Mameno ny tokantranontsika amin’ny fahazavana sy fahamarinana
Tsy maintsy manao izay hahaheniky ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny filazantsara antsika isika mba hanoherantsika sy ny fianakaviantsika ny faneriteren’izao tontolo izao.
Heniky ny Fanahy ny foko teo am-pihainoana ireo fianakaviana ireo izay nampianatra ilay fahamarinana masina hoe: “Avy amin’ Andriamanitra ny fianakaviana.”1 Tena iray amin’ireo fomba maro ahafahantsika mahatsapa ny Fanahy mibitsika amintsika ny hira manentana ny fanahy, ka mameno fahazavana sy fahamarinana antsika izany.
Lasa nanan-danja manokana ho ahy ilay fahatsapana hoe heniky ny fahazavana sy fahamarinana noho ny zavatra anankiray niainako taona maro lasa izay. Nanatrika fivoriana anankiray aho izay nampianaran’ireo mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovovavy maneran-tany ny fomba fanorenana ara-panahy fianakaviana sy tokantrano mafy orina. Mba hampisehoana mivantana izany dia nihazona canette fitoerana soda anankiroa ny mpitarika ny Zatovovavy anankiray. Nihazona canette iray tsy nisy soda intsony tamin’ny tanana anankiray izy ary nihazona canette feno soda mbola tsy nisokatra tamin’ny tanana iray hafa. Nopotseriny aloha ilay canette iray tsy nisy soda. Nanomboka niforitra izany ary dia potika noho ny fanapotsipotserana azy. Nopotseriny tamin’ilay tanana iray hafa avy eo ilay canette mbola tsy nisokatra. Tsy nihetsika izany. Tsy niforitra na potika tahaka ilay canette tsy nisy soda izany—satria feno.
Nampitahanay tamin’ny fiainanay manokana sy ny tokantranonay ary ny fianakavianay izany zavatra naseho izany. Rehefa heniky ny Fanahy sy ny fahamarinan’ny filazantsara isika dia manana hery hanoherana ny herin’izao tontolo izao izay manodidina sy manapotsitra antsika. Tsy manana hery anaty hanoherana ireo faneriterena ety ivelany anefa isika rehefa tsy feno tsara ara-panahy ary ho simba rehefa misy hery manapotsitra.
Fantatr’i Satana fa tsy maintsy manao izay hahaheniky ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny filazantsara antsika isika mba hanoherantsika sy ny fianakaviantsika ny faneriteren’izao tontolo izao. Noho izany dia ataony izay rehetra azony atao mba hanatsatsoana sy hampisavorovoroana ary hamotehana ny fahamarinan’ny filazantsara sy hanasarahana antsika amin’izany fahamarinana izany.
Maro amintsika no efa natao batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay ny manambara sy mampianatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra no asany.2 Tonga miaraka amin’io tombontsoa io ny andraikitra mba hikatsaka ny fahamarinana, hiaina ny fahamarinana fantatsika ary hizara sy hiaro ny fahamarinana.
Ny toerana iray tena hikatsahana tsara ny mba hahaheniky ny fahazavana sy fahamarinana antsika dia ao an-tokantranontsika. Ny tonon’ilay fiverenan-kira ao anatin’ilay hira henontsika teo dia mampahatsiahy antsika hoe, “Nomen’ Andriamanitra fianakaviana isika mba hanampy antsika ho tonga amin’izay tiany hahatongavantsika.”3 Ny fianakaviana no fitaovana iray nomen’ny Tompo eto an-tany mba hanampiana antsika hianatra sy hiaina ny filazantsara. Tonga ao amin’ny fianakaviantsika isika miaraka amin’ny adidy masina mba hifampatanjaka ara-panahy.
Tsy mitrangantranga ho azy ny fianakaviana mandrakizay matanjaka sy ny tokantrano heniky ny Fanahy. Mitaky ezaka lehibe sy fotoana izany ary mitaky ny hanaovan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ny anjara andraikiny. Tsy mitovy ny tokantrano tsirairay kanefa ny fahitana olona na dia iray monja izay mikatsaka ny fahamarinana any amin’ny tokantrano tsirairay dia afaka mitondra fiovana.
Toroina hevitra tsy tapaka isika mba hampitombo ny fahalalantsika ara-panahy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny fisaintsainana ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany velona. Toy izao ny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao anatin’ilay lahateny nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana mikasika ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana:
“Hiteny amin’ireo rehetra izay manatona Azy amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana ilay Andriamanitra Mandrakizay sy Tsitoha.
“Hiteny amin’izy ireo amin’ny nofy sy fahitana sy eritreritra ary fahatsapana Izy.”
Notohizan’ny Filoha Uchtdorf hoe: “Tena miraharaha anao Andriamanitra. Hihaino sy hamaly ireo fanontanianao manokana Izy. Ny valin’ireo vavaka ataonao dia ho tonga amin’ny fotoany sy araka ny fombany, ary noho izany dia mila mianatra mihaino ny Feony ianao.”4
Misy tantaram-pianakaviana iray fohy izay ohatra maneho io torohevitra io.
Namaky ny fijoroana ho vavolombelona an’ny rahavavy Elizabeth Staheli Walker anabavin’ny rain’ny dadabeko aho volana maro lasa izay. Niala tany Suisse ka nifindra monina tany Amerika niaraka tamin’ny fianakaviany i Elizabeth fony mbola ankizy.
Taorian’ny nanambadian’i Elizabeth dia nipetraka tany Utah akaikin’ny sisintanin’i Nevada izy sy ny vadiny ary ny zanany ka nitantana toerana iray fanangonana sy fandefasana taratasy. Toerana fijanonan’ireo mpanao dia lavitra ny tokantranony. Tsy maintsy nivonona nahandro sy nandroso sakafo andro aman’alina ho an’ireo mpanao dia lavitra izy ireo. Asa mafy sy nandreraka izany ary zara raha afaka naka aina izy ireo. Saingy ny zavatra tena lehibe nanahiran-tsaina an’i Elizabeth dia ny resaka nifanaovany tamin’ireo olona nifanerasera taminy.
Nilaza i Elizabeth fa hatramin’io fotoana io dia nino tsy hatrami-pisalasalana izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna, nomen’ Andriamanitra alalana mba hanao ny zavatra nataony ny Mpaminany Joseph Smith, ary drafitry ny fiainana sy famonjena ny hafatra nentiny. Saingy tsy hanamafy orina izany finoana izany ilay fiainana niainany.
Mpamaky boky sy manam-pahaizana ary manam-pahalalana ny sasany tamin’ireo mpanao dia lavitra tonga nijanona teo ary ny resaka fanao foana manodidina ny latabany dia hoe “olona mpamitaka” i Joseph Smith ka izy ihany no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia naparitany izany mba hahazoany vola. Nasehon’izy ireo tamin’ny fihetsiny hoe, ny fieritreretana zavatra hafa ankoatra izany dia hevitra adala ka dia niziriziry tamin’ny heviny izy ireo hoe “mifono fitaka ny Môrmônisma.”
Nahatonga an’i Elizabeth hahatsapa ho tokana sy irery izany. Tsy mba nisy olona azony niresahana na fotoana mba nanaovany vavaka—na dia nivavaka aza izy teo am-panaovana asa. Natahotra loatra izy hilaza zavatra tamin’ireo izay nanaraby ny finoany. Nilaza izy fa nozakainy teny fotsiny izany toy ireny hoe nilaza ny marina ireny izy ireo ary tsy ho afaka niaro ny finoana izy raha nanandrana nanao izany.
Nifindra toerana taty aoriana i Elizabeth sy ny fianakaviany. Nilaza i Elizabeth fa nanana fotoana bebe kokoa hieritreretana izy ary tsy dia tena voahenligelina lava. Nidina tany amin’ny lakavy izy matetika nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra mikasika ny zavatra manahirana ny sainy—mikasika ireo tantara izay notantarain’ireo olona toa mahiran-tsaina ireo momba ilay filazantsara izay lazaina ho fitaka ary mikasika an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna.
Indray alina nanofy i Elizabeth. Hoy izy hoe: “Toa nijoro teo amin’ny lalan-tsarety teritery izay aho izay nitondra nankeny am-pototry ny havoana misy misolampy kely. Teo amin’ny antsasaky ny lalana mitondra miakatra eny amin’ilay havoana dia nahita lehilahy iray nijery ambany sy niresaka aho na toy ny hoe miresaka amin’ny zatovolahy iray nandohalika sy niondrika teo amin’ny lavaka iray tamin’ny tany izany izy. Naninjitra ny tanany ilay zatovolahy ary toy ny nanakatra zavatra avy tao anaty lavaka tao izy. Nahita saron-javatra vita amin’ny vato aho izay toa avy nesorina teo amin’ilay lavaka niondrehan’ilay zatovolahy. Nisy olona maro teny an-dalana saingy tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo liana tamin’ireo olona anankiroa ireo izay teo amin’ny lafy irain’ilay havoana. Nisy zavatra tsapako tamin’ny fomba tena hafahafa izay tonga niaraka tamin’ilay nofy ka tonga aho dia taitra; … Tsy afaka nitantara ny nofiko tamin’iza na tamin’iza aho fa toa afa-po aho satria nidika izany hoe ny Anjely Môrônia no nanome torolalana ny zatovolahy Joseph tamin’ny fotoana nakany ireo takelaka.”
Nandeha nankany Salt Lake City tamin’ny fitokanana ny tempoly i Elizabeth ny lohataona 1893. Toy izao ny fitantarany ny zavatra niainany: “Hitako tao anatin’izany ilay sary nitovy tamin’ilay hitako tao amin’ny nofiko, toa fitaratra nilokoloko izy izay. Nahatsapa ho nahazo antoka aho fa ilay havoan’i Komôrà no hitako ary ilay tena izy tokoa. Nahatsapa ho nahazo antoka aho fa nampiseho ahy tao anatin’ny nofy ny sarin’ny Anjely Môrônia nanome ireo takela-bolamena an’i Joseph Smith.”
Taona maro taty aorian’io nofiny io ary volana maro talohan’ny nahafatesany teo amin’ny 88 taona latsaka teo dia naharay fahatsapana mahery vaika i Elizabeth. Hoy izy hoe, “Nisy eritreritra tonga mazava tsara tao an-tsaiko … toy ireny olona ireny mihitsy no niteny hoe, … ‘Aza alevina any ambany tany ny fijoroana ho vavolombelona anananao.’”5
Mbola manohy manovo hery amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Elizabeth ireo taranany maro taty aoriana. Miaina ao anaty tontolo iray tahaka an’i Elizabeth izay ahitana mpiahiahy sy mpitsikera maro mikasika ireo fahamarinana izay sarobidy amintsika isika. Mety maheno tantara mampisavorovoro saina sy hafatra mifanohitra isika. Isika koa tahaka an’i Elizabeth dia mila manao izay vitantsika mba hifikitra amin’izay fahazavana sy fahamarinana ananantsika amin’izao fotoana izao indrindra ao anatin’ireo toe-javatra sarotra. Mety tsy ho tonga amin’ny fomba mahatalanjona ny valin’ny vavaka nataontsika saingy tsy maintsy mitady fotoana milamina isika mba hikatsahana fahazavana sy fahamarinana. Ary rehefa azontsika izany dia andraikitsika ny miaina sy mizara ary miaro izany.
Apetrako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona fa fantatro hoe rehefa ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny Mpamonjy no amenoantsika ny fontsika sy tokantranontsika dia hahazo hery anaty hijoroana ho mahatoky ao anatin’ny toe-javatra miseho rehetra isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
Fanamarihana: Rahavavy Esplin dia nisaorana tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ary notohanana mba ho mpanolotsaina voalohany.