Fanantenana
Manome hery antsika ny fanantenantsika amin’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny fananana fomba fijery ny mandrakizay.
Nihalehibe tany amin’ny tany efitra ambony toerana tany Utah Atsimo ny fianakavianay. Mahalana ny rotsak’orana ary atao be hatrany ny fanantenana fa ho ampy ny rotsak’orana entina hiatrehana ny hafanan’ny fotoam-pahavaratra. Tamin’izany fotoana izany, toy ny amin’izao fotoana izao koa, dia mametraka fanantenana amin’ny hisian’ny orana izahay, mivavaka mba hirotsahany, ary mandritra ny fotoana mahakely fanantenana dia mifady hanina mba hisian’ny orana.
Nisy tantara momba ny raibe iray izay nitondra ny zafikeliny lahy nitsangatsangana teo an-tanàna. Tamin’ny farany dia niditra toeram-pivarotana kely amoron’ny arabe izy ireo ary nijanona nividy zava-pisotro mangatsiaka. Nisy fiara izay avy amin’ny faritany hafan’i Etazonia tonga ary dia nanatona ity lahy antitra ity ilay mpamily. Sady nanondro ireo tangoron-drahona vitsy teny amin’ny habakabaka izy no nanontany hoe: “Mety ho avy ve ny orana?”
“Manantena izany mafy aho,” hoy ny navalin’ilay rangahy lehibe, “na dia ho an’ity zafikeliko ity fotsiny aza fa izaho mantsy efa mba nahita.”
Ny fanantenana dia fiontanam-po izay manatsara kokoa ny fiainantsika andavanandro. Izany dia faritana ho toy “ny fahatsapana fa … ho tsara indrindra ny zavatra hitranga.” Rehefa mampihatra ny fanantenana isika dia “miandrandra … miaraka amin’ny faniriana sy fahatokiana misimisy ihany” (dictionary.reference.com/browse/hope). Araka izany, ny fanantenana dia miteraka fahatoniana eo amin’ny fiainantsika rehefa miandrandra amim-pahatokiana ny zava-hitranga hoavy isika.
Indraindray isika dia manantena zavatra izay tsy dia voafehintsika loatra na tsy voafehintsika mihitsy. Manantena ny hisian’ny andro tsara isika. Manantena isika fa ho tonga aloha ny lohataona. Manantena isika fa handresy amin’ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany amin’ny baolina kitra, na amin’ny Super Bowl na amin’ny Fifaninana Baseball Amerikana ny ekipa tohanantsika.
Ny karazam-panantenana toy izany dia mahatonga ny fiainantsika ho mahaliana ary matetika mitarika amin’ny fombafomba tsy mahazatra, eny hatramin’ny finoanoam-poana mihitsy aza. Ny rafozan-dahiko ohatra dia tia fanatanjahan-tena be, kanefa resy lahatra izy fa rehefatsy mijery ny lalao ataon’ny ekipa tiany indrindra izy dia matetika mandresy ireo. Fony aho 12 taona dia niezaka foana manao ilay bà kiraro tsy misasa iray izay isaky ny misy lalao baseball fifanintsanana an’ny Ligin’ny Tanora, tamim-panantenana mba handresy. Nasain’ny reniko ampirimina tany amin’ny lavarangana ambadiky ny trano izany.
Amin’ny fotoana hafa ireo zavatra antenaintsika dia afaka mitarika amin’ny nofinofy izay hitaona sy hitarika antsika ho amin’ny asa. Raha manana fanantenana ny hahay kokoa isika any an-tsekoly dia azo tanterahana izany fanantenana izany amin’ny alalan’ny fianarana mafy sy ny fahafoizan-tena. Raha manana fanantenana ny hilalao amin’ny ekipa mpandresy isika dia afaka hitarika antsika hanao fanazaran-tena tsy tapaka, feno fanoloran-tena ary fiarahana miasa eo amin’ny iray ekipa izany fanantenana izany ary farany hitondra amin’ny fahombiazana.
I Roger Bannister dia mpianatra ho dokotera tany amin’ny oniversite tany Angletera izay nanana faniriana be fangirihana. Naniry ny ho tonga ny lehilahy voalohany hahavita ny hazakazaka 1,6kilaometatra vitaina anatin’ny latsaky ny efatra minitra izy. Nandritra ny fotoana maro tamin’ny tapany voalohan’ny fiantombohan’ny taonjato faha-roapolo dia nandrasan’ ireo mpitia hazakazaka sy fanatanjahan-tena tamim-pientanentanana ilay andro hanintsanana ny zava-bita tsara indrindra teo amin’ny hazakazaka 1 maila mba ho latsaky ny efatra minitra. Nandritra ny taona maro dia efa betsaka ireo mpihazakazaka malaza no saika hahavita izany, saingy mbola nitoetra ihany ilay zava-bita tsara indrindra efatra minitra. Nanokana ny tenany hanaraka fotoam-panazaran-tena mafy i Bannister niaraka tamin’ny fanantenana fa hahatanteraka ny tanjony hanintsana ny zava-bita tsara indrindra eran-tany. Nanomboka niahiahy ny teo anivon’ny mpankafy fanatanjahantena raha ho vita tokoa ny hanintsana ilay zava-bita tsara indrindra efatra minitra. Ireo noheverina ho manam-pahaizana manokana aza moa dia nilaza fa tsy mahavita mihazakazaka amin’ny hafainganana toy izany amin’ny halavirana toy izany ny vatan’olombelona. Ny 6 Mey 1954, nandritra ny andro manjombona iray no tanteraka izany fanantenana lehiben’i Roger Bannister izany! Nandika ny tsipika famaranana tao anatin’ny 3:59.4 izy, nahavita zava-bita tsara indrindra vaovao eran-tany. Ny fanantenany mba hanamontsana ilay zava-bita tsara indrindra efatra minitra dia tonga nofinofy izay tanteraka tamin’ny alalan’ny fanazaran-tena, sy asa mafy ary fanoloran-tena.
Mitaona amin’ny nofinofy ny fanantenana ary mamporisika antsika hanatanteraka izany nofinofy izany. Kanefa ny fanantenana irery dia tsy hitondra fahombiazana ho antsika. Maro ireo fanantenana mendrika izay tsy tanteraka, satria voasakan’ny havoan’ny faniriana tsara sy ny hakamoana fotsiny.
Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia mifantoka amin’ny zanatsika ny faniriantsika lalina. Manantena isika fa hihalehibe izy ireo ka ho tompon’andraikitra sy hanana fiainana amim-pahitsiana. Ny fanantenana toy izany dia mety halazo mora foana raha toa ka tsy maneho fihetsika ho ohatra tsara azo harahina isika. Ny fananana fanantenana fotsiny dia tsy midika fa hiaina amim-pahitsiana ny zanatsika. Mila maka fotoana isika hiarahana amin’izy ireo amin’ny takarivan’ny mpianakavy sy ireo fiaraha-mientana mampivoatra isika. Mila mampianatra azy ireo hivavaka isika. Mila miara-mamaky ny soratra masina amin’izy ireo sy mampianatra azy ireo ireo fitsipiky ny filazantsara manan-danja isika. Izay vao ho azo heverina fa ho tanteraka ny faniriantsika lalina ho azy ireo.
Tsy tokony hamela velively ny fahakiviana handresy ny fanantenana isika. Nanoratra ny Apôstôly Paoly fa “tokony hiasa amin’ny fanantenana” (1 Korintiana 9:10) isika. Ny fampiharana an-kasa ny fanantenana dia mampivoatra ny fiainantsika ary manampy antsika hiandrandra amim-pahatokiana ny hoavy. Ilaintsika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika ny manana fanantenana na eo am-piasana tany mba hambolena isika na eo am-piainana ny fiainantsika tsotra fotsiny.
Ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fanantenana dia faniriana ananan’ny mpanara-dia Azy hiandrandrany ny fahazoana ny famonjena mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Izany ilay fanantenana tena tsy maintsy ananantsika tsirairay avy. Izany no mampiavaka antsika amin’ny olon-kafa eto amin’izao tontolo izao. Nampitandrina ireo mpanara-dia an’i Kristy tany am-boalohany i Petera mba “ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo” (1 Petera 3:15).
Manome hery antsika ny fanantenantsika amin’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny fananana fomba fijery ny mandrakizay. Ny tanjona toy izany dia mamela antsika hanana fomba fijery mihoatra ny fiainana eto sy ny ankehitriny amin’ny fampanantenana ho amin’ny mandrakizay. Tsy mila voafandrika ao anatin’ny zavatra antenain’izao tontolo izao izay miovaova tsy tapaka isika. Afaka manana fahalalahana ny hiandrandra ny voninahitra selestialy isika, voafehy miaraka amin’ireo fianakaviantsika sy olona tiantsika.
Misy hifandraisany foana amin’ny finoana sy ny fiantrana ny fanantenana ao amin’ny filazantsara. Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny fanantenana dia iray amin’ireo tongon-databatra telo miaraka amin’ny fiantrana sy ny finoana. Mampitombina tsara ny fiainantsika ireo telo ireo na dia eo aza ireo faritra mikitoatoana sy tsy milamina izay mety handalovantsika” (“The Infinite Power of Hope,” LiahonaNôv.2008, 21).
Ao amin’ny toko faran’ny Bokin’i Môrmôna, i Môrônia dia nanoratra hoe:
“Koa tsy maintsy misy ny finoana; ary raha tsy maintsy misy ny finoana, dia tsy maintsy misy koa ny fanantenana; ary raha tsy maintsy misy ny fanantenana, dia tsy maintsy misy koa ny fiantrana.
“Ary raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsy azo vonjena mihitsy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; tsy azo vonjena koa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianareo raha tsy manana finoana; torak’izany koa raha tsy manana fanantenana” (Môrônia 10:20–21).
Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson fa : “nyfinoanadia mifototra amin’i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotana no ivon’nyfanantenana. Miseho amin’ny ‘fitiavana madion’i Kristy’ nyfiantrana.Ireo toetra telo ireo dia mifamatotra toy ny rohy eo amin’ny tariby ary mety tsy hisy famantarana hahafahana manavaka azy tsara. Izy ireo miaraka no lasa rohy mampifandray antsika amin’ny fanjakana selestialy” (“A More Excellent Hope,” Ensign, Feb. 1997, 61).
Rehefa naminany ny amin’i Jesoa Kristy i Nefia teo am-pamaranana ny rakitsorany dia nanoratra hoe: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” (2 Nefia 31:20).
Izany “fanantenana mamirapiratra sy lavorary” izay noresahan’i Nefia izany dia ny fanantenana ao amin’ny Sorompanavotana, dia famonjena mandrakizay izay ho tanteraka noho ny sorona fahafoizan-tena nataon’ny Mpamonjy. Nitarika ireo lehilahy sy vehivavy nandritra ny vanim-potoana maro hahatontosa zava-mahagaga maro izany fanantenana izany. Ireo apôstôly fahiny dia nitety ny tany ary nijoro ho vavolombelona ny Aminy ary farany nanolotra ny ainy teo am-panatontosana ny Asany.
Tamin’ity fotoam-pitantanana ity dia maro ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany no nandao ny trano fonenany, tao anatin’ny fo vontom-panantenana sy finoana teo am-pamakivakiana niankandrefana ny Tany Lemaka Lehibe nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.
Tamin’ny 1851 no tonga mpikamban’ny Fiangonana tany Ecosse i Mary Murray Murdoch, mananotena iray tamin’ny faha-fito ambin’ny enimpolo taonany. Izy dia vehivavy 1 metatra sy 20 ny halavany ary tsy nihoatra ny 41 kilao, kanefa niteraka valo, izay niaina hatramin’ny naha-olon-dehibe azy ny enina tamin’ireo. Noho izany hakeliny izany dia nantsoin’ny zanany sy ny zafikeliny izy hoe “I Bebe kely.”
I John Murdoch, zananilahy, sy ny vadiny dia tonga mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ary nifindra ho any Utah tamin’ny taona 1852 niaraka tamin’ireo zanak’izy ireo roa mbola kely. Na dia teo aza ny fahasahiranan’ny fianakaviany manokana, efa-taona taty aoriana dia nandefa vola ampy i John mba hahafahan’ny reniny hamonjy ny fianakaviany tany Salt Lake City. Tamim-panantenana izay mihoatra lavitra noho ny halavany no nanombohan’i Mary ilay dia manahirana hiankandrefana ho any Utah tamin’izy 73 taona.
Taorian’ny famakivakiana ny Atlantika tamim-pilaminana, dia niaraka tamin’ny Vondrona Mpitarika Saretin’i Martin izay tsy dia tsara vintana loatra izy. Nanomboka ny diany niankandrefana izany vondron’ny mpisava lalana izany ny 28 Jolay. Fantatsika tsara ny fijaliana nianjady tamin’izany vondrona izany. Saika ny ampahaefatry ny olona miisa 576 tao amin’izany vondrona izany no maty alohan’ny nahatongavana tany Utah. Mbola saika bebe kokoa ny maty raha tsy nisy ny ezaka fanavotana teo ambany fiahian’ny Filoha Brigham Young izay nandefa sarety sy sakafo nikaroka ireo Olomasina reraka sy voafandrika tao anaty ranomandry.
Maty tamin’ny 2 Ôktôbra 1856 i Mary Murdoch tao akaikik’i Chimney Rock, Nebraska. Maty vokatry ny harerahana, sy ny hatsiaka ary ireo fahasarotan’ny dia izy. Tsy nahatanty ny harerahana ara-batana natrehin’ireo Olomasina ny vatany kely marefo. Teo am-pialana aina izy dia tsy niala tany amin’ny fianakaviany tany Utah ny sainy. Ireo teny faran’ity vehivavy mpisava lalana mahatoky ity dia hoe: “Lazao i John fa maty teo am-paniriana ny ho ao Ziona aho.” (Jereo ny Kenneth W. Merrell, Scottish Shepherd: The Life and Times of John Murray Murdoch, Utah Pioneer [2006], 34, 39, 54, 77, 94–97, 103, 112–13, 115.)
I Mary Murray dia maneho ilay ohatry ny fanantenana sy finoana nananan’ireo mpisava lalana maro izay nanao izany dia niankandrefana izany tamin-kerimpo. Ny diantsika ara-panahy ankehitriny dia tsy mitaky fanantenana na finoana latsaky nasehon’ireo mpisava lalana fahiny. Mety amin’ny endriny hafa ny fanamby atrehintsika saingy ny fahasarotany dia mitovy ny tamin’izany.
Mivavaka aho mba hitarihan’ny fanantenantsika antsika amin’ny fahatanterahan’ireo nofinofy rariny ananantsika. Mivavaka manokana aho mba hampahatanjahan’ny fanantenantsika amin’ny Sorompanavotana ny finoantsika sy ny fiantrana ananantsika ary hanome antsika fomba fijery hitodika amin’ny mandrakizay eo amin’ny fiainantsika hoavy. Enga anie ka samy hanana izany fanantenana mamirapiratra sy lavorary izany isika tsirairay, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.