2010–2019
Mianatra ao amin’ny Fisoronana
Aprily 2011


2:3

Mianatra ao amin’ny Fisoronana

Raha toa ianao ka mazoto sy mankatò ao amin’ny fisoronana dia harena mirakitra fahalalana ara-panahy no harotsaka eo aminao.

Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo eto amin’ity fivorian’ny fisoronan’Andriamanitra ity. Anio hariva dia any amin’ny toerana maro samihafa no misy antsika ary amin’ny dingana isan-karazany eo amin’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana. Kanefa, na dia eo aza ny toe-javatra samihafa iainantsika dia mitovy ny zavatra ilaintsika. Dia ny mianatra ny andraikitsika ao amin’ny fisoronana sy ny mitombo amin’ny herintsika izay hanatanterahana azy ireo.

Fony aho diakona dia tsapako tokoa izany. Nonina tao amin’ny sampana kely iray an’ny Fiangonana tao New Jersey aho, tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Etazonia. Izaho no hany diakona tao amin’ilay sampana —tsy hoe hany diakona nanatrika fa hany diakona tao anaty lisitra. I Ted zokiko lahy no hany mpampianatra tao. Manatrika eto izy anio hariva.

Mbola diakona aho raha nifindra monina taty Utah ny fianakaviako. Taty aho dia nahita zavatra telo nahafinaritra efa tafaorina izay hanafaingana ny fivoarako ao amin’ny fisoronana. Ny voalohany dia filoha iray izay mahay ny hoe ahoana izany miara-mivory amin’ireo olona ao amin’ny kôlejiny manao filankevitra izany. Ny faharoa dia ny finoana lehibe an’i Jesoa Kristy izay mitarika amin’ilay fitiavana lehibe izay efa henontsika—dia ny fifankatiavana. Ary ny fahatelo dia ny faharesen-dahatra ifampizarana fa ny tanjona faratampon’ny fisoronana dia ny miasa ho amin’ny famonjena ny olona.

Tsy ilay hoe paroasy efa tafaorina tsara no nampiavaka izany. Ny zavatra nisy tao amin’io paroasy io dia afaka mitranga na aiza na aiza, na inona na inona karazana vondron’ny Fiangonana misy anao.

Ireo zavatra telo ireo dia mety efa tena iainana tsara ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana misy anao ka zara raha tsikaritrao akory. Ho an’ireo hafa dia mety tsy tsapanareo ny filàna fitomboana hany ka mety tsy ilaina ireo fanampiana ireo aminao. Na inona na inona zava-misy dia mivavaka aho mba ho ampian’ny Fanahy hahafahako manazava tsara azy ireo ka ho liana amin’izy ireo ianao.

Ny tanjoko raha hiresaka ireo zavatra telo ireo izay manampy hitombo ao amin’ny fisoronana dia ny hitaona anao hanisy lanja azy ireo sy hampiasa azy ireo. Raha manao izany ianao dia hiova tanteraka ho amin’ny tsara ny asa fanompoanao. Ary raha hilofosanao ny asa fanompoanao ao amin’ny fisoronana dia hitahy ireo zanak’Andriamanitra ianao mihoatra noho izay heverinao ankehitriny hoe azo tanterahina.

Ilay voalohany dia hitako raha noraisina tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona aho ary ny eveka no filohanay. Mety ho zavatra bitika izany aminao na tsy tsikaritra akory, kanefa nanome ahy ny lanjan’izany hoe hery ao amin’ny fisoronana izany, izay nanova ny asa fanompoako tao amin’ny fisoronana nanomboka tamin’io fotoana io. Izany dia nanomboka tamin’ny fomba nitarihany anay.

Raha ny fijeriko azy, ny fomba nandraisany ny hevitr’ireo tovolahy mpisorona dia tahaka ny hoe izahay no olona hendry indrindra teto an-tany. Niandry izy hoe tapitra niteny daholo izay te-hiteny. Nihaino no nataony. Ary rehefa nanapa-kevitr’izy ny amin’izay tokony hatao, dia toa namafisin’ny Fanahy taminay sy taminy ireo fanapahan-kevitra ireo.

Takatro ankehitriny fa tsapako tamin’izany ny zavatra tian’ny soratra masina ambara amin’ilay hoe ny filoha dia tokony miara-mivory manao filankevitra amin’ireo olona ao amin’ny kôlejiny.1 Ary taona maro taty aoriana, fony aho eveka niaraka tamin’ny kôlejin’ny mpisorona notantanako dia samy nandray fampianarana na izaho na ry zareo avy tamin’ny zavatra izay nianarako fony aho zatovolahy mpisorona.

Roapolo taona taty aoriana, fony aho eveka, dia nanana fahafahana aho nahita ny fahombiazan’ny filankevitra iray, tsy hoe ao anaty trano fiangonana ihany fa hatreny an-tendrombohitra ihany koa. Nandritra ny fiaraha-mientana iray tamin’ny andro Asabotsy, dia nisy mpikambana iray tao amin’ny kôlejinay very tany anaty ala tamin’ny alina. Raha ny fahalalako dia irery izy ary tsy nanana akanjo mafana na sakafo na fialofana. Nikaroka azy izahay fa tsy nahita.

Ny tsaroako dia hoe niara-nivavaka izahay, izaho sy ilay kôlejin’ny mpisorona, ary dia samy nasaiko niteny tsirairay avy eo. Tena nihaino tsara aho ary raha ny fahitako azy dia nifampihaino koa izy ireo. Afaka fotoana kely dia nisy fahatsapana fiadanana nitoetra taminay. Nahatsapa aho hoe avotra soa aman-tsara any ho any ilay mpikambana tao amin’ny kôlejinay.

Lasa nazava tamiko hoe inona no tokony ataon’ilay kôlejy ary inona no tsy tokony hataony. Rehefa nofariparitan’ireo izay nahita azy ny toerana tao an’ala izay nalehany mba ho avotra dia tsapako hoe izay tokoa ilay toerana. Fa ny fahagagana lehibe kokoa ho ahy dia ny nahitako ny herin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izay ananan’ny filankevitry ny fisoronana iray miray hina, izay nitarika ny fanambarana ho amin’ilay olona izay manana ny fanalahidin’ny fisoronana. Samy nitombo daholo izahay rehetra tamin’io andro io teo amin’ny lafin’ny herin’ny fisoronana.

Ny fanalahidy faharoa ho amin’ny fahalalana mitombo dia ny fananana fifankatiavana izay tonga noho ny finoana lehibe. Tsy azoko antoka hoe iza amin’ireo no mandeha aloha fa izy roa ireo dia toa samy misy isaky ny misy fianarana goavana sy haingana ao amin’ny fisoronana. Nampianatra izany antsika i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony.

Nandritra ireo andro nanombohan’ny Fiangonana tamin’ity fotoampitantanana ity dia nandray didy avy tamin’Andriamanitra izy ny hampiorina ny hery ao amin’ny fisoronana. Nahazo fitarihana izy hanorina sekoly ho an’ireo mpihazona fisoronana. Napetraky ny Tompo ny fepetra takiana dia ny tokony hisian’ny fifankatiavana teo anivon’ireo izay hampianatra sy ho hampianarina. Izao no tenin’ny Tompo mikasika ny famoronana toerana ho an’ny fianaran’ny fisoronana sy ny hoe tahaka ny ahoana izany ho an’ireo izay tokony hianatra ao:

“Mifandamìna ianareo; … manorena … tranon’ny fianarana, … tranon’ny filaminana. …

“Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy.”2

Fariparitan’ny Tompo eto ny zavatra izay efa hitanay dia ny herin’ny filankevitra iray na ny kilasy iray ao amin’ny fisoronana mba hahazoana fanambarana avy amin’ny Fanahy. Ny fanambarana no hany fomba ahafahantsika mahafantatra fa i Jesoa no Kristy. Izany finoana lehibe izany no zana-tohatra voalohany eo amin’ny tohatra hiakarana mba hianarana ireo fitsipiky ny filazantsara.

Ao amin’ny fizarana faha-88 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana ao amin’ny andininy faha-123 sy 124 dia antitranterin’ny Tompo ny fifankatiavana sy ny tsy fifanomezan-tsiny. Ny tsirairay dia voaray ao amin’ny sekolin’ny fisoronana naorin’ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavana iray miaraka amin’ny fananganan-tanana dia ny mba ho tonga “namana sy rahalah[y] … ao amin’ny famatoran’ny fitiavana.”3

Tsy manao izany fombafomba izany isika ankehitriny, saingy na aiza na aiza nahitako fianarana niavaka tao amin’ny fisoronana dia nisy hatrany izany famatoran’ny fitiavana izany. Hitako indray izany famatoran’ny fitiavana izany sady tamin’ny antony nahatonga ny fianarana ireo fahamarinan’ny filazantsara azy no tamin’ny naha-vokatr’izany azy. Ny fitiavana dia manasa ny Fanahy Masina mba hanatrika eo hanamafy ny fahamarinana. Ary ny fifalian’ny fianarana fahamarinana masina dia miteraka fitiavana ao amin’ny fon’ireo olona izay nifampizara izany traikefam-pianarana izany.

Marina ihany koa ny mifamadika amin’izany. Ny fifandirana na ny fialonana dia mampihena ny fahafahan’ny Fanahy Masina hampianatra antsika ary manakatsakana ny fahafahantsika mandray fahazavana sy fahamarinana. Ary ny fahatsapana fahadisoam-panantenana izay tsy maintsy ho vokatr’izany no misy ny masombolin’ny fifandirana sy ny fifanomezan-tsiny bebe kokoa eo anivon’ireo izay nanantena traikefam-pianarana izay tsy voarain’izy ireo.

Ireo mpihazona fisoronana izay miara-mianatra tsara ho ahy dia toa manana mpampihavana be hatrany eo anivony. Mahita fampihavanana ianao ao amin’ireo kilasin’ny fisoronana sy ao amin’ireo filankevitra. Izany no ilay fanomezam-pahasoavana hanampy ny olona hahita marimaritra iraisana raha ny hafa kosa mahita fahasamihafana. Fanomezam-pahasoavan’ny mpampihavana ny manampy ny olona hahita hoe ny zavatra voalazan’ny olona iray hafa dia mitondra anjara biriky hanorenana fa tsy fanakianana.

Rehefa ampy ny fitiavana madion’i Kristy sy ny faniriana ho tonga mpampihavana, dia tanteraka ny firaisankina eo anivon’ireo filankevitry ny fisoronana sy eo anivon’ireo kilasy. Mitaky faharetana sy fanetren-tena izany, nefa nahita ny fahatanterahan’izany aho na dia tamin’ny fotoana hoe sarotra aza ny olana ary na dia avy amin’ny karazana sokajy sy fihaviana tena samy hafa aza ireo olona tao amin’ny filankevitra na kilasy.

Azo atao ny manakatra ilay fenitra avo kokoa napetraky ny Tompo ho an’ny mpihazona fisoronana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny kôlejy. Azo tanterahina izany rehefa misy finoana sy fitiavana lehibe ary tsy misy fifandirana. Toy izao ny fepetra takian’ny Tompo mba hanomezany fankatoavana amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika: “Ary ny fanapahan-kevitra tsirairay raisin’ny iray amin’ireo kôlejy ireo dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny firaisan’ny feony; izany hoe, ny mpikambana tsirairay amin’ny kôlejy tsirairay dia tsy maintsy manaiky ny fanapahan-kevitra mba hahatonga ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanana hery sy fahefana mitovy eo amin’izy samy izy.”4

Ny fanampiana fahatelo ho an’ny fianarana ao amin’ny fisoronana dia tonga noho ny faharesen-dahatra iraisana mikasika ny antony hitahian’ny Tompo sy hatokisany antsika ka afaka mihazona sy mampiasa ny Fisoronany. Izany faharesen-dahatra izany dia ny hiasa mba ho famonjena ny olona. Izany faharesen-dahatra iraisana izany dia mitondra firaisan-kina eo anivon’ireo kôlejy. Afaka manomboka mianatra mikasika izany isika avy amin’izay voarakitra ao amin’ny soratra masina mikasika ny fomba nanomanana antsika fanahy zanakalahy talohan’ny nahaterahana ho amin’izany tombotsoa manokana izany dia ny hihazona ny fisoronana.

Mikasika ireo izay nomena fitokisana lehibe ao amin’ny fisoronana eo amin’ny fiainana dia nilaza ny Tompo hoe: “Na dia talohan’ny nahaterahan’izy ireo aza, dia nandray ny lesona voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy niaraka tamin’ireo maro hafa izy ireo, ary nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona.”5

Ao amin’ny fisoronana dia iraisantsika ny adidy masina hoe miasa ho an’ny fanahin’ny olona. Isika dia tsy maintsy manao misimisy kokoa noho ny mianatra hoe adidintsika izany. Ilaina ho tafiditra lalina tokoa ao am-potsika izany ka na ireo fanamby maro amin’ny ezaka atao mandritra ny fahatanorana na ireo fitsapana izay tonga noho ny fahanterana dia tsy hahasaraka antsika amin’izany tanjona izany.

Vao tsy ela izay no namangiako mpisorona avo iray tany an-tranony. Tsy afaka mamonjy ireo fivorian’ny kôlejinay intsony izy. Mipetra-drery izy. Efa maty ny vadiny tsara tarehy ary ireo zanany dia mipetraka lavitra azy. Ny fotoany sy ny aretiny dia mametra ny fahafahany manompo. Mbola manao fanazaran-tena mibata fonjam-by izy hitazomana izay sisa azony tazomina amin’ny tanjaka mahery nananany fahiny.

Raha nandroso tao an-tranony aho dia nijoro izy niarahaba ahy, nampiasa ilay fitaovana ahafahany mijoro sy mandeha. Nasainy aho hipetraka teo amin’ny seza teo akaikiny. Niresaka momba ny fiarahanay nahafinaritra tao amin’ny fisoronana izahay.

Avy eo dia tamim-pihetsahampo tokoa no nitenenany tamiko hoe: “Nahoana re no mbola velona aho? Nahoana no mbola eto foana aho? Tsy misy na inona na inona vitako.”

Nolazaiko taminy fa manao zavatra ho ahy izy. Manamafy orina ahy izy noho ny finoana sy ny fitiavany. Na dia tamin’ny fihaonanay fohy aza izy dia nahatonga ahy haniry ho tonga tsara kokoa. Ny ohatra asehony sy ny finiavany hanao zavatra iray manan-danja dia nitaona fanahy ahy hiezaka bebe kokoa hanompo ny hafa sy ny Tompo.

Fa noho ny feony toa malahelo sy ny fijeriny no nahatsapako hoe tsy nahavaly ireo fanontaniany aho. Mbola nanontany tena ihany izy hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hiaina izy miaraka amin’ireo sakana maro tsy ahafahany manompo.

Tamin’ny fomba mahafinaritra tahaka ny mahazatra azy no nisaorany ahy noho ny nahatongavako namangy azy. Raha nitsangana iny aho handao dia niditra avy tamin’ny efitra hafa ilay mpitsabo mpanampy izay mpankany an-tranony ora vitsivitsy isan’andro. Nandritra ny resadresaka nifanaovanay sy ilay mpisorona avo dia noresahiny kely tamiko ny momba io vehivavy io. Tena mahafinaritra izy io hoy izy. Niara-nonina teo anivon’ireo Olomasin’ny Andro Farany izy io ny ankamaroan’ny fiainany kanefa mbola tsy mpikambana.

Nandroso ilay vehivavy nitarika ahy ho any amin’ny fivoahana. Nanondro ilay vehivavy ilay rahalahy ary niteny tamim-pitsikiana hoe: “Jereo, toa tsy mahavita na inona na inona aho. Niezaka nanao izay hahavita batisa azy ao amin’ny Fiangonana aho fa tsy nahomby izany.” Nitsiky taminy sy tamiko ilay vehivavy. Nivoaka aho ary nitodi-doha hody ho any amiko izay tsy lavitra teo.

Teo aho no tonga saina hoe ny valin’ireo fanontaniany dia efa nambolena efa ela tao am-pony. Ity mpisorona avo mahery fo ity dia niezaka hanefa ny adidiny nampianarina taminy nandritra ireo taona maro tao amin’ny fisoronana.

Fantany fa ny hany fomba ahafahan’ilay tovovavy mandray ny fitahian’ny famonjena amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny manao fanekempihavanana amin’ny alalan’ny batisa. Efa nampianarin’ireo filohan’ny kôlejy rehetra nisy azy izy araka ireo fanekempihavanana, nanomboka tamin’ny diakona ka hatrany amin’ny mpisorona avo.

Tsaroany ary tsapany ny fianianany sy fanekempihavanany ao amin’ny fisoronana. Mbola mitandrina izany izy.

Vavolombelona izy ary misiônera ho an’ny Mpamonjy na aiza na aiza misy azy. Efa tena tao am-pony izany. Ny faniriana tao am-pony dia ny hoe afaka hiova ny fon’ity tovovavy ity amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana fanekempihavanana masina.

Ny fotoana nandalovany tao amin’ny sekolin’ny fisoronana tamin’ity fiainana ity dia ho fohy ihany raha oharina amin’ny mandrakizay. Kanefa ao anatin’izany fotoana fohy izany dia voafehiny ireo boky fianaran’ny mandrakizay. Ho entiny miaraka aminy na aiza na aiza hitondran’ny Tompo azy ireo leson’ny fisoronana izay manan-danja mandrakizay.

Tsy hoe tokony hiezaka hianatra fotsiny ireo leson’ny fisoronana ianao mandritra ity fiainana ity fa tokony ihany koa hanana fijery tsara momba izay azo tanterahana. Misy vitsivitsy amintsika mety hametra ao an-tsaintsika ny fahafahantsika mianatra izay atolotry ny Tompo amintsika rehefa eo am-panompoana Azy.

Nisy tovolahy iray nandao ny tanana kely niaviany tany Pays de Galles tany amin’ny taona 1840 tany ho any, naheno ireo Apôstôlin’Andriamanitra, ary niditra tao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Niantsambo niaraka tamin’ireo Olomasina ho aty Amerika izy ary nitondra sarety namakivaky ireo lemaka niankandrefana. Tao amin’ny andiany faharoa nanaraka ny fahatongavan’i Brigham Young teto amin’ity lohasahy ity izy. Ny asa fanompoany tao amin’ny fisoronana dia nahitana ny fanadiovana sy ny fiasana tany hambolena.

Namidiny varo-boba ilay toeram-pambolena mba handehanana hanao asa fitoriana ho an’ny Tompo ho an’ny amin’ny tany foana izay ankehitriny dia ny faritra Nevada, mba hikarakara ondry. Avy teo no niantsoana azy hanao asa fitoriana hafa niampita ny ranomasimbe ho any amin’ilay tanana nilaozany tao anatin’ny fahantrany mba hanarahana ny Tompo.

Tamin’ny alalan’izany rehetra izany no nahitany fomba hianarana niaraka tamin’ireo rahalahiny ao amin’ny fisoronana. Noho izy mpitory filazantsara feno fahasahiana dia nidina tamin’ilay lalana manokana tany Pays de Galles mankamin’ny tranobe fialantsasatr’ity lehilahy iray izay efa in’efatra no praiminisitr’i Angleterre ity izy mba hanolorana azy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nampandrosoan’ity olo-malaza ity tao an-tranony izy. Avara-pianarana nivoaka avy tao amin’i Eton College sy tao amin’ny Oniversiten’i Oxford izany lehilahy izany. Noresahin’ilay misiônera taminy ny mikasika ny fiavian’ny zanak’olombelona sy ny anjara toerana lehibe ananan’i Jesoa Kristy eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ary hatramin’ny hiafaran’ireo firenena.

Tamin’ny fiafaran’ny resadresak’izy ireo, dia nolavin’ilay mpampiantrano ny fanasan’ilay misiônera azy mba ho atao batsia. Kanefa raha hisaraka iny izy ireo, dia nanontanian’ity mpitondra an’ilay fanjakana lehibe maneran-tany ity ilay misiônera feno fanetren-tena nanao hoe: “Taiza ianao no nandia fianarana?” Namaly izy hoe: “Tao amin’ny fisoronan’Andriamanitra.”

Mety efa nisy fotoana nieritreretanao hoe tahaka ny ahoana no hahatsara lavitra kokoa ny fiainanao raha mba tafiditra nianatra tao amin’ny sekoly malaza iray ianao. Mivavaka aho mba ho hitanao ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra anao sy ny fahafahana nomeny anao hiditra ao amin’ny Sekolin’ny fisoronany.

Raha toa ianao ka mazoto sy mankatò ao amin’ny fisoronana dia harena mirakitra fahalalana ara-panahy no harotsaka eo aminao. Hitombo ianao eo amin’ny herinao hanoherana ny ratsy sy hitoriana ny fahamarinana izay mitondra mankamin’ny famonjena. Hahita fifaliana ianao ao amin’ny fifalian’ireo izay tarihinao ho any amin’ny fisandratana. Ho tonga toeram-pianarana ny ankohonanao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanalahidin’ny fisoronana dia efa naverina tamin’ny laoniny. Mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy ireo ny Filoha Thomas S. Monson. Velona Andriamanitra ary mahafantatra tsara anao. Velona i Jesoa Kristy. Voafidy ianao hanana ny voninahitra hihazona ny fisoronana masina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119, 122.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:133.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56.