Ny Tokony Hahatongavanareo, Ny Tomboantsoanareo
Rehefa mamaky ny soratra masina sy mamaky ny tenin’ireo mpaminany amin’ny fonao sy ny sainao rehetra ianao, dia holazain’ny Tompo aminao ny fomba hahafahanao hiaina ireo tombotsoanao ao amin’ny fisoronana.
Indray mandeha dia nisy lehilahy iray izay mba efa nofinofiny hatry ny ela ny handeha an-tsambo hanatanteraka dia ary hamakivaky ny Ranomasina Méditerranée. Nanofy ny hiriaria amin’ireo lalan-kelin’i Rome, sy Athènes, ary Istanboul izy. Nanangona ny volany rehetra izy mandrapahazoany vola ampy hanatanterahana ny diany. Satria somary kely ihany ny volany dia nivimbina valizy iray fanampiny izy izay nofenoiny tsaramaso am-bifotsy, boaty feno biscuits, sy vovo-dranom-boankazo fitapoka rano, ary izay no nohaniny isan’andro isan’andro.
Te-handray anjara amin’ireo karazan-javatra maro nisy tao an-tsambo tokoa izy—toy ny manao fanazaran-tena ao amin’ny toerana fanaovana izany, milalao golf kely, ary milomano eny amin’ny dobo filomanosana. Nitsiriritra ireo olona nijery sarimihetsika, sy fety aman-danonana, ary fampisehoana ara-kolotsaina izy. Ary endrey ny faniriany mivaivay raha mba afaka ny hanandrana ny tsiron’ireo sakafo mahatalanjona hitany tao amin’ny sambo—izay toa miendrika hanim-pitoloha isak’izay aroso! Kanefa te-hitsitsy vola tokoa ilay lehilahy ka tsy nandray anjara tamin’ireo zavatra ireo. Afaka nahita ireo tanàna niriany hotsidihana tokoa izy saingy ny ankamaroan’ny tontolon’ny androny dia nijanona tao amin’ny efitra keliny izy ary nihinana ireo sakafo tsotra nentiny.
Nanontany azy ny iray tamin’ireo mpiasa an-tsambo tamin’ny andro faran’ilay dia hoe iza amin’ireo fety fanaovam-belona no hatrehiny. Tamin’izany andro izany ilay lehilahy vao nahalala fa tsy ny fety fanaovam-beloma ihany fa ny ankamaroan’ireo zavatra rehetra tao an-tsambo nandritra ny dia—toy ny sakafo, ny fialamboly—dia efa tafiditra tao anatin’ny sarany tapakila naloany. Taraiky loatra vao nahafantatra ilay lehilahy fa tsy nankafy ireo tombontsoa maro tokony niainany izy.
Ny fanontaniana tian’ity fanoharana ity aseho dia hoe: moa ve isika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika tsy miaina amim-pankafizana ireo tombontsoa eo amin’ny lafin’ny fahefana masina, sy fanomezana ary fitahiana izay fahafahana hanao zavatra sy zo ananantsika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronan’Andriamanitra antsika?
Ny Voninahitra sy Fahambonian’ny Fisoronana
Fantatsika rehetra fa ny fisoronana dia mihoatra lavitra noho ny fiantsoana fotsiny na anarana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph fa “ny Fisoronana dia fitsipika mandrakizay, ary efa nisy niaraka tamin’Andriamanitra hatramin’izay … ka ho mandrakizay, tsy nisy fiantombohany na fiafarany.”1 Mihazona “ny fanalahidin’ ny fahalalana an’Andriamanitra” izany.2 Raha ny marina dia amin’ny alalan’ny fisoronana no hisehoan’ny tena “herin’ny toetra araka an’Andriamanitra.”3
Tsy takatry ny saintsika ny fitahiana avy amin’ny fisoronana. Afaka “tonga … nofinidin’Andriamanitra” ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mahatoky.4 Ho “hamasinin’ ny Fanahy ho fanavaozana ny vatany”5 izy ireo ary faran’izay ambony indrindra dia ny mandray izay “rehetra ananan’ ny Ray.”6 Na dia sarotra takarina aza izany kanefa dia mahafinaritra ary dia mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany.
Ny fahatokian’ny Raintsika any an-danitra ka nanomezany ity fahefana sy andraikitra ity ny olombelona dia porofo amin’ilay Fitiavany lehibe antsika ary tandindon’izay mety hahatongavantsika amin’ny maha-zanakalahin’Andriamanitra antsika any amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.
Na izany aza anefa dia matetika loatra ny zavatra ataontsika no toa mampiseho fa tsy miaina mifanaraka amin’izany fahafahana goavana tokony hahatongavantsika izany isika. Rehefa hanontaniana mikasika ny fisoronana isika dia maro no afaka mitanisa ny famaritana marina, kanefa eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia toa tsy mampiseho fa takatsika mihoatra noho ny andalan-tsoratra atao tsianjery fotsiny izany.
Afaka ho afa-po amin’ireo traikefa ambanimbany niainantsika isika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika ary mionona amin’ny tsy fahazoana ireo tombontsoa tokony hankafizintsika, na kosa afaka mandray anjara amin’ny fahafahana hivoky ara-panahy sesehena sy amin’ny fitahian’ny fisoronana.
Inona no Azontsika Atao mba Hiainantsika mifanaraka amin’ny izay tokony Hahatongavantsika?
Ireo teny voasoratra ao amin’ny soratra masina sy voalaza eto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana ity dia natao hampiharina amin’ny tenantsika” 7fa tsy natao ho henoina na ho vakiana fotsiny.8 Matetika loatra no manatrika fivoriana isika ary maneho amin’ny fihetsiky ny lohantsika fa manaiky ny zava-boalaza. Mety hitsiky sy haneho fanekena mihitsy aza isika. Mandray an-tsoratra ireo asa maromaro ho atao isika, ary mety hilaza amin’ny tenantsika hoe: “Ho ataoko izany zavatra izany.” Kanefa eo anelanelan’ny fihainoana sy ny fanoratana entina mampatsiahy ao amin’ny finday avo lenta ananantsika, sy ny tena fanatanterahana, dia nampifanandrifiantsika eo amin’ny famantarana manondro hoe “atsy ho atsy” ny mari-panondroana ny “zavatra atao[ntsika]. Ry rahalahy, aoka ho alaintsika antoka fa ny mari-panondroana ny “zavatra hataontsika” dia ho eo amin’ny hoe “ izao ankehitriny izao!”
Rehefa mamaky ny soratra masina sy mamaky ny tenin’ireo mpaminany amin’ny fonao sy ny sainao rehetra ianao, dia holazain’ny Tompo aminao ny fomba hahafahanao hiaina ireo tombotsoanao ao amin’ny fisoronana. Aza avela hisy andro handalo ka tsy hanaovanao ireo zavatra nobitsihin’ny Fanahy ho ataonao.
Voalohany: Mamakia ny Boky Torolalana
Raha toa ka manana solosaina faran’izay avo lenta sy lafo vidy indrindra ianao, moa ve ho ataonao haingon’ny biraonao fotsiny izany? Mety ho zava-mahavariana ilay solosaina. Mety azo hanaovana karazan-javatra maro izany. Kanefa rehefa mandalina ny boky torolalana, sy mianatra ny fomba fampiasana ireo logiciel, ary manindry ny bokotra power iany ianareo vao afaka mampiasa ireo zavatra rehetra mety ho vitany.
Manana ny boky torolalany ihany koa ny fisoronana masin’Andriamanitra. Handeha isika hanolotena hamaky ny soratra masina sy ireo boky torolalana amin’ny tanjona sy amim-pifantohana bebe kokoa. Handeha ho atombontsika amin’ny famerenana mamaky ny fizarana 20, 84, 107, ary ny 121 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany. Arakaraka ny handalinantsika ny tanjona, sy ny fahafahana hanao zavatra ary ny fomba fampiasana ny fisoronana araky ny tokony ho izy no hahatalanjona bebe kokoa antsika noho ny heriny, ary hampianaran’ny Fanahy bebe kokoa antsika ny fomba hahazoana sy hampiasana izany hery izany hitahiana ny fianakaviantsika, sy ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana.
Amin’ny maha-olona antsika dia mametraka an-tsitrapo ho laharam-pahamehana ny fahalalana sy ny fivoarana mirona amin’ny ara-nofo isika. Tiantsika ny fianarana sy fahaiza-manao ary tokony hamirapiratra isika amin’ny izany. Mamporisika anareo aho hiezaka amim-pikirizana hahazo fahalalana ary ho tonga matianina amin’ny sehatra ianaranareo. Manasa anareo koa aho mba ho tonga matianina amin’ireo fotopampianaran’ny filazantsara—indrindra amin’ny fotopampianaran’ny fisoronana.
Miaina amin’ny vanim-potoana izay mahamora kokoa ny fahazoana ny soratra masina sy ireo tenin’ny apôstôly sy mpaminanin’izao andro izao isika raha oharina tamin’ny fotoana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Na dia izany aza dia andraikitsika, adidintsika ary tombontsoa ho antsika ny mampiasa sy mampihatra ny fampianaran’izy ireo. Ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny fisoronana dia manan-kaja sy avy amin’Andriamanitra. Arakaraka ny handalinantsika ny fotopampianarana sy ny fahafahana hanao zavatra ary ny ampiharantsika ny fomba fampiasana ny fisoronana no vao mainka hivelaran’ny fanahintsika, sy hitomboan’ny fahatakarantsika ary ho hitantsika ireo zavatra nomanin’ny Tompo ho antsika.
Faharoa: Katsaho ireo Fanambarana avy amin’ny Fanahy
Tsy ny fahalalana fotsiny no takiana amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona mafy orina ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany naverina tamin’ny laoniny—mitaky fandraisana fanambarana manokana izany, izay hamafisin’ny fampiharana amim-pahamarinana sy amim-panoloran-tena ireo fitsipiky ny filazantsara. Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fisoronana no “ilay fantsona izay nanombohan’Ilay Tsitoha nanambarany ny Voninahiny hatrany amin’ny fiantombohan’ny fahariana an’ity tany ity, ary tamin’ny alalan’izany ihany no nanohizany nanambara ny Tenany eo amin’ireo zanak’olombelona hatramin’izao fotoana izao.”9
Raha tsy mikatsaka ny fomba fampiasana izany fantsona izany isika dia miaina ambany lavitra noho ireo tombontsoa avy amin’ny fisoronana. Ohatra, misy ireo mino fa tsy mahafantatra hoe mino. Nandray valim-bavaka maro isan-karazany avy tamin’ny feo tony sy malefaka izy ireo nandritra ny fotoana naharitraritra, kanefa noho ny hoe toa bitika sy tsy manan-danja loatra izany fitaomam-panahy izany dia tsy takany ny tena dikan’izany. Ny vokany dia mamela ny fisalasalana izy ireo hanakana azy ireo tsy hahatanteraka ny zavatra tokony ho tratrany sy ho vitany amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy.
Tsy voatery hiseho amin’ny endriny mahery vaika foana ny fanambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Ho an’ny ankamaron’ny olona dia tonga tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona—ampahany kely isky ny mandeha. Indraindray izany dia tonga tsikelikely ka sarotra amintsika ny hahatsiaro ilay fotoana manokana nahafantarantsika ny fahamarinan’ny filazantsara. Ny Tompo dia manome antsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely.”10
Amin’ny lafiny sasany dia misy hitovian’ny amin’ny bolabolan-dranomandry mitombo isaky ny fihodinany ny fijoroantsika ho vavolombelona. Miantomboka amin’ny ampaham-pahazavana kely izany—eny fa na dia ny faniriana hino fotsiny aza. Tsikelikely avy eo, “ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,”11 ary “izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro,” 12 rehefa “mandray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany.”13
Eritrereto ny maha-zava-mahatalanjona izany hoe mahavita zavatra mihoatra lavitra noho ireo fetra azontsika atao eto an-tany, izany hoe misokatra izany ny masom-pahatakarana ary mandray hazavana sy fahalalana avy any amin’ny loharano any an-danitra! Tombontsoa sy fahafahana miavaka ho antsika mpihazona ny fisoronana ny hikatsaka fanambarana ho an’ny tenantsika manokana ary hianatra ireo fomba hahafantarana ny fahamarinana ho an’ny tenantsika amin’ny alalan’ny tenivavolombelona azo antoky ny Fanahy Masina.
Handeha isika hikatsaka amim-pahavitrihana ny fahazavan’ny fitaomam-panahin’ny tena manokana. Handeha isika hiangavy ny Tompo mba handrotsaka ao an-tsaina sy ny fanahintsika ny sombin’ny finoana izay hahafahantsika mandray sy mahafantatra ny asa masin’ny Fanahy Masina eo amin’ny toe-javatra manokana iainantsika, sy ny fanamby atrehintsika ary ny adidintsika eo amin’ny fisoronana.
Fahatelo: Mahazoa Fifaliana eo amin’ny Asa Fanompoan’ny Fisoronana
Nandritra ny asako tamin’ny naha-mpanamory fiaramanidina ahy dia nanana fahafahana aho ho kapiteny mpanara-maso sy mpanofana ny hafa. Isan’ny atao ao anatin’izany asa izany ny manofana sy manao fitsapam-pahaizana amin’ireo mpanamory efa manana traikefa mba hahazoana antoka fa nanana ny fahalalana sy fahaizana ilaina izy ireo mba ahafahany mitondra amin’ny fomba azo antoka sy amim-pahombiazana ireny fiaramanidina lehibe ireny.
Tsikaritro fa misy ireo mpanamory, na dia aorian’ny taona maro namoriana tamin’ny sehatra matianina aza, no mbola tsy afaka amin’ny fientanentanana rehefa mahazo haavo eny ambony, ka “niala ny faritry ny Tany ary miriaria eny amin’ny habakabaka miaraka amin’ny elatra volafotsy mahasondriana.”14 Tian’izy ireo ny feon’ny fifofofofon’ny rivotra, ny fanenon’ny ny môtera matanjaka, sy ilay fahatsapana ho “iray amin’ny rivotra sy ho iray amin’ireo habakabaka maizina sy kintana efa mby hirotsaka.”15 Mamindra ny fientanentanam-pon’izy ireo.
Misy koa ireo vitsivitsy izay toa efa manao zavatra amim-pahazarana fotsiny. Voafehin’izy ireo tsara ny fomba familiana sy fanamoriana ilay fiaramanidina, kanefa toa efa very ny fifaliana amin’ny fanamoriana “amin’ny toerana izay tsy mbola nanidinan’ny sorohitra na voromahery mihitsy.”16 Very ireo fahatsapana ho talanjona manoloana ny fiposahan’ny masoandro mahavariana, na ny hatsaran’ny zavaboaharin’Andriamanitra rehefa avy namakivaky ireo ranomasina sy kaontinanta maro. Raha mahafeno ireo fepetra takiana ara-dalana izy ireo dia omeko ny taratasy mari-pankasitrahana noho izany kanefa mahonena ahy izy ireo.
Mety hanontany tena ianareo hoe manao zavatra amim-pahazarana fotsiny ve aho amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana ahy—manatanteraka ny zavatra andrasana aminareo kanefa tsy mahazo ny fifaliana izay tokony ho tsapanareo. Ny fihazonana ny fisoronana dia manome antsika fahafahana marobe hahatsapa ilay fifaliana izay nolazain’i Amôna hoe: “Moa va isika tsy manana antony lehibe hifaliana? … efa lasa fitaovana teo an-tanany tamin’ ny fanaovana ity asa lehibe sy mahatalanjona ity. Koa aoka isika hirehareha, … ao amin’ny Tompo; eny, hifaly isika.”17
Ry rahalahy, fivavahana mitondra fifaliana ity antsika ity! Voatahy manokana isika mihazona ny fisoronan’Andriamanitra! Ao amin’ny bokin’ny Salamo dia milaza hoe: “Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no handehanany.”18 Afaka mahatsapa izany fifaliana lehibe kokoa izany isika raha tsy manao afa-tsy ny mikaroka izany.
Matetika loatra isika no tsy mahatsapa ny fitahiana izay azo avy amin’ny fanatanterahana isan’andro ireo asa fanompoan’ny fisoronana. Misy fotoana toy ny enta-mavesatra ireo asa nampandraiketina. Ry rahalahy, aoka isika tsy handalo ny fiainantsika difotra ao anatin’ireo F telo: faharerahana, fiasana saina ary fitarainana. Miaina lavitry ny tombontsoa tokony ho tsapantsika isika rehefa mamela ny vato fantsik’izao tontolo izao hanakana antsika tsy hahazo ny fifaliana sesehena azo avy amin’ny asa fanompoan’ny fisoronana atao amim-pahatokiana, indrindra izay eo anivon’ny rindrin’ny tokantranontsika. Miaina lavitry ny tombontsoa tokony ho azontsika isika rehefa tsy mandray anjara amin’ny hanim-pitoloham-pahasambarana, sy fiadanana ary fifaliana izay ampanantenain’Andriamanitra amin-katsaram-panahy ireo mpanompo mahatoky ao amin’ny fisoronana.
Ry zatovolahy, raha toa ka fahasahiranana fa tsy fitahiana ho anareo ny tonga any am-piangonana vao maraina hanampy hikarakara ny fanasan’ny Tompo dia manasa anareo aho haka sary an-tsaina ny tena lanjan’izany ôrdônansy masina izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay mety avy nandalo herinandro feno fanamby. Ry rahalahy, raha toa ka tsy mahomby loatra ny fahitanao ny ezaka fampianarana isan-tokantrano ataonao dia manasa anao aho hijery amin’ny mason’ny finoanao ny mety ho fiantraikan’ny fitsidihana ataon’ny mpanompon’ny Tompo ny fianakaviana iray izay manana olana maro mianjady aminy. Rehefa azonareo ireo toetran’ny lanitra mety ho hahatongavan’ny asa fanompoana ataonareo ao amin’ny fisoronana, dia ho fenon’ny Fanahin’Andriamanitra ny fo sy ny sainareo ary hamiratra eny amin’ny masonareo sy ny tavanareo izany.
Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia aoka tsy hanamafy fo mihitsy isika amin’ireo zava-mahagaga sy mahatalanjona izay am-pandraiketin’ny Tompo antsika.
Famaranana
Ry rahalahiko malala, aoka isika hikatsaka amim-pahazotoana hianatra ny fotopampianaran’ny fisoronana masina, aoka isika hanamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona andalana anampy andalana amin’ny fandraisana ny fanambaran’ny Fanahy ary aoka isika hahita fifaliana marina eo amin’ireo asa fanompoan’ny fisoronana ataontsika andavanandro. Raha manao izany isika dia hanomboka hiaina mifanaraka amin’izay tokony hahatongavantsika sy ireo tombontsoantsika manokana amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika, ary ho afaka “[h]ahay ny zavatra rehetra…ao amin’i Kristy Ilay mampahery [antsika].”19 Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny maha-apôstôlin’ny Tompo ahy ary hametrahako ny tsodranoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.