Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra
Ry rahalahy sy ranabavy, afaka ny ho feno finoana, fifaliana, fahasambarana, fanantenana, ary fitiavana ny fiainana rehefa mampihatra finoana marina faran’izay kely an’i Kristy isika.
Ry rahalahiko sy anabaviko, vao nandray anjara tamin’ny fivoriana masina iray isika, fomba fanao izay efa nisy taloha tamin’ny andron’ny Baiboly rehefa nivory ny vahoaka tao Isiraely fahiny mba hahatsapa ny fanatrehan’ny Tompo sy hankalaza ny fitahiany.1 Manana tombony isika fa miaina amin’ny fotoana izay nahatafaverina amin’ny laoniny io fomba fanao fahiny io tamn’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.2 Mamporisika anareo aho mba hirakitra ao amin’ny diarinareo manokana ny zavatra tsapanareo tamin’iny fotoana masina izay nandraisanareo anjara iny.
Vao tsy ela isika no nanao veloma ny namana sy mpaminany malalantsika, dia ny Filoha Thomas S. Monson. Na dia malahelo azy aza isika rehetra dia feno fankasitrahana lalina fa niantso mpaminany vaovao Andriamanitra, dia ny Filoha Russell M. Nelson, mba hitarika ny Fiangonany. Izao isika dia nanomboka tamin’ny fomba mirindra vanim-potoana vaovao iray eo amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika. Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra izany.
Rehefa nanohana tsirairay ny Filoha Nelson isika tamin’ny fananganantsika ny tanantsika dia nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ Andriamanitra sady nanaiky fa izy no mpandimby ara-dalàna ny Filoha Monson. Tamin’ny fananganantsika tanana dia nampanantena isika fa hihaino ny feony rehefa mandray fitarihana avy amin’ny Tompo izy.
Hoy ny Tompo:
“Hampandrianareo sofina amin’ny teniny rehetra [izany hoe ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana] sy ny didy rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny. …
Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.”3
Efa 60 taona mahery no nahafantarako ny mpaminany-filohantsika vaovao. Niara-nanompo taminy tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy aho nandritra ny 33 taona ary vavolombelona nanatri-maso fa efa nanomana azy ny tanan’ny Tompo mba ho lasa apôstôly sy mpaminany mpiahy mba hitantana ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana masina eto an-tany. Enga anie isika tsirairay hanohana tanteraka azy sy ireo mpanolotsaina azy ka hanaraka ny fitarihan’izy ireo. Arahabaintsika amin-kafanampo ihany koa ny Loholona Gong sy ny Loholona Soares amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy ireo.
Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, izay tranga iray hankalazaintsika amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska be voninahitra izao, dia niseho tamin’ireo mpianany Izy ary nilaza hoe: “Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa4 Jereo tsara fa misy zavatra roa eo: maniraka ny Zanany ny Ray. Maniraka ny mpanompony, dia ny olombelona rehetra, mba hanatanteraka ny asany ny Zanaka.
Tsy tokony ho gaga isika raha mahafantatra fa ireo olona izay nantsoin’ny Tompo ireo dia olombelona tsy tonga lafatra. Tantara maro ao amin’ny soratra masina no mitantara tantarana lehilahy sy vehivavy nantsoin’ Andriamanitra mba hanatanteraka asa lehibe, zanakalahy sy zanakavavy tsara an’ny Raintsika any An-danitra nantsoina mba hanompo amin’ny andraikitra nomena azy ireo ato amin’ny Fiangonana, miezaka manao izay tsara indrindra azon’izy ireo atao, saingy tsy mbola misy tonga lafatra izy ireny. Marina ihany koa izany ho antsika.
Raha eo izany fahalemena sy tsy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona izay ananantsika izany, ahoana no handrosoantsika amin’ny fifanampiana sy ny fifanohanana? Manomboka amin’ny finoana izany, finoana tena izy an’i Jesoa Kristy Tompo ary avy amin’ny fo. Ny finoana ny Mpamonjy no fitsipika voalohany ao amin’ny fotopampianarana sy ny filazantsaran’i Kristy.
Taona maro lasa izay dia nitsidika ny Tany Masina aho. Raha nandalo teo amina hazon-tsinapy iray izahay dia nanontany ahy ilay filohan’ny BYU tao Jerosalema afovoany raha efa nahita voan-tsinapy aho. Tsy mbola nahita aho koa dia nijanona izahay. Nasehony ahy ny voany avy tamin’ilay hazo. Tsy nampoiziko fa tena kely izany.
Dia tadidiko avy eo ny fampianaran’i Jesoa manao hoe: “Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.”5
Raha manana finoana kely tahaka ny voan-tsinapy isika dia afaka manampy antsika ny Tompo mba hamindra ireo tendrombohitry ny fahaketrahana sy ny fisalasalana amin’ny andraikitra izay miandry antsika eo am-piarahantsika manompo amin’ireo zanak’ Andriamanitra, tafiditra amin’izany ny ao amin’ny fianakaviana, ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary ireo izay mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana.
Ry rahalahy sy ranabavy, afaka ny ho feno finoana, fifaliana, fahasambarana, fanantenana, ary fitiavana ny fiainana rehefa mampihatra finoana marina faran’izay kely an’i Kristy isika, na dia finoana kely tahaka ny voan-tsinapy aza.
Ny Loholona George A. Smith dia nahatsiaro ny torohevitra izay nomen’ny Mpaminany Joseph Smith azy: “Nilaza tamiko izy fa tsy tokony ho ketraka mihitsy aho, na inona na inona zava-tsarotra mety ho lalovako. Raha toa ka latsaka amin’ny lavaka lalina indrindra ao Nouvelle-Écosse sy tototry ny vaton-tendrombohitra rehetra aho, dia tsy tokony ho ketraka fa tokony hiaritra, sy hampihatra finoana, dia ho tonga eny an-tampon’ilay havoana aho amin’ny farany.”6
Tokony hotsaroantsika ilay fanambaran’i Paoly manao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy ilay mampahery ahy.”7 Ny fahafantarana izany dia fanomezana iray hafa sarobidy avy amin’ Andriamanitra.
Ankoatra ireo fanomezana izay nolazaiko dia mbola misy maro hafa. Hiresaka momba ny vitsivitsy amin’izy ireo aho, dia ny fanomezana ny Andro Sabata, ny fanasan’ny Tompo, ny fanompoana ny hafa, ary ilay fanomezana tsy manan-tsahala avy amin’ Andriamanitra, dia ny Mpamonjy antsika.
Ny herin’ny andro Sabata dia ny fiainana ato am-piangonana sy any an-tokantrano ilay fahafinaretana sy ilay fifaliana ary ilay hafanana amin’ny fahatsapana ny Fanahin’ny Tompo ka tsy misy na inona na inona hampiala amin’ny fifantohana.
Maro loatra ny mamela ny tenany amin’ny fandaniana efa ho ny fiainany manontolo amin’ny internet eo amin’ny fitaovana elektrônika raitran’izy ireo, ny efijery manazava ny tarehiny andro aman’alina ary ny écouteur eny amin’ny sofiny manakana ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy. Raha tsy mahita fotoana hialana amin’ireny fitaovana ireny isika dia mety ho very ireo fahafahana ananantsika hihainoana ny feony manao hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”8 Tsy misy maharatsy ny fanararaotana ny fivoaran’ny teknôlôjia izay azo avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra, saingy mila hendry isika rehefa mampiasa izany. Tadidio ny hoe, ny fanomezana ny Andro Sabata.
Ny fitahian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy tokony ho lasa zavatra mahazatra atao fotsiny na oviana na oviana. 70 minitra monja ao anatin’ny herinandro izany izay ahafahantsika mitsahatra sy mahita fiadanana, fifaliana ary fahasambarana bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika.
Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny fanavaozana ny fanekempihavanantsika dia famantarana iray avy amintsika ho an’ny Tompo fa tena mahatsiaro Azy mandrakariva isika. Ny Sorompanavotany dia fanomezana feno fangorahana avy amin’ Andriamanitra.
Ny fahafahana manompo ny zanak’ Andriamanitra dia fahafahana iray hafa hanarahana ny ohatry ny Zanany Malala amin’ny fifanompoana.
Ny fahafahana manompo sasany dia andraikitra ôfisialy, ao amin’ny fianakaviantsika, amin’ny antsontsika ato am-piangonana ary any amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny rafi-panompoana ara-piarahamonina.
Ny mpikamban’ny Fiangonana, na lahy izany na vavy, dia tsy tokony hiahotra hirotsaka hofidiana, raha maniry izany izy, ho mpitondra ara-panjakana araka izay ambaratonga misy ao amin’ny governemanta, na aiza na aiza ipetrahan’izy ireo. Zava-dehibe amin’izao andro izao ny feontsika ary manan-danja any am-pianarantsika sy ao amin’ny tanàna misy antsika ary ny firenena misy antsika izany. Any amin’ny toerana misy ny demôkrasia dia adidintsika amin’ny maha-mpikambana antsika ny mifidy lehilahy sy vehivavy mendri-kaja izay vonona ny hanompo.
Fahafahana maro hanompo no tsy andraikitra ôfisialy, tsy misy fanendrena, ary miseho rehefa manolo-tanana ny hafa izay mihaona amintsika amin’ny fiainantsika andavanandro isika. Tsarovy fa i Jesoa dia nampianatra ireo mpahay lalàna fa tokony ho tia an’ Andriamanitra sy ny namantsika tahaka ny tenantsika isika, tamin’ny fampiasana ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy ho ohatra.9
Ny fanompoana dia manome fahafahana izay hahatakarantsika ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Kristy. Tonga Izy mba hanompo, araka ny ampianarin’ny soratra masina manao hoe: “Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”10
I Petera dia mety ho nanome ny fanoritsoritana tsara indrindra momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany tao anatin’ny teny efatra monja manao hoe: “izay nandehandeha nanao soa.”11
I Jesoa Kristy Tompo no fanomezana sarobidy indrindra amin’ireo fanomezana rehetra nomen’ Andriamanitra antsika. Hoy i Jesoa: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”11
Naneho ny lanjan’ny Mpamonjy antsika i Nefia raha nilaza hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”13 Tsy maintsy mihazona an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika isika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.
Tokony hotsaroantsika fa ny anarany no miseho amin’ireo toerana fitsaohantsika. Atao batisa amin’ny anarany isika, ary raisina ho mpikambana, atokana, omena ny fanafiana masina, ary fehezina ao anatin’ny fanambadiana amin’ny anarany. Mandray ny fanasan’ny Tompo isika ary mampanantena ny hitondra ny anarany, ary ho lasa tena Kristiana marina. Ary farany dia angatahina isika ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo mba “hahatsiaro Azy mandrakariva.”14
Eto am-piomanantsika ho amin’ny Paska rahampitso dia andeha isika hahatsiaro fa i Kristy no ambony indrindra. Izy ilay Mpitsara Marina, ilay Mpisolovava antsika mahatoky, ilay Mpanavotra voatahy, ilay Mpiandry ondry tsara, ilay Mesia nampanantenaina, ilay tena Namana, ary mbola maro hafa ihany koa. Tena fanomezana sarobidy ho antsika avy amin’ny Raintsika tokoa Izy.
Amin’ny maha-mpianatra antsika dia manana fitakiana sy olana ary andraikitra maro isika. Na izany aza dia misy zavatra atao vitsivitsy tokony ho ao am-pon’ny mpikamban’ny Fiangonana mandrakariva. “Koa aoka,” hoy ny Tompo, “ho mahatoky; sahano ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao; vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy.”15
Izany no asan’ny Fiangonana! Izany no fivavahana madio! Izany no filazantsara amin’ny tena heviny, rehefa mamonjy sy mampiakatra ary mampatanjaka ireo izay sahirana ara-panahy sy ara-nofo isika! Ny fanaovana izany dia mitaky antsika mba hamangy azy ireo sy hanampy azy ireo16mba ho lalim-paka ao am-pon’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany.
Ny Tompo anie hanampy sy hitahy antsika mba hankamamy ireo fanomezana sarobidy rehetra nomen’ Andriamanitra antsika, ka anisan’izany ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny. Mivavaka aho mba ho feno fitiavana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra isika ary ho afaka ny hahafantatra ny filan’izy ireo sy ho vonona ny hamaly ny fanontaniana sy ny olana ananan’izy ireo momba ny filazantsara amin’ny fomba mazava sy feno hatsaram-panahy ka hampitombo ny fahatakarana sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy isika.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Ny zavatra izay hampianarina antsika mandritra ity fihaonambe maneran-tany ity dia tonga amintsika amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ny apôstôly sy mpaminany, avy amin’ny Manampahefana Ambony, sy vehivavy mpitarika izay Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana. Ny fifaliana sy ny fiadanan’ny Tompo anie hitoetra amin’ny tsirairay, ary izany no vavaka amim-panetrentena ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.