Aprily 2011 Saturday Morning Session Saturday Morning Session Thomas S. MonsonFihaonambe Indray IzaoMisaotra anareo aho noho ny finoana sy fanoloran-tenanareo ho an’ny filazantsara, noho ny fitiavana sy fifampitsinjovanareo ary noho ny asa fanompoana izay atolotrareo. L. Tom PerryNy Sabata sy ny Fanasan’ny TompoAoka ny fianakavianao ho feno fitiavana rehefa manaja ny Sabata ny tontolo andro ianareo ary miaina ireo fitahiana ara-panahy entiny mandritra ny herinandro. Jean A. StevensAoka Ianao ho Tonga Tahaka ny Ankizy KelyRaha manana fo te hianatra sy fahavononana hanaraka ny ohatra asehon’ny ankizy isika dia ny toetra araka an’Andriamanitra ananan’izy ireo no afaka manana ilay fanalahidy izay mamoha ny fivoarantsika ara-panahy manokana. Walter F. GonzálezMpanara-dia an’i KristyNy mpanara-dia an’i Kristy dia mandrafitra ny fiainany araka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary mandeha amin’ny hazavana. Kent F. RichardsManasitrana ny Fanaintainana Rehetra ny SorompanavotanaNy fanamby lehibe ho an’ny tenatsika manokana eto amin’ny fiainana an-tany dia ny ho tonga “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.” Quentin L. CookMahatalanjona ireo Vehivavy Olomasin’ny Andro Farany!Ny ankamaroan’ny zavatra vitantsika ato amin’ny Fiangonana dia vokatry ny asa fanompoana feno fitiavana ataon’ny vehivavy. Henry B. EyringFahafahana Hanao Zava-tsoaNy fomban’ny Tompo entina hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-nofo dia mitaky ny fitiavana tsy misy tambiny avy amin’ireo olona izay manokana ny tenany sy ny zavatra ananany ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Asany. Saturday Afternoon Session Saturday Afternoon Session Dieter F. UchtdorfFanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny FiangonanaAngatahina isika hanohana an’i Thomas Spencer Monson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, i Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary i Dieter Friedrich Uchtdorf ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Robert W. CantwellTatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2010Ho an’ny Fiadidiana Voalohany an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Brook P. HalesTatitra mahakasika ny Antontan’isa ho an’ny Taona 2010Ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka ity tatitra manaraka ity izay mikasika ny Antontan’isa mahakasika ny Fiangonana ho an’ny taona 2010. Hatramin’ny 31 Desambra 2010 dia nisy: Tsatòka 2.896, Misiona 340, Distrika 614, ary Paroasy sy sampana 28.660. Boyd K. PackerTarihin’ny Fanahy MasinaNy tsirairay amintsika dia tarihin’ny fanahin’ny fanambarana sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Russell M. NelsonHatreo Am-pinoana ny Ho AvyNy fahamarinany, ny fanekempihavanany, ny ôrdônansiny dia mamela antsika handresy ny tahotra ary hiatrika ny ho avy amim-pinoana! Richard J. MaynesFanorenana Tokantrano mifantoka amin’i KristyMahatakatra sy mino ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana isika. Izany fahatakarana sy finoana izany dia tokony hitaona fanahy antsika hanao ny zava-drehetra tratry ny herintsika hanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy. Cecil O. Samuelson Jr.Fijoroana ho VavolombelonaNy fototry ny fahazoana sy fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsotra, mazava ary vitan’ny olona tsirairay. Dallin H. OaksNy FanirianaMba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay dia haniry sy hiasa mba hananana ireo toetra takiana mba ho lasa olona maharitra mandrakizay isika. M. Russell BallardMahita Fifaliana amin’ny alalan’ny Asa Fanompoana feno FitavanaAoka isika haneho ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika nohon’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny asa fanompoana tsotra sy feno fangorahana. Priesthood Session Priesthood Session Neil L. AndersenFanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana FanindroanyHo fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Steven E. SnowFanantenanaManome hery antsika ny fanantenantsika amin’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny fananana fomba fijery ny mandrakizay. Larry M. GibsonIreo Fanalahidy Masin’ny Fisoronana AharônaTian’ny Tompo ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsirairay mba hanasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy—manomboka amin’ny fianakavian’izy ireo. Dieter F. UchtdorfNy Tokony Hahatongavanareo, Ny TomboantsoanareoRehefa mamaky ny soratra masina sy mamaky ny tenin’ireo mpaminany amin’ny fonao sy ny sainao rehetra ianao, dia holazain’ny Tompo aminao ny fomba hahafahanao hiaina ireo tombotsoanao ao amin’ny fisoronana. Henry B. EyringMianatra ao amin’ny FisoronanaRaha toa ianao ka mazoto sy mankatò ao amin’ny fisoronana dia harena mirakitra fahalalana ara-panahy no harotsaka eo aminao. Thomas S. MonsonNy Herin’ny FisoronanaAoka isika ho mpihazona mendrika ny hery masin’ny fisoronana izay hazonintsika. Enga anie hitahy ny fiainantsika izany ary ho ampiasaintsika entina hitahiana ny fiainanan’ny hafa Sunday Morning Session Sunday Morning Session Dieter F. UchtdorfMiandry eny amin’ilay Lalana Mankany DamaskosyIreo izay mikatsaka amim-pahavitrihana ny hianatra momba an’i Kristy no ho lasa hahafantatra Azy amin’ny farany. Paul V. JohnsonManoatra Noho ny Mpandresy Isika Amin’ny Alalan’Ilay Tia AntsikaTsy natao hitsapana antsika fotsiny ihany ireo fisedrana ireo. Tena manan-danja izy ireo amin’ny làlana mankany amin’ny fitafiana ny toetra araka an’Andriamanitra. H. David BurtonNy Asa Masin’ny FifanampianaIlay asa fifampikarakarana sy ny fanehoana “hatsaram-panahy amin’ny mahantra” dia asa masina, nodidian’ny Ray. Silvia H. AllredNy Toetry ny Maha Mpanara-diaRehefa tonga ho fitsipika mitarika antsika ny fitiavana ao anatin’ny fikarakarantsika ny hafa dia lasa ohatra velona amin’ny fiainana ny filazantsara ny fanompoantsika azy ireo. David A. BednarNy Fanahin’ny FanambaranaNy fanahin’ny fanambarana dia misy—ary afaka miasa sy tena miasa eo amin’ny fiainantsika manokana sy eo amin’ny Fiangonana. Thomas S. MonsonNy Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo IzaoIreo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’Andriamanitra. Sunday Afternoon Session Sunday Afternoon Session Richard G. ScottIreo Fitahiana Mandrakizain’ny FanambadianaMisy dikany lehibe kokoa ny famehezana natao tany amin’ny tempoly rehefa mandeha eny ny fiainana. Hanampy anareo hifanakaiky bebe kokoa mihitsy izany ary hanampy anareo hahita fifaliana sy fahafahampo lehibe kokoa eo amin’ny fiainana an-tany. D. Todd ChristoffersonIzay Rehetra Tiako no Anariko sy FaizakoAfaka manadio sy manomana antsika amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa ara-panahy ny traikefa azo avy amin’ny fizakana ny famaizana. Carl B. PrattIreo Fitahiana Sarobidy Indrindra avy amin’ny TompoMijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandoa amim-pahatokiana ny fahafolonkarena isika, dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo ary handrotsaka amintsika ireo fitahiana sarobidy indrindra avy any Aminy. Lynn G. RobbinsTokony ho Karazana Olona Toa Inona moa Ianareo?Hahita fahombiazana anie ianareo amin’ireo ezaka ataonareo mba hananana ny toetra tahaka ny an’i Kristy, ka ho hita soritra eny amin’ny tarehintsika ny Endriny ary hiseho amin’ny fihetsika ataontsika ny Toetrany. Benjamín De HoyosNantsoina mba ho OlomasinaRy rahalahy sy anabavy malala, tena voatahy isika noho ny nitondrana antsika ao anatin’ity fianakaviamben’ny Olomasin’ny Andro Farany ity! C. Scott GrowNy Fahagagana Ateraky ny SorompanavotanaTsy misy fahotana na fandikan-dalàna, na fanaintainana, na fahoriana, izay tsy sitran’ny Sorompanavotany. Jeffrey R. HollandFaneva ho an’ireo FirenenaRaha mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika sy mihaino amin’ny alalan’ny Fanahy, dia hisy olona sasantsasany amintsika izay handray an-tanana ny toe-javatra iainantsika. Thomas S. MonsonEto am-pamarananaMino aho fa tsy misy na dia iray amintsika aza afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane, kanefa feno fankasitrahana aho isan’andro isan’andro eo amin’ny fiainako ny amin’ny Sorompanavotana nataony ho antsika. Young Women’s General Meeting Young Women’s General Meeting Ann M. Dibb“Mino Isika fa Tokony ho Marina, ho Mahatoky”Ny fijoroana ho mahatoky amin’ny finoantsika—na dia toa hafahafa amin’ny hafa, na tsy mora na tsy mahafinaritra aza ny manao an’izany—dia miaro antsika amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra. Mary N. Cook“Tsarovy Izao: Anjarako aloha ny manao tsara fanahy”Ny fiantrana olona dia afaka mitondra fifaliana sy firaisan-kina eo anivon’ny tokantranonareo, ny kilasinareo, ny paroasinareo ary ny sekolinareo Elaine S. DaltonMpiambina ny HasinaMiomana ankehitriny mba hahamendrika anareo hahazo ireo fitahiana rehetra izay miandry anareo ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo. Henry B. EyringFijoroana ho vavolombelona MitomboNy fijoroana ho vavolombelona dia mitaky fanolokoloana avy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, sy fahalinana higoka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary fankatoavana ny fahamarinana.