2010–2019
“Raha nahafantatra Ahy hianareo”
Ôktôbra 2016


15:42

“Raha nahafantatra Ahy hianareo”

Moa ve isika mahafantatra fotsiny ny mombamomba ny Mpamonjy, sa ve isika lasa mihamahafantatra Azy bebe kokoa? Amin’ny fomba ahoana no mahatonga antsika lasa mahafantatra ny Tompo?

Rehefa namarana ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny Mpamonjy dia nanamafy ilay fahamarinana mandrakizay hoe “amin’ny alalan’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray ihany no hahafahana mahazo ny fahasoavana manavotry ny Zanaka.”1

Nanambara Izy hoe:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.

“Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?

“Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.”2

Mitombo ny fahatakarantsika io fampianarana io rehefa misaintsaina fanitsiana avy amin’ny fitaomam-panahy natao tamin’ilay lahatsoratra isika. Tena manan-danja fa ilay tenin’ny Tompo izay notaterina ao amin’ny Baiboly King James hoe “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,” dia novaina hoe “Tsy nahafantatra Ahy ianareo hatrizay hatrizay”3 ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Diniho ihany koa ny fanoharana momba ny virijiny folo. Tadidio fa ireo virijiny dimy adala sy tsy niomana dia nandeha nividy solika ho an’ny fanalany rehefa avy nandre ny fiantsoana mba hihaona tamin’ny mpampakatra.

“Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

“Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina [dimy adala] teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.

“Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.”4

Ny dikan’io fanoharana io ho an’ny tsirairay amintsika dia velabelarin’ny fanitsiana iray hafa avy amin’ny fitaomam-panahy. Tena manan-danja fa ilay andian-teny hoe “Tsy fantatro hianareo,” araka izay notaterina ao amin’ny Baiboly King James dia nohazavaina ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ka lasa hoe “Tsy mahafantatra Ahy ianareo.”5

Ireo andian-teny hoe “Tsy nahafantatra Ahy ianareo hatrizay hatrizay” sy “Tsy mahafantatra Ahy ianareo” dia tokony ho antony hanaovantsika tsirairay avy fandinihan-tena ara-panahy lalina. Moa ve isika mahafantatra fotsiny ny mombamomba ny Mpamonjy, sa ve isika lasa mihamahafantatra Azy bebe kokoa? Amin’ny fomba ahoana no mahatonga antsika lasa mahafantatra ny Tompo? Ireo fanontaniana avy any anaty ireo no hiompanan’ny hafatro. Manasa amin-kitsimpo ny fanampian’ny Fanahy Masina aho eo am-piarahantsika mieritreritra io lohahevitra tena manan-danja io.

Lasa mahafantatra

Hoy Jesoa:

“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.

“Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa.”6

Lasa mahafantatra ny Ray isika rehefa lasa mahafantatra ny Zanany Malalany.

Iray amin’ireo tanjona manan-danja eo amin’ny fiainana an-tany ny hoe tsy zara raha mianatra momba ny Lahitokana avy amin’ny Ray fotsiny fa miezaka ny mahafantatra Azy ihany koa. Dingana efatra manan-danja izay afaka manampy antsika hahafantatra ny Tompo ny fampiharana finoana Azy, ny fanarahana Azy, ny fanompoana Azy ary ny finoana Azy.

Fampiharana finoana Azy

Ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy dia ny fianteherana amin’ny fahamendrehany sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany.7 Manomboka lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika rehefa manomboka mampiasa ny fahafaha-manao ara-panahy ananantsika sy manandrana mampihatra ny fampianarany, eny fa na mandra-pahafahantsika manisa toerana ao anatintsika ny ampahany amin’ny teniny aza.8 Rehefa mitombo ny finoantsika ny Tompo dia mahatoky Azy isika ary mahatoky ny heriny mba hanavotra sy hanasitrana ary hampahery antsika.

Ny finoana marina dia miorina sy mifantoka amin’ny Tompo ary mitarika mandrakariva ho amin’ny asa tsara. “Ny finoana [an’i Kristy no] fitsipika voalohany ao amin’ny fivavahana nambara, … ny fototry ny fahamarinana rehetra … ary ny fitsipiky ny asa atao ao amin’ny olona rehetra manan-tsaina.”9 Koa satria ny fanaovana asa mifanaraka amin’ireo fitsipika marina izay nambaran’ny Mpanavotra no fitsipika fototry ny fahazoana sy ny fampiharana finoana, dia “tsy vanona ny finoana tsy misy asa.”10 Tokony ho “mpankatò ny teny [isika fa tsy] mpihaino fotsiny ihany.”11

Ny fandrenesana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fandraisana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay ny finoana ny Mpamonjy dia mifandray akaiky, satria “ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.”12 Lasa mahafantatra Azy sy ny feony isika rehefa mandalina sy mivoky amin’ny teniny ao amin’ny soratra masina,13 mivavaka amin’ny Ray amin’ny Anarany omban’ny tena finiavana,14 ary mikatsaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava.15 Ny fianarana sy ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika dia zavatra tsy maintsy ataontsika mialoha ny handraisana ny fanomezam-pahasoavana dia ny finoana Azy.16

Ny fampiharana finoana ny Mpamonjy dia fiomanana ilaina mba hanarahana Azy.

Fanarahana Azy

“Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy.

“Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.

“Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.”17

Ohatra mafonja amin’ny fihainoana sy ny fanarahana ny Tompo i Petera sy i Andrea.

Mampianatra ahy sy anao koa ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.”18 Ny hoe mitondra ny hazofijalian’ny tena dia ny mandà amin’ny tena ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra sy ny filandratsin’izao tontolo izao rehetra ary mitandrina ny didin’ny Tompo.19

Nampitandrina antsika ihany koa ny Mpamonjy mba ho lasa tahaka Azy.20 Noho izany dia tafiditra ao anatin’ny fanarahana ny Tompo ny fanarahana ny ohatra nasehony. Mihalasa mahafantatra ny Tompo hatrany isika rehefa mikatsaka ny ho tonga tahaka Azy amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany.

Tamin’ny asa fanompoany teto an-tany dia naneho ny fomba tokony hiainantsika i Jesoa, nitari-dalana, ary naneho ny ohatra tonga lafatra. “Ny fahalalana tsara ny toetoetrany, ny fahalavorariany, ary ireo toetrany”21 dia manome tanjona maharitra sy torolalana mazava eo am-panarahantsika Azy eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra feno fanoloran-tena.

Ny fanarahana ny Mpamonjy ihany koa dia mamela antsika handray “fahalalana marina fa ny fomba iainantsika ny fiainantsika”22 dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fahalalana toy izany dia tsy zava-miafina tsy fantatra ary tsy ny zavatra hisasaran’izao tontolo izao na ny olana mahazatra eo amin’ny fiainana an-tany no hifantohany voalohany. Ny fandrosoana tsy miovaova sy tsy tapatapaka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no lalam-piainana izay mahafaly Azy.

Ny nofin’i Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia milaza ny lalana tokony halehantsika, ireo toe-javatra sarotra hohatrehantsika, ary ireo loharano ara-panahy misy mba hanampy antsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy sy ny fankanesana any Aminy. Ny fiezahana handroso ao amin’ny lalana ety sy tery no asainy ataontsika. Ny fanandramana ny voan’ilay hazo sy ny fahatongavana ho “[m]iova fo [tanteraka] ho an’ny Tompo”23 no fitahiana iriany horaisintsika. Noho izany dia manasa antsika Izy hoe “avia manaraha Ahy.”24

Ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana Azy dia samy fiomanana ilaina amin’ny fanompoana Azy.

Fanompoana Azy

“Fa ahoana moa no ahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny sy izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ ny fony?”25

Lasa mahafantatra ny Tompo feno kokoa isika rehefa manompo Azy sy miasa ao amin’ny fanjakany. Rehefa manao izany isika dia omeny fanampiana masina amin-kalalahan-tanana, fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, ary fahafaha-manao bebe kokoa. Tsy avela irery na oviana na oviana isika rehefa miasa ao amin’ny tanim-boalobony.

Nanambara Izy hoe: “Fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”26

Lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika rehefa manao izay rehetra azontsika atao mba handeha any amin’izay tiany handehanantsika, rehefa miezaka milaza izay tiany holazaintsika, ary rehefa tonga tahaka izay tiany hahatongavantsika.27 Rehefa miaiky amim-pankatoavana ny fianteherantsika tanteraka Aminy isika dia mampitombo ny fahafahantsika manompo amim-pahombiazana mihoatra ny teo aloha Izy. Mihamitovy tanteraka tsikelikely amin’ny faniriany ny faniriantsika, ary lasa tanjontsika ny tanjony, ka isika dia “tsy hangataka izay mifanohitra amin’ny sitrapo[ny].”28

Ny fanompoana Azy dia mitaky ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjatsika manontolo.29 Vokatr’izany, ny fanompoana ny hafa amim-pandavan-tena dia mandresy ny fironana feno fitiavantenan’ny olona araka ny nofo. Lasa mitombo ny fitiavantsika ireo izay tompointsika. Ary satria ny manompo ny hafa dia manompo an’ Andriamanitra, dia lasa mihalalina kokoa ny fitiavantsika Azy sy ireo rahalahy sy anabavintsika. Ny fitiavana toy izany dia fanehoana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy an’ny fiantrana, dia ny fitiavana madion’i Kristy.30

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio.”31

Lasa mahafantatra ny Tompo isika rehefa feno ny fitiavany.

Finoana Azy

Azo heverina ve ny hoe mampihatra finoana Azy, manaraka Azy, manompo Azy, nefa tsy mino Azy?

Mahafantatra mpikamban’ny Fiangonana aho izay manaiky fa marina ny fotopampianarana sy ny fitsipika voarakitra ao amin’ny soratra masina sy ambara avy eto amin’ity polipitra ity. Kanefa sarotra ho azy ireo ny hino fa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ireo dia azo ampiharina manokana eo amin’ny fiainany sy ny toe-javatra iainany. Toa mino ny Mpamonjy izy ireo, saingy tsy mino fa ireo fitahiana nampanantenainy dia afaka ho azon’izy ireo na afaka miasa eo amin’ny fiainany. Izaho ihany koa dia mihaona amin’ny rahalahy sy rahavavy izay manao ny adidin’izy ireo mba hanatanteraka ny antson’izy ireo kanefa tsy mbola tena lasa zava-misy velona sy manova eo amin’ny fiainan’izy ireo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Lasa mahafantatra ny Tompo isika rehefa tsy hoe mino fotsiny fa misy Izy fa sady mino izay nolazainy sy ny fanomezan-toky nataony ihany koa.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia misy raim-pianakaviana mangataka ny Mpamonjy mba hanasitrana ny zanany. Namaly i Jesoa hoe:

“Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

“Ary niaraka tamin’izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako”32

Imbetsaka aho no nisaintsaina io fangatahana nataon’ilay raim-pianakaviana io: “Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.” Manontany tena aho raha toa ka tsy ny hanampy azy hino fa i Jesoa no Mpanavotra antsika sy hino ny heriny manasitrana aloha voalohany indrindra no fikasan’ilay lehilahy tamin’ny fangatahana nataony. Mety efa nanaiky an’i Kristy ho ny Zanakalahin’ Andriamanitra izy. Fa nila fanampiana izy angamba mba hino fa ny hery manasitran’ny Tompo dia tena afaka ny hahakasika ny isam-batan’olona toy izany sy afaka ny ho ampiasaina manokana toy izany ka afaka hitahy ny zanany malalany. Mety efa nino ny fisian’i Kristy tamin’ny ankapobeny izy fa tsy nino tamin’ny fomba miavaka sy manokana an’i Kristy.

Matetika isika no mijoro ho vavolombelona momba izay fantatsika fa marina, fa ny fanontaniana mety kokoa ho antsika tsirairay angamba dia hoe mino ny zavatra fantatsika ve isika sa tsia.

Ny ôrdônansy masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana araka ny tokony ho izy dia ilaina mba hinoana ny Mpamonjy, hamantarana Azy, ary amin’ny farany mba hinoana ny zavatra fantatsika.

“Ary ity fisoronana [Melkizedeka] ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”33

Mino sy lasa mahafantatra ny Tompo isika rehefa mamaha ny varavarana sy manao izay hahafahan’ny tsirairay amintsika mandray ny hery maha-andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra izay tantanana amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka. Mino sy lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika rehefa manaraka Azy amin’ny alalan’ny fandraisana sy ny fanajana amim-pahatokiana ireo ôrdônansy masina sy maneho bebe kokoa hatrany ireo toetrany.34 Mino sy lasa mahafantatra an’i Kristy isika rehefa mahatsapa ilay hery manova, manasitrana, mampahery, ary manamasin’ny Sorompanavotany. Mino sy lasa mahafantatra ny Tompo isika rehefa “[miorim-paka ao anatintsika] ny herin’ny teniny,”35 sy voasoratra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika,36 ary “[mahafoy] ny fahota[ntsika] rehetra [isika] hahafantara[ntsika Azy].”37

Ny mino Azy dia midika hoe matoky fa misy sy afaka ny ho azo eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy sy ny fianakaviantsika ireo fitahiana marobe avy Aminy. Ny finoana Azy amin’ny fanahintsika manontolo38 dia tonga rehefa miezaka mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, mampandefitra ny sitrapontsika amin’ny Azy, ary manaiky ny laharam-pahamehana sy ny fandaminam-potoana napetrany ho antsika. Ny finoana Azy—fanekena fa marina ny heriny sy ny fampanantenany—dia manasa ny fahaizana mijery lavitra sy ny fiadanana ary ny fifaliana eo amin’ny fiainantsika.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Indray andro any “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky”39 fa i Jesoa no Kristy. Amin’izay andro feno voninahitra izay dia ho fantatsika fa mahafantatra antsika amin’ny anarantsika tsirairay avy Izy. Ary mijoro ho vavolombelona sy mampanantena aho fa tsy ho zara raha hahafantatra ny momba ny Tompo fotsiny ihany isika fa afaka ny ho lasa mahafantatra Azy ihany koa rehefa mampihatra finoana, manaraka, manompo, ary mino Azy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.