Hatreo Am-pinoana ny Ho Avy
Ny fahamarinany, ny fanekempihavanany, ny ôrdônansiny dia mamela antsika handresy ny tahotra ary hiatrika ny ho avyamim-pinoana!
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, misaotra anareo izahay noho ny fanohananareo, tsy tamin’ny fanangananareo ny tanana ihany, fa indrindra ny fanompoana ataonareo any an-tokantrano, any am-piangonana, ary eo anivon’ny fiaraha-monina misy anareo. Tianay ny miaraka aminareo ary mahita anareo eo anivon’ny fianakavianareo sy ny namanareo. Na aiza na aiza hitoeranareo dia mijery ny ezaka ataonareo izahay hahatonga ity tontolo ity ho tsaratsara kokoa. Manohana anareo izahay! Tianay ianareo! Raha mivavaka ho anay ianareo, dia mivavaka ho anareo ihany koa izahay!
Alainay sary an-tsaina ny fianakavianareo miangona eo anoloan’ny fahitalavitra na en ligne mijery ny fandaharan’ny fihaonamben’ny Fiangonana any an-tokantrano. Nandefa sary iray taty amiko izay nalain’izy ireo nandritra ny fotoan’ny fihaonambe ny reny sy ray iray izay nihaino am-pitandremana. Nodinihin’izy ireo ny fihetsik’ilay zanak’izy ireo lahy izay 18 volana tamin’izay ary nahafantatra ny endrika sy ny feon’ilay mpandaha-teny. Nanomboka nanorokoroka ny fahitalavitra ilay zaza. Te-hanatona akaiky izy. Avy hatrany ity zokiny vavy izay tonga saina dia nanao an-tsangory azy ary nibata azy akaikikaiky kokoa. Indro ilay sary.
Eny, izaho ilay sary eo amin’ny fahitalavitra, ary ireo ankizy ireo dia ny zafikeliko. Afaka taona vitsy ity zazalahy ity dia ho loholona, handray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ho vonona ny hitory ny filazantsara. Any aoriana any dia hofehezina amin’ny mpiara-dia azy mandrakizay izay nofinidiny izy. Azonao sary an-tsaina ve izy ho vady sy ray indray andro any, miaraka amin’ireo zanany? Ary indray andro any dia hanao veloma farany amin’ireo zafikeliny izy, amin’ny fahalalana azo antoka fa ny fahafatesana dia ampahany amin’ny fiainana.
Tena marina izany. Velona isika mba ho faty, ary ho faty isika mba ho velona indray. Raha mijery ny mandrakizay, ny hany fahafatesana tonga aloha loatra dia ny fahafatesan’ireo izay tsy vonona ny hihaona amin’Andriamanitra.
Amin’ny maha-apôstôly sy mpaminany anay dia tsy ny zanakay sy ny zafikelinay irery ihany no tena tsinjovinay, fa ny anareo ihany koa— ary ireo zanak’Andriamanitra rehetra. Ny zava-hitranga rehetra hoavy ho an’ny zanak’Andriamanitra masina tsirairay avy dia ho rafetin’ny ray aman-dreniny, ny fianakaviany, ny namany, ary ny mpampianatr’izy ireo. Ka noho izany ny finoantsikaankehitriny dia tonga ampahany amin’ny finoan’ny taranantsika any aoriana.
Ny tsirairay avy dia samy manana ny fombany eto amin’ity tontolo miovaova tsy misy fiafarany ity—tontolo izay hifaninanan’ny firehan-kevitra. Ny herin’ny ratsy dia hifanohitra hatrany amin’ny herin’ny tsara. Hiezaka hatrany i Satana hitaona antsika hanaraka ny fombany ary hanao izay hampahonena antsika, tahaka azy.1 Ary ny hetraketraka mahazatra eo amin’ny fiainana tahaka ny aretina, ny faharatrana, ary ny loza dia hisy hatrany.
Miaina ao anatin’ny fotoan’ny korontana isika. Ny horohoron-tany, ny tsunami mpandravarava, ny firodanan’ny fitondram-panjakana, ny fitsitotongan’ny toe-karena dia mahery vaika, voahozongozona ny fianakaviana ary miakatra ny tahan’ny fisaraham-panambadiana. Tena manana antony goavana isika hiasana saina. Kanefa tsy tokony avelantsika handresy ny finoantsika ny tahotsika. Afaka miady amin’ny tahotra isika amin’ny alalan’ny fampatanjahantsika ny finoantsika.
Atombohy amin’ny zanakareo izany. Ianareo ray aman-dreny no mihazona ny andraikitra voalohany hampahatanjaka ny finoan’izy ireo. Avelao izy ireo hahatsapa ny finoanareo, na dia mandritra ny fahoriana mafy mianjady aminao aza. Aoka ny finoanao hifantoka amin’ny Ray any an-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany. Ampianaro amim-paharesen-dahatra lalina izany finoana izany. Ampianaro ireo zazalahy sy zazavavy sarobidy fa zanak’Andriamanitra izy ireo, nohariana araka ny endriny, miaraka amin’ny antony masina sy ny fahafahana masina. Ny tsirairay avy dia teraka niaraka tamin’ny fitsapana izay horesena ary finoana izay hampiroboroboana.2
Ampianaro ny finoana araky ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra. Ampianaro fa ny fiainantsika ety an-tany dia vanim-potoana fiomanana, fotoan’ny fahoriana ary fitsapana izay hijerena raha toa ka hanao izay nandidian’ny Tompo antsika isika.3
Ampianaro ny finoana hitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra, amin’ny fahafantarana fa izy ireny dia nomena hitahy ireo zanany ary hitondra hafaliana ho azy ireo.4 Ampitandremo izy ireo fa hodidin’ny olona izay mifidifidy izay didy hotandremany izy ireo ary tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany ho dikaina. Antsoiko hoe fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomananao hihaona amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny rehetraianao. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireo, ary ny fitandremana ny didiny dia hampahatanjaka izany finoana izany.
Ny fankatoavana dia mamela ny fitahian’Andriamanitra hirotsaka tsy misy sakantsakana. Hotahiany ireo zanany mpankatò mba ho afaka amin’ny fangejana sy ny fahoriana. Ary hitahy azy ireo Izy amin’ny fahazavana misimisy kokoa. Ohatra, ny olona iray izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena amin’ny fahafantarana fa ny fankatoavana dia tsy mitondra fahafahana amin’ny fiankinan-doha fotsiny, fa hitondra ny fitahian’ny fahendrena sy rakitsoan’ny fahalalana.5
Ampianaro ny finoana hahafantatra fa ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia hanome fiarovana ara-nofo sy ara-panahy. Ary tsarovy, ny anjely masin’Andriamanitra dia ho eo foana hanampy antsika. Nilaza ny Tompo hoe: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”6 Fampanantenana be tokoa izany! Rehefa mahatoky isika, dia hanampy antsika Izy sy ny anjeliny.
Ny finoana tsy voahozongozona dia hamafisina amin’ny alalan’ny vavaka. Zava-dehibe ho Azy ny vavaka vokatry ny fo ataonao. Eritrereto ny vavaka tamim-pangirifiriana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny andro mahaory tamin’ny fotoana nitazonana azy tao amin’ny fonjan’i Liberty. Namaly azy ny Tompo mba hanovana ny fomba fijerin’ny Mpaminany. Hoy Izy: “Fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.”7
Raha toa ka mivavaka amin’ny fahaizana mijery ny mandrakizay isika, dia tsy mila misalasala isika hoe reny ve ny fibaboantsika sy ny ranomasontsika lalina. Ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 98:
“Ny fivavakareo dia efa tonga eo an-tsofin’ny Tompo … ary voarakitra miaraka amin’izao tombo-kase sy testamenta izao—efa nianiana sy nanapaka ny Tompo fa hotovina izany.
“Koa Izy dia manome anareo izao fampanantenana izao, omban’ny fanekempihavanana tsy azo ovana fa hotanterahina izany; ary ny zava-drehetra izay efa nampahoriana anareo dia hiara-hiasa hahasoa anareo sy ho voninahitry ny anarako, hoy ny Tompo.”8
Ny Tompo dia nisafidy ny teny matanjaka indrindra mba hanome antoka antsika! Tombokase! Testamenta! Nianiana! Nanapaka! Fanekempihavanana tsy azo ovana!Ry rahalahy sy anabavy, minoa Azy! Hihaino ireo vavaka tsotra sy vokatry ny fo ataonareo Andriamanitra, ary dia hatanjaka ny finoanareo.
Mba hampitomboana ny finoana maharitra, dia tena ilaina ny fanoloran-tena maharitra ho mpandoa fahafolonkarena feno. Voalohany dia mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena. Avy eo ny mpandoa fahafolonkarena dia hampivelatra finoana bebe kokoa hatrany amin’ny fahafantarana fa ny fahafolonkarena dia tombontsoa sarobidy. Ny fahafolonkarena dia lalàna taloha avy amin’Andriamanitra.9 Nanome fampanantenana tamin’ny zanany Izy hoe hamoha ny “varavaran’ny lanitra, ary hampidina … ny fitahiana, manana amby ampy ho anareo [Izy].”10 Tsy izay ihany, ny fahafolonkarena dia mitazona ny anaranao ho voasoratra ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra ary hiaro anao amin’ny “andro famaliana sy ny fandoroana.”11
Nahoana isika no mila finoana tsy voahozongozona toy izany? Satria efa ho avy ny andro sarotra. Mahalana amin’ny hoavy vao ho mora na malaza izany hoe Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina daholo isika tsirairay avy. Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina fa amin’ny andro farany, ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo “dia henjehina.”12 Izany fanenjehana izanydia mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na mandrisika anao ho lasa ohatra sy be risim-po eo amin’ny fiainanao andavanandro.
Ny fomba fiatrehanao ny fitsapana eo amin’ny fiainanao dia hampivelatra ny finoanao. Ho tonga aminao ny hery rehefa tsaroanao fa ianao dia manana ny toetra araka an’Andriamanitra, izay lova sarobidy tsy manam-petra. Nampahatsiahy anao, ny zanakao ary ny zafikelinao ny Tompo, fa ianareo dia taranany, ary efa voatokana hatrany an-danitra ny fotoana marina sy ny toerana hahaterahanao, ho lehibe ary ho tonga solontenany sy ho olon’ny fanekempihavanana. Rehefa mamakivaky ny lalan’ny fahamarinan’ny Tompo ianao, dia ho voatahy ianao hanohy hatrany amin’ny hatsarany ary ho hazavana sy ho mpamonjy ny Olony.13
Ny fitahiana azo avy amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronana Melkizedeka dia natao ho anareo tsirairay avy ry rahalahy sy anabavy. Ireo fitahiana ireo dia afaka hanova ny toe-javatra eo amin’ny fiainanao, toy ny fahasalamana, ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina, ny fifandraisan’ny tena manokana aman’olona, ary fahafahana hanao zavatra maro amin’ny hoavy. Ny hery sy ny fahefana avy amin’ity fisoronana ity dia mihazona ny fanalahidy ho an’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana.14 Fa ny tena zava-dehibe, dia nanambara ny Tompo fa hanohana ireo fitahiana ireo Izy, araka ny sitrapony.15
Ny lehibe indrindra amin’ireo fitahian’ny fisoronana rehetra dia omena any amin’ny tempoly masin’ny Tompo. Hahamendrika anao sy ny fianakavianao ho amin’ny fitahian’ny fiainana mandrakizay ny fahatokiana amin’ny fanekempihavanana atao any.16
Ny valisoanao dia tsy aorian’izao fiainana izao ihany. Maro amin’ireo fitahiana ireo dia ho azonao eto amin’ity fiainana ity, eo anivon’ny zanakao sy ny zafikelinao. Ianareo Olomasina mahatoky dia tsy hiady irery eto amin’ity fiainana ity. Eritrereto tsara anie izany! Nanambara ny Tompo hoe: “Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.”17 Taty aoriana dia tonga ny fampanantenana ho an’ny vahoakany mahatoky: “Ary Izaho Tompo no hiady ny adiny sy ny adin’ny zanany ary ny an’ny zanaky ny zanany, … hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.”18
Ny Filoha malalantsika Thomas S. Monson dia nanome antsika ny fijoroana ho vavolombelona feno faminaniana. Hoy izy hoe: “Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ireo fitahiana nampanantenaina antsika ireo dia tsy hita isa. Na dia mety hiangona aza ny rahon’ny orambaratra, na dia hirotsaka amintsika aza ny orana, dia hampionona sy hanohana antsika ary hitondra hafaliana ao am-pontsika rehefa mandeha am-pahitsiana sy mitandrina ny didy ny fahalalantsika ny filazantsara sy ny fitiavana ny Raintsika any an-danitra ary ny Mpamonjy antsika.”
Nanohy ny Filoha Monson hoe: “Ry rahalahiko sy anabaviko malala, aza matahotra. Matokia. Mamiratra toy ny finoanao ny hoavy”19
Ampiako amin’ny teniko manokana izany teny mavesa-danja nolazain’ny Filoha Monson izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa Raintsika Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany indray ny Fiangonany. Ny fahamarinany, ny fanekempihavanany, ny ôrdônansiny dia mamela antsika handresy ny tahotra ary hiatrika ny ho avy amim-pinoana! Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.