2010–2019
Izay Rehetra Tiako no Anariko sy Faizako
Aprily 2011


2:3

“Izay Rehetra Tiako no Anariko sy Faizako”

Afaka manadio sy manomana antsika amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa ara-panahy ny traikefa azo avy amin’ny fizakana ny famaizana.

Ny Raintsika any an-danitra dia Andriamanitra iray miandrandra zavatra lehibe. Ireo zavatra Andrasany amintsika dia naseho tamin’ny alalan’ny Zanakalahiny Jesoa Kristy tamin’ireto teny ireto: “Koa mba tiako ianareo ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra” (3 Nefia 12:48). Nolazainy fa hanao izay hahamasina antsika Izy mba hahafahantsika “handray ny voninahitra selestialy” (F&F 88:22) ary “hiverina honina eo Anatrehany” (Mosesy 6:57). Fantany ny zavatra takiana amintsika ka mba hahatanteraka ilay fiovana takiana amintsika dia nanome ny Didiny Izy sy ny Fanekempihavanany sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary ny zava-dehibe indrindra dia ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’ny Zanakalahy Malalany tamin’ny maty.

Ao anatin’izany rehetra izany, ny tanjon’Andriamanitra dia ny hahafahantsika Zanany hiaina fifaliana sesehena sy hiaraka Aminy mandrakizay ary ho tonga tahaka Azy mihitsy aza. Nanazava zavatra toy izao ny Loholona Dallin H. Oaks taona maro lasa izay: “Ny Fitsarana Farany dia tsy fanombantombanana ny totalin’ireo zavatra ratsy na tsara vitantsika—ireo zavatra nataontsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona noniafarantsika.Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy, ny ôrdônansy, ary ny fanekempihavanana dia tsy toy ny lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any an-danitra hahatongavantsika.”1

Ny mampalahelo dia maro ireo fivavahana Kristiana maoderina no mino fa Andriamanitra dia tsy mitaky zavatra amin’ireo izay mino Azy, ka dia mandray Azy ho toy ny mpanompo iray izy ireo “izay manome izay tadiavin’izy ireo rehefa antsoina” na toy ny mpitsabo izay ny anjara asany dia ny manampy ny olona “ho afa-po amin’ny tenany.”2 Fomba fijery ara-pivavahana izay “tsy mikasa ny hanova fiainana” izany.3“Ny mifanohitra amin’izany,” no ambaran’ny mpanoratra iray, “fa ilay Andriamanitra ambaran’ny Soratra Masina Hebreo sy Kristianina dia tsy mitaky ny fanoloran-tena fotsiny fa ny fiainantsika mihitsy. Ilay Andriamanitry ny Baiboly dia mifantoka amin’ireo zavatra momba ny fiainana sy ny fahafatesana, fa tsy ny zavatra mahafinaritra, ary mitaky fitiavana feno fahafoizan-tena, fa tsy toetra mialangalana.”4

Te-hiresaka mikasika ny toetra iray manokana sy ny fomba iray tokony harahantsika aho raha te-hahatratra ireo zavatra lehibe andrasan’ny Raintsika any an-danitra amintsika isika. Izao izany—ny fahavononana hanaiky fanitsiana ary hikatsaka izany mihitsy aza. Ny fanitsiana dia zava-dehibe raha toa ka te-hampifanaraka ny fiainantsika “[amin’]ny fahasoavana isika rehetra, [izany hoe], araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy” (Efesiana 4:13). Hoy i Paoly raha niresaka momba ny fanitsiana na famaizana araky ny fomban’Andriamanitra: “Fa izay tian’i Jehovah no faizany” (Hebreo 12:6). Na dia sarotra aza matetika ny miaritra dia tena tokony ho faly isika fa mbola raisin’Andriamanitra ho zava-tsarobidy ka handaniany ny fotoany ary mbola ahitsiny.

Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika.

Eritrereto voalohany indrindra amin’ny zava-drehetra ny fibebahana, izay fepetra takiana hahazoana famelana sy fahadiovana. Nanambara ny Tompo fa “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha” (Apôkalypsy 3:19). Ary mbola hoy Izy hoe: “Ary tsy maintsy ilaina ny hamaizana ny vahoakako ambara-pianarany fankatoavana, amin’ny alalan’ny zavatra izay iaretany, raha ilaina izany” (F&F 105:6; jereo koa nyF&F 1:27). Ao amin’ny fanambaran’ny andro farany, ny Tompo dia nandidy ireo mpitariky ny Fiangonana efatra izay nitana toerana ambony mba hibebaka (tahaka ny handidiany ny ankamaroantsika ihany koa) noho ny tsy fampianarany araky ny tokony ho izy ny zanak’izy ireo “araka ny didy” ary noho ny tsy “[fah]azoto[any] sy ny [tsy] [f]ikarakara[n’izy ireo] bebe kokoa [ny tao] an-tokantrano” (jereo nyF&F 93:41–50). Nibebaka ny rahalahin’i Jareda ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nitsangana teo amin’ny rahona ny Tompo ary niresaka taminy “nandritra ny adiny telo … nandevileveny azy noho izy tsy nahatsiaro ny hiantso ny anaran’ ny Tompo” (Etera 2:14). Satria tena naneho fahavononana ny handray andraikitra noho izany famaizana mahery vaika izany ny rahalahin’i Jareda dia nomena tombontsoa mba hahita sy handray fampianarana nivantana avy tamin’ilay Mpanavotra izay mbola tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahany izy taty aoriana (jereo nyEtera 3:6–20). Ny vokatry ny famaizan’Andriamanitra dia ny fibebahana izay mitarika amin’ny fahamarinana (jereo nyHebreo 12:11).

Ankoatra ny fandrisihana antsika hibebaka dia afaka manadio sy manomana antsika amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa ara-panahy ny traikefa azo avy amin’ny fizakana ny famaizana. Hoy ny Tompo: “Tsy maintsy sedraina amin’ny zava-drehetra ny vahoakako mba ho voaomana izy ny handray ny voninahitra izay ananako ho azy, dia ny voninahitr’ i Ziona; ary izay tsy hizaka famaizana dia tsy mendrika ny fanjakako” (F&F 136:31). Tany amin’ny toerana iray hafa Izy dia nilaza hoe: “Fa ireo rehetra izay tsy hiharitra famaizana fa handà Ahy dia tsy azo hamasinina” (F&F 101:1–5; jereo koa nyHebreo 12:10). Araky ny nolazain’ny Loholona Paul V. Johnson tamin’ity maraina ity hoe tokony hitandrina isika mba tsy hankahala ireo zavatra izay manampy antsika indrindra hitafy ny toetra araka an’Andriamanitra.

Nanorina vondrom-piaraha-monin’i Ziona tao Helama ireo mpanara-dia an’i Almà, kanefa dia voababo izy ireo avy eo. Tsy mendrika azy ireo ny fijaliana nahazo azy, kanefa ny rakitsoratra dia manambara ny mifanohitra amin’izany hoe:

“Ny Tompo dia mahita fa mety ny hamaizana ny olony; eny, mizaha toetra ny faharetany sy ny finoany Izy.

“Kanefa—na zovy na zovy no mametraka ny fitokiany Aminy, dia izy no hasandratra amin’ ny andro farany. Eny, dia toy izany no nitranga tamin’ity vahoaka ity” (Môsià 23:21–22).

Nampahatajahan’ny Tompo izy ireo ary nohamaivaniny ny enta-mavesany ka zara raha tsapan’izy ireo izany teo an-tsorony, ary farany dia nohafahany izy ireo (jereo nyMôsià 24:8–22). Nahazo tanjaka tsy hay refesina ny finoan’izy ireo tamin’ny alalan’ny zavatra niainany, ary nanomboka teo dia nanana fifandraisana manokana tamin’ny Tompo izy ireo.

Mampiasa fomba famaizana na fanitsiana iray hafa ihany koa Andriamanitra mba hitarihana antsika any amin’ny hoavy izay tsy hitantsika na tsy afaka ny ho hitantsika ankehitriny, kanefa Fantany fa lalana tsaratsara kokoa ho antsika izany. Nizara ny traikefany manokana ny Loholona Hugh B. Brown, izay mpikambana iray tao amin’ny Roambinifololahy ary mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Nitantara mikasika ny fividianana toeram-pambolena sy fiompiana iray tsy nisy fikarakarana tany Kanada taona maro lasa izy. Raha teo am-panadiovana sy teo am-pikarakarana izany fananany izany izy dia nahita hazo fihinam-boa madinika izay nandrombona be efa ho 2 metatra latsaka teo ho eo ny haavony kanefa tsy nisy voany izany. Norantsanany tanteraka izany ary foto-dratsankazo kely sisa no navelany teo. Avy eo dia nahita zavatra nitete toy ny ranomaso teo amin’ny tendron’ireo foto-dratsankazo tsirairay ireo izy sahala amin’ireny hoe nitomany ireny ilay hazo fihinam-boa madinika ary nieritreritra izy fa naheno izany niteny hoe:

“Nahoana no nahavitanao an’izao tamiko? Efa nandrombona be aho. … Izao anefa dia norantsananao. Izao ny zavamaniry rehetra eto an-tanimboly dia hankahala ahy. … Nahoana aho no nataonao toy izao? Fa angaha moa tsy ianao no mpikarakara ity tanimboly ity.”

Namaly ny Loholona Brown hoe: “Izao no izy ry hazo fihinam-boa kely a! Izaho no mpikarakara ity tanimboly ity ary fantatro hoe tiako ho lasa inona ianao. Izaho tsy mikasa ny hanao anao ho hazo fihinam-boa tsotra na hazo fakana alokaloka. Tiako ianao ho hazo fihinam-boa kely izao, fa indray andro any ry hazo fihinam-boa kely, rehefa rakotry ny voankazo ianao dia hilaza amiko hoe: ‘Misaotra anao Andriamatoa Mpikarakara tanimboly, noho ny fitiavanao ahy ka nandrantsananao ahy.’”

Taona maro taty aoriana dia lasa manam-boninahitry ny tafika tao amin’ny Tafika Kanadiana izay nanompo tany Angletera ny Loholona Brown. Rehefa maty vokatry ny ady ny manam-boninahitra ambony iray dia ny Loholona Brown no manaraka tao anatin’ny filaharana tokony hampiakarina ho jeneraly, ary dia voantso tany Londres izy. Kanefa na dia mendrika tanteraka ny Loholona Brown aza izany fampiakarana galona azy izany dia tsy nomena azy satria noho izy Môrmôna. Ohatr’izao no fomba nilazan’ilay jeneraly mpibaiko izany: “Mendrika anao tokoa ity fanendrena ity, kanefa tsy afaka ny hanome izany anao aho.” Ilay zavatra izay nantenainy sy nivavahany ary niomanany nandritra ny folo taona dia votsotra teo am-pelantanan’ny Loholona Brown tamin’izany fotoana izany noho ny fanavakavahana tsotra izao. Rehefa nanohy ilay tantara ny Loholona Brown dia nahatsiaro an’izao:

“Nandray ny fiaran-dalambiako aho ary nody … niaraka tamin’ny fo naratra sy fanahy feno alahelo. … Rehefa tonga tao amin’ny laiko aho, … dia natsipiko teo amin’ny fandriako ny satroko. Namokona ny totohondriko aho, ary nanondro izany tany an-danitra. Hoy aho hoe: “Nahoana aho no nataonao toy izao ry Andriamanitra? Nanao izay rehetra vitako aho mba ho mendrika izany. Tsy misy zavatra tokony ho azoko natao—na zavatra tokony ho nataoko—ka tsy nataoko. Nahoana aho no nataonao toy izao?” Nangidy tamiko toy ny fangidian’ny afero izany.

“Avy eo dia naheno feo aho, feo izay fantatro. Ny feoko ihany izany, izay nilaza hoe: “Izaho no mpikarakara ity tanimboly ity ary fantatro hoe tiako ho lasa inona ianao.” Niala tao anatiko ilay alahelo ary nandohalika teo akaikin’ny fandriako aho mba hangataka famelan-keloka tamin’ny tsy fanehoako fankasitrahana. …

“… Ankehitriny, efa ho 50 taona aty aoriana, dia miandrandra any amin’[Andriamanitra] aho ary milaza hoe: “Misaotra anao ry mpikarakara tanimboly noho ny fanapahanao ahy synoho ny fitiavanao ahy ka nandratranao ahy.’”5

Fantatr’Andriamanitra hoe tokony ho lasa inona i Hugh B. Brown ary fantany izay zavatra ilaina mba hahatanteraka izany, ary dia nahodiny ny lalany mba hanomanana azy amin’ilay andraikitra masina ho apôstôly.

Rehefa maniry sy miezaka amin-kitsimpo ny ho mendrika ireo zavatra lehibe andrasan’ny Raintsika any an-danitra amintsika isika, dia hataony izay hahazoantsika ny fanampiana rehetra ilaintsika na izany fampiononana, na fampaherezana na famaizana. Raha manaiky izany isika dia hiseho amin’ny endriny maro sy avy amin’ny loharanon-javatra maro ny fanitsiana izay ilaina. Mety hitranga mandritra ny vavaka ataontsika izany rehefa miresaka ao an-tsaina sy ao am-pontsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo nyF&F 8:2). Mety hitranga amin’ny valim-bavaka izany izay milaza hoe: “Tsia,” na mifanohitra amin’izay nantenaintsika. Mety hitranga mandritra ny fandalinantsika ny soratra masina ny famaizana ary ampahatsiahivina amintsika rehefa misy lesoka na tsy fankatoavana na tsy firaharahiana fotsiny ny tokony hatao.

Mety tonga amin’ny alalan’ny olon-kafa koa ny fanitsiana, indrindra avy amin’ireo olona nentanin’Andriamanitra ara-panahy hitondra ilay fahasambarana eo amintsika. Napetraka ato amin’ny Fiangonana ankehitriny ny apôstôly, mpaminany, eveka ary ireo hafa toy ny tamin’ny andro fahiny “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy” (Efesiana 4:12). Mety tonga teo aminareo toy ny antso natao mba hibebahanareo na hiovanareo ny zavatra sasantsasany voalaza tamin’ity fihaonambe ity ary raha ampiharina dia hampiakatra antsika amin’ny toerana ambony kokoa. Afaka mifanampy isika amin’ny maha-mpiara-mivavaka antsika satria izany no antony voalohany nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonana. Na dia ianjadian’ny fitsikerana feno haratsiam-panahy avy amin’olona izay manambany sy tsy tia antsika aza isika, dia manampy ny fananana halemem-panahy ampy mba handinihana ny toe-javatra misy sy hianarana lesona avy amin’izany izay mety ho tombontsoantsika.

Mety avy amin’ny vady koa ny fanitsiana, izay irariana mba ho feno hatsaram-panahy. Ny Loholona Richard G. Scott, izay vao avy niresaka tamintsika teo dia nahatsiaro ny fotoana nanoroan’ny vadiny Jeanene azy hevitra fony izy ireo vao nivady ny mba hijereny mivantana ireo olona rehefa miresaka amin’izy ireo izy. “Mijery ny gorodona ianao, na miandrandra any amin’ny valin-drihana na eny amin’ny varavarankely fa tsy any amin’ny masony,” hoy izy. Nandray am-po izany fanitsiana feno fitiavana izany izy ary nahatonga azy hahomby kokoa izany teo am-panoroana hevitra olona sy teo amin’ny fiarahana miasa tamin’olona. Tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara ahy teo ambany fitarihan’ny Filoha Scott tamin’izany andro izany, dia azoko hamarinina fa tena mijery mivantana ny mason’ilay olona izy mandritra ny resaka ifanaovana. Ary ampiako izany hoe rehefa misy olona mila fanitsiana dia tena latsa-paka izany fijery izany.

Afaka manitsy ary tokony hanitsy ny ray aman-dreny, eny tokony haneho famaizana mihitsy aza raha tian’izy ireo tsy ho eo ambany fangejan’ny fahavalo sy ny mpanohana azy ireo zanany. Nanambara ny Filoha Boyd K. Packer fa raha misy olona iray manana fahafahana hanitsy olona iray hafa ka tsy manao izany dia tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany izy. Tsarovy fa ny fanitsiana dia tokony hatao haingana amin’ny fomba mivantana na mazava sy “rehefa entanin’ ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao” (F&F 121:43).

Tsarovy fa rehefa tsy mety mandray ny fanitsiana isika dia mety hitsahatra tsy hanao izany intsony ireo olon-kafa na dia eo aza ny fitiavany antsika. Raha toa ka mamerimberina tsy manao ny zavatra asaina ataontsika avy amin’ny famaizan’ilay Andriamanitra be fitiavana isika, dia hitsahatra tsy hanao izany koa Izy. Efa nilaza Izy fa “ny Fanahiko dia tsy hitaona mandrakariva ny olona” (Etera 2:15). Raha ny marina dia tokony hivoaka avy ao amintsika ihany ny ankamaroan’ny famaizana ho an’ny tenantsika—izany hoe tokony ho lasa olona manitsy ny tenantsika isika. Ny iray tamin’ireo fomba nahatonga ny Loholona Joseph B. Wirthlin ilay mpiara-miasa taminay efa nodimandry ho lasa mpianatra madio sy be fanetren-tena, dia tamin’ny alalan’ny fanombantombanany ny zava-bitany teo amin’ireo andraikitra sy asa tsirairay niandraiketany. Noho ny faniriany hanome fahafahampo an’Andriamanitra dia nanolo-tena ny hianatra izay zavatra azony natao tsara kokoa izy ary avy eo dia nampihariny tamim-pahavitrihana ny lesona tsirairay nianarany.

Afaka ny hahatratra ny zavatra lehibe andrasan’Andriamanitra amintsika isika tsirairay na lehibe na kely ny fahaiza-manaontsika na ny talentantsika. Nanambara i Môrônia hoe: “Raha mandà ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’ izany dia ampy ho anareo ny fahasoavan’[Andriamanitra], fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy” (Môrônia 10:32). Ny ezaka amim-pikirizana sy amim-panoloran-tena avy amintsika dia handraisana izany famindram-po manome hery sy fahafaha-manao zavatra izany, ezaka izay azo antoka fa ahitana ny fanekena ny famaizana avy amin’Andriamanitra sy fibebahana amin-kitsimpo sy feno. Aoka isika hivavaka mba hahazo izany fanitsiany entanim-pitiavana izany.

Hitahy anareo anie Andriamanitra eo amin’ny ezaka ataonareo mba hahatratrarana ny zavatra lehibe andrasany ary Izy anie hanome anareo fifaliana sy fiadanana mitafotafo izay mazava ho azy fa miseho aorian’izany. Fantatro fa izaho sy ianao dia afaka ny ho iray ao amin’Andriamanitra sy Kristy. Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena sy amim-pahatokian-tena ny amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanaka Malalany aho ary ny amin’ny hery anaty tena mahafaly ananantsika noho Izy Ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Liahona, Jan. 2001, 40.

  2. Kenda Creasy Dean, Almost Christian: What the Faith of Our Teenagers Is Telling the American Church (2010), 17.

  3. Dean, Almost Christian, 30; jereo koa ny Christian Smith and Melinda Lundquist Denton, Soul Searching: The Religious and Spiritual Lives of American Teenagers (2005), 118–71.

  4. Dean, Almost Christian, 37.

  5. Hugh B. Brown, “The Currant Bush,” Liahona, Mar. 2002, 22, 24.