Fijoroana ho Vavolombelona
Ny fototry ny fahazoana sy fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsotra, mazava ary vitan’ny olona tsirairay.
Iray amin’ireo fitahiana lehibe teo amin’ny fiainako nandritra ny taona maro ny nananako fahafahana ho voahodidin’ny tanoran’ny Fiangonana sy niarahana niasa tamin’izy ireo. Ireo fiarahana sy ireo finamanana ireo dia raisiko ho isan’ireo fotoana mamy sy sarobidy indrindra teo amin’ny fiainako. Izy ireo ihany koa no fototry ny ankamaroan’ny fiheverako ny zava-drehetra ho tsara ho an’ny hoavin’ny Fiangonana sy ny zanak’olombelona ary izao tontolo izao.
Nandritra ireo fotoana nifaneraserako tamin’ireo tanora ireo koa no nananako fahafahana niresaka tamin’ny sasantsasany tamin’izy ireo izay nanana fisalasalana na olana samihafa teo amin’ny fijoroany ho vavolombelona. Na amin’ny endriny maro samihafa aza ny antsipiriany ao anatin’izany ary indraindray tena miavaka, dia maro amin’ireo fanontaniana sy antony miteraka fisalasalana no toa saika mitovitovy hatrany. Torak’izany koa ireo olana sy ahiahy ireo dia tsy voafetra ho an’ny vondron’olona manokana na sokajin-taona iray. Ireo olana ireo dia mety hitranga eo amin’ireo mpikambana izay efa taranaka maro no naha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana, sy eo amin’ireo mpikambana vaovaon’ny Fiangonana ary koa eo amin’ireo vao manomboka mahafantatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fanontanian’izy ireo matetika dia vokatry ny faniriana te-hahafantatra marina na ny fahalianana. Koa satria tena manan-danja sy zava-dehibe tokoa ho antsika tsirairay avy ny vokatr’ireo fanontaniana ireo dia tsara raha dinihina ny momba ny fijoroantsika ho vavolombelona. Raha ny toe-javatra misy eo amintsika Olomasin’ny Andro Farany izao, ny fijoroana ho vavolombelontsika dia raisintsika ho tenivavolombelona azo antoka ananantsika momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay azo avy amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Raha toa ka tsotra sy mazava ny hoe fijoroana ho vavolombelona ao anatin’izany fanambarana mifono famaritana izany, dia fanontaniana manan-danja maro no aterak’ity fanambarana ity toy ny hoe: Iza no mendrika hahazo fijoroana ho vavolombelona? Ahoana no fomba ahazoan’ny olona iray ilay fanambarana ilaina? Inona avy ireo dingana arahana ahazoana fijoroana ho vavolombelona? Moa ve zava-miseho iray miavaka sa zavatra mandeha miandalana ny fahazoana ny fijoroana ho vavolombelona? Ireo fanontaniana tsirairay ireo sy ny hafa dia manana zana-panontaniana hafa miankina aminy kanefa ny fototry ny fahazoana sy fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsotra, mazava ary vitan’ny olona tsirairay.
Hamaly fohifohy an’ireo fisalasalana mety hitranga aho ary avy eo dia hanambara ireo hevitra izay nozarain’ireo tanora namana mahatoky vao haingana izay niaina zavatra manokana teo amin’ny fahazoan’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona. Nanana fahafahana koa izy ireo hanampy ny hafa izay nianjadian’ny olana na fahasahiranana mikasika ny lafiny ara-pinoana.
Voalohany, iza no mendrika hahazo fijoroana ho vavolombelona? Ireo rehetra izay vonona handoa ny sarany—izany hoe mitandrina ireo didy—dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona. “Koa mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo, mba handre izay rehetra te handre” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11). Antony fototra iray nisian’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny ny mba “hahazoan’ ny olona tsirairay kosa miteny amin’ ny anaran’ ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao; Mba ho afaka hitombo eto an-tany koa ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:20–21).
Faharoa, ahoana no fomba ahazoan’ny olona iray ilay fanambarana ilaina ary inona avy ireo dingana fototra arahana mba hahazoana izany? Nazava ary tsy niova mihitsy ny fomba handraisana izany hatramin’izay. Ilay fampanantenana nomena mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia mihatra koa amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana hafa.
“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo”—izany hoe nihaino, namaky, nandalina ary nisaintsaina ireo fanontaniana mipetraka—“hanontani[o] Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto”—izany hoe hivavaka am-pisaintsainana sy momba ny zavatra iray manokana ary hivavaka amim- panajana ianao miaraka amin’ny fanoloran-tena ny hanaraka ny valim-bavaka azonao—“ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.
“Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5).
Fahatelo, moa ve zavatra miavaka manokana miseho indray mandeha ny fahazoana ny fijoroana ho vavolombelona sa zavatra mandeha miandalana? Ny fijoroana ho vavolombelona dia toy ny zava-manan’aina iray izay mitombo sy mivelatra rehefa karakaraina araky ny tokony ho izy. Mila fikolokoloana, sy fikarakarana ary fiarovana izany mba haniriany sy hiroboroboany. Torak’izany koa, raha toa ka tsy miraharaha na tsy mahavita ireo dingana hamelombelomana izany fijoroana ho vavolombelona izany isika dia hihena izany na ho very. Mampitandrina ny soratra masina fa ny fandikana ny didin’Andriamanitra dia miteraka fahaverezan’ny Fanahy, ary mety hitarika amin’ny fandavana ny fijoroana ho vavolombelona izay efa nananana teo aloha aza izany (jereo ny F&F 42:23).
Mamelà ahy ianareo hizara 10 amin’ireo fomba fijery sy sosokevitra avy amin’ireo tanora namako mahatoky sy sarobidy ireo. Ireo hevitra izay nozarainy dia misy fitoviana eo amin’ny fomba fisainana sy zavatra niainan’izy ireo; hany ka mety tsy ho zava-baovao ho antsika tsirairay avy izany. Mampalahelo anefa fa mandritra ny fotoana mampahory sy mampanahirana antsika indrindra indrindra no mety hanadinoantsika vetivety na tsy hieritreretantsika hoe azo ampiharina eo amintsika manokana izany.
Voalohany, sarobidy ny olona tsirairay satria samy zanak’Andriamanitra daholo isika. Fantany sy tiany isika ary maniry Izy ny hahombiazantsika sy ny hiverenantsika any Aminy. Tokony hianatra hatoky ny Fitiavany sy ny Fotoanany isika toy izay ireo fanirian’ny tenantsikaizay indraindray tsy maharitra sy tsy tonga lafatra.
Faharoa, raha toa ka mino tanteraka ilay fiovam-po mahery vaika voalaza ao amin’ny soratra masina isika (jereo nyMôsià 5:2; Almà 5:12–14, 26), dia tokony hahatakatra fa izany dia mitranga miandalana, fa tsy eo no ho eo na tonga dia mitranga amin’ny endriny feno, ary miseho mba ho valin’ny fanontaniana, na zavatra iainana na olana voafaritra tsara ary koa amin’ny alalan’ny fandalinana sy vavaka nataontsika.
Fahatelo, ilaintsika ny mahatsiaro fa tanjona iray ifotoran’ity fiainana ity ny hizahana toetra sy hisedraina antsika ary noho izany dia tsy maintsy mianatra ny hivoatra isika avy amin’ireo olana atrehintsika ary mankasitraka noho ireo lesona nianarana izay tsy ho azo avy amin’ny fomba tsotsotra fotsiny.
Fahaefatra, tokony mianatra ny hatoky an’ireo zavatra izay inoantsika na fantatsika isika mba hanampiantsika ny tenantsika mandritra ny fotoan’ny fisalasalana na eo anatrehan’ireo olana izay manahirana antsika.
Fahadimy, araky ny nampianarin’i Almà azy, ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona dia matetika fitohizam-pivoarana tsikelikely miainga avy amin’ny fanantenana, avy eo ny finoana ary farany ny fahafantarana ny fahamarinan’ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana na ny filazantsara mihitsy (jereo ny Almà 32).
Fahaenina, ny fampianarantsika ny hafa ireo zavatra fantatsika dia manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona rehefa manorina ny an’ny olona iray hafa isika. Rehefa manome vola na sakafo ny olona iray ianao dia mihena ny anjaranao. Kanefa rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ianao dia mihamatanjaka sy mitombo izany na ho an’ilay mpizara na ho an’ilay mpandray.
Fahafito, tokony hanao ireo zava-madinika nefa tena ilaina isika isan’andro ary tsy tapaka. Hampahatanjaka ny finoantsika ary hanasa ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina sy ny filazantsara, ny fanatrehana ny fivoriam-piangonana, ny fandehanana any amin’ny tempoly, ny fanatanterahana ny famangiana sy fampianarana isan-tokantrano ary ireo andraikitra hafa. Rehefa tsy manao ireo zavatra ireo isika dia mety ho tandindomin-doza ny fijoroantsika ho vavolombelona.
Fahavalo, tsy tokony ho faritantsika ho ambony kokoa ireo fenitra tokony iainan’ny hafa raha oharina amin’ny antsika manokana. Matetika loatra isika no mamela ny fahadisoana na ny tsy fahombiazan’ny hafa, indrindra ireo mpitarika na ireo mpikamban’ny Fiangonana, hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ny tenantsika na momba ny fijoroana ho vavolombelontsika. Tsy tokony ho fomba fialan-tsiny noho ny fahalementsika mihitsy ireo olan’ny hafa.
Fahasivy, tsara ny mahatsiaro fa ny fanamelohantsika be loatra ny tenantsika rehefa manao fahadisoana dia mety hiteraka zava-doza be mitovy amin’ny tsy firaharahiana ireo fotoana tena ilantsika ny fanaovana fibebahana.
Ary fahafolo, tokony ho mazava amintsika hatrany fa ny Sorompanavotan’i Kristy dia miasa tanteraka sy tsy tapaka eo amintsika tsirairay avy rehefa mamela izany hiasa eo amintsika isika. Avy eo, dia hirindra araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra eny fa na dia mbola sahirana aza isika amin’ireo zavatra hafa madinidinika, na ireo fahazaran-dratsy hafa na ireo ampahany tsy ampy eo amin’ny finoantsika.
Feno fankasitrahana aho noho ireo fomba fijery, sy tanjaka ary fijoroana ho vavolombelona azo halain-tahaka ananan’ireo tanora maro namako sy nifanerasera tamiko. Rehefa miaraka amin’izy ireo aho dia mahazo hery ary rehefa fantatro fa miaraka amin’ny hafa izy ireo dia faly aho noho ny fahalalana ireo zavatra tsara izay ataon’izy ireo sy noho ny asa fanompoana izay ataony amin’ny anaran’Ilay Tompo izay tompoiny sy ezahiny hankatoavina.
Manao zavatra tsara sy manan-danja ny olona satria manana fijoroana ho vavolombelona. Na dia marina aza izany dia mahazo fijoroana ho vavolombelona koa isika noho ny zavatra ataontsika. Hoy i Jesoa hoe:
“Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.
Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:16–17).
“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15).
Tahaka an’i Nefia sy Môrmôna fahiny dia “tsy mahalala ny zava-drehetra aho” (1 Nefia 11:17; jereo koa ny Tenin’i Môrmôna 1:7) kanefa mamelà ahy ianareo hilaza izay fantatro.
Fantatro fa velona sy tia antsika Andriamanitra Raintsika any an-danitra. Fantatro fa Jesoa Kristy, ilay Zanaka lahitokany miavaka, no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary lohan’ity Fiangonana izay mitondra ny Anarany ity. Fantatro fa nitranga tamin’i Joseph Smith ireo zavatra izay nolazainy sy nampianariny mikasika ny famerenana ny Filazantsara amin’ny laoniny ho an’izao androntsika izao. Fantatro fa tarihin’ny apôstôly sy mpaminany isika ankehitriny ary ny Filoha Thomas S. Monson no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina mba hitahiana ny fiainantsika ary hampandrosoana ny asan’ny Tompo. Fantatro fa mendrika ny hahazo izany fahalalana izany isika ary raha toa ka sahirana ianareo dia afaka miantehitra amin’ireo fahamarinan’ireo fijoroana ho vavolombelona izay renareo teto amin’ity polpitra ity nandritra ity fihaonambe ity. Ireo zavatra ireo dia fantatro sy ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.