Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany
Rehefa miezaka isika, ka maharitra, ary manampy ny hafa hanao toy izany dia tena Olomasin’ny Andro Farany marina.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, tamin’ny volana desambra 2013 dia nisaona ny fahafatesan’i Nelson Mandela izao tontolo izao. Taorian’ny fanagadrana nandritra ny 27 taona noho ny anjara asa notanany tamin’ny tolona fanoherana ny fanavakavahana dia i Mandela no filohan’i Afrika Atsimo voafidy voalohany tamin’ny fomba demôkratika. Nahatalanjona ny famelany ireo izay nanagadra azy. Nahazo dera sy vonihahitra avy amin’ny olona rehetra izy.1 Matetika i Mandela no tsy nanaiky ny hiderana azy tamin’ny alalan’ny fitenenana hoe: “Tsy olomasina aho—raha tsy hoe, mieritreritra angaha ianareo fa ny olomasina dia olona mpanota iray izay manohy miezaka.”2
Io filazana hoe—“ny olomasina dia olona mpanota iray izay manohy miezaka”—io dia tokony hanome toky sy hampahery ireo mpikamban’ny Fiangonana. Na dia antsoina hoe “Olomasin’ny Andro Farany” aza isika dia tsy mahazo aina indraindray rehefa antsoina toy izany. Ilay fiteny hoe Olomasina dia ampiasain’ny besinimaro mba hilazana ireo olona nahatratra toetran’ny fahamasinana ambony tokoa na ny fahatanterahana. Ary fantatsika tsara fa tsy tanteraka isika.
Ny foto-pinoantsika anefa dia mampianatra antsika fa afaka ny hatao ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny famerimberenana sy ny fampitomboana hatrany ny “fianteherana tanteraka” amin’ny fotopampianaran’i Kristy: mampihatra finoana Aminy, mibebaka, mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavao ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana avy amin’izany, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva bebe kokoa. Rehefa manao izany isika dia lasa mitovy bebe kokoa amin’i Kristy ka afaka ny haharitra hatramin’ny farany, sy ny vokatra rehetra aterak’izany.3 Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia miraharaha bebe kokoa ny maha-isika antsika sy izay hahatongavantsika Andriamanitra raha oharina amin’ny naha-isika antsika teo aloha.4 Manan-danja Aminy ny fanohizantsika ny ezaka.
Ilay tantara mahatsikaiky hoe As You Like It, izay nosoratan’ilay mpanoratra teatira anglisy William Shakespeare dia maneho fiovana goavana teo amin’ny fiainan’ny olona anankiray izay lalaovina ao anatin’ilay tantara. Mikendry ny hahafaty ny zandriny lahy ny zokilahy iray. Na dia nahafantatra izany aza ilay zandrilahy dia namonjy ilay rahalahiny ratsy fanahy tamin’ny fahafatesana izy. Rehefa nahafantatra izany fangorahana tsy mendrika ny ho azony izany ilay zokilahy dia niova tanteraka hatramin’ny farany izy ary nanana ilay nantsoiny hoe “fiovampo.” Taty aoriana dia nanatona ilay zokilahy ny vehivavy marobe, dia nanontany hoe: “Tsy ianao ve ilay nikendry matetika ny hamono ny [rahalahinao]?”
Namaly ilay zokilahy hoe: “Izaho iny: saingy tsy toy izany intsony aho amin’izao: tsy menatra aho milaza aminareo hoe toy ny ahoana aho taloha—satria tena mamy amiko ny fiovampoko ka nahatonga ahy ho lasa toy izao.”5
Noho ny famindrampon’Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy zavatra foronin’ny saina ara-bakiteny fotsiny ny zavatra toy izany ho antsika. Nanambara ny Tompo tamin’ny alalan’i Ezekiela hoe:
“Ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ny andro ialany amin’ny faharatsiany. …
“… [Raha] miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy;
“… Ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy. …
“Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy.”6
Mampanantena famelan-keloka amin’ny alalan’ny famindrampony Andriamanitra rehefa mibebaka sy miala amin’ny faharatsiana isika—amin’ny fomba lehibe tokoa mba tsy hampahatsiahivina antsika intsony ny fahotantsika. Noho ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny fibebahantsika dia afaka mijery ny zava-bitantsika teo aloha isika dia milaza hoe: “Izaho iny, saingy tsy toy izany intsony aho amin’izao.” Na ratsy fanahy toy ny ahoana aza isika teo aloha dia afaka milaza hoe: “Izaho fahiny izany. Saingy tsy izaho amin’izao fotoana izao intsony izany olona ratsy fanahy taloha izany.”7
Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra ho antsika avy amin’Andriamanitra ny fifaliana amin’ny fiezahana indray, satria tsy misy tsy fahombiazana tsy azo resena.”8 Na dia nanao fanahy iniana nisafidy ny hanota aza isika, na niatrika tsy fahombiazana sy fahadisoam-panantenana matetika, dia afaka manampy antsika ny Sorompanavotan’i Kristy rehefa manapa-kevitra ny hiezaka indray isika. Ary mila mahatsiaro isika fa tsy ny Fanahy Masina no milaza amintsika fa efa be fahotana loatra isika ka tsy tokony hiezaka ny hibebaka intsony.
Ny fanirian’Andriamanitra mba hanohizan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny hiezaka foana dia mihoatra lavitra ny fandresena ny fahotana ihany koa. Raha mijaly isika noho ireo fifandraisana mananosarotra, na ireo olana ara-toekarena, na ny aretina, na vokatry ny fahotan’ny olona hafa, dia afaka manasitrana—indrindra indrindra fa—ireo izay nijaly tao anatin’ny tsy fananan-tsiny mihitsy aza ny Sorompanavotana tsy misy fetran’ny Mpamonjy. Azony tsara mihitsy izany hoe manahoana izany mijaly ao anatin’ny tsy fananan-tsiny izany, vokatry ny fandikan-dalàna nataon’ny hafa. Araka ny voambaran’ny faminaniana, ny Mpamonjy dia “hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo …, hanome azy namama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka”9 Na inona na inona no miseho dia miandry ny Olomasin’ny Andro farany Andriamanitra mba hanohy hiezaka miaraka amin’ny fanampiany.
Tahaka ny mahafaly an’Andriamanitra rehefa mivoatra isika no maha-diso fanantenana Azy raha tsy manaiky isika fa miezaka ihany koa ny hafa. Nizara ny fomba nianarany io lesona io avy amin’i Julia reniny i Thoba izay namana malalanay. Anisan’ireo mpikambana vaovao mainty hoditra taloha tao Afrika Atsimo i Julia sy i Thoba. Rehefa nifarana ny fitondrana nanjakan’ny fanavakavaham-bolon-koditra dia navela niara-nivavaka ireo mpikambana mainty hoditra sy fotsy hoditra. Ho an’ny maro dia zava-baovao sy niteraka fanamby ny fifaneraseran’ireo olona samy hafa fihodirana. Indray mandeha, rehefa nivavaka tany am-piangonana i Julia sy i Thoba, dia tsapan’izy ireo fa tsy nandray azy ireo tamin’ny hatsaram-panahy ny mpikambana fotsy hoditra sasany. Rehefa nody izy ireo dia nitaraina mafy tamin’ny reniny i Thoba. Nihaino tamim-pahatoniana i Julia mandra-pahavitan’i Thoba naneho ny fahadisoam-panantenany. Dia hoy i Julia hoe: “Thoba a! Tahaka ny hôpitaly lehibe iray ny Fiangonana, ary samy manana ny aretina mamparary antsika avy isika. Mankany am-piangonana isika mba ho ampiana.”
Ahitana taratra hevi-baovao manan-danja iray ny fanamarihana nataon’i Julia. Tsy tokony hoe hanana fandeferana fotsiny isika rehefa miezaka manasitrana ny aretina ara-panahy ao aminy manokana ny hafa. Tokony ho tsara fanahy koa isika, maharitra, tia manampy, ary manana fangorahana. Tahaka ny hamporisihan’Andriamanitra antsika hanohy hiezaka, dia andrasany koa ny hanomezantsika fahafahana ny hafa hanao toy izany ao anatin’ny fotoana hahavitany azy. Ho tonga eo amin’ny fiainantsika amin’ny fatrany lehibe kokoa aza ny Sorompanavotana amin’izay. Dia hiaiky isika amin’izay fotoana izay fa na dia eo aza ireo fahasamihafana izay tsikaritra dia samy mila ilay Sorompanavotana tsy misy fetra avokoa isika.
Taona maromaro lasa izay dia nantsoina hanao asa fitoriana ny zatovolahy mahafinaritra iray antsoina hoe Curtis. Izy ilay karazana misiônera irin’ny filohan’ny misiôna rehetra. Nifantoka izy sady niasa mafy. Nisy fotoana iray nanomezana azy namana mpiara-mitory iray izay tsy matotra, tsy dia havanana tamin’ny fifandraisana aman’olona, ary tsy dia nafana fo tamin’ny famitana ny asa.
Indray andro raha nitaingina ny bisikiletany izy ireo, dia nitodika tany aoriana i Curtis ka nahita fa nidina avy eo amin’ny bisikiletany, tsy hay hoe nahoana, ilay namany, ka nandeha an-tongotra. Nitaraina tao an-tsainy tamin’Andriamanitra i Curtis. Tena sarotra ilay niara-niasa tamin’ny namana iray nila fampaherezana lava izao tamin’ny famitana izay zavatra rehetra natao. Fotoana fohy taorian’izay dia nanana fahatsapana lalina i Curtis, toy ny nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Hitanao ry Curtis! Amiko dia tsy misy fahasamihafana be loatra eo aminareo roalahy.” Nianatra i Curtis fa nila nanana faharetana tamin’ny mpiara-mitory iray tsy tanteraka izy, izay niezaka ihany koa anefa tamin’ny fombany manokana.
Ny fanasana ataoko amintsika rehetra dia ny handinika ny fiainantsika, hibebaka, ary hanohy hiezaka. Raha tsy miezaka isika dia mpanotan’ny andro farany fotsiny ihany. Raha tsy maharitra isika dia mpitsoaka an-daharan’ny andro farany. Ary raha tsy mamela ny hafa hiezaka isika dia mpihatsaravelatsihin’ny andro farany fotsiny.10 Rehefa miezaka isika, maharitra, ary manampy ny hafa hanao toy izany dia tena Olomasin’ny Andro Farany marina. Rehefa miova isika dia hahita fa tena miraharaha bebe kokoa marina mikasika ny maha-isika antsika sy izay hahatongavantsika Andriamanitra, fa tsy izay naha-isika antsika teo aloha.11
Feno fankasitrahana lalina aho noho ny Mpamonjy, noho ny Sorompanavotana tsy misy fetra nataony, ary noho ireo mpaminanin’ny andro farany izay mamporisika antsika mba ho lasa Olomasin’ny Andro Farany, mba hanohy hiezaka.12 Mijoro ho vavolombelona aho fa tena velona ny Mpamonjy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.