2010–2019
Rihana fahatelo, varavarana farany
Ôktôbra 2016


21:33

Rihana fahatelo, varavarana farany

Andriamanitra dia “mamaly soa izay mitady Azy amin-kitsimpo,” koa mila mandondòna hatrany isika. Aza Kivy. Katsaho amin’ny fonareo rehetra Andriamanitra.

Ry anabaviko malala, ry namako malala, tena fitahiana ho antsika ny mivondrona indray amin’izao fihaonambe maneran-tany izao eo ambany fitondrana sy fitarihan’ny mpaminany sy Filoha malalantsika Thomas S. Monson. Ry Filoha, tianay ianao ary manohana anao izahay! Fantatray fa tianao ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana.

Tiako ny manatrika ity fivoriana mahafinaritra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana natokana ho an’ny vehivavin’ny Fiangonana ity.

Ry rahavavy isany, isaky ny mahita anareo aho dia tsy haiko ny tsy hieritreritra ireo vehivavy izay nitondra fiantraikany be teo amin’ny fiainako: ny renibeko sy ny reniko, izay nanaiky voalohany ny fanasana ho tonga sy hijery ny mombamomba ny Fiangonana.1 I Harriet, vadiko malala, izay naharaiki-pitia ahy tamin’ny fotoana voalohany nahitako azy. Ny renin’i Harriet, izay lasa mpikamban’ny Fiangonana fotoana fohy taorian’ny nandaozan’ny vadiny azy noho ny homamiadana. Ary ny anabaviko, ny zanako vavy, ny zafikeliko vavy sy ny zafiafiko vavy—ireo olona rehetra ireo dia nitondra fiantraikany tena tsara teo amiko. Tena nitondra hazavana marina teo amin’ny fiainako izy ireo. Nanentana ny fanahiko mba ho lasa lehilahy tsara kokoa sy ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana mahay mihaino ny hafa kokoa izy ireo. Tsy ho toy izao ny fiainako raha tsy nisy azy ireo!

Angamba ny tena mampietry ahy indrindra dia ny fahafantarana fa izany fiantraikan’izy ireo tamiko izany dia miverimberina an-tapitrisany maro manerana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fahaiza-manao, ny talenta, ny faharanitan-tsaina, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo vehivavy manam-pinoana tahaka anareo.

Ankehitriny ny sasany aminareo dia mety hahatsapa ho tsy mendrika izany dera lehibe izany. Mety hieritreritra ianareo hoe tsy misy dikany loatra ka tsy hitondra fiantraikany manan-danja amin’ny hafa. Mety tsy handray ny tenanareo ho “vehivavy manam-pinoana” mihitsy aza angamba ianareo satria sahirana noho ny fisalasalana sy ny tahotra indraindray.

Anio aho dia te hiresaka amin’izay efa nanana fahatsapana toy izany—ary mety ho tafiditra amin’izany daholo isika rehetra amin’ny fotoana iray na hafa. Te hiresaka momba ny finoana aho—ny hoe inona izany, inona no vitan’izany sy ny tsy vitan’izany, ary inona no azontsika atao mba hampiasana ny herin’ny finoana eo amin’ny fiainantsika.

Inona no atao hoe finoana

Ny finoana dia faharesena lahatra tanteraka amin’ny zavatra izay inoantsika—faharesena lahatra tena mafy izay manosika antsika hanao zavatra mety tsy ho nataontsika raha tsy nisy azy. “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.”2

Na dia misy dikany aza izany ho an’ny olona mino dia matetika mampisafotofoto ny tsy mpino. Manifikifi-doha izy ireo sady manontany hoe: “Ahoana no ahafahan’ny olona mahazo antoka ny amin’ny zavatra izay tsy hitany?” Ho azy ireo izany dia porofon’ny maha-tsy mitombina ny fivavahana.

Ny zavatra tsy takatr’izy ireo dia ny hoe misy fomba hafa ahafahana mahita ankoatra ny masontsika, fomba hafa ahafahana mahatsapa ankoatra ny tanantsika, fomba hafa ahafahana maheno ankoatra ny sofintsika.

Izany dia ohatry ny zavatra niainan’ny zatovovavy iray izay nandehandeha niaraka tamin’ny renibeny. Nahafinaritra ilay ankizivavy ny feon’ireo vorona ary nampahafantariny ny renibeny izany isaky ny maneno izy ireo.

“Henonao ve izany?” hoy ilay ankizivavy manontany azy hatrany. Saingy somary marenina ny renibeny ka tsy afaka nandre ireo feo.

Nony farany dia niondrika ilay renibe sady niteny hoe: “Azafady ry malala. Tsy maheno tsara ange bebe e!”

Sosotra ilay ankizivavy sady nitazona ny tarehin’ny renibeny tao amin’ny tanany, dia nijery tsara ny masony, ary niteny hoe: “Bebe, mihainoa tsara!”

Misy lesona azo tsoahina avy amin’io tantara io izay sady ho an’ny tsy mpino no ho an’ny mpino. Tsy hoe rehefa tsy afaka maheno zavatra iray isika dia midika izany fa tsy misy na inona na inona azo henoina. Afaka mahare hafatra mitovy na mamaky soratra masina mitovy ny olona anankiroa ary ny iray mety hahatsapa ny tenivavolombelon’ny Fanahy raha ilay iray hafa kosa mety tsy hahatsapa izany.

Etsy an-danin’izany, rehefa miezaka manampy ireo olona tiantsika hahafantatra ny feon’ny Fanahy sy ny hatsarana lehibe sy mandrakizay ary lalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, dia tsy ny milaza amin’izy ireo hoe “mihainoa tsara” no fomba tena manampy indrindra.

Ny torohevitra tsara kokoa angamba—ho an’izay te hampitombo finoana—dia ny mihaino amin’ny fomba hafa. I Paoly Apôstôly dia namporisika antsika mba hikatsaka ilay feo izay miteny amin’ny fanahintsika fa tsy amin’ny sofintsika ihany. Nampianatra izy hoe: “Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”3 Na, tokony dinihantsika angamba ny tenin’ilay Petit Prince nosoratan’i Saint-Exupéry, izay manao hoe: “Amin’ny alalan’ny fony ihany ny olona iray no afaka mahita mazava tsara. Izay rehetra manan-danja dia tsy hitan’ny maso.”4

Ny hery sy ny fetran’ny finoana

Tsy mora indraindray ny mampitombo finoana amin’ny zavatra ara-panahy rehefa miaina ao anatin’ny tontolo ara-batana. Saingy tsy hanenenana ny fanaovana izany satria mety ho lalina ny herin’ny finoana eo amin’ny fiainantsika. Mampianatra antsika ny soratra masina fa tamin’ny alalan’ny finoana no namoronana izao tontolo izao, nanasarahana ny rano, nananganana ny maty,ary namindrana ny renirano sy ny tendrombohitra avy tamin’ny toerany.5

Kanefa mety hanontany ny sasany hoe: “Raha mahery toy izany ny finoana, nahoana aho no tsy mahazo ny valin’ny vavaka izay nataoko tamin’ny fo tokoa? Tsy mila ranomasina misaraka na tendrombohitra mifindra aho. Ny aretiko fotsiny no mba tiako hiala na ny ray aman-dreniko mba hifamela na ny ho vadiko mandrakizay mba hiseho eo am-baravarako miaraka amin’ny fehezam-boninkazo eo amin’ny tanany iray ary peratra fampakarana eo amin’ny ilany. Nahoana ny finoako no tsy mahavita izany?”

Ny finoana diamahery, ary matetika izany dia ahavitana fahagagana. Saingy na mafy toy inona aza ny finoantsika dia misy zavatra anankiroa tsy azon’ny finoana atao. Voalohany dia tsy afaka ny tsy hanaja ny fahafahana misafidin’ny olona iray hafa ny finoana.

Nivavaka nandritra ny taona maro ny vehivavy iray ny mba hiverenan’ny zanany vavy izay nania ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy ary kivy izy fa toa tsy nivaly ireo vavaka nataony. Tena nankarary ny fony indrindra ny nandrenesany tantarana zanaka adala hafa izay nibebaka ka niverin-dalana.

Tsy hoe ny tsy fahampian’ny vavaka na ny tsy fahampian’ny finoana no olana. Fa nila nahatakatra fotsiny izy hoe na dia mampalahelo ny Ray any An-danitra aza izany dia tsy hanery an’iza na iza Izy mba hisafidy ny lalan’ny fahamarinana. Tsy nanery ny zanany hanaraka Azy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana Andriamanitra. Tsy vao mainka ve Izy tsy hanery antsika raha amin’izao isika mamakivakivaky ny fiainana an-tany izao?

Hanasa sy handresy lahatra Andriamanitra. Tsy ho sasatry ny hanolo-tanana am-pitiavana sy amin’ny fanentanam-panahy ary amin’ny fankaherezana Andriamanitra. Saingy tsy hanery na oviana na oviana Andriamanitra—hanimba ny drafiny lehibe ho an’ny fivoarantsika mandrakizay izany.

Ny zavatra faharoa tsy azon’ny finoana atao dia ny manery an’ Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapontsika. Tsy azontsika terena Andriamanitra hanaraka ny faniriantsika—na marina toy ny ahoana ny fieritreretantsika ny tenantsika na amin-kitsimpo toy ny ahoana ny vavaka ataontsika. Eritrereto ny zavatra niainan’i Paoly, izay nitalaho imbetsaka tamin’ny Tompo ny mba hanesorana aminy ny fisedrana manokana iray, izay nantsoiny hoe “tsilo tamin’ny nofo.” Saingy tsy izany no sitrapon’ Andriamanitra. Takatr’i Paoly nony farany fa fitahiana ny fisedrana nianjady taminy, ary nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny tsy nivalian’ny vavaka nataony araka ny nantenainy.6

Fatokiana sy finoana

Tsia, ny tanjon’ny finoana dia tsy ny hanova ny sitrapon’ Andriamanitra fa ny hanome hery antsika mba hanao zavatra araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny finoana dia fahatokiana—fahatokiana fa Andriamanitra dia mahita ny zavatra tsy hitantsika, fa Izy dia mahafantatra ny zavatra izay tsy fantatsika.7 Indraindray dia tsy ampy ny fahatokiana ny fomba fijerintsika sy ny fitsarantsika.

Nianarako izany tamin’ny naha-mpanamory fiaramanidina ny tenako, nandritra ireo andro izay tsy maintsy nisidinako tao amina zavona na rahona matevina ka tsy nahafahako mahita afa-tsy metatra vitsivitsy teo anoloako ihany. Tsy maintsy niantehitra tamin’ireo fitaovana izay nilaza tamiko ny toerana misy ahy sy ny itodihako aho. Tsy maintsy nihaino ny feon’ireo mpanara-maso ny fifamoivoizana amin’ny habakabaka aho. Tsy maintsy nanaraka ny fitondran’ny olona iray izay nanana fampahalalana marina kokoa noho izay nananako aho. Olona izay tsy afaka ny ho hitako, nefa nianatra ny natoky azy aho. Olona izay afaka nahita ny zavatra tsy hitako. Nila natoky sy nanao zavatra araka ny fitarihany aho mba ho tody soa aman-tsara any amin’ny toerana tokony halehako.

Ny finoana dia tsy midika hoe matoky an’ Andriamanitra fotsiny fa matoky ny fitiavany ihany koa. Izany dia midika hoe matoky fa tia antsika tanteraka Andriamanitra, fa ny zavatra rehetra ataony—ny fitahiana rehetra izay omeny sy ny fitahiana rehetra izay tsy mbola omeny mandritra ny fotoana iray—dia ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay.8

Raha misy io karazana finoana io, na dia mety tsy takatsika aza hoe nahoana no mitranga ny zavatra sasany na hoe nahoana no misy vavaka sasany tsy voavaly, dia afaka mahafantatra isika fa hisy dikany ny zavatra rehetra amin’ny farany. “Ny zavatra rehetra dia [hiara-hiasa] hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.”9

Ho rariny ny zavatra rehetra. Ho tsara ny zavatra rehetra.

Afaka mahazo antoka isika fa ho avy ny valiny, ary afaka matoky isika fa tsy hoe ho afa-po amin’ny valiny fotsiny isika fa ho tototry ny fahasoavana, ny famindram-po, ny fahalalahan-tanana, ary ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra ho antsika zanany ihany koa.

Dondòny hatrany

Mandrapahatongan’izay isika dia mandroso araka izay finoana ananantsika,10 sady mikatsaka hatrany ny hampitombo ny finoantsika. Indraindray dia tsy mora ny manao izany. Ireo izay tsy maharitra na tsy manolo-tena na tsy miraharaha dia mety hahita fa ny finoana dia mora very. Ireo izay mora kivy na variandriana dia mety zara fa hiaina izany. Ny finoana dia tonga amin’izay manetry tena, izay mazoto, izay maharitra.

Izany dia tonga amin’ireo izay vonona hanao ny zavatra takina mba hijanona ho mahatoky.

Io fahamarinana io dia asehon’ny zavatra niainan’ny misiônera tanora roa izay nanompo tany Eoraopa tamina faritra iray nisian’ny mpikambana vaovao vitsy. Ataoko fa tsy hahagaga raha hieritreritra izy ireo fa tsy hitondra fiovana firy ny zavatra nataon’izy ireo.

Saingy ireo misiônera anankiroa ireo dia nanana finoana, ary nanana fanoloran-tena izy ireo. Nananan’izy ireo ilay toe-tsaina hoe raha tsy nisy nihaino ny hafatr’izy ireo dia tsy noho ny tsy nanomezan’izy ireo ny ezaka tsara indrindra avy amin’izy ireo izany.

Indray andro izy ireo dia nahazo fitaomam-panahy hanatona trano fonenana misy ambaratongany efatra izay tsara karakara ery. Nanomboka tao ambany rihana izy ireo ary nandondona ny varavarana tsirairay, namelabelatra ny hafatry ny famonjena momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana ny Fiangonany tamin’ny laoniny.

Tranon’ny fahazazan’ny Rahavavy Uchtdorf

Tsy nisy nihaino azy ireo tao ambany rihana.

Tena mora ny niteny hoe: “Efa niezaka isika. Ndao hijanona amin’izay. Ndao handeha dia hanandrana trano fonenana hafa.”

Saingy ireo misiônera anankiroa ireo dia nanana finoana ary vonona ny hiasa izy ireo, noho izany dia nandondona ny varavarana tsirairay tao amin’ny rihana voalohany izy ireo.

Tsy nisy olona nihaino indray tao.

Toy izany koa ny tao amin’ny rihana faharoa. Dia toy izany koa ny fahatelo—izany no nitranga mandrapandondonan’izy ireo ilay varavarana farany tao amin’ny rihana fahatelo.

Rehefa nisokatra izany varavarana izany dia nisy zatovovavy iray nitsiky tamin’izy ireo ary nangataka azy ireo mba hiandry fa hiresaka amin’ny reniny izy.

36 taona monja ilay reniny, izay maty vady vao tsy ela, no tsy te hiresaka amina misiônera Môrmôna. Koa nolazainy ilay zanany mba handefa azy ireo handeha.

Saingy niangavy azy ilay zazavavy. Tena mahafinaritra ireo zatovolahy ireo, hoy izy. Sady vetivety fotsiny ange izany e!

Koa nanaiky tsy sazoka ilay reniny. Natolotr’ireo misiônera ny hafatr’izy ireo ary nanolotra boky iray ho an’ilay reny izy ireo mba ho vakiana—dia ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa lasa izy ireo dia nanapa-kevitra ilay reny fa hamaky na dia pejy vitsivitsy fotsiny aza farafahakeliny.

Vitany tao anatin’ny andro vitsivitsy ilay boky manontolo.

Ny niarahan’ny fianakavian’ny Rahavavy Uchtdorf tamin’ireo misiônera

Tsy ela taorian’izay dia niditra tao amin’ny ranon’ny batisa ity fianakaviana mahafinaritra maty ray ity.

Rehefa nanatrika ny sampana nisy azy ireo tao Francfort, Alemana, ilay fianakaviana kely dia nisy zatovolahy diakona iray nahatsikaritra ny hatsaran-tarehin’ny iray tamin’ireo zazavavy ary nieritreritra anakampo hoe, “Tena manao asa tsara mihitsy ireto misiônera ireto!”

Ny anaran’izany diakona kely izany dia Dieter Uchtdorf. Ary ilay zatovovavy mahafatifaty—ilay niangavy ny reniny mba hihaino ireo misiônera—dia manana ny anarana mahafinaritra avy any an-danitra hoe Harriet. Tian’ireo rehetra izay mihaona aminy izy rehefa miaraka amiko mandritra ireo diako. Nitahy ny fiainan’olona maro izy amin’ny alalan’ny fitiavany ny filazantsara sy ny toetrany mavitrika. Tena hazavana marina eo amin’ny fiainako izy.

Ny Rahavavy Uchtdorf niresaka tao Norvezy

Impiry aho no nanandratra ny foko tamim-pankasitrahana noho ireto misiônera anankiroa ireto izay tsy nijanona tao ambany rihana fotsiny! Impiry aho no velom-pankasitrahana noho ny finoana sy ny asan’izy ireo. Impiry aho no nanome fisaorana fa nanohy nandeha izy ireo—na dia hatrany amin’ny rihana fahatelo, varavarana farany aza.

Hovohana hianareo

Amin’ny fitadiavantsika ny finoana izay maharitra, amin’ny fiezahantsika hifandray amin’ Andriamanitra sy amin’ireo tanjony, dia aoka hotsaroantsika ny fampanantenan’ny Tompo hoe: “Dondony, dia hovohana hianareo.”11

Hilavo lefona ve isika rehefa avy nandondòna varavarana iray na roa? Rihana iray na roa?

Sa ve isika hikatsaka hatrany mandrapahatonga antsika any amin’ilay rihana fahatelo, varavarana farany?

Andriamanitra dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy,”12 saingy tsy ao ambadik’ilay varavarana voalohany izany valisoa izany. Koa mila mandondòna hatrany isika. Ry anabavy, aza kivy. Katsaho amin’ny fonareo rehetra Andriamanitra. Ampiharo ny finoana. Mandehana amim-pahamarinana.

Mampanantena aho fa raha manao izany ianareo—na dia hatrany amin’ny rihana fahatelo, varavarana farany aza—dia hahazo ny valiny izay katsahinareo ianareo. Dia hahazo finoana ianareo. Ary indray andro ianareo dia ho feno fahazavana izay hitombo ka “mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro.”13

Ry anabaviko malala ao amin’i Kristy, tena misy Andriamanitra.

Velona Izy.

Tiany ianareo.

Mahafantatra anareo Izy.

Mahatakatra ny momba anareo Izy.

Fantany ny fiangaviana mangina ao am-ponareo.

Tsy nandao anareo Izy.

Tsy hahafoy anareo Izy.

Ny fijoroako ho vavolombelona sy ny tsodrano amin’ny maha-apôstôly omeko ho anareo tsirairay avy dia ny hahatsapanareo manokana izany fahamarinana mahavariana izany ao am-ponareo sy ao an-tsainareo. Manàna finoana eo amin’ny fiainanareo, ry namana malala, ry rahavavy malala, dia “Jehovah, [Andriamanitsika] hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!”14

Ambarako aminareo ny finoako, ny fahareseko lahatra, ary ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka sy tsy voahozongozona ananako fa asan’ Andriamanitra ity. Amin’ny anarana masin’ Ilay Mpamonjy mamalantsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.