2010–2019
Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony
Aprily 2015


16:21

Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony

Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia loharanom-piadanana sy fananana toky sy fahatokian-tena, tsy tahaka ny tahotra araka izao tontolo izao izay miteraka fahatairana sy tebiteby.

Tena mbola tsaroako tsara ny zavatra iray niainako fony aho mbola zazalahy. Indray andro raha nilalao niaraka tamin’ireo namako aho dia nahavaky tsy nahy ny varavarankelin’ny tranombarotra iray teo akaikin’ny tranonay. Raha niparasaka ilay fitaratra ka naneno ny anjomara fanairana, dia nisy tahotra tsy nahafahana nihetsika nanenika ny foko sy ny saiko. Tonga dia tsapako hoe ho voaozona handany ny androm-piainako sisa any am-ponja aho izany. Nony farany dia nandresy lahatra ahy ireo ray aman-dreniko hivoaka tao amin’ny toeram-piafenako tao ambany fandriako ary nanampy ahy hanonitra ny fahadisoako tamin’ny tompon’ilay tranombarotra. Soa ihany fa tsy nilaina ny nidirako am-ponja.

Nampivarahontsana sy tena azo tsapain-tanana ny tahotra tsapako tamin’io andro io. Tsy hisalasalana fa efa niaina fahatsapana tahotra lehibe lavitra noho izany ianareo rehefa nandre momba ny aretina iray izay nahazo anareo, na rehefa nahita ny olona iray tao amin’ny fianakaviana izay tojo fasahiranana na nisedra loza, na raha sendra nahita trangan-javatra nanakorotana teo amin’izao tontolo izao. Amin’ny tranga toy ireny dia mirongatra ny tahotra mampahory noho ny loza mananontanona, na ny ahiahy mikasika ny ho avy na ny fanaintainana sy amin’ny alalan’ny zavatra iainana izay tsy ampoizina, sy tampoka indraindray, ka mety hiteraka voka-dratsy.

Eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia mety hiteraka tahotra sy tebiteby ny vaovao mitatitra hatrany hatrany herisetra miaro heloka bevava, mosary, ady, kolikoly, fampihorohoroana, fitontongan’ny toe-tsaina, aretina, ary ny fandravana ateraky ny loza voajanahary. Tena miaina ao anatin’ny fotoana izay nambaran’ny Tompo mialoha tokoa isika manao hoe: “Ary amin’izany andro izany … [dia] ho anaty korontana ny tany manontolo, ary ho reraka ny fon’ny olona” (F&F 45:26).

Ny tanjoko dia ny hamariparitra ny fomba handroahana ny tahotra amin’ny alalan’ny fahalalana tomombana momba an’i Jesoa Kristy sy ny finoana Azy. Mivavaka mafy aho mba hitahy antsika tsirairay ny Fanahy Masina raha hiara-handinika an’ity lohahevitra manan-danja ity isika.

Tahotra eto amin’ny fiainana an-tany

Raha nandre ny feon’ Andriamanitra i Adama sy i Eva rehefa avy nihinana tamin’ilay voankazo voarara, dia niafina tao amin’ny Saha Edena izy ireo. Niantso an’i Adama Andriamanitra ary nanontany hoe: “Aiza moa ianao? Dia [namaly i Adama hoe] Nandre Anao … aho, dia natahotra aho” (Genesisy 3:9–10). Tsara ho marihina fa ny iray tamin’ireo vokatra voalohany nateraky ny fahalavoana dia ny fiainan’i Adama sy i Eva tahotra. Io fihetsehampo mahery vaika io dia ampahany manan-danja eo amin’ny fiainantsika eto an-tany.

Ny ohatra iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mampisongadina ny hery ao amin’ny fahalalana ny Tompo (jereo ny 2 Petera 1:2–8; Almà 23:5–6) ahafahana mandroaka ny tahotra ary manolotra fiadanana eny fa na dia rehefa miatrika fanoherana lehibe aza.

Tao amin’ny tanin’i Helama dia natahotra ireo vahoakan’i Almà noho ny fanatonan’ny tafika Lamanita iray.

“Nefa nandroso i Almà ary nijoro teo anivony sy nandrisika azy ireo tsy hatahotra fa hahatsiaro kosa ny Tompo Andriamaniny, ary ho afahany izy ireo.

“Noho izany izy ireo dia nampangiana ny tahony” (Môsià 23:27–28).

Mariho fa tsy nampangina ny tahotry ny vahoaka i Almà. Fa nanoro hevitra kosa an’ireo mpino mba hahatsiaro ny Tompo sy ny fanafahana izay Izy ihany no afaka manolotra azy (jereo ny 2 Nefia 2:8). Ary ny fahalalana ny fiahian’ny Mpamonjy izay miaro dia nahafahan’ny vahoaka handroaka ny tahotr’izy ireo manokana.

Ny fahalalana marina mikasika ny Tompo sy ny finoana Azy dia manome hery antsika handroahana ny tahotsika satria i Jesoa Kristy no hany loharanon’ny fiadanana maharitra. Hoy Izy: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao” (F&F 19:23).

Nanazava koa ny Tompo hoe: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao” (F&F 59:23).

Ny fitokisana amin’i Kristy sy ny fahatokiana Azy ary ny fianteherana tsy misy fisalasalana amin’ny fahamendrehany sy ny famindrampony ary ny fahasoavany dia mitondra amin’ny fanantenana ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (jereo ny Môrônia 7:41). Ny finoana sy ny fanantenana toy izany dia mampiditra eo amin’ny fiainantsika ilay fiadanan-tsaina mahafinaritra izay katsahantsika rehetra. Ny herin’ny Sorompanavotana no mahatonga ny fibebahana ho azo tanterahina ary mampitony ilay fahakiviana ateraky ny fahotana. Io ihany koa no mampatanjaka antsika mba hahafahantsika mahita ny tsara sy manao ny tsara ary ho tonga tsara amin’ny fomba izay tsy ho azontsika fantarina na tanterahina mihitsy noho ny fahafaha-manao voafetra ananantsika amin’ny maha-olombelona antsika. Marina tokoa, fa ny iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra azo amin’ny maha-mpianatra mahafatrapo dia ny “fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7).

Ny Fiadanana izay omen’i Kristy dia ahafahantsika mahatakatra ny fiainana an-tany amin’ny alalan’ilay fahaizana mijery ny mandrakizay izay sarobidy ary manome fiorenana ara-panahy (jereo ny Kolosiana 1:23) izay manampy antsika hibanjina hatrany ilay toerana any an-danitra halehantsika. Noho izany isika dia sambatra fa afaka mandroaka ny tahotsika satria manome tanjona sy taridalana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ireo fotopampianarany. Mampatanjaka sy mankahery ireo ôrdônansiny sy fanekempihavanany na amin’ny fotoana milamina izany na amin’ny fotoan-tsarotra. Ary ny fahefan’ny fisoronany dia manome antoka fa afaka maharitra na mandritra ity fiainana ity na any amin’ny mandrakizay ireo zavatra izay manan-danja indrindra.

Saingy moa ve isika afaka mandroaka ireo tahotra izay mahazo antsika mora foana sy matetika tokoa eo amin’izao tontolo izao izay iainantsika ankehitriny? Ny valin’io fanontaniana io dia “eny” tsy misy isalasalana. Fitsipika fototra telo no ifotoran’ny fahazoana izany fitahiana izany eo amin’ny fiainantsika: (1) mibanjina an’i Kristy, sy (2) miorina eo amin’ny fanorenana mafy nataon’i Kristy, ary (3) mibosesika mandroso ombam-pinoana an’i Kristy.

Mibanjina an’i Kristy

Mihatra tsara amintsika ankehitriny ilay torohevitra nomen’i Almà an’i Helamàna zanany manao hoe: “Eny, ezaho izay hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona” (Almà 37:47). Tokony hibanjina ny Mpamonjy isika ary tokony hiraikitra tsara Aminy ny fifantohantsika, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.

Tsarovy ny fotoana naha tao anaty sambo an’ireo Apôstôlin’ny Tompo, natopatopan’ny onja teny afovoan’ny ranomasina. Nanatona azy ireo i Jesoa, nandeha teo ambonin’ny rano, saingy nihiakiaka izy ireo noho ny tahotra satria tsy nahafantatra Azy.

“Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa izaho ihany, aza matahotra.

“Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.

“Ary hoy Izy: Manatona” (Matio 14:27–29).

Avy teo i Petera dia nandeha teo ambonin’ny rano nanatona an’i Jesoa.

Saingy rehefa nahita ny rivotra nifofofofo izy dia natahotra ka nanomboka nilentika ary nihiakiaka hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!

“Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nihanahana ianao?” (Matio 14:30–31).

Azoko sary an-tsaina i Petera namaly amim-pahavitrihana avy hatrany an’ilay fanasana nataon’ny Mpamonjy. Ka tamin’ny maso nibanjina an’i Jesoa no nivoahany avy tao amin’ny sambo ka nandehanany tamim-pahagagana teo ambonin’ny rano. Rehefa nohelingelenin’ny rivotra sy ny onja ihany ny fifantohany izay vao lasa natahotra izy ka nanomboka nilentika.

Afaka ny handresy ny tahotra mahazo antsika isika ary manamafy orina ny finoantsika rehefa manaraka ilay toromariky ny Tompo hoe: “Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (F&F 6:36).

Miorina eo amin’ny fototra nataon’i Kristy

Nananatra an’i Nefia sy i Lehia zanany i Helamàna, nanao hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana no biriky fanorenana izay ampiasaintsika mba hanorenana ny fiainantsika eo ambonin’ny fototr’i Kristy sy ny Sorompanavotany. Mifamatotra tsara amin’ny fomba azo antoka amin’ny Mpamonjy isika rehefa mandray ôrdônansy amim-pahamendrehana ary miditra ao anaty fanekempihavanana, ka mahatsiaro sy manaja amim-pahatokiana ireo fanolorantena masina ireo, ary manao izay tratra mba hiainana araka ireo adidy izay nekentsika. Ary io fatotra io no loharanon’ny hery ara-panahy sy ny tsy fiovaovana eo amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Afaka mandroaka ny tahotra ananantsika isika rehefa mampiorina mafy tsara ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika eo amin’ilay fototra azo antoky ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana nataontsika.

Mibosesika mandroso omban’ny finoana an’i Kristy

Hoy i Nefia: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20).

Ny faharetana feno fifehezantena voafaritra ao amin’io torohevitra io dia vokatry ny fahatakarana sy fomba fijery ara-panahy, ny fitozoana, ny faharetana ary ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ny fanehoana finoana ny anarana masin’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny anarany masina, manoa amim-pahalemem-panahy ny Sitrapony sy ny fotoany eo amin’ny fiainantsika ary miaiky amim-panetrentena ny Tanany eo amin’ny zava-drehetra no miteraka ireo zavatra izay mivoy fiadanana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ary mitondra fifaliana sy fiainana mandrakizay (jereo ny F&F 42:61). Fa na dia misedra olana sy miatrika hoavy feno ahiahy aza isika dia afaka maharitra amim-pahazotoana sy “[miaina] miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra” (1 Timoty 2:2).

Afaka mandroaka ny tahotra ananantsika isika rehefa mandray ilay hery izay azo noho ny fianarana sy ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara ary tapa-kevitra hibosesika handroso eo am-panaovana fanekempihavanana sy eo am-pitandremana izany.

Ny fahatahorana ny Tompo

Tsy mitovy nefa mifandray amin’ireo tahotra izay iainantsika matetika ny zavatra izay faritan’ny soratra masina hoe “fahatahorana araka an’ Andriamanitra” (jereo ny Hebreo 12:28) na ny “fahatahorana ny Tompo” (Joba 28:28; Ohabolana 16:6; Isaia 11:2–3). Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia loharanom-piadanana sy fananana toky sy fahatokian-tena, tsy tahaka ny tahotra araka izao tontolo izao izay miteraka fahatairana sy tebiteby.

Fa ahoana no ahafahan’ny zavatra izay mifandray amin’ny tahotra hampiorina sy hanampy eo amin’ny ara-panahy?

Ny fahatahorana marina izay ezahiko fariparitana dia resaka fananana fahatsapana fanehoam-panajana lalina sy fiderana an’i Jesoa Kristy Tompo (jereo ny Salamo 33:8; 96:4), fankatoavana an’ireo didiny (jereo ny Deoteronomia 5:29; 8:6; 10:12; 13:4; Salamo 112:1), ary fiandrandrana ny Fitsarana Farany sy ny fahamarinana eo an-tanany. Araka izany ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia teraka noho ny fahatakarana marina ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny asa nanirahana Azy, fahavononana hampanoa ny sitrapontsika eo anatrehan’ny Sitrapony, ary fahalalana fa ny lehilahy sy vehivavy rehetra dia ho tompon’andraikitra amin’ny fahotany ihany amin’ny Andron’ny Fitsarana (jereo ny F&F 101:78; Fanekempinoana 1:2).

Mampianatra ny soratra masina fa ny fahatahorana an’ Andriamanitra “no fiandoham-pahalalana” (Ohabolana 1:7), “fananarana mampahahendry” (Ohabolana 15:33), “fiarovana mahatoky” (Ohabolana 14:26), sy “loharanon’aina” (Ohabolana 14:27).

Mariho fa ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia mifamatotra tsy hay sarahina amin’ny fahatakarana ny Fitsarana Farany sy ny maha-tompon’andraikitra antsika tsirairay amin’ny faniriantsika sy ny eritrerintsika sy ny tenintsika ary ny zavatra ataontsika (jereo ny Môsià 4:30). Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia tsy tebiteby tiana hialana noho ny tsy maintsy hanatrehana Azy mba hotsaraina. Tsy mino aho hoe hatahotra Azy isika na dia kely fotsiny aza. Fa hoe eo anatrehany kosa isika, miatrika ny zavatra araka izay tena toetrany mikasika ny tenantsika ary manana “fahalalana tomombana” (2 Nefia 9:14; jereo koa ny Almà 11:43) momba ny fanamarinan-tena rehetra ataontsika, sy ny zavatra odiantsika atao ary ny famitahan-tena ataontsika. Amin’ny farany isika dia ho tavela tsy misy fialantsiny azo hatao.

Ny olona rehetra izay efa niaina na mbola hiaina eto ambonin’ny tany dia “hoentina [h]ijoro eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra mba hotsarainy araka ny asany avy na tsara izany na ratsy” (Mosiah 16:10). Raha ny fahamarinana no nokatsahintsika ka ny tsara no nataontsika, dia hahafinaritra ilay toeram-pitsarana (jereo ny Jakôba 6:13; Enôsa 1:27; Môrônia 10:34). Ary amin’ny andro farany isika dia ho “[valiana] fahamarinana” (Almà 41:6).

Fa etsy ankilany, raha ny ratsy no nokatsahintsika ary ny ratsy no nataontsika, dia hahatonga antsika hatahotra ny toeram-pitsarana. “Tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika [isika]; ary ho faly aza isika raha afaka mibaiko ny vatolampy sy tendrombohitra hianjera amintsika mba hanafina amintsika ny tavany” (Almà 12:14). Ary amin’ny andro farany isika dia “[handray] loka ratsy” (Almà 41:5).

Araka ny voafintina ao amin’ny Mpitoriteny:

“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo: fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.

“Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ny fitsarana mbamin’ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy” (Mpitoriteny 12:13–14).

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia mandroaka ny tahotra mikasika ny fiainana an-tany. Voafehiny mihitsy aza ilay tahotra mangeja hoe tsy afaka ny ho ampy mihitsy ny hatsarantsika ara-panahy ary tsy afaka hanatanteraka ireo zavatra takin’ Andriamanitra sy ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amintsika mihitsy isika. Raha ny marina dia tsy afaka ny ho ampy mihitsy ny hatsarantsika ary tsy hahatanteraka izay andrasana amintsika isika raha miantehitra fotsiny ihany amin’ny fahaizantsika sy ny zava-bitan’ny tenantsika. Tsy mahavonjy ary tsy afaka hamonjy antsika raha ny asantsika sy ny faniriantsika fotsiny ihany. “Rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23), dia tsy atao tanteraka isika raha tsy amin’ny alalan’ny famindrampo sy ny fahasoavan’ny sorona tsisy fetra sady mandrakizay nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Almà 34:10, 14). Marina tokoa, “mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara” (Fanekem-pinoana 1:3).

Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia fitiavana Azy sy fahatokiana Azy. Rehefa feno kokoa ny fahatahorantsika an’ Andriamanitra dia tanteraka kokoa ny fitiavantsika Azy. Ary “ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra rehetra” (Môrônia 8:16). Mampanantena aho fa ny hazavana mamiratra avy amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia handroaka ny aloka maizin’ny tahotry ny fiainana an-tany (jereo ny F&F 50:25) rehefa mibanjina ny Mpamonjy isika ka miorina eo Aminy sy manao Azy ho fototra, ary mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany omban’ny fanolorantena masina.

Fijoroana ho vavolombelona sy Fampanantenana

Tiako sy hajaiko ny Tompo. Tena marina ny heriny sy ny fiadanany. Izy no Mpanavotra antsika, ary mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Ary noho Izy dia tsy mila malahelo na matahotra ny fontsika (jereo ny Jaona 14:27), ary dia hotahiana isika ka afaka hampangina ny tahotra ao amintsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.