Ny drafitry ny fahasambarana
Ny vokatra farany azo avy amin’ny asa rehetra atao ato amin’ny Fiangonana dia ny mahita fa sambatra ao an-tokantrano ny lehilahy sy ny vehivavy iray miaraka amin’ny zanany ary nofehezina hiaraka mandrakizay izy ireo.
Nianatra tao amin’ny Oniversite aho taona maro lasa izay taorian’ny ady lehibe faha II. Tao no nihaonako tamin’i Donna Smith. Namaky aho tamin’izay fotoana izay fa ny zavatra roa manan-danja ho amin’ny fahombiazan’ny fanambadiana dia ny mofomamy sy oroka. Nieritreritra aho fa zavatra tena mifameno tsara izany.
Nianatra aho ny maraina, ary avy eo dia niverina tany Brigham City ny hariva mba hiasa tao amin’ny toerana fikojakojana fiara an’ny raiko. Fianarana momba ny fikarakarana tokantrano no taranja farany natrehin’i Donna rehefa amin’ny maraina. Nijanona teo akaikin’ny efitrano fianarany aho talohan’ny nandehanako. Nisy varavarankely fitaratra izay nanjavozavona ny varavaran’ny kilasiny, kanefa rehefa nitsangana teo akaikin’ilay fitaratra aho dia afaka nahita ny aloko tao ivelany izy. Dia nitsaitsaika izy nivoaka niaraka tamin’ny mofomamy dia nanoroka ahy. Dia izao hitantsika izao ny vokany. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Logan izahay, ary izay no nisantatra ilay traikefa lehibe teo amin’ny fiainanay.
Nandritra ny taona maro dia matetika aho no nampianatra fitsipika iray manan-danja: ny vokatra farany azo avy amin’ny asa rehetra atao ato amin’ny Fiangonana dia ny mahita fa sambatra ao an-tokantrano ny lehilahy sy ny vehivavy iray miaraka amin’ny zanany ary nofehezina mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay izy ireo.
Tany am-piandohana:
“Dia nidina ireo Andriamanitra mba hamorona ny olona tahaka ny endriny, tahaka ny endrik’ ireo Andriamanitra no namoronany azy, lahy sy vavy no namoronany azy ireo.
“Ary hoy ireo Andriamanitra: Isika dia hahatonga azy ireo ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany ka hampanompo azy” (Abrahama 4:27–28).
Ary dia toy izany no niantombohan’ny fihodin’ny fiainan’ny olombelona teto ambonin’ity tany ity rehefa “nahalala ny vadiny [i Adama], ka niteraka zazalahy sy zazavavy ho azy izy, ary ireo dia nanomboka nihamaro sy nameno ny tany.
“Ary … ireo zanakalahy sy zanakavavin’ i Adama dia nanomboka nizara tsiroaroa teo amin’ ny tany, … ary niteraka zazalahy sy zazavavy koa” (Mosesy 5:2–3).
Mbola tsy nofoanana mihitsy ny didy hihabetsaka sy hameno ny tany. Zava-dehibe ho an’ny drafitry ny fanavotana izany ary loharanon’ny fahasambaran’ny olombelona. Afaka ny ho akaikin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana io fahefana io ary hahatsapa ny fahafenoan’ny fifaliana, dia ho lasa andriamanitra mihitsy aza. Tsy famenon’ny drafitry ny fahasambarana fotsiny ny hery ahafahana miteraka fa drafitry ny fahasambarana izany. Fanalahidy hahazoana ny fahasambarana izany.
Ny faniriana hitady olona hiarahana dia misy foana ao anatin’ny olombelona ary tena mahery vaika izany. Miankina amin’ny fihetsitsika manoloana izany faniriana ara-batana tsy tapaka sy mandresy lahatra izany ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fifaliantsika ary ny fisandratantsika. Rehefa feno tsara eo amin’ny taonan’ny fahatanoran’ny lehilahy sy ny vehivavy ny hery ahafahana miteraka dia misy fahatsapana izay tena an’ny tena manokana miseho amin’ny fomba tena ara-boajanahary, fa tsy mitovy amin’ny fahatsapana ara-batana hafa rehetra.
Ny tena tsara, araka ny fiheveran’ny olona azy, dia miantomboka amin’ny tantaram-pitiavana mampientam-po ny fiarahana. Na dia tsy mitovy aza ny fomba amam-panao dia mitombo miaraka amin’ireo fahatsapana fientanentanana sy tsy faharetana ary fanilihana aza indraindray, toy ny hita amin’ny tantaram-pitiavana izany. Misy volana sy raozy, taratasim-pitiavana, hiram-pitiavana, tononkalo, fifampitazonan-tanana sy ireo fanehoam-pitiavana hafa eo amin’ny zatovolahy sy ny zatovovavy. Tsy tsapan’ireo mpifankatia intsony ny zavatra miseho manodidina azy ary mahatsapa fifaliana izy ireo.
Ary raha mihevitra ianareo fa ny fitambaran’ireo zavatra mety hiseho avy amin’ny hery ahafahana miteraka no fifaliana feno indrindra amin’ny fitiavana vao izay mampientam-po dia tsy mbola hitanareo izany hoe fanolorantena sy fiadanam-piainana ao anatin’ny fitiavan’ny mpivady efa naharitra ela izany. Sedraina amin’ny alalan’ny fakam-panahy, ny tsy fifankahazoan-kevitra, ny olana ara-bola, ny olana ara-pianakaviana, ary ny aretina ny mpivady, ary mandritra ireo zavatra iainana rehetra ireo dia mihamatanjaka hatrany ny fitiavana. Misy fahasambarana izay tsy mbola azon’ireo mpivady vao an’eritreritra mihitsy ao anatin’ny fitiavana efa naharitra ela.
Ny tena fitiavana dia mitaky ny tsy hizarana raha tsy aorian’ny fanambadiana io fitiavana izay mamaha ireo fahefana masina izay ahafahana manome aina ireo. Izany dia midika hoe mila misoroka ireo toe-javatra izay mety hampanjakazaka ny faniriana ara-batana. Ny fitiavana madio dia midika fa aorian’ny fanomezan-toky ny hanaja mandrakizay ny vady ihany sy ny lanonana ara-dalàna sy ara-panjakana ary raha ny tsara indrindra dia aorian’ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly vao tokony homena fahalalahana, araka ny hevitr’ Andriamanitra, ny hery ahafahana miteraka mba ho fanehoana ny fitiavana amin’ny fahafenoany. Amin’izay ho vadinao mandrakizay irery ihany no tokony hifampizarana izany.
Rehefa atao amim-pahamendrehana io dingana io dia manambatra ireo fahatsapana ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy faran’izay tsara sy ambony indrindra ka mifandray amin’ny teny hoe fitiavana. Tsy manan-tsahala izany ampahany amin’ny fiainana izany ary tsy misy mitovy aminy amin’ny zavatra rehetra iainan’ny olombelona. Haharitra mandrakizay izany rehefa atao sy tandrovana ireo fanekempihavanana, “fa ao no anokanana ireo fanalahidin’ ny fisoronana masina mba hahazoanareo mandray laza sy voninahitra” (F&F 124:34), “dia voninahitra izay ho fahafenoana sy ho fitohizan’ ny taranaka mandrakizay mandrakizay” (F&F 132:19).
Fa ny fitiavana mampientam-po dia tsy feno. Fiomanana ihany izany. Ny fitiavana dia ampitomboin’ny fahaterahan’ireo zanaka, izay nohariana avy amin’izany fahafahana manome aina nankinina tamin’ny mpivady izany. Ao anatin’ny fifankatiavan’ny mpivady ara-dalàna no hitrangan’ny fitsaihan’ny zaza. Manomboka miforona amin’ny fomba mahatalanjona ny vatana kely iray. Tonga amin’ny alalan’ny fahagagan’ny fahaterahana ny zaza iray, izay nohariana araka ny endriky ny rainy sy ny reniny eto an-tany. Ao anatin’ny vatany mety maty dia misy fanahy iray izay afaka mahatsapa sy mahafantatra ny zavatra ara-panahy. Matory ao anatin’izany vatan’io zazakely io izany ilay hery ahafahana manan-janaka tahaka ny endriny.
“Ny fanahy sy vatana no atao hoe olona velona” (F&F 88:15), ary misy lalàna ara-panahy sy ara-batana izay tokony hankatoavina raha tiantsika ny ho sambatra. Misy lalàna mandrakizay, anisan’izany ireo lalàna momba an’io hery ahafahana manome aina io, izay “navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ ny fitahiana rehetra” (F&F 130:20). Ireo no lalàna ara-panahy izay mamaritra ny fitsipika ara-pitondrantenan’ny olombelona (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 7:14–15; 2 Nefia 2:5; F&F 29:34; 134:6). Misy ny fanekempihavanana izay mamatotra, mamehy, ary miaro sy manome fampanantenana ireo fitahiana mandrakizay.
Nananatra an’i Siblôna zanany lahy i Almà nanao hoe: “Ataovy … izay hifehezanao ny filanao rehetra mba hahatonga anao ho feno fitiavana” (Almà 38:12). Ny lamboridy dia ampiasaina mba hitari-dalana sy hitarika ary hampijanona ny soavaly. Tokony hofehezina ny filantsika. Hitahy sy hanamasina antsika ny hery ahafahana miteraka raha ampiasaina amin’ny fomba ara-dalàna (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 158).
Misy foana ny fakam-panahy. Satria tsy manana ny fahafahana hiteraka ny fahavalo dia mialona ireo rehetra izay manana izany hery avy amin’ Andriamanitra izany izy. Noroahina izy sy ireo izay nanaraka azy ary efa nahafoy ny zo hahazo vatana mety maty. “Katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27). Haka fanahy izy, raha azony atao, mba hanambany, hanimba, ary raha azo atao aza dia handrava ity fanomezam-pahasoavana izay ahafahantsika manana ny fitomboana mandrakizay ity, raha toa ka mendrika isika (jereo ny F&F 132:28–31).
Raha toa ka lotointsika ny hery ahafahana miteraka izay ananantsika na mitarika ny hafa handika lalàna isika dia hisy sazy izay “mangirifiry” sy “sarotra zakaina” (F&F 19:15) izay tsy ho afaky ny fahafinaretana ara-batana velively.
Hoy i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy: “Tsy fantatrao va, anaka, fa ireny zavatra ireny dia fahavetavetana eo imason’ny Tompo; eny, tena fahavetavetana indrindra noho ny fahotana rehetra, afa-tsy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny, na ny fandavana ny Fanahy Masina? (Almà 39:5). Tsy azontsika ialana ny vokany rehefa mandika lalàna isika.
Eo amin’ny mpivady, lehilahy sy vehivavy nivady ara-dalàna sy ara-panjakana ihany no hany ahazoan-dalana hanehoana ara-dalàna ny hery ahafahana miteraka. Mandika ny didin’ Andriamanitra ny ankoatra izany. Aza manaiky ho resin’ny fakam-panahy mahatsiravin’ny fahavalo satria tsy maintsy aloanao “ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra” ny trosan’ny fandikan-dalàna rehetra ataonao (Matio 5:26).
Tsy ho hita na aiza na aiza ny fahalalahan-tanana sy ny famindrampon’ Andriamanitra raha tsy ao amin’ny fibebahana.
Rehefa maratra ny vatantsika dia afaka manasitrana ny tenany ihany, indraindray dia mila fanampian’ny dokotera. Raha lehibe anefa ilay fery dia matetika misy holatra tavela mampahatsiahy ilay ratra.
Ny momba ny vatantsika ara-panahy dia zavatra hafa indray. Maratra ny fanahintsika rehefa manao fahadisoana sy manota isika. Saingy rehefa vita ny dingan’ny fibebahana dia tsy mba misy holatra tavela, toy ny amin’ny vatantsika, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hoy ny fampanantenana manao hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” (F&F 58:42).
Rehefa miresaka momba ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana isika dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina ny hoe: “Ahoana ny momba ireo tranga miavaka?” Ny sasany dia teraka ao anatin’ny tsy fahatomombanan’ny vatana ka tsy afaka miteraka. Rendrika ny fanambadian’ny tsy manan-tsiny sasany noho ny fanitsakitsaham-bady. Ny hafa indray dia tsy manambady ary tokan-tena nefa mendrika.
Ankehitriny aho dia manome izao fampiononana izao: Raintsika Andriamanitra! Ananany avokoa, Izy izay Raintsika sy Andriamanintsika, ny fitiavana rehetra sy ny fahalalahan-tanana ananan’ny ray izay tonga lafatra indrindra eto an-tany ary mihoatra noho ny fahatakaran’ny sain’olombelona izany. Marina ny fitsarany; tsy misy fetra ny famindrampony; tsy misy afaka mitaha amin’ny eto an-tany ny hery fanonerana izay ananany. “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” (1 Korintiana 15:19).
Ankehitriny dia mampiasa amim-panajana ny teny hoe tempoly aho. Mieritreritra efitrano famehezana sy alitara iray aho ary mpivady vao herotrerony izay mandohalika eo. Mihoatra lavitra noho ny fampakaram-bady ity ôrdônansy masin’ny tempoly ity, satria afaka fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ilay fanambadiana, ary manambara ny soratra masina fa “handova ireo fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery, fizakana” isika (F&F 132:19). Hitako ny fifaliana izay miandry ireo izay manaiky ity fanomezana avy amin’ Andriamanitra ity ka mampiasa izany amim-pahamendrehana.
Niaraka tao anatin’ny fanambadiana izaho sy rahavavy Donna Smith Packer efa ho 70 taona izay. Raha ny vadiko no resahina, ny renin’ireo zanakay, dia tsy misy teny afaka milaza ny zavatra tsapako. Lalina loatra ny fihetsehampo ary tena lehibe ny fankasitrahako ka dia tsy mahateny intsony aho. Ny valisoa lehibe indrindra azonay tamin’ity fiainana ity, sy amin’ny fiainan-ko avy, dia ireo zanakay sy ny zafikelinay. Raha mizotra mankany amin’ny fiafaran’ny andro hiarahanay eto an-tany izahay dia feno fankasitrahana noho ny fotoana rehetra niarahanay nifanjohy hatrany aho sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo fa tsy hisy izany farany izany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy ary Zanak’ilay Andriamanitra velona. Izy no lohan’ny Fiangonana. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny herin’ny fisoronana, dia afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana izay manomboka eto an-tany. Tsy mitondra holatra ilay Sorompanavotana izay afaka mamonjy antsika indray. Midika izany hoe na inona na inona zavatra nataontsika, na taiza na taiza nisy antsika ary na nanao ahoana ny fitrangan’ny zavatra iray, rehefa tena mibebaka isika dia nampanantena Izy fa hanonitra. Ary rehefa nanonitra Izy dia voalamina ny momba izany. Maro amintsika no mihotakotaka toy ny mahatsapa ho meloka izany ka tsy mahafantatra tsara ny fomba hahatafoavahana. Tafavoaka ianao amin’ny alalan’ny fanekena ny Sorompanavotan’i Kristy ary hatsarana sy fitiavana ary mandrakizay no haka ny toeran’ny zavatra rehetra izay nampijaly.
Feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo, ny hery ahafahana miteraka sy ny herin’ny fanavotana ary ny Sorompanavotana—Sorompanavotana izay afaka manadio ny pentina rehetra na sarotra manao ahoana aza izany ary na naharitra manao ahoana ary na impiry na impiry niverimberenan’izany. Ny Sorompanavotana dia afaka manolotra fahafahana ho anao indray mba handroso hatrany, omban’ny fahadiovana sy fahamendrehana, hanohy ilay lalana nosafidianao eo amin’ny fiainana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra, i Jesoa no Kristy, ary ny Sorompanavotana dia tsy zavatra amin’ny ankapobeny ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Zavatra ho an’ny tena manokana ny Sorompanavotana ary raha misy zavatra manelingelina anao—indraindray zavatra efa ela be ka tsy tadidinao tsara intsony akory aza—dia ampiasao ny Sorompanavotana. Hanadio izany ary tsy hotsaroanao intsony ny fahotanao tahaka ny tsy hahatsiarovany izany intsony. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.