2010–2019
“Hitoetra ao amin’ny fitiavako”
Ôktôbra 2016


15:8

“Hitoetra Amin’ny Fitiavako”

Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manam-petra ary haharitra mandrakizay, saingy ny dikan’izany ho antsika tsirairay dia miankina amin’ny fandraisantsika tsirairay izany fitiavany izany.

Ny Baiboly dia manambara amintsika fa “Andriamanittra dia fitiavana.”1 Izy no ohatra tonga lafatry ny fitiavana, ary dia miantehatra mafy amin’ny tsy fiovaovan’io fitiavana io isika sy ny fiantefany amin’izao rehetra izao. Araky ny voalazan’ny Filoha Thomas S. Monson dia: “Eo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo na mahatsapa ho mendrika homena fitiavana ianareo na tsia. Eo foana fotsiny izany.”2

Maro no fomba hamaritana sy iresahana ny fitiavan’ Andriamanitra. Isan’ireo teny faheno matetika ankehitriny dia hoe “tsy misy fepetra” ny fitiavan’ Andriamanitra. Raha marina izany amin’ny lafiny iray, ilay famaritana hoe tsy misy fepetra dia tsy hita na aiza na aiza ao anaty soratra masina. Ny fitiavany kosa dia voafaritra ao amin’ny soratra masina ho “fitiavana lehibe sy mahagaga,”3 “fitiavana tanteraka,”4 “fitiavana manavotra,”5 ary “fitiavana mandrakizay.”6 Ireo no teny tsara ampiasaina kokoa satria ilay teny hoe tsy misy fepetra dia mety mampita hevitra diso mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra, tahaka ny hoe, tsy manome tsiny amin’ny zavatra rehetra ataontsika Andriamanitra  satria tsy misy fepetra ny fitiavany, na hoe tsy mitaky na inona na inona amintsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany na koa hoe ny rehetra dia voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitr’ Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manam-petra ary haharitra mandrakizay, saingy ny dikan’izany ho antsika tsirairay dia miankina amin’ny fandraisantsika tsirairay izany fitiavany izany.

Hoy i Jesoa:

“Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako hianareo.

“Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.”7

Ny hoe “mitoetra” amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy dia midika hoe mandray ny fahasoavany sy atao tanteraka ao Aminy.8 Mba handraisana ny fahasoavany dia tsy maintsy manana finoana an’i Jesoa Kristy isika sy mitandrina ny didiny, ao anatin’izany ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ny fanaovana batisa ho amin’ny famelan-keloka, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny fanohizana eo amin’ny lalan’ny fankatoavana.9

Andriamanitra dia ho tia antsika foana, saingy tsy afaka manavotra antsika ao anaty ny fahotantsika Izy.10 Ary tsarovy koa ny teny izay nolazain’i Amioleka tamin’i Zezroma hoe tsy hamonjy ny olony ao amin’ny fahotany Izy fa kosa amin’ny fahotany,11 ny antony dia satria noho ny fahotana dia maloto isika ary “tsy misy zavatra tsy madio afaka mandova ny Fanjakan’ny lanitra”12 na mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra. “Ary manana ny fahefana izay nomena Azy avy amin’ny Ray i [Kristy] mba hanavotra [ny olony] amin’ny fahotana noho ny fibebahana; noho izany Izy dia efa naniraka ny anjeliny hilaza ny vaovao momba ny fepetran’ny fibebahana izay mitondra mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahiny.”13

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika no mianatra ny anton’ny nijalian’i Kristy, izay endrika faratampon’ny fitiavany dia ny “hahatanteraka ny kibon’ny famindrampo, izay mandresy ny fahamarinana, ary mitondra fitaovana ahafahan’ny olona manana finoana ho amin’ny fibebahana.

“Ary arak’izany, ny famindrampo dia afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy mamihina azy ireo amin’ny sandrin’ny fiantohana, fa izay tsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana kosa dia mankahatra ny lalàna manontolon’ny fitakian’ny fahamarinana, koa ho an’izay manana finoana ho amin’ny fibebahana ihany no tanterahina ny drafitry ny famonjena lehibe sy mandrakizay.”14

Noho izany, ny fibebahana no fanomezany ho antsika, izay novidiana tamin’ny vidiny tena lafo tokoa

Misy ny miady hevitra hoe Andriamanitra dia mitahy ny olon-drehetra tsy ankanavaka—amin’ny fitanisana, ohatra, ny tenin’i Jesoa nandritra ny Toriteny teny An-tendrombohitra manao hoe: “fa [Andriamanitra] mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.”15 Marina tokoa fa tena mandrotsaka amin’ny zanany rehetra ireo fitahiana rehetra izay azony harotsaka Andriamanitra—dia ireo fitahiana rehetra avelan’ny fitiavana, sy ny lalàna, sy ny fahamarinana ary ny famindrampo. Ary dia mibaiko antsika Izy mba halala-tanana tahak’izany:

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, [manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anreo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo anareo,]

“Mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.”16

Na izany aza anefa dia ireo fitahian’ Andriamanitra lehibe indrindra dia miankina amin’ny fankatoavana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe: “Ilay fehezam-boninkazo feno hatsaran’ny fitiavana—ao anatin’izany ny fiainana mandrakizay—dia mahafaoka ireo fitahiana izay mitaky ny famendrehantsika, fa tsy hoe fitahiana azo amin’izao fotsiny na dia tsy mendrika aza. Ny mpanota dia tsy afaka mampihetry ny sitrapon’ Andriamanitra mba hifanaraka amin’ny azy ireo ka mitaky Azy hitahy azy ireo ao anaty fahotana [jereo ny Almà 11:37]. Raha maniry ny hankafy ny singa-boninkazo tsirairay ao amin’ny fehezam-boninkazony izy ireo dia tsy maintsy mibebaka.”17

Ankoatran’ny fanovana ilay mpanota nibebaka ho tsy manan-tsiny sy tsy misy pentina, miaraka amin’ny fampanantenana ny ho “hasandratra ... amin’ ny andro farany,”18 dia misy lafiny faharoa izay iankinan’ny aina mikasika ny fitoerana ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitoerana ao amin’ny fitiavany dia hanome fahafahana antsika hahatratra ny fahafenoan’ny maha isika antsika, ho tonga tahaka Azy.19 Araka ny voalazan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf : “Saingy ny famindrampon’ Andriamanitra dia tsy hamerina antsika amin’ny toetra naha tsy nanan-tsiny antsika teo aloha fotsiny. … Ambony lavitra kokoa noho izany ny tanjony: Tiany ho tonga tahaka Azy ireo zanany lahy sy zanany vavy..”20

Amin’izay lafiny izay, ny hoe mitoetra ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra dia midika hoe manoa tanteraka ny sitrapony. Midika hoe manaiky ny fanitsiany raha ilaina, “Fa izay tian’ i Jehovah no faiziny.”21 Midika izany hoe mifankatia sy mifanompo tahaka ny nitiavany antsika sy nanompoany antsika 22Midika izany hoe mianatra “mandray ny lalàn’ ny fanjakana selestialy” mba hahafahantsika “[m]andray ny voninahitra selestialy.”23 Mba hahafahany mamolavola antsika ho tonga araka izay ahafahantsika ahatongavana, dia mitalaho amintsika ny Raintsika any An-danitra mba hanaiky “ny fitaoman’ ny Fanahy Masina … ary [h]anaisotra ny maha olona araka ny nofo [antsika] sy tonga olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”24

Ny Loholona Dallin H. Oaks dia nanamarika fa: “Ny Fitsarana Farany dia tsy hoe fanombatombanana fotsiny ny fitambaran’ny zavatra tsara sy ratsy natao—izany hoe izay zavatra vitantsika. Fa fanekena ny fiantraikan’ny zavatra nataontsika sy noerintreretintsika any amin’ny farany—izany hoe lasa iza isika.25

Ny tantaran’i Helen Keller dia toa fanoharana maneho ny fomba ahafahan’ny fitiavan’ Andriamanitra manova ny olona iray izay vonona amin’izany. I Helen dia teraka tao Alabama tany Etazonia tamin’ny taona 1880. Fony izy vao 19 volana dia voan’ny aretina tsy voafaritra mazava izay namela takaitra ka nahatonga azy harenina sy jamba. Tena faran’izay naranin-tsaina izy ary lasa somary sahirana raha niezaka hahatakatra ny manodidina azy. Rehefa nahatsapa ireo molotry ny fianakaviany mihetsiketsika izy ka tonga saina fa nampiasa ny vavan’izy ireo izy ireo mba hitenenana dia “lasa romotra izy [satria] tsy afaka nandray anjara tamin’ny resaka nifanaovana.”26 Talohan’ny faha enin-taonan’i Helen dia tena nitombo tsy nisy ohatr’izany ny faniriany hifandray sy ny fahasorenany hany ka “nihetsika isan’andro ny fahatezerany, indraindray aza isan’ora.”27

Nanakarama mpampianatra ho an’ny zanak’izy ireo vavy ireo ray aman-drenin’i Helen, vehivavy iray nantsoina hoe Anne Sullivan. Tsy misy hafa amin’ny hananantsika an’i Jesoa Kristy izay mahatakatra ny fahalementsika,28 i Anne Sullivan koa dia niady mafy noho ireo zava-tsarotra niainany manokana, ka nahatakatra ny fahalemen’i Helen. Fony i Anne dimy taona, dia tratry ny aretina izay niteraka olatra nanaintaina teo amin’ny tapotsimasony ka nahatonga azy ho efa akaiky ho jamba. Rehefa feno valo taona i Anne dia maty ny reniny; nilaozan’ny rainy izy sy i Jimmie zandriny lahy; ary dia nalefa tany amin’ny trano fandraisana olona sahirana izy ireo. Tena ratsy tokoa ny toe-zavatra niainana tao hany ka maty i Jimmie telo volana monja taty aoriana. Noho ny fikirizana mafy nasehon’i Anne dia voaray tao amin’ny Perkins School izay toeram-pianarana ho an’ny jamba sy tsy mahita tsara. Ary dia nahomby tokoa izy tao. Ny fandidiana natao taminy dia nanatsara ny fahitany ka nahafahany namaky soratra vita printy. Rehefa nanontany ny tao amin’ny Perkins School ny rain’i Helen Keller raha nitady olona hatao mpampianatra ho an’ny zanany vavy dia i Anne Sullivan no voafantina.29

Tsy dia nahafinaritra loatra ilay izy tany am-piandohana. “Nikapoka, sy nanongo ary nandaka ny mpampianany i Helen ary dia naha afaka ny nifiny anankiray. Nony farany dia voafehin’i Anne ihany ny toe-draharaha rehefa nifindra izy ka niara-nipetraka tamin’i [Helen] tao amin’ny trano kely iray tao anatin’ny tokontanin-dRy Keller. Noho ny faharetana sy ny tsy fiovaovana dia nahazo ny fon’ilay zaza sy ny fahatokiany ihany izy.”30 Toy izany koa, rehefa matoky fa tsy manohitra ilay Andriamanitra Mpampianatra antsika isika dia afaka miara-miasa amintsika Izy mba hanazava sy hitondra antsika amin’ny tontolo iray vaovao.31

Mba hanampiana an’i Helen hianatra teny dia tanisain’i Anne antsoratra ao amin’ny felatanan’i Helen ireo litera mandrafitra ny anaran’ireo zavatra mahazatra azy. “Nankafizin’[i Helen] io “kilalao amin’ny rantsatanana io, saingy tsy azony izany raha tsy tamin’ny fotoana nanoratan’i Anne ny teny hoe r-a-n-o sady nandraraka rano tamin’ny felatanan’i Helen. Taty aoriana i Helen dia nanoratra hoe:

“‘Tampoka teo dia ty ny nahatsiaro zavatra izay adino aho … ary dia toy ny nambara tamiko izany ny misiterin’ny fiteny. Fantatro tamin’izay fa ny hoe “r-a-n-o” dia ilay zavatra mangatsiaka sy mahafinaritra nikoriana tamin’ny tanako. Izany teny velona izany dia namoha ny fanahiko, ka nanome azy fahazavana, sy fanantenana, sy fifaliana, ary nanafaka azy! … Nanana anarana daholo ny zavatra rehetra ary ny anarana tsirairay dia niteraka eritreritra iray vaovao. Rehefa niverina tao an-trano izahay dia toa feno aina avokoa ny zavatra rehetra izay nokasihako.’”32

I Helen Keller sy i Anne Sullivan

Rehefa nihalehibe i Helen Keller dia lasa fantatra noho ny fitiavany ny fiteny sy ny fahaizany manoratra, ary ny fahaizany mandaha-teny eo imasom-bahoaka.

Tao anatin’ny sarimhetsika mikasika ny fiainan’i Helen Keller, dia hita fa afa-po tamin’ny asan’i Anne Sullivan ireo ray aman-drenin’i Helen rehefa vitan’i Anne ny nanazatra an’ilay zanak’izy ireo vavy kinaolonaolo iny ka lasa nipetraka tsara eo am-pihinanana, nisakafo toy ny olon-drehetra, ary nahay namalona ny servietany araky ny tokony ho izy rehefa vita ny fisakafoanana. Saingy nahafantatra i Anne fa afaka manao zavatra betsaka i Helen, mihoatra lavitra noho izany. ary nanana anjara biriky lehibe ho entina izy.33 Araka izany dia mety ho tena afa-po amin’ny zavatra vitantsika teo amin’ny fiainantsika isika, ary koa hoe isika dia isika fotsiny ihany, kanefa Ilay Mpamonjy antsika dia mahatakatra ny ho avintsika mamirapiratra izay tsy tazantsika raha tsy amin’ny fitaratra matroka.”34 Isika tsirairay dia afaka miaina ilay fientanentanana izay tsapantsika rehefa mivelatra tsikelikely ao anatintsika ilay mety hahatongavantsika araka an’ Andriamanitra, mitovy amin’ilay fifaliana tsapan’i Helen rehefa lasa velona ho azy ny teny, ka nitondra fahazavana ho an’ny fanahiny sy nanafaka azy. Isika tsirairay dia afaka mitia sy manompo an’ Andriamanitra ary mahazo hery hitondrana fitahiana ho an’ireo mpiara-belona amintsika. “Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy.”35

Handeha isika hihevitra ny vidin’ny fitiavana sarobidin’ Andriamanitra. Nanambara i Jesoa fa mba hanavotana antsika amin’ny fahontantsika sy amin’ny fahafatesana na ara-panahy na ara-batana, dia ny fijaliany dia nahatonga Azy, “Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary [haniry] ny mba tsy [hisotro] ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra [Izy].”36 Ny fialany aina tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina.37 Na dia izany aza, noho ny fitiavany an-dRainy sy antsika, dia niaritra Izy ka ny vokatr’izany dia afaka manome antsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay Izy.

Famotsehana Oliva

Tena tandindona mampihetsipo ny hoe “[n]ivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra”38 raha nijaly i Jesoa tao Getsemane, ilay toerana izay midika hoe famotsehana oliva. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, mba hahazoana menaka oliva dia nopotsehana aloha ireo oliva tamin’ny fampandalovana vato lehibe teo ambonin’izy ireo. Ny potsitr’oliva azo avy eo dia natao anaty harona malefaka voarandrana malaladalaka, izay nampifampitaingenana. Ny havesatr’izy ireo no namoaka ilay menaka voalohany sy tsara indrindra. Ary avy eo dia nasiana vesatra fanampiny tamin’ny fametrahana vatankazo lehibe teo ambonin’ireo harona mifampitaingina ka mamoaka menaka bebe kokoa. Farany, mba hamoahana ny ambina menaka farany dia novesarana vato ilay vatan-kazo mba hahazoana ny fanapotserana mafy indrindra.39 Ary eny, toy ny lokon-dra ilay menaka raha vao mivoaka iny izy amin’ny voalohany.

Famotsehana oliva miaraka amin’ny menaka oliva

Mieritreritra ny fitantaran’i Matio mikasika ny Mpamonjy aho, raha niditra tao Getsemane Izy tamin’iny alina miavaka sy manan-danja iny—ka hoe “dia nalahelo am-po sy ory indrindra [Izy].  …

“Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”40

Avy teo, araka ny fiheverako azy dia vao mainka nitombo ny fanaintainana ka dia nitalaho fanindroany Izy mba hohamaivanina, ary nony farany, angamba teo amin’ny faratampon’ny fijaliany, fanintelony indray. Niaritra ny fijaliana Izy mandrapa afa-po ny fahamarinana hatramin’ny farany.41 Izany no nataony mba hanavotana ahy sy ianao.

Fanomezana sarobidy tokoa izany fitiavan’ Andriamanitra izany! Sonenik’izany fitiavana izany i Jesoa nanontany hoe: “tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”42 Nankahery tamin-kalemem-panahy Izy nanao hoe: “Indro, ny sandrin’ ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko; ary hotahiana ireo izay mankaty ̃Amiko.”43

Moa ve ianao tsy hitia Ilay nitia anao mialoha?44 Tandremo àry ny didiny.45 Moa ve ianao tsy mety ho naman’Ilay nanolotra ny ainy ho an’ireo namany?46 Tandremo àry ny didiny.47 Moa ve ianao tsy hitoetra amin’ny fitiavany ka handray izay rehetra atolony maimaimpoana ho anao? Tandremo àry ny didiny.48 Mivavaka aho ny mba hahatsapantsika sy hitoerantsika tanteraka ao amin’ny fitiavany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.