Ny ray
Hifantohako fotsiny anio ny soa azon’ny lehilahy atao manoloana ireo anjara asany avo indrindra—dia ny maha-vady sy ny maha-ray.
Anio aho dia hiresaka momba ireo ray. Manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra ny ray ka te hankahery ireo izay miezaka ny hanatanteraka tsara an’io antso io aho. Ny midera sy mankahery ny maha-ray sy ireo ray dia tsy midika fanambaniana na tsy firaharahiana ny hafa. Hifantohako fotsiny anio ny soa azon’ny lehilahy atao manoloana ireo anjara asany avo indrindra—dia ny maha-vady sy ny maha-ray.
I David Blankenhorn, izay nanoratra ny Fatherless America (Tsy fisian’ny ray ao Amerika) dia nilaza hoe: “Mizarazara hatrany am-potony ny fiaraha-monina amerikanina ankehitriny ary maneho zavatra mifanipaka momba ny maha-ray. Ny olona sasany dia tsy mahatsiaro izany akory. Ny hafa kosa tafintohina ny amin’izany. Ary ny hafa, anisan’izany ireo manam-pahaizana maro momba ny fianakaviana dia tsy miraharaha izany na manao izany ho tsinontsinona. Betsaka ireo izay tsy manohitra izany manokana, nefa koa tsy manolo-tena amin’izany manokana. Maro ireo izay manantena ny hahafahantsika manao zavatra manoloana izany, nefa mino fa ny fiaraha-monina misy antsika dia tsy afaka intsony na tsy hanao intsony tsotra izao.”1
Ny Fiangonana dia mino ny maha-ray. Mino isika fa “tanjona tsara ny hametrahan’ny lehilahy ny fianakaviany ho laharampahamehana.”2 Mino isika fa “araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ny fianakaviany ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany.”3 Mino isika fa manoloana ireo adidy mifameno ao amin’ny fianakaviana dia “tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo ny ray sy ny reny.”4 Mino isika fa manana anjara toerana manokana ary tsy azo soloina ireo ray ka tena ilaina tokoa izy ireo.
Ny olona sasany dia mahita ny mahatsara ny maha-ray eo amin’ny lafiny ara-tsôsialy, dia ny famatorana ireo lehilahy amin’ny andraikitra manoloana ny zanany, ny mitaona azy ireo ho olom-pirenena vanona ary ny hieritreretany ny zavatra ilain’ny hafa, ka manova ilay fomba fijery mahazatra fa “ny reny ihany no tompon’andraikitra amin’ny zanaka ka manjary hoe ny ray sy ny reny dia samy tompon’andraikitra amin’ny zanaka. … Raha lazaina amin’ny teny fohy dia ny mba ho ray no zava-dehibe indrindra ho an’ny lehilahy. Ny zava-dehibe indrindra ho an’ireo zanaka dia ny mba hanana ray. Ny zava-dehibe indrindra ho an’ny fiaraha-monina dia ny mba hampisy ny ray.”5 Na dia tena marina sy manan-danja aza ireo fiheverana ireo dia fantatsika fa mbola ambonimbony kokoa mihoatra ny hoe foto-kevitra aroson’ny fiaraha-monina na vokatry ny fivoarana ny maha-ray. Avy amin’ Andriamanitra ny toeran’ny maha-ray, izay nanomboka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Adama Ray, tetỳ amin’ny fiainana an-tany.
Ny fanehoana tonga lafatra sy masina indrindra ny amin’ny maha-ray dia ny Raintsika any An-danitra. Anisan’ireo toetra ananany ny fananana fahatsarana sesehena sy fitiavana tonga lafatra. Ny asany sy voninahiny dia ny fitomboana, sy ny fahasambarana, ary ny fiainana mandrakizain’ireo zanany.6 Ireo ray amin’ity tontolo tsy tonga lafatra ity dia tsy afaka hampitovy ny tenany amin’ilay Mpanjaka any an-danitra, nefa rehefa manao izay tsara indrindra vitany izy ireo dia miezaka ny haka tahaka Azy, ary mandray anjara amin’ny asany mihitsy. Omem-boninahitra sady omena fahatokisana miavaka sy matotra izy ireo.
Ho an’ny lehilahy dia mampiseho ny fahalementsika manokana sy ny zavatra ilaintsika hatsaraina ny maha-ray. Mitaky fahafoizan-tena ny maha-ray, kanefa loharanon’ny fahafaham-po tsy hay oharina izany, dia fifaliana mihitsy. Averiko indray fa ny ohatra tsara indrindra dia ny Raintsika any An-danitra, izay tena tia antsika zanany ara-panahy, ka nomeny ny Zanany Lahitokana ho an’ny famonjena sy ny fisandratantsika.7 Hoy Jesoa, “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.”8 Ny ray dia mampiseho izany fitiavana izany rehefa manolotra ny ainy isan’andro amin’ny fiasana mba hanompoana sy hamelomana ny fianakaviany.
Ny asa manan-danja indrindra ataon’ny ray angamba dia ny mampody ny fon’ny zanany amin’ny Ray any An-danitra. Raha amin’ny alalan’ny ohatra omeny sy ny teny lazainy no hahafahan’ny ray mampiseho hoe toy ny ahoana izany fahatokiana an’ Andriamanitra izany eo amin’ny fiainana andavan’andro, dia afaka nanome ny zanany ny fanalahidin’ny fiadanana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy io ray io.9 Ny ray iray izay mamaky ny soratra masina sy mamaky izany amin’ny zanany dia manazatra azy ireo amin’ny feon’ny Tompo.10
Hitantsika miverimberina ao amin’ny soratra masina ny fanantitranterana ny adidin’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany:
“Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao Ziona na any amin’ireo tsatòkany izay voatsangana ny ray aman-dreny ka tsy mampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’i Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, rehefa feno valo taona izy, dia mby eo amin’ny lohan’ny ray aman-dreny ny fahotana. …
“Ary hampianariny ny zanany ny hivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo.”11
Ny taona 1833 dia nibedy an’ireo mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Tompo noho ny tsy nifantohan’izy ireo araka ny tokony ho izy amin’ny adidy hampianatra ny zanak’izy ireo. Hoy tsara Izy tamin’ny iray tamin’izy ireo: “Tsy nampianarinao fahazavana araka ny didy ny zanakao; ary ilay ratsy dia mbola manana hery aminao, ary izany no anton’ny fahorianao.”12
Ny ray dia tokony hampianatra ny lalàn’ Andriamanitra ary hamerina izany ho an’ny taranaka tsirairay. Hoy ny mpanao salamo hoe:
“Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany:
“Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa,
“Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny.”13
Marina tokoa fa andraikitra ifampizaran’ny ray sy ny reny ny fampianarana ny filazantsara, ny Tompo anefa dia nilaza mazava tsara fa manantena ny ray mba ho tompon’andraikitra amin’ny fanaovana izany ho laharampahamehana Izy. (Ary handeha hotsaroantsika fa ny miresadresaka, ny fiasana sy filalaovana miaraka ary ny fihainoana dia singa manan-danja amin’ny fampianarana.) Manantena ny Tompo fa ny ray dia hanampy amin’ny fanabeazana ny zanany, ary ny fanehoana ohatra no manan-danja sy mahomby indrindra. Ny zanaka dia maniry sy mila manana maodely arahina.
Nanana ray naneho ohatra tena tsara aho. Tsaroko fa fony aho zazalahy teo amin’ny 12 taona teo ho eo dia nilatsaka hofidiana ho mpitarika ny kaominina tao amin’ny tanàna kely nisy anay ny raiko. Tsy nanao fampielezan-kevitra naharitra izy, ny hany tsaroko dia ny nasain’i Dada nizara tahadikan’ny taratasy maneho hevitra isam-baravarana izaho sy ireo rahalahiko, nanainga ny olona hifidy an’i Paul Christofferson. Betsaka ireo olon-dehibe izay nomeko tahadikan’ilay taratasy no nanamarika fa i Paul dia lehilahy tsara sy marin-toetra ary tsy hanana olana amin’ny fifidianana azy izy ireo. Vontom-pieboeboana tamin-draiko ny fon-jazalahiko. Izany dia nanome fahatokian-tena ho ahy sy faniriana hanaraka ny diany. Tsy tonga lafatra izy, tsy misy olona tonga lafatra, saingy lehilahy tsara sy mahitsy toetra kosa izy ary ohatra mendrika arahin’ny zanakalahy iray.
Ny fifehezana sy ny fanitsiana dia ampahany iray ao amin’ny fampianarana. Araka ny nolazain’i Paoly hoe: “Fa izay tian’i Jehovah no faiziny.”14 Saingy rehefa manitsy ny raim-pianakaviana iray dia tsy maintsy mitandrina tsara mba tsy hisy na zavatra mitovitovy amin’ny herisetra aza, izay tsy voamarina na oviana na oviana. Rehefa mitondra fanitsiana ny ray anankiray dia tsy maintsy ny fitiavana no manosika azy hanao izany ary ny Fanahy Masina no mpitarika azy:
“Manitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao.
“Mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana.”15
Ny fanitsiana araka ny fomban’ Andriamanitra dia tsy dia any amin’ny fanasaziana loatra fa miompana amin’ny fanampiana ny olon-tiana iray eo amin’ny lalana mankany amin’ny fifehezan-tena izany.
Ny Tompo dia nilaza fa “ny ankizy rehetra dia manana zo hahazo fanohanana avy amin’ny ray aman-dreniny mandra-pahatonga azy ireo ho ampy taona.”16 Ny fitadiavana ho an’ny ny fianakaviana dia asa masina. Ny mamelona ny fianakaviana, na dia mitaky fotoana maha lavitry ny fianakaviana aza amin’ny ankapobeny, dia tsy hoe tsy mifanentana amin’ny maha-ray, manomboka amin’izany ny maha-raim-pianakaviana tsara. “Ny asa sy ny fianakaviana dia sehatra roa mifanojo.”17 Mazava ho azy fa izany dia tsy tokony ho fialan-tsinin’ny lehilahy iray amin’ny tsy firaharahiana ny fianakaviany mba ho tombontsoan’ny asany, na koa raha ny lafiny mifanohitra tanteraka amin’izany no jerena, ny lehilahy iray izay tsy hiezaka sy tsy hiasa ary mionona amin’ny famelana ny andraikiny ho an’ny hafa. Araka ny tenin’i Benjamina Mpanjaka hoe:
“Ary tsy hamela ny zanakareo ho noana na hitanjaka ianareo; sady tsy hamela azy koa handika ny lalàn’ Andriamanitra, na hiady, na hifanjihitra. …
“Fa hampianatra azy kosa handeha amin’ny lalan’ny marina sy ny fahononam-po ianareo; hampianatra azy hifankatia sy hifanompo ianareo.”18
Mahatsapa ny fijalian’ireo lehilahy izay tsy afaka mahita fomba hamelomana ny fianakaviany araka ny tokony ho izy isika. Tsy mahamenatra ny tsy fahafahana manatanteraka ireo andraikitra sy anjara asa rehetra amin’ny maha-ray amin’ny fotoana iray, na dia efa manao ny ezaka tsara indrindra aza. “Ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana hafa. Ireo havana dia tokony hanome fanampiana raha ilaina.”19
Ny mitia ny renin’ny zanany, ary ny mampiseho izany fitiavana izany, no zavatra roa tsara indrindra azon’ny ray atao ho an’ny zanany. Izany dia manamafy indray ary mankahery ny fanambadiana izay fototry ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarovana azy ireo.
Ny lehilahy sasany dia ray tokan-tena na ray mpitaiza na raikely. Betsaka amin’izy ireo no miezaka izaitsizy ary manao ny tsara indrindra vitany manoloana ny toerana misy azy, izay matetika sarotra tokoa. Manaja ireo izay manao izay rehetra azo atao amim-pitiavana, sy amim-paharetana ary amin’ny fahafoizana ny tena manokana mba hamelomana sy hikarakarana ny olon-tokana sy ny fianakaviana isika. Tsara ny manamarika fa Andriamanitra mihitsy dia nametraka ny Zanany Lahitokana tamin’ny ray mpitaiza iray. Azo lazaina marina tokoa fa tamin’ny alalan’ny fanabeazan’i Josefa ihany koa no “[nitomboan’i Jesoa] saina sy tena sady [nandrosoany] fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.”20
Mampalahelo anefa fa noho ny fahafatesana, ny fanarian-jaza, na ny fisaraham-panambadiana dia tsy manan-dray monina miaraka amin’izy ireo ny ankizy sasany. Ho an’ny sasany dia mety ho eo amin’ny lafiny ara-batana fotsiny ny ray fa tsy eo kosa amin’ny lafiny ara-pihetsehampo, na koa tsy miraharaha na tsy manohana. Manainga ireo ray rehetra izahay mba hanao ny tsaratsara kokoa ary mba ho tsaratsara kokoa. Manainga ireo haino aman-jery sy ireo mpamokatra fialam-boly izahay mba hampiseho ray manolo-tena sy mahavita azy izay tena tia marina ny vadiny ary mitarika ireo zanany amin’ny fomba feno faharanitan-tsaina, fa tsy fampisehoana olona bonaika na adaladala, na “ny lehilahy izay hiavian’ny olana rehetra,” araka ny fanehoana ny ray matetika tokoa.
Milaza izahay, ho an’ireo zanaka izay manana olana eo amin’ny toe-javatra ara-pianakaviana misy azy, fa tsy latsa-danja noho izany ianareo. Indraindray ny olana dia famantarana iray fa matoky anareo Andriamanitra. Afaka manampy anareo Izy, na mivantana na amin’ny alalan’ny hafa, mba hiatrehanareo izay olana mitranga aminareo. Afaka ny ho lasa taranaka iray ianareo, ary angamba ilay taranaka voalohany indrindra ao amin’ny fianakavianareo, izay hahitana marina ny fahasambarana sy ireo fomba notendren’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviana ary hitahy ireo taranaka rehetra hafa aorianareo.
Ho an’ireo zatovolahy, manoloana ny anjara asa hohazoninareo amin’ny maha-mpamelona sy mpiaro, dia milaza aminareo izahay mba hiomana dieny izao amin’ny fahazotoana any an-tsekoly ary amin’ny fanaovana drafitra ho an’ny fianarana any amin’ny ambaratonga ambony. Ny fianarana, na any amin’ny oniversite, na any amin’ny sokajy teknika, na any amin’ny fianaran-kasa na any amin’ny fandaharam-pianarana mitovy lenta amin’izany no fanalahidin’ny fampitomboana ireo talenta sy fahaiza-manao hilainareo. Araraoty ireo fahafahana hifaneraserana amin’ny olona na antitra na tanora, anisan’izany ny ankizy, ary ianaro ny fomba hikolokoloana fifandraisana tsara sy hahazoana tombotsoa. Matetika izany dia midika firesahana mivantana amin’ny olona ary indraindray fanaovana zavatra miaraka, fa tsy fanatsarana ny fahaizana mandefa hafatra amin’ny alalan’ny SMS fotsiny. Manàna fiainana izay hahafahanareo mitondra fahadiovana ao amin’ny fanambadianareo sy ho an’ny zanakareo, amin’ny maha-lehilahy anareo.
Na ahoana na ahoana no hitsaranareo ny rainareo amin’ny alalan’ny mari-drefy hoe tsara-tsara kokoa-tsara indrindra (ary mino aho fa hihatsara izany arakaraka ny mampahazo taona anareo sy ny maha-hendry anareo) dia milaza amin’ny taranaka vao misondrotra izahay mba hanapa-kevitra hanaja azy ireo sy ny reninareo amin’ny alalan’ny fiainanareo. Tsarovy ilay fanantenana nanembonembon’ny raim-pianakaviana iray izay nolazain’i Jaona toy izao: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.”21 Ny fahamarinanareo no fanehoan-kaja lehibe indrindra azonareo omena ny rainareo.
Ho an’ireo rahalahiko, ireo ray ato amin’ity Fiangonana ity, dia fantatro fa maniry ny mba ho ray tonga lafatra kokoa ianareo. Fantatro fa maniry ny mba ho toy izany aho. Na dia izany aza, na dia eo aza ireo zavatra mametra antsika dia aoka isika handroso hatrany. Aoka avelantsika any ireo foto-kevitra manome vahana be loatra ny fitiavan-tena sy ny fahafahana manao izay tiana hita eo amin’ny tontolontsika ankehitriny ary aoka isika hieritreritra voalohany indrindra momba ny fahasambarana sy ny maha-soa ny hafa. Marina tokoa fa na dia eo aza ny tsy fahatomombanantsika dia hampitombo antsika ny Raintsika any An-danitra ary hahatonga ny ezaka tsotra ataontsika hitondra voa. Ny tantara iray izay hita ao amin’ny Liahona nivoaka fotoana fohy taorian’ny niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony dia nankahery ahy. Toy izao no voalazan’ny mpanoratra:
“Fony aho tanora dia niaina tao amin’ny trano nofaina teo amin’ny rihana faharoa, izay nahitana efitra fatoriana tokana ny fianakaviana kely nisy ahy. Teo amin’ny seza lava, tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny aho no natory. …
“Ny raiko, izay mpiasa vỳ, dia mandao ny tokantrano vao maraina be isan’andro mba hiasa. Isa-maraina izy dia … manipaka ny raki-dambako ka miato kely mandritra ny iray minitra. Mbola te hatory aho rehefa manao izany izy ary tsapako ny dadako mijoro eo anoloan’ny seza lava, ary mijery ahy. Rehefa taitra tsimoramora aho dia tsy azoko ny aiko satria eo akaiky eo izy. Nanandrana nanao hoe mody matory aho. … Tonga saina aho fa hay rehefa nijoro teo akaikin’ny fandriako izy dia nivavaka tamin’ny sainy rehetra, amin’ny heriny rehetra, ary nifantoka tanteraka, ka nivavaka ho ahy.
“Isa-maraina ny dadako dia nivavaka ho ahy. Nivavaka izy ny mba hahazoako andro mahafinaritra, ny mba hahavoaro ahy, ny mba hianarako sy hiomanako ho amin’ny hoavy. Ary koa satria tsy afaka ny ho miaraka amiko izy mandra-pahatongan’ny hariva dia nivavaka ho an’ireo mpampianatra sy namana izay hiaraka amiko mandritra ny tontolo andro izy. …
“Tamin’ny voalohany dia tsy dia takatro loatra ny zavatra nataon’ny raiko nandritra ireo maraina ireo rehefa nivavaka ho ahy izy. Rehefa nihalehibe aho anefa dia lasa nahatsapa ny fitiavany sy ny firaharahiany ahy sy ny zavatra rehetra ataoko. Izany dia anisan’ireo fahatsiarovana ankamamiako indrindra. Taona maro taty aoriana, taorian’ny nanambadiako sy nananako zanaka ka nandehanako tany amin’ny efitra nisy azy ireo rehefa natory izy ireo ary nivavahako ho azy ireo vao takatro tanteraka ny zavatra tsapan’ny raiko momba ahy.”22
Nijoro ho vavolombelona tamin’ny zanany lahy i Almà:
“Indro, lazaiko aminao, fa Izy [i Kristy] no ho avy marina tokoa … ; eny tonga Izy hilaza vaovao mahafaly momba ny famonjena ny olony.
“Ary ankehitriny anaka, dia izany no asa fanompoana izay efa niantsoana anao, dia ny hilaza ireo vaovao mahafaly ireo amin’ity vahoaka ity mba hanomana ny sainy; na ny marimarina kokoa, … mba hahazoany manomana ny sain’ny zanany handre ny teny amin’ny fotoana hiaviany.”23
Izany no asa fanompoan’ny ray ankehitriny. Andriamanitra anie hitahy sy hahatonga azy ireo hahavita izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.