Ho Tonga anie ny Fanjakanao
Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny fielezan’izany sy ny mahafeno voninahitra an’izany ary ny halehiben’izany sy ny hatsaran’izany dia hihoatra lavitra noho ny zavatra rehetra izay hita na niainan’ny olombelona.
Rehefa nihira teo isika dia tena nampihetsi-po lalina ahy ny nieritreritra fa amin’izao fotoana izao indrindra dia Olomasina mino amana hetsiny, mety ho aman-tapitrisany mihitsy aza, avy amin’ny firenena mihoatra ny 150 sy fiteny 75 samihafa1 izay tena mahatalanjona tokoa, no niara-nanandratra ny feontsika ho an’ Andriamanitra, nihira hoe:
“O viens, toi, Roi des rois!”3 Fianakaviana mpino lehibe dia lehibe manerana izao tontolo izao isika, mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy.
Nandray ny anarany eo amintsika isika, ary rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isaky ny herinandro isika, dia manao fanolorantena fa hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny. Tena mbola ho ela isika vao ho tonga lafatra, nefa tsy ataontsika ambanin-javatra ny finoantsika. Mino Azy isika. Midera Azy isika. Manaraka Azy isika. Tena tia Azy isika. Ny asany no asa lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Miaina amin’ny andro mialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany isika, ry rahalahy sy rahavavy, fotoana izay nandrandrain’ny mpino maro teo amin’ny tantara. Miaina ao anatin’ny ady sy tabataban’ady isika, ao anatin’ny vanimpotoan’ny loza voajanahary, ao anatin’ny vanimpotoana iainan’izao tontolo izao fikorontanana sy fihotakotahana.
Miaina ao anatin’ilay vanimpotoana lehiben’ny Famerenana amin’ny Laoniny koa anefa isika, izay hitondrana ny filanzantsara eran’izao tontolo izao—fotoana izay nampanantenain’ny Tompo fa Izy dia “hanangona … vahoaka madio”4 ary hotafiany “amin’ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”5 izy ireo.
Miravoravo isika amin’izao andro izao ary mivavaka mba ho afaka hiatrika amin-kerimpo ireo fahasahiranana sy ny fisalasalana iainantsika. Ny fahasarotana iainan’ny sasany dia mafimafy kokoa noho ny an’ny hafa, nefa tsy maintsy hiharan’izany avokoa ny rehetra. Niteny tamiko ny Loholona Neal A. Maxwell indray mandeha hoe: “Raha milamina tsara daholo ny zava-drehetra eo amin’ny fiainanao ankehitriny, dia miandrasa fotsiny.”
Na dia manome toky antsika hatrany hatrany aza ny Tompo fa isika dia“tsy tokony hatahotra”6 dia matetika tsy mora ny fananana fomba fijery mazava tsara sy ny fijerena mihoatra an’ity fiainana an-tany ity, rehefa ao anatin’ny fitsapana.
Nampianatra lesona manan-danja ho ahy ny Filoha Thomas S. Monson mikasika ny fananana hatrany fomba fijery mitodika amin’ny mandrakizay.
Rehefa nanao dia tamin’ny fiaran-dalamby nankany Suisse niaraka tamin’ny Filoha Monson aho, valo ambin’ny folo taona lasa izay, dia nanontaniako azy ny mikasika ny andraikitra lehibe izay sahaniny. Nankahery ny finoako ny valinteniny. “Ao amin’ny Fiadidiana Voalohany,” hoy izy, “izahay dia manao ny zavatra rehetra azonay atao mba hampandrosoana ity asa ity. Asan’ny Tompo anefa izy ity ary Izy no mitarika izany. Izy no mitantana. Variana izahay rehefa mijery Azy manokatra ny varavarana izay tsy hainay sokafana ary rehefa mahita ireo fahagagana izay ahianay tsy ho tanterakay.”7
Ry rahalahy sy rahavavy, ny mahita sy ny mino ny fahagagana ataon’ny Tompo amin’ny fananganana ny Fanjakany eto an-tany dia afaka manampy antsika hahita sy hino fa mitantana ny fiainantsika manokana ihany koa ny Tompo.
Nanambara ny Tompo fa: “Mahavita ny asako ihany Aho.”8 Samy miezaka manao ny anjara manandrify antsika isika, fa Izy no ilay mpahary ny zava-drehetra. Teo ambany fiahian’ny Rainy no namoronany izao tontolo izao. “Ny zavatra rehetra dia natao tamin’ny alalany; ary raha tsy Izy dia tsy nisy na inona na inona natao ka hary.”9 Rehefa malady ny masontsika sy ny sofintsika ara-panahy, dia mahita ny fitaomany manerana an’izao tontolo izao sy ny fitaomany amin’ny fiainantsika manokana isika.
Mamelà ahy hizara ohatra iray mikasika an’izay.
Tamin’ny 1831, raha niisa 600 fotsiny ny mpikamban’ny Fiangonana, dia nanambara ny Tompo hoe: “Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo.”10
Ny mpaminany Nefia dia naminany fa amin’izao androntsika izao dia ho “vitsy” ny mpikamban’ny Fiangonana raha oharina amin’ny olona rehetra eto an-tany, nefa izy ireo kosa dia ho “eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany.”11
Ohatra telo mahafinaritra momba ny fitaoman’ny Tompo amin’ny fananganana ny fanjakany ireo tempoly nambaran’ny Filoha Monson androany. Iza no nanampo tempoly tany Haïti sy Thaïlande ary Côte-d’Ivoire folo taona lasa izay?
Ny toerana asiana ny Tempoly iray dia tsy tapahana arakaraka ny fahatsarana na fetezan’ny toerana. Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’ny mpaminaniny izany, izay midika asa lehibe tokony hatao ary amin’ny fahalalany ny fahamarinan’ireo Olomasina izay hankamamy sy hikarakara ny tranony mandritra ireo taranaka fara aman-dimby.12
Izaho sy ny vadiko Kathy dia namangy an’i Haïti, roa taona lasa izay. Teny an-tampon’ny tendrombohitra izay nahitana tsara an’i Port-au-Prince izahay no niaraka tamin’ny Olomasina ao Haïti mba hankalaza ny fanokanana ny firenena izay nataon’ny Loholona Thomas S. Monson 30 taona lasa monja talohan’izay. Tsy hain’ny tsirairay avy aminay ny hanadino ilay horohoron-tany mpandrava tany Haïti tamin’ny 2010. Tamin’ny alalan’ny mpikambana mahatoky sy ny andiana misiônera izay saika tsy nahitana afa-tsy olona avy any Haïti, no nahafahan’ny Fiangonana mitombo sy matanjaka hatrany ao amin’io nosy io. Mampitombo ny finoako ny mahita ao an-tsaiko ireo Olomasin’ Andriamanitra marin-toetra ireo, miakanjo fotsy, manana ny herin’ny fisoronana masina mba hitarika sy hanatanteraka ny ôrdônansy masina ao amin’ny tranon’ny Tompo.
Iza no nanampo tranon’ny Tompo iray ao amin’ny tanàna tsaran’i Bangkok? Iray isan-jato ihany no Kristianina ao amin’ity firenena izay amin’ny ankapobeny dia Bodista ity. Toy ny tany Haïti, dia hitantsika ao Bangkok koa fa nanangona ny nofinidin’ny tany ny Tompo. Raha namangy tany izahay volana vitsivitsy lasa izay, dia nifankahita tamin’i Sathit sy Juthamas Kaivaivatana ary ireo zanany feno fanolorantena. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny faha 17 taonany i Sathit ary nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno tany amin’ny tany niaviany izy. Taty aoriana dia nifankafantatra tamin’i Juthamas izy tany amin’ny kilasin’ny institiota, ary nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Manille any Philippines izy roa. Tamin’ny 1993, dia voadonan’ny fiara lehibe iray ny fianakaviana Kaivaivatana, noho ilay mpamily an’ilay fiara rendremana ka lasa malemy avokoa ny faritra midina ny tratran’i Sathit rehetra. Tsy voahozongozona mihitsy ny finoan’izy ireo. Mpampianatra manan-kaja ao amin’ny International School Bangkok i Sathit. Filohan’ny Tsatòkan’i Bangkok Avaratra any Thaïlande izy. Hitantsika ao amin’ny asany mahatalanjona sy ao amin’ny fiainantsika manokana ny fahagagan’ny Tompo.
Raha hiresaka momba ny fahagagan’ny Fiangonana any Côte d’Ivoire isika dia tsy maintsy manonona ny anaran’ireto mpivady roa ireto: Philippe sy Annelies Assard ary Lucien sy Agathe Affoue. Fony izy ireo mpivady vao herotrerony no lasa mpikamban’ny Fiangonana, ny iray tany Alemana ary ny iray kosa tany Frantsa. Tany amin’ny taona 1980 tany ho any, no nahatsapan’i Philippe sy i Lucien fa tokony hiverina any amin’ny firenena Afrikanina niaviany ho fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo. Ho an’ny Rahavavy Assard, izay Alemana, dia nitaky finoana goavana ny nandao ny fianakaviany, sy namela an’ny Rahalahy Assard nandao ny asany, izay injeniera amin’ny mekanika manana ny maha-izy azy. Tany Côte d’ivoire no nifankahitan’ireo mpivady roa ireo voalohany ary nanangana Sekoly Alahady iray izy ireo. Izany dia nitranga 30 taona lasa izay. Ankehitriny dia valo ny tsatòka ary 27.000 ny mpikambana ao amin’io firenena Afrikanina mahafinaritra io. Mbola manompo am-pahamendrehana ry Affoue mivady, ry Assard mivady ihany koa, izay nanatontosa asa fanompoana tao amin’ny Tempolin’i Accra, any Ghana, vao tsy ela izay.
Hitanao ve ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fampandrosoana ny asany? Hitanao ve ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’ireo misionera any Haïti na ny Fianakaviana Kaivaivatana tany Thaïland? Hitanao ve ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana Assard sy Affoue? Hitanao ve ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao manokana?
“Ary tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafitohina an’ Andriamanitra … afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ny zava-drehetra.”13
Ny fahagagan’ Andriamanitra dia tsy any Haiti, Thaïlande, na Côte d’Ivoire ihany no mitranga. Jereo ny manodidina anao.14 “Andriamanitra dia mahatsiaro ny vahoaka tsirairay … ; eny, manisa ny vahoakany Izy, ary … ny famindram-pony dia manerana ny tany manontolo.”15
Indraindray dia mahita ny fiasan’ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny hafa isika nefa diniho hoe, “Ahoana no hahafahako mahatsikaritra bebe kokoa fiasan’ny tanany eo amin’ny fiainako manokana?”
Hoy ny Mpamonjy:
“[Aza] mihanahana.”16
“Aza matahotra.”17
“[Tsisy] tsintsina … iray … ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. …
“Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.”18
Tsarovy ilay zatovolahy izay nitaraina tamin’ny mpaminany Elisa rehefa voahodidin’ny fahavalo izy ireo: “Indrisy [inona] no hataontsika?”19
Ary hoy Elisa:
“Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
“[Avy eo] Elisa nivavaka hoe, … Jehovah ô, … ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita … ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa [izy].”20
Rehefa mitandrina ny didy sy mivavaka am-pinoana ny hahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao, dia mampanantena anao aho fa hosokafany bebe kokoa ny masonao ara-panahy, ary hahita tsaratsara kokoa ianao hoe tsy mba irery.
Ny soratra masina dia mampianatra fa isika dia tokony “[hiorina] mafy tokoa amin’ny finoana an’izay[ho avy].”21 Inona no ho avy? Toy izao ny vavaka nataon’ny Mpamonjy:
“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”22
Vao nihira ny “O viens, toi, Roi des rois” isika teo.
Mitombo ny finoantsika rehefa miandrandra ilay andro be voninahitra hiverenan’ny Mpamonjy eto an-tany isika. Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny fielezan’izany sy ny mahafeno voninahitra an’izany ary ny halehiben’izany sy ny hatsaran’izany dia hihoatra lavitra noho ny zavatra rehetra izay hita na niainan’ny olombelona.
Amin’io andro io, dia tsy ho “voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona”23 Izy, fa hiseho “eny amin’ny rahon’ny lanitra, mitafy hery sy voninahitra lehibe; miaraka amin’ny anjely masina rehetra.”24 Isika dia haheno “ny feon’ny arikanjely, ary … ny trompetran’ Andriamanitra.”25 Ny masoandro sy ny volana dia hiova, ary “ny kintana [dia] hoesorina amin’ny toerany.”26 Izaho sy ianao, na ireo izay manaraka antsika, “ireo olomasina … avy amin’ny [vazan-tany efatra],”27 “dia hampahavitrihana sy … hakarina mba hitsena Azy,”28 ary ireo izay nody mandry tao amin’ny fahamarinana ihany koa, dia “hakarina hitsena Azy eo afovoan’ny … andrin’ny lanitra.”29
Avy eo, dia hisy ny trangan-javatra iray izay toa tsy hay heverina akory: “Ny nofo rehetra,” hoy ny Tompo, “hiara-hahita Ahy.”30 Ahoana no hitrangan’izany? Tsy fantatsika. Mijoro ho vavolombelona anefa aho fa hitranga izany—araka ny faminaniana. Handohalika am-panajana isika, “ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany.”31 “Izany … dia ho toy ny feon’ny rano maro ary ho toy ny feon’ny kotrokorana lehibe.”32 “[Avy eo] ny Tompo, … ny Mpamonjy, dia hitsangana eo afovoan’ny vahoakany.” 33
Hisy fihaonana tsy hay hadinoina eo amin’ny anjelin’ny lanitra sy ny Olomasina eto an-tany.34 Fa tena zava-dehibe, araka ny nambaran’i Isaia, ny hoe: “Ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra,”35 ary Izy “hanjaka amin’ny nofo rehetra.”36
Amin’io andro io, dia hangina ny mpisalasala lava, “fa ny sofina tsirairay dia handre … , ary ny lohalika rehetra hitsaoka, ary ny lela rehetra hiaiky”37 fa i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao.
Paska anio. Miravoravo miaraka amin’ireo Kristianina manerana izao tontolo izao isika amin’ny Fitsanganany tamin’ny Maty be voninahitra sy amin’ny fitsanganantsika amin’ny maty, izay fampanantenana nomena antsika. Enga anie isika hiomana amin’ny fiaviany amin’ny fieritreretana hatrany hatrany ireo zavatra hitranga lehibe ireo ao an-tsaintsika sy miaraka amin’ireo olona tiantsika ary enga anie ny vavaka nataony no hataontsika: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”38 Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy, “Avia, O ry Mpanjakan’ny mpanjaka.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.