahaizana, mampihomehy ary manana fatokiana aho, ary tsy dia nahita izany tamin’ny tenako aho. Tamin’ny farany dia tsy niala ny seminera sy institiota aho saingy mbola nahatsapa tsy fahatokian-tena hatrany tato anatiko rehefa nanontany tena raha toa ka afaka mampianatra tsara sy tena manampy tanora tokoa ny toetrako.

Raha niresaka momba ny toetra mampiavaka antsika manokana Rahavavy Patricia  Holland, vadin’ny Loholona Jeffrey R. Holland, dia hoy izy:

“Ny Raintsika any An-danitra dia mila antsika araka ny toetra izay ananantsika, araka izay toetra hahatongavantsika rehefa mitombo. Niniany natao samy hafa isika amin’izay na dia eo aza ny tsy fahalavorariantsika dia afaka mahatanteraka ny tanjony isika. Tonga ny fahoriako lehibe indrindra rehefa mahatsapa ho tsy maintsy manaraka izay ataon’ny hafa aho, na ny zavatra izay eritreretiko fa andrasan’ny hafa amiko. Tena faly aho rehefa mahazo aina amin’ny maha-izaho ahy sy miezaka manao izay andrasan’ny Raiko any An-danitra sy ny tenako amiko.

Nandritra ny taona maro aho dia niezaka nampitaha an’i Pat Holland izay tsy dia miresaka sy be fisainana ary tamin’i Jeff Holland sy ny hafa mitovy toetra aminy izay matanjaka, marisidrisika, be resaka ary mavitrika. Nianatra aho tamin’ny alalan’ny tsy fahombiazana mandreraka maro fa tsy ho afaka ny hanana fifaliana ianao rehefa marisidrisika raha toa ka tsy olona manana toetra marisidrisika ianao. Zavatra  mifanipaka izany. Najanoko ny fijerena ny tenako ho olona tsisy ilana azy. … Ny famelana izany dia nanome fahalalahana ahy handray sy hifaly amin’ny fombako sy toetrako manokana. ….

Any ho any, tsy hay hoe amin’ny fomba ahoana, dia nataon’ny Tompo ho takatro fa ny toetrako dia noforonina manokana mba hifanaraka amin’ny asa nanirahana sy ny talenta nomeny ahy. … Nahita aho fa manana loharanon-kery maro tsy hay lazaina aho izay hahafahako maneho ny toetrako. Fa amin’ny fotoana izay hirotsahako amin’ny fakana tahaka ny namako, dia mahatsapa ho potika sy reraka aho ary sahiran-tsaina mandrakizay miezaka ny ho lasa olona izay tsy izaho akory. Rehefa sakanantsika ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika dia manaisotra amin’ity izao tontolo izao ity sy amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny fandraisantsika manokana anjara isika.”12

Rehefa mampiseho ny maha-ianareo anareo ianareo dia mamelà ahy hanolotra fampitandremana anankiroa. Voalohany, tsy manoro hevitra akory aho mba hananantsika toetra milaza hoe: “Efa izany no toetrako.” Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fiovana.”13 Tokony hikatsaka mafy fanamarihana avy amin’ireo mpitarika ahy aho momba ny fomba hahafahako miova sy hampifanaraka bebe kokoa ny toetrako amin’ireo ezaka izay ataoko amin’ny fanatratrarana ny tanjontsika. Fa ny tena zava-dehibe, dia manana didy izay nomen’i Kristy mihitsy aho fa izaho dia tokony ho lasa tahaka Azy. Fa tsy voatery hitovy ireo mpampianatra hafa aho. Ny toetrako, ampian’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, dia afaka mitondra anjara biriky tsy misy toa azy ho an’ny asan’ny seminera sy institiota.

Ny fampitandremana faharoa dia: Tamin’ny fotoana voalohany nandehanako tao amin’ny Birao Foibe mba handraisana andraikitra vaovao, dia nanasa ahy tao amin’ny biraony ny mpitantana antsika tamin’izany, dia ny Loholona Paul V. Johnson, mba hanome ahy toromarika sy torohevitra. Ankoatra ny zavatra maro hafa dia hoy izy hoe: “Aza mamaritra ny tenanao.” Ny nahatakarako izany dia hoe raha toa ka nofaritako amin’ny Tompo ny fomba mety ho azony hampiasana tsara ahy amin’ny fanatanterahana ny asany dia mety ho noferiko ny fahafahana nananako amin’ny fitomboana sy fanompoana.

Indrisy anefa fa nataoko matetika ilay zavatra tena nampitandremany ahy. Niezaka nanao ny tsara vitako aho tamin’ny asa fitantanan-draharaha izay nasainy notanako, saingy nimonomonona tao am-poko aho. “Tsy mpitantan-draharaha aho,” hoy aho tamin’ny tenako. “Mpampianatra aho. Tokony ho ao amin’ny efitrano fianarana aho, fa tsy mipetraka ao anatina fivoriana.” Efa nisy dingana lava sy naharary izay vao nahafantatra aho fa ilay faniriana hampianatra izay nolazaiko dia fanaronana faniriana hanatanteraka ny filako manokana fotsiny. Tena mahasoa ny mandany ny fotoanao miaraka amin’ny mpianatra sy ny soratra masina. Ny mandany ny andronao ao anatin’ny fivoriana mifanakalo hevitra momba ny fomba fiasa dia tsy toa izany. Saingy tsy izany anefa. Moa ve aho manao ity asa ity noho ny fitadiavana tombontsoa sy fahafahampo manokana; sa moa ve aho manao izany amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny tanjony?

Manantena aho fa ho hendry kokoa noho izaho ianareo ka tsy hamaritra ny tenanareo sy ny fomba tokony hampiasana anareo. Misy fahasambarana miavaka tonga rehefa manao ny sitrapon’ny Ray, araka ny nampianariny sy nasehon’ny Mpamonjy im-betsaka.

Io resaka fanaovana ny sitrapony io dia mitarika ahy hanolotra hevitra iray hafa izay afaka manampy antsika hiaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana” amin’ny maha-mpanabe ara-pivavahana antsika. Matoky aho fa ny ankamaroantsika dia maniry mafy ny hanao ny sitrapon’ny Raintsika any An-danitra. Lasa sarotra kokoa izany rehefa asaina hanao ny sitrapon’ny olona eto an-tany izay ampiasain’ Andriamanitra hitarika ny asany isika, na izany ao amin’ny paroasy, na ao amin’ny tsatòka, na ao amin’ny seminera sy institiota. Nahafantatra mpampianatra tena mahavita azy aho tamin’ny asako, izay efa tafintohina tamin’ny zavatra nataona mpitarika iray na tamin’ny fitsipika iray izay tsy neken’izy ireo. Na tena nisy ireo zavatra tsy rariny ireo na noheverina fa nisy dia nohazonin’ireo mpampianatra ireo sy nampitomboiny ny ratrany, ary natakalony ny fahasambarany. Matetika ny ratran’izy ireo dia nivadika ho fahoriana mangidy, izay niteraka fifandirana tamin’ny hafa avy eo, indrindra tamin’ireo izay nitantana azy ireo.

Nanoratra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ny fiainana ato am-piangonana [ary hampiako hoe, ny fiainana ato amin’ny seminera sy institiota] dia midika fiarahana amin’ny mpitarika isan-karazany izay tsy voatery ho hendry sy matotra ary maranin-tsaina avokoa. Raha ny marina dia tsy mitovy daholo isika rehetra ary ny sasany amintsika dia votsavotsa. Ny fivoarana sasany izay iainantsika raha ny marina dia vokatry ny fifandirana amin’ny hafa. Tena zava-dehibe ny faharetana sy ny fitiavana manalefaka ao anatin’ny toe-javatra toy izany!”14

Tsy afaka ny hanamafy betsaka ny maha-zava-dehibe ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ny “faharetana sy ny fitiavana manalefaka” aho. Tena ilaina izy ireo amin’ny fikatsahana fahasambarana sy amin’ny fampianarana miaraka amin’ny Fanahy.

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer: “Ny olona iray izay milaza fa hanohana ny Filohan’ny Fiangonana na ireo Manampahefana Ambony kanefa tsy afaka manohana ny evekany dia mamitaka ny tenany. Ny olona izay tsy vonona hanohana ny eveka ao amin’ny paroasiny sy ny filohan’ny tsatòkany dia tsy manohana ny Filohan’ny Fiangonana.”15

Tsy manana fotoana hidirana lalina amin’izay aho saingy misy fitsipika iray ao amin’io zavatra voalaza io izay inoako fa mihatra amin’ireo mpanabe ara-pivavahana sy ny fifandraisany amin’ireo izay voatondro hitarika azy ireo. Raha misy aminareo manana fahatsapana ratsy amin’ny fitantanana, na amin’ny mpitarika na fitsipi-pitantanana iray manokana, na noho ny fanaraha-maso na fijerena akaiky, dia miangavy anareo aho mba hamela izany, ho tombontsoa ho anareo izany. Tsy hahazo mandrakizay ny fahasambarana ny olona izay tsy hamela ny hafa, izay manaparitaka ny fahasosorany amin’ny hafa na izay mamporisika ny fifandirana.

Izao aho dia hiresaka ny sosokevitro farany. Ora vitsy talohan’ny nahafatesan’ny Mpamonjy dia nanasa ny tongotr’ireo Apôstôly Izy ary nilaza avy eo hoe:

“Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. …

“Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”16

Ny betsaka amin’ny fahasambarana azontsika iainana amin’ny fiainana dia ho tonga rehefa manadino ny tenantsika isika ary mampifantoka ny eritreritsika sy fanompoantsika amin’ny hafa. Ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana dia misy fahasambarana lehibe hita rehefa afantotsika amin’ny fitahiana ny mpianatsika ny eritreritsika sy ny faniriantsika ary ny ezaka ataontsika. Raha niresaka tamin’ireo mpanabe ara-pivavahana ny Filoha Spencer W. Kimball indray andro dia nilaza fa ny “fitomboana sy ny fivoaran”’ireo tanorantsika no tokony ho “zavatra katsahintsika lehibe sy ambony indrindra.”17 Raha toa tsy mba mankany amin’ireo mpianatsika ny fifantohantsika ka manomboka mifantoka amin’ny filantsika na ny zavatra mampiadana antsika, na ny fahafahampontsika, na ny fankasitrahana antsika, dia hisy fahaverezana lehibe ny herintsika hampianatra amim-pahombiazana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fahaverezan’ny ampahany betsaka amin’ny fahasambarantsika manokana fotsiny.

Nanoratra i Harry Emerson Fosdick, pastora prôtestanta tamin’ny taonjato lasa: “Ny Kristiana sasany dia mitondra ny fivavahany eo an-damosiny. Fonosan’entana ahitana finoana sy fombafomba izay tsy maintsy entiny izany. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihamavesatra izany ary dia avelan’izy ireo an-tsitrapo, kanefa hidika izany fa hijanona amin’ny fombafomba taloha, ka dia lanjainy indray izany. Fa ny tena Kristiana dia tsy mibata ny fivavahany, ny fivavahany no mitondra azy ireo. Tsy enta-mavesatra izany fa elatra. Mampitraka azy ireo izany, manampy azy ireo hiaritra fotoam-pitsapana, mahatonga izao rehetra izao ho toa sariaka, mampisy tanjona ny fiainana, mampisy fanantenana, mampisy lanjany ny fanolorantena. Manafaka azy ireo amin’ny tahotra, ny zavatra tsisy dikany, ny fahakiviana ary ny fahotana, ilay mpanandevo lehibe ny fanahin’ny olona, izany. Afaka mahafantatra tena Kristiana iray ianao, rehefa mahita azy, amin’ny alalan’ny endriny miramirana.”18

Ny fanantenako sy ny vavaka ataoko ho anareo tsirairay dia ny mba ho elatra tokoa ny filazantsara fa tsy enta-mavesatra, ny mba hahavoadidina afo sy hahafeno fifaliana anareo, ary ny mba hanasan’ny fahasambaranareo ny hafa hikatsaka ny loharanom-pahasambaranareo, dia i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no olona sambatra indrindra nandia ity tany ity ary manasa antsika Izy mba hanaraka Azy amin’ny fiainana “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Kim B. Clark, “ Hodidinin’ny afo ” (Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ny Seminera sy Institiota fianarana filazantsara, 4 aogositra 2015), lds.org.

  2. Helamàna 5:44–45.

  3. Helamàna 5:44.

  4. 1 Nefia 8:10.

  5. Gordon B. Hinckley, Teachings of Gordon B. Hinckley (1997), 256.

  6. 2 Nefia 5:27.

  7. Spencer W. Kimball, The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 173.

  8. Richard Carlson, Don’t Sweat the Small Stuff … and It’s All Small Stuff (1997), 133.

  9. 1 Nefia 17:20–21.

  10. Almà 28:8; nampiana fanantitranterana.

  11. Dieter F. Uchtdorf, “ Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy ,” Ensign na Liahona, mey 2014, 75–76.

  12. Patricia T. Holland, “Portraits of Eve: God’s Promises of Personal Identity,” ao amin’ny LDS Women’s Treasury: Insights and Inspirations for Today’s Woman (1997), 97–98.

  13. Russell M. Nelson, “ Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay ,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 108.

  14. Neal A. Maxwell, If Thou Endure It Well (1996), 99.

  15. Boyd K. Packer, Follow the Brethren, Ireo lahateny tsara indrindra nandritra ny taona tao amin’ny Brigham Young University (mar. 23, 1965), 4–5; hita ihany koa ao amin’ny Liahona, sept. 1979, lds.org.

  16. Jaona 13:14, 17.

  17. Spencer W. Kimball, Men of Example (lahateny ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny Departemanta fampianarana an’ny Fiangonana, sept. 12, 1975; booklet), 7; hita ihany koa ao amin’ny Teaching Seminary: Preservice Readings ( Boky torolalana an’ny Departemanta fampianarana an’ny Fiangonana, 2004), 26.

  18. Harry Emerson Fosdick, Twelve Tests of Character (1923), 87–88; voalaza tao amin’ny L. Tom Perry, “A Year of Jubilee,“ Ensign, nôv. 1999, 77.

Hamoaka printy