2010–2019
Ny amin’ny hoe tsisy fitaka
Aprily 2015


17:51

Ny amin’ny hoe tsisy fitaka

Mivavaka aho, ny mba hahavitantsika manohitra ny fakam-panahy hampidera ny zava-bitantsika, ka hiezahantsika hikatsaka kosa haja ambony lavitra kokoa: ho lasa mpianatra manetry tena sy marin’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha 18 dia nanambara i Catherine la Grande de Russie fa hitsidika ny faritra atsimon’ny fanjakany izy, miaraka amin’ireo masoivoho vahiny maromaro. Te hampitolagaga mafy ireo mpitsidika ireo i Grigory Potemkin, ilay governoran’ny faritra. Koa nanao ezaka lehibe izy mba hampisongadinana ny zava-bitan’ny firenena.

Nandeha an-dakana tamin’ny Renirano Dniepr i Catherine nandritra ny ampahany tamin’ny dia, ka nasehony tamim-pireharehana tamin’ireo masoivoho ny fivoaran’ireo tanàna kely nanerana ny moron-drano izay feno vahoaka sady faly no nazoto niasa. Ny hany olana kely dia izao: natao ho fampisehoana fotsiny izany rehetra izany. Voalaza fa nanamboatra rindrina trano sy fivarotana vita tamin’ny baoritra i Potemkin. Nametraka tantsaha izay toa mikenonkenona mihitsy aza izy mba hanomezana fahatsapana hoe miroborobo ny toekarena. Vantany vao nidify teo amin’ny fiolahan’ilay renirano ireo mpitsidika dia naorin’ny olon’i Potemkin ilay tanàna sandoka ka nentina faingana nidina teny amin’ny tanàna manaraka mba hiomanana amin’ny fandalovan’i Catherine.

Na dia nampisalasala ireo mpahay tantara maoderina aza ny fahamarinan’io tantara io dia tafiditra ao amin’ny voambolan’izao tontolo izao ny teny hoe “tanànan’i Potemkin.” Ankehitriny izany dia entina hiantsoana izay mety ho fiezahana hampino ny hafa fa tsara kokoa noho izay tena izy marina isika.

Moa ve manana fikasana marina isika?

Anisan’ny toetran’olombelona ara-boajanahary ny te hiseho ho tsara. Izany no antony mahatonga ny maro amintsika miasa fatratra amin’ny endrika ivelan’ny tranontsika sy mahatonga ireo rahalahy tanora ao amin’ny Fisoronana Aharôna miezaka mibango tsara ny singam-bolo tsirairay, sao dia mba mifanena amin’ilay olona tena miavaka. Tsy misy maharatsy ny hoe mampamirapiratra ny kirarontsika, na ny manao manimanitra, na koa aza ny manafina ireo vilia maloto alohan’ny hahatongavan’ireo mpampianatra isan-tokantrano. Kanefa, rehefa diso tafahoatra io faniriana hampitolagaga io, dia mety hivadika ka raha tokony ho zavatra ilaina dia lasa zavatra mamitaka.

Ireo mpaminanin’ny Tompo dia nanandratra mandrakariva ny feo fampitandremana nanohitra ireo “manatona [ny Tompo] amin’ny vavany … ary mankalaza [Azy] amin’ny molony, nefa ampanalaviriny [Azy] kosa ny fony.”1

Nahatakatra sy nangoraka ny Mpamonjy tamin’ireo mpanota izay nanana fo nietry sy nahitsy. Saingy naneho fahatezerana marina Izy tamin’ireo mpihatsaravelatsihy toy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ary Sadoseo—dia ireo niezaka niseho ho marina mba hahazoana ny dera sy ny laza ary ny haren’izao tontolo izao, kanefa sady mampahory ireo vahoaka izay tokony ho notahiany. Ny Mpamonjy dia nampitaha azy ireo tamin’ny “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.”2

Amin’izao androntsika izao ny Tompo dia manambara teny mafy sahala amin’izany ho an’ireo mpihazona ny fisoronana izay “miezaka ny hanafina ny fahota[ny], na ny hampanarana ny fiavonavona[ny], na ny hambom-po[ny].” Raha manao izany izy ireo, hoy Izy, dia: “misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ny fisoronana na ny fahefan’izany lehilahy izany.”3

Nahoana izany no mitranga? Nahoana isika indraindray no miezaka miseho ivelany ho mavitrika sy miroborobo ary manolo-tena kanefa ao anatiny—araka ny lazain’ilay Mpanambara mikasika ireo Efesiana—“niala tamin’ny fitiava[ntsika] voalohany?4

Amin’ny tranga sasantsasany dia mety hoe tsy mifantoka intsony amin’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny filazantsara isika, ka nampifandiso ny “fomban’ny toetra araka an’ Andriamanitra” ho toy ny “heriny.”5 Tena mampidi-doza tokoa izany rehefa maneho ny endrika ivelan’ny maha-mpianatra antsika isika mba hampitolagaga ny hafa ka hahazoana tombontsoa na laza ho an’ny tena manokana. Amin’izay isika no tandindomin-doza ny ho lasa tahaka an’ireo Fariseo, ka fotoana tokoa izany handinihina ny ao am-pontsika mba hanitsiana avy hatrany izay tokony hahitsy.

Fandaharanasa Potemkin

Io fakam-panahy hiseho ho tsara kokoa mihoatra noho ny tena izy io dia tsy vitan’ny hoe hita taratra eny amin’ny fiainantsika manokana fa mety hita ihany koa amin’ny asa nampandraiketina antsika ato amin’ny Fiangonana.

Ohatra: mahafantatra tsatòka iray aho izay nametraka tanjona sasantsasany izay mitaky fikirizana ho an’ny taona. Na dia toa tena ilaina tokoa aza ireo tanjona rehetra ireo, dia na izy ireo nifantoka tamin’ny fanambarana avo loatra sy mampitolagaga na tamin’ny tarehimarika sy isan-jato.

Rehefa avy nodinihina ireo tanjona ireo ka nifanarahana dia nisy zavatra nanomboka nanelingelina ny sain’ilay filohan’ny tsatòka. Nieritreritra an’ireo mpikambana tao amin’ny tsatòkany izy—tahaka ilay reny tanora manan-janaka izay vao maty vady tsy ela akory izay. Nieritreritra an’ireo mpikambana izay sahirana noho ny fiahiahiana na mahatsiaro ho irery na manana olana goavana ara-pahasalamana kanefa tsy manana fiantohana izy. Nieritreritra an’ireo mpikambana izay nianjadian’ny faharavan’ny fanambadiana, ny fiankinan-doha, ny tsy fananan’asa ary ny aretin-tsaina izy. Ary arakaraka ny nieritreretany azy ireo no nametrahany fanontaniana mampietry tena iray hoe: moa ve hampiova ny fiainan’ireo mpikambana ireo ny tanjona vaovao napetrakay?

Nanomboka nanontany tena izy hoe mety ho niova nanao ahoana re ny tanjon’ny tsatòkany raha toa izy ireo ka nametraka tany am-boalohany an’ilay fanontaniana hoe: “Inona moa no asa fanompoana ataontsika?”

Koa dia niverina niresaka tamin’ny filankevitra indray io filohan’ny tsatòka io ka niaraka nanova ny zavatra ifantohany izy ireo. Nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hamela “ny noana, … ny sahirana, … ny mitanjaka, … ny marary sy ny ory handalo [azy ireo ka] tsy mahamarika azy ireny.”6

Nametraka tanjona vaovao izy ireo ka niaiky fa mety tsy ho azo refesina mandrakariva ny fahombiazana amin’ireo tanjona vaovao ireo, na farafaharatsiny tsy azon’olombelona refesina—fa ahoana moa no handrefesana ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana, ny fitiavana an’ Andriamanitra na ny fangorahana ny hafa?

Kanefa fantatr’izy ireo koa fa “maro amin’ireo zavatra azonao lanjaina no tsy manan-danja akory. Ary maro amin’ireo zavatra tsy azonao lanjaina no tena manan-danja tokoa.”7

Manontany tena aho hoe: sao dia mitovy amin’ilay tanànan’i Potemkin indraindray ireo tanjon’ny fikambanantsika na ny tanjon’ny tenantsika manokana. Moa ve mampitolagaga ety ivelany izy ireo fa tsy mahafapo akory ireo filàna marin’ireo mpiara-belona malalantsika?

Ry namako malala sy mpiara-mihazona ny fisoronana amiko, raha miara-midinika amintsika i Jesoa Kristy ka mangataka tatitra mikasika ny fitantanan-draharahantsika dia azoko antoka fa tsy hifantoka be loatra amin’ny fandaharanasa sy antontan’isa Izy. Ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho fantarina dia ny toetran’ny fontsika. Tiany ho fantatra hoe manao ahoana ny fitiavantsika sy ny fanompoantsika ireo izay eo ambany fiandraiketantsika, manao ahoana ny fanehoantsika fitiavana amin’ny vadintsika sy ny fianakaviantsika, ary manao ahoana ny fanamaivanantsika ny enta-mavesany isan’andro. Ary tian’ny Mpamonjy hofantarina ny fomba hanakaikezantsika sy ianao Azy sy ny Ray any An-danitra.

Maninona eto isika?

Mety hahasoa ny mandinika ny fontsika. Ohatra: afaka manontany tena isika hoe: nahoana moa isika no manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Afaka mametraka fanontaniana mihitsy aza isika hoe: maninona eto amin’ity fivoriana ity moa isika androany?

Mihevitra aho fa raha nasaina hamaly an’io fanontaniana io amin’ny fomba tsotsotra aho dia afaka miteny hoe manketo aho satria nasain’ny Filoha Monson handaha-teny.

Ka tsy dia manan-tsafidy loatra aho.

Ankoatra izay, manantena ny vadiko, izay tena tiako tokoa, fa manatrika izany aho. Ka ahoana moa no handavako azy?

Saingy samy mahafantatra avokoa isika rehetra fa misy antony tsara kokoa anatrehantsika ny fivoriantsika sy iainantsika ny fiainantsika ho toy ny mpianatra feno fanolorantena an’i Jesoa Kristy.

Manketo aho satria maniry amin’ ny foko iray manontolo ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, Tompoko. Maniry mafy aho ny hanao ny zava-drehetra izay nampanirahany ahy ato anatin’ity asa lehibe ity. Mangetaheta ny ho ampianarin’ny Fanahy Masina aho ka handre ny feon’ Andriamanitra rehefa miresaka amin’ny alalan’ireo mpanompony voahosotra Izy. Manketo aho mba ho lasa olona tsaratsara kokoa, mba hahazo hery amin’ny alalan’ireo ohatra manentana fanahy asehon’ireo rahalahiko sy anabaviko ao amin’i Kristy, mba hianatra ny fomba hanompoana am-pahombiazana bebe kokoa ireo olona tojo fahasahiranana.

Raha fehezina dia hoe: manketo aho satria tiako ny Raiko any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Zanakalahiny.

Azoko antoka fa izany koa no antony mahatonga anareo eto. Izay no antony mahatonga antsika vonona ny hanao fahafoizan-tena fa tsy manambara fotsiny hoe manara-dia an’ny Mpamonjy. Izay no antony mahatonga antsika mihazona amim-panajana ny fisoronany masina.

Pitik’afo mivadika ho afo miredareda

Na efa tsy mitsaha-mitombo sy miorina tsara ny fijoroanareo ho vavolombelona na mbola somary mitovy amin’ny tanànan’i Potemkin ny fahavitrihanareo ato amin’ny Fiangonana, ny vaovao mahafaly dia hoe afaka manorina zavatra amin’izay tanjaka anananareo ianareo. Ato anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianareo dia afaka ny ho tonga matotra ara-panahy ka manatona kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsara isan’andro isan’andro.

Raha manana faharetana sy fikirizana dia afaka ho lasa afo miredareda eo amin’ny fiainana feno fanolorantena ny asa faran’izay bitika indrindra ataon’ny mpianatra na ny finoana faran’izay kely. Raha ny marina dia toy izany no fiandohan’ny ankamaroan’ny afo miredareda—pitik’afo kely.

Koa raha mahatsapa tena ho kely sy malemy ianareo dia miangavy aho, manatòna fotsiny an’i Kristy izay manao ny zavatra malemy ho matanjaka.8 Izay malemy indrindra amintsika, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia afaka ny ho lasa matanjaka ara-panahy, satria Andriamanitra “tsy mizaha tavan’olona.”9 Izy no “Andriamani[tsika] mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.”10

Resy lahatra aho fa raha afaka nanolo-tanana Andriamanitra sy nanohana mpitsoa-ponenana Alemana mahantra kely iray avy amin’ny fianakaviana sahirana tao amin’ny firenena rotiky ny ady, izay lavitry ny foiben’ny Fiangonana, dia afaka manolo-tanana anareo koa.

Ry rahalahiko malala ao amin’i Kristy, azo antoka fa ilay Andriamanitry ny Fahariana izay nanome aina an’izao rehetra izao dia manana ny hery hanomezana aina anareo. Azo antoka fa afaka manova anareo Izy ho tonga ilay olona ara-panahin’ny fahazavana sy fahamarinana izay irianareo hiafarana.

Azo antoka ny fampanantenan’ Andriamanitra. Afaka ny ho voavela heloka isika ka ho voadio ho afaka amin’ny tsifahamarinana rehetra.11 Ary raha manohy manaiky sy miaina fitsipika marina isika eo amin’ny toe-javatra manjo antsika sy ao anatin’ny fianakaviantsika dia any amin’ny farany isika ho tonga amin’ny dingana hoe “tsy ho noana na hangetaheta intsony; … Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry [antsika] ka hitondra [antsika] ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny maso[ntsika].”12

Toeram-pahasitranana ny Fiangonana fa tsy toeram-piafenana

Tsy afaka mitranga nefa izany raha toa isika ka miafina ao ambadiky ny endrika fitaka an’ny tenantsika manokana, na ara-potokevitra na ara-pikambanana. Tsy vitan’ny hoe manakana antsika tsy hahita ny maha-tena izy marina antsika ny fanarahan-dia sandoka toy izany fa manakana antsika koa tsy hiova marina amin’ny alalan’ny fahagagan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Tsy trano fampirantiana fiarakodia tsy akory ny Fiangonana—toerana izay ampisehoantsika ny tenantsika mba hahafahan’ny hafa mitsiriritra ny fiainam-panahintsika, na ny fahaiza-manaontsika na ny firoboroboantsika. Fa izany dia mitovy bebe kokoa amin’ny ivontoerana fikarakarana, izay andehanan’ny fiarakodia mila fanamboarana mba hahazoana fikolokoloana sy fanavaozana.

Ka moa ve isika rehetra tsy samy mila fanamboarana, sy fikolokoloana ary fanavaozana avokoa?

Tsy hoe ny hanafina ny olantsika no ahatongavantsika aty am-piangonana fa ny hanasitrana azy ireny.

Ary amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia manana andraikitra fanampiny isika—dia ny “[miandry] ny ondrin’ Andriamanitra … mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo, tsy amin’ny [tombontsoa manokana], fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka, amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho [ohatra ho an’ireo] ondry.”13

Tsarovy, ry rahalahy, fa “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.”14

Ny olona faran’izay lehibe indrindra sy havanana indrindra ary tapi-pahaizana indrindra nandeha tety an-tany no olona faran’izay nanetry tena indrindra koa. Tamin’ny toerana mangingina no nanaovany ny sasany tamin’ireo asa fanompoany mahagaga indrindra, izay tsy nisy mpijery afa-tsy olom-bitsy, ka nangataka azy ireo Izy mba “tsy hilazalaza amin’olona” ny zavatra nataony.15 Rehefa nisy niantso Azy hoe “tsara” dia naviliny faingana ilay fandokandokafana ka nantitranteriny fa Andriamanitra irery no tena tsara.16 Tena hita miharihary fa tsy nisy dikany Taminy ny fideran’izao tontolo izao; ny hany tanjony dia ny hanompo ny Rainy ka “manao izay sitrany mandrakariva.”17 Tsara raha manaraka ny ohatra izay napetraky ny Tompontsika isika.

Enga anie isika hitia tahaka ny fomba nitiavany

Ry rahalahy isany, izao no antso avo sy masina nampanaovina antsika—dia ny ho solontenan’i Jesoa Kristy, ny hitia tahaka ny fomba nitiavany, ny hanompo tahaka ny fomba nanompoany, ny “[hampiakatra] ny tanana izay miraviravy, ary [hampatanjaka] ny lohalika malemy,”18 ny “hikarakara ny mahantra sy ny sahirana,”19 ary ny hikarakara ireo mananotena sy kamboty.20

Mivavaka aho, ry rahalahy, ny hahavitantsika manohitra ny fakam-panahy hampidera ny zava-bitantsika rehefa manompo ao amin’ny fianakaviantsika, ny kôlejintsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, ny fiarahamonintsika ary ny firenentsika, ka hiezahantsika hikatsaka kosa haja ambony lavitra kokoa: ho lasa mpianatra manetry tena sy marin’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ka rehefa manao izany isika dia hahita ny tenantsika mizotra amin’ilay lalana izay mitondra antsika any amin’izay tsara indrindra, sy marina indrindra ary mendri-kaja indrindra ao anatintsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’ilay Tompontsika, dia i Jesoa Kristy, amena.