2010–2019
Ireo Fanalahidy Masin’ny Fisoronana Aharôna
Aprily 2011


2:3

Ireo Fanalahidy Masin’ny Fisoronana Aharôna

Tian’ny Tompo ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsirairay mba hanasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy—manomboka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Nanapa-kevitra ny hiompy bitro ny iray tamin’ireo zanako lahy, tamin’izy 12 taona. Nanangana ny tranony izahay ary naka bitrolahy lehibe iray sy bitrovavy roa tamin’ny mpifanolobodirindrina taminay. Tsy noeritreretiko mihitsy ny zavatra hitranga aminay. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia feno bitro kely marobe tao amin’ny tranokely fiasanay. Ankehitriny efa lehibe ny zanako lahy, dia mibaboka ny hagagako tamin’ny fomba nifehezan’izy ireo izany—tao ny alikan’ny mpifanolobodirindrina taminay izay matetika tafiditra ao anaty tranokely ary nihinana ny sasany tamin’ireo bitrokely.

Kanefa dia tohina tokoa ny foko rehefa nahita ny zanakolahy sy ireo rahalahiny niandry sy niaro ireto bitro. Ary ankehitriny, efa lasa ray sy vady mpihazona ny fisoronana mendrika izy ireo izay tia sy mampahery ary miaro ny fianakavian’izy ireo.

Feno fitiavana tokoa ny fahatsapako rehefa mijery anareo zatovolahin’ny Fisoronana Aharôna izay miandry, manohana, ary mampahery ireo manodidina anareo, anisan’izany ny fianakavianareo sy ny mpikambana ao amin’ny kôlejinareo. Tena tiako be ianareo.

Vao tsy ela akory aho no nanatrika zatovolahy 13 taona notendrena ho filohan’ny kôlejin’ny diakona. Taorian’izay dia nandray ny tanany ny eveka ary niantso azy hoe “ry filoha,” ary nanazava ny mpikambana tao amin’ny kôlejy hoe “Miantso azy amin’ny maha-filoha azy aho mba hanomezan-danja ny maha-masina ny antsony. Ny filohan’ny kôlejin’ny diakona dia iray amin’ireo olona efatra ao amin’ny paroasy izay hany mihazona ny fanalahidin’ny fiadidiana. Amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo, miaraka amin’ny mpanolotsainy, no hitarihany ny kôlejy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo.” Ity eveka ity dia nahatakatra ny herin’ny fiadidiana izay tarihan’ny filoha izay mihazona sy mampiasa ny fanalahidy masina. (Jereo ny F&F 124:142–43.)

Avy eo aho dia nanontany ity zatovolahy ity raha toa ka vonona izy hiahy izany kôlejy lehibe izany. Ny valinteny nolazainy dia hoe: “Sahiran-tsaina aho. Tsy fantatro hoe inona no ataon’izany filohan’ny kôlejin’ny diakona izany. Azonao lazaina ahy ve?”

Nilaza taminy aho fa manana episkôpa mahafinaritra izy sy mpanoro hevitra hanampy azy hahita fahombiazana ary ho mpitariky ny fisoronana matanjaka. Fantatro fa hanaja ny fanalahidy masin’ny fiadidiana izay hazoniny izy ireo.

Avy eo aho dia nanontany ity fanontaniana ity: “Moa ve ianao mieritreritra fa ny Tompo dia niantso anao amin’ity antso manan-danja ity ka tsy hanome fitarihana ho anao?”

Nieritreritra izy ary namaly hoe: “Aiza no ahitako izany?”

Taorian’ny fifanakalozanay hevitra dia takany fa hahazo fitarihana izy ao anaty soratra masina, ny tenin’ny mpaminany velona, ary ny valim-bavaka. Nanapa-kevitra izahay hikaroka soratra masina ho toeram-panombohana amin’ny fikatsahany hianatra ny andraikitra amin’ny antsony vaovao.

Nojerenay tao amin’ny fizarana faha-107 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny andininy faha-85. Izany dia milaza fa ny filohan’ny kôlejin’ny diakona dia miara-mivory amin’ny filankevitry ny mpikambana ao amin’ny kôlejiny sy mampianatra azy ireo ny adidiny. Voamarikay fa ny kôlejiny dia tsy kilasy fa filankevitry ny zatovolahy ary izy ireo dia hifampahery sy hifanohana, eo ambany fitarihan’ny filoha. Naneho fahatokiana aho fa ho filoha matanjaka izy izay hiankina amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo ary hanandriana ny antsony masina rehefa mampianatra ireo diakona namany mikasika ireo adidiny.

Avy eo dia nanontany azy aho: “Fantatrao fa hampianatra ireo diakona ny adidin’izy ireo ianao, fantatrao ve inona avy ireo adidy ireo?”

Ary dia nijery ny soratra masina indray izahay ary nahita hoe:

  1. Ny diakona dia notendrena mba hiambina sy ho mpanompo raikitra amin’ny Fiangonana (jereo F&F 84:111).

    Satria ny fianakaviana no rafitra fototra ao amin’ny Fiangonana, noho izany dia ao an-tokantranony no toerana manan-danja indrindra hahafahan’ny mpihazona ny fisoronana Aharôna manatontosa ny adidiny. Manome fanohanan’ny fisoronana izy ho an’ny rainy sy ny reniny rehefa eo am-pitarihana ny fianakaviana izy ireo. Miandry ny rahalahiny sy ny anabaviny koa izy, ary ny zatovolahy ao amin’ny kôlejiny sy ny mpikambana hafa ao amin’ny paroasy.

  2. Ny diakona dia tokony hanampy ny mpampianatra amin’ny adidiny rehetra eo am-piangonana rehefa misy fotoana ilàna izany (jereo ny F&F 20:57).

    Tsapanay fa raha toa ny diakona iray manampy amin’ny adidin’ny mpampianatra, dia mila mahafantatra ny adidin’izy ireo izy. Tao amin’ny soratra masina no nahitanay haingana ireo adidin’ny anjara fanompoan’ny mpampianatra mihoatra ny am-polony. (jereo nyF&F 20:53–59; 84:111). Ho traikefa lehibe no azon’ireo zatovolahy rehetra—ary ny rain’izy ireo, ny mpanoroheviny ary ny hafa—raha hanao tahaka ny nataon’ity zatovolahy ity: mijery ny soratra masina ary mahita amin’ny alalan’ny tenantsika mivantana ny adidintsika. Mino aho fa ho betsaka amintsika no ho sanganehana—ary handray fitaomam-panahy—amin’ny zavatra hitantsika. Ny Adidy amin’Andriamanitra dia mirakitra famintinana tena manampy amin’ireo adidy ao amin’ny Fisoronana Aharôna ary loharano lehibe ho an’ny fivelarana ara-panahy. Mamporisika anareo aho hampiasa tsy tapaka izany.

  3. Ny diakona sy ny mpampianatra ihany koa dia tokony “hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’ i Kristy” (F&F 20:59; jereo ny andininy46 ary 68 ho an’ny mpisorona).

    Maro ireo zatovolahy no mieritreritra fa ny zavatra iainan’ny misiônera dia manomboka rehefa feno 19 taona izy ireo ary hiditra ny Foibe Fanofanana ho Misiônera. Mianatra isika amin’ny alalan’ny soratra masina fa manomboka mialoha be izany. Tian’ny Tompo ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsirairay mba hanasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy—manomboka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manaraka, mba hanampy ity filoha tanora ity hahatakatra fa izy ary izy irery ihany no filoha mpiahy ao amin’ny kôlejy, dia nanoro hevitra azy aho hamaky in-telo ny adidy voalohany voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:85. Namaky izy hoe “Miahy diakona roa ambin’ny folo.” Nanontany azy aho: “Inona no lazain’ny Tompo anao manokana momba ny adidinao amin’ny maha-filoha anao?”

“Mazava ho azy” hoy izy, “fa maro ireo zavatra tonga tao an-tsaiko rehefa nifampiresaka isika. Mino aho fa ny Ray any an-danitra dia mila ahy ho filohan’ny diakona roa ambin’ny folo. Dimy aminay fotsiny no tonga, ary ny iray tonga tsindraindray. Koa ahoana no hahazoantsika izany roa ambin’ny folo izany?”

Tsy mbola nahatakatra ity soratra masina ity tahaka ny nahatakarany izany aho, kanefa, izy no mihazona ny fanalahidy masinaizay tsy hananako. Nampianarin’ity filohan’ny kôlejin’ny diakona vao 13 taona monja ity aho momba ny herin’ny faminaniana izay tonga ao amin’ireo manana ny fanalahidy masin’ny fiadidiana, tsy hijerena ny faharanitan-tsaina, na ny habe na ny taona.

Namaly azy aho hoe: “Tsy fantatro. Ahoana no hevitrao?”

Ary dia namaly izy hoe: “Mila mitady hevitra isika hanao izay hahatongavany. Fantatro fa misy roa hafa izay tokony ho ato amin’ity kôlejy ity, kanefa tsy tonga izy ireo, ary tsy fantatro izy ireo. Angamba afaka ny ho tonga namana akaikin’ilay iray aho ary ny mpanolotsaiko amin’ilay iray hafa. Raha tonga daholo izy ireo, dia ho fito izahay, kanefa aiza no hahitanay ny dimy ambiny?”

“Tsy fantatro,” izay no valinteniko “fa raha tian’ny Ray any an-danitra ho tonga eo izy ireo, dia fantany izany.”

“Dia mila mivavaka izahay amin’ny maha-fiadidiana sy kôlejy anay mba hahitana izay tokony hatao.” Nanontany izy avy eo hoe: “Moa ve aho tompon’andraikitra amin’ireo zatovolahy eo amin’ny taonan’ny diakonaato amin’ny paroasintsika, eny fa na dia ireo tsy mpikambana aza?”

Tao anatin’ny tahotra kely no namaliako hoe: “Raha araka ny fijerin’ny Tompo, moa ve ny evekanao manana andraikitra fotsiny ihany amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny sa ho an’ireo rehetra izay monina ao amin’ny faritra hiadidiany?”

Takatr’ity “mpanompo vonona” ity izany. Takany ny andraikitry ny diakona, ny mpampianatra, ary ny mpisorona tsirairay amin’ny fiandrasana ny Fiangonana sy fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy.

Miverina any amin’ny soratra masina ny eritreriko mandinika ireto zatovolahy sy zatovovavintsika mahafinaritra an’ny Fiangonana ireto—iray amin’ireo nolazain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith, dia ny hoe “tsy mbola tanteraka izany saingy ho tanteraka tsy ho ela” (Joseph Smith—Tantara 1:41)—“Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, … ary ny zatovonareo hahita fahitana” (Joela 2:28).

Ny “zavatra tonga” tao an-tsain’ity filoha tanora ity dia ny fahitana ny tian’ny Ray any an-danitra ataon’ity kôlejy ity. Izany dia ny fanambarana fa mila mampahatanjaka ireo mpikambana mavitrika tao amin’ny kôlejiny izy, hanavotra ireo izay sahirana, ary hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy. Ireo rehetra ireo no nanainga azy ka nahatonga azy hanao drafitra hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.

Ny Tompo dia nampianatra ity filoha tanora ity fa ny dikan’ny hoe fisoronana dia ny fandehanana manompo ny hafa. Tahaka ny nazavain’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson, hoe: “Ny fisoronana dia tsy tena hoe fanomezana fa fahafahana manompo, fahafahana mampitraka, fahafahana mitahy ny fiainan’ny hafa” (“Our Sacred Priesthood Trust,” Liahona Mey 2006, 57).

Ny asa fanompoana no tena fototry ny fisoronana—asa fanompoana atao amin’ny hafa izay efa nasehon’ny Mpamonjy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no fisoronany, eo amin’ny fanompoana Azy isika, ary efa nasehony ny mpihazona fisoronana rehetra ny fomba hanompoana am-pahatokiana ao amin’ny fisoronana.

Manasa ireo fiadidian’ny kôlejy tsirairay aho mba hifanakalo hevitra, handalina sy hivavaka tsy tapaka mba hianarana ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny kôlejinareo ary mandehana dia ataovy izany. Ampiasao ny boky Adidy amin’Andriamanitra hanampy anareo hampianatra ny mpikambana ao amin’ny kôlejinareo ny adidin’izy ireo. Manasa ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy aho hanohana ny filohan’ny kôlejinareo ary handray ny toroheviny raha mianatra sy manatontosa am-pahamarinana ny adidinao amin’ny fisoronana rehetra ianao. Ary manasa antsika tsirairay avy aho hijery ireo zatovolahy miavaka ireo tahaka ny hijeren’ny Tompo azy—izay loharano mahery vaika hananganana sy hampahatanjaka ny Fanjakany eto ankehitriny.

Mihazona ny Fisoronana Aharôna izay naverin’i Jaona Mpanao Batisa tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao akaikin’i Harmony, Pennsylvania ianareo ry zatovolahy mahafinaritra. Ny fisoronanareo dia mihazona ny fanalahidy masina entina hamohana ny varavarana ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra hanatonany ny zanakalahiny, Jesoa Kristy, ary hanarahany Azy. Izany dia azo avy amin’ny alalan’ny “filazantsaran’ny fibebahana, ary ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana” ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro; ary, “ny fanompoan’ny Anjely.” (F&F 13:1; Joseph Smith—Tantara 1:69). Ianareo dia tena mpanompo izay tsy maintsy madio sy mendrika, mahatoky, ary lehilahy mahatoky ao amin’ny fisoronana amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.

Satria nahoana? Henoy ny tenin’ny Fiadidiana Voalohany malalantsika, izay miantefa amintsika tsirairay avy amin’ny Andraikitra amin’Andriamanitra:

“Manana ny fahefana hanatanteraka ny ôrdônansy ao amin’ny Fisoronana Aharôna ianareo. … Hitahy lehibe tokoa ny fiainan’ireo izay manodidina anareo ianareo. …

Ny Ray any an-danitra dia manana fahatokiana lehibe aminareo ary dia manana iraka manan-danja mba hotontosainareo.” (Fulfilling My Duty to God: For Aaronic Priesthood Holders [2010], 5).

Fantatro fa marina ireo teny ireo ary mivavaka aho mba hananantsika tsirairay avy izany fijoroana ho vavolombelona izany. Ary lazaiko ireo zavatra ireo amin’ny anaran’ilay izay ny fisoronany no hazonintsika, dia i Jesoa Kristy, amena.