Ary tsy hisy fahafatesana intsony
Ho an’ireo rehetra izay nilaozan’ny olon-tiany, dia loharanom-panantenana lehibe ny Fitsanganana amin’ny maty
Paska tamin’ny herinandro lasa teo, ary nifantoka indray tamin’ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ny eritreritsika. Tamin’ny taon-dasa teo dia nieritreritra sy nisaintsaina momba ny Fitsanganana amin’ny maty mihoatra noho ny mahazatra aho.
Teo amin’ny herintaona lasa teo ho eo, dia nodimandry i Alisa zanakay vavy. Niady tamin’ny homamiadana efa ho nandritra ny valo taona izy, ary nodidiana imbetsaka, nanaraka fitsaboana maro isan-karazany, niaina fahagagana mampientanentana ary fahadisoam-panantenana lalina. Nahita ny toe-batany niharatsy izahay rehefa nihanakaiky ny faran’ny fiainany an-tany. Tena mafy ny nahita ny nitrangan’izany tamin’ny zanakavavy maminay— ilay zazakely miramiran’endrika izay nihalehibe mba ho lasa vehivavy sy vady ary reny manan-talenta sy mahafinaritra. Nieritreritra aho hoe ho vonton’alahelo tanteraka ny foko.
Tamin’ny vanimpotoan’ny Paska tamin’ny herintaona, iray volana mahery kely talohan’ny nahafatesany, dia nanoratra i Alisa hoe: “Fampahatsiarovana izay rehetra antenaiko ho ahy ny Paska. Dia ny hoe ho sitrana aho indray andro any ary ho tomombana aho indray andro any. Indray andro any aho dia tsy hisy vý na plastika ao anatiko. Indray andro any dia ho afaka amin’ny tahotra ny foko ary ho afaka amin’ny tebiteby ny saiko. Tsy mivavaka aho mba hitrangan’izay faingana, kanefa faly tokoa aho fa mino marina ny fiainana mahafinaritra aorian’ny fahafatesana.”1
Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no manome antoka ho amin’ireo zavatra izay nantenain’i Alisa sy mandrotsaka ao anatintsika tsirairay “ny anton’ny fanantenana ao [anatintsika].”2 Ny niantsoan’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny Fitsanganana amin’ny maty dia hoe: “ny lehibe indrindra amin’ny zava-nitranga teo amin’ny tantaran’ny olombelona.”3
Ny Fitsanganana amin’ny maty dia mitranga noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary izy io dia ampahany manan-danja amin’ilay drafitra lehiben’ny famonjena.4 Zanaka ara-panahin’ny ray aman-dreny any an-danitra isika.5 Rehefa tonga etý amin’ny fiainana an-tany isika, dia tafaray amin’ny vatantsika ny fanahintsika. Iainantsika ireo fifaliana sy olana rehetra mifandraika amin’ny fiainana an-tany. Rehefa maty ny olona iray, dia tafasaraka amin’ny vatany ny fanahiny. Ny fitsanganana amin’ny maty no mahatonga ny fanahy sy ny vatan’ny olona iray ho azo ampiarahina indray, ary amin’izay fotoana izay ihany ny vatana no ho tsy mety maty sy ho tanteraka—tsy hiharan’ny fanaintainana, na aretina, na olana hafa.6
Aorian’ny fitsanganana amin’ny maty, dia tsy hisaraka amin’ny vatana intsony mihitsy ny fanahy satria ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia mitondra ny fandresena ny fahafatesana manontolo. Mba hahazoana ny anjarantsika mandrakizay, dia mila manana io olona tsy mety maty io isika—fanahy sy vatana—ampiarahana mandrakizay. Rehefa mifamatotra tsy azo sarahina ny fanahy sy ny vatana tsy mety maty, dia afaka mandray ny fahafenoan’ny fifaliana isika.7 Raha ny marina, raha tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty dia tsy afaka handray mihitsy ny fahafenoan’ny fifaliana isika fa ho fadiranovana mandrakizay.8 Na ireo olona mahatoky sy marina aza dia mahita ny fisarahan’ny vatany amin’ny fanahiny ho toy ny fangejana. Afahana amin’izany fangejana izany isika amin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty, izay fanavotana amin’ny famatorana na rojon’ny fahafatesana.9 Tsy misy ny famonjena raha tsy samy eo ny fanahy sy ny vatana.
Isika tsirairay dia manana kilema sy fahalemena ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo. Ireny olana ireny, izay toa tsy azo resena ankehitriny, dia ho voavaha any aoriana. Tsy misy amin’ireo olana ireo hampijaly antsika aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty. Nanadihady ny taham-pahavelomana ho an’ny olona izay nanana ny karazana homamiadana nananany i Alisa, ary nahakivy ny salan’isa hitany. Nanoratra izy hoe: “Kanefa misy fanasitranana iray, noho izany tsy matahotra aho. Efa nanasitrana ny homamiadako sy ny anao i Jesoa. … Hihatsara aho. Mahafaly ahy ny mahafantatra izany.”10
Azontsika soloina amin’izay aretina ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetsehampo hafa atrehantsika ny teny hoe homamiadana. Noho ny Fitsanganana amin’ny maty dia efa nositranina ihany koa izy ireny. Ny fahagagan’ny fitsanganana amin’ny maty, ilay fahasitranana lehibe indrindra, dia tsy tratry ny herin’ny fitsaboana maoderina. Kanefa tratry ny herin’ Andriamanitra izany. Fantatsika fa azo tanterahina izany satria ny Mpamonjy dia nitsangana tamin’ny maty ary hitranga noho izany ihany koa ny Fitsanganantsika tsirairay amin’ny maty.11
Ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia manaporofo fa Izy no Zanak’ Andriamanitra ary tena misy ny zavatra nampianariny. “Efa nitsangana izy, araka izay nolazainy.”12 Tsy afaka ho nisy porofo matanjaka ny amin’ny maha-andriamanitra Azy mihoatra noho ny fivoahany avy tao amin’ny fasany miaraka amin’ny vatana tsy mety maty.
Mahafantatra vavolombelon’ny Fitsanganana amin’ny maty tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao isika. Ankoatra ireo vehivavy sy lehilahy izay vakiantsika ny momba azy ao amin’ireo Filazantsara, dia manome antoka antsika ny Testamenta Vaovao fa raha ny tena marina dia an-jatony maro no nahita ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ny maty.13 Ary ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny olona an-jatony maro hafa koa: “Nandroso ny valalabemandry ary napetrany teo amin’ny lanivoany ny tanany, … ary hitan’ [izy ireo] tamin’ny masony sy notsapainy tamin’ny tanany ary fantany marina tokoa ary vavolombelona manambara izy ireo fa Izy no Ilay efa nosoratan’ny mpaminany fa ho avy.”14
Ireo vavolombelona taloha ireo dia ampiana vavolombelona amin’ny andro farany. Raha ny marina, ao amin’ilay tranga izay nanokatra ity fotoampitantanana ity, dia nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’ny Ray i Joseph Smith.15 Ireo mpaminany sy apôstôly velona dia efa nijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisian’i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty sy velona.16 Koa isika dia afaka miteny hoe: “Misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona.”17 Ary isika tsirairay dia afaka ny ho isan’ny rahon’ny vavolombelona izay mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa tena nitranga ny zavatra ankalazaintsika amin’ny Paska—fa tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty.
Ny tena fisian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia manolo ny ratram-pontsika amin’ny fanantenana satria misy ny antoka miaraka aminy hoe ireo fampanantenana hafa rehetra an’ny filazantsara hafa dia tena misy toy izany koa—fampanantenana izay mahagaga tahaka ny fitsanganana amin’ny maty. Fantantsika fa manana ny hery hanadiovana antsika amin’ny fahotantsika rehetra Izy. Fantatsika fa naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika sy ny tsy rariny izay nianjady tamintsika Izy.18 Fantatsika fa Izy dia efa “[n]itsangana [t]amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.”19 Fantatsika fa Izy dia afaka mahatonga antsika ho tomombana na manao ahoana na manao ahoana ny ratrantsika. Fantatsika fa Izy dia “[hamafa] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[tsika]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.”20 Fantatsika fa isika dia afaka ny ho lasa “[atao] fanaperana [amin’ny] alalan’i Jesoa …, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity”21 raha toa isika manam-pinoana sy manaraka Azy fotsiny ihany.
Any amin’ny faramparan’ilay oratorio Le Messie, dia namorona mozika kanto i Handel ho an’ny tenim-piravoravoana nataon’i Paoly Apôstôly momba ny Fitsanganana amin’ny maty .
“Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra;
“… hotsofina ny trompetra, ary ny maty dia hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika dia hovàna.
“Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
“… Dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?
“Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? Ry fasana ô, aiza ny fandresenao? …
“Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay nanome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.”22
Feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana azontsika noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty. Ho an’ireo rehetra izay namoy ny zanany na nitomany teo anilan’ny vatapatin’ny vadiny na nilaozan’ny havany na ny olon-tiany, dia loharanom-panantenana lehibe ny Fitsanganana amin’ny maty. Ho traikefa mahery vaika tokoa ny hahita azy ireny indray—tsy hoe fanahy fotsiny fa miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty.
Maniry mafy ny hahita ny reniko indray aho sy hahatsapa ny fahalefahany ary mijery ny masony feno fitiavana. Te hahita ny tsikin’ny raiko aho sy handre ny fihomehezany ary hahita azy efa nitsangana tamin’ny maty sy tonga lafatra. Ataoko sary an-tsaina amin’ny fijery feno finoana i Alisa lavitra tanteraka ireo olana etỳ an-tany na ny fanindronan’ny fahafatesana—dia Alisa nitsangana tamin’ny maty, natao tanteraka sy nandresy ary manana ny fahafenoan’ny fifaliana.
Paska vitsivitsy lasa izay, dia nanoratra tsotra izy hoe: “Misy fiainana amin’ny alalan’ny anarany. Feno fanantenana aho. Mandrakariva. Amin’ny alalan’ny zavatra rehetra. Tiako ny Paska hampahatsiahy ahy izany.”23
Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty. Velona i Jesoa Kristy, ary noho Izy, dia ho velona indray isika rehetra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.