Ny herin’ny fisoronana
Ny fanandrianana ny fisoronana masina izay hazoninareo dia tena ilaina amin’ny asan’ny Tompo ao amin’ny fianakavianareo sy ao amin’ny antsonareo ao amin’ny Fiangonana.
Ry rahalahoko malala, nahare filazana mifono fanambarana avy tamin’ny Filoha Russell M. Nelson isika. Nahare fanazavana manan-danja nataon’ny Loholona isany Christofferson sy Rasband ary ny Filoha Eyring isika. Ny lahateny sisa mbola hozaraina anio, anisan’izany ny zavatra bebe kokoa avy amin’ny Filoha Nelson, dia hanome fanazavana fanampiny momba ny zavatra ho ataonareo ankehitriny ao amin’ny andraikitrareo, ry mpitarika sy mpihazona ny fisoronan’ny Tompo. Mba hitondrana fanampiana amin’izany dia hiresaka fitsipika fototra vitsivitsy mahakasika ny fisoronana izay hazoninareo aho.
I. Ny Fisoronana
Ny Fisoronana Melkizedeka dia ilay fahefana masina nafindran’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny asany mba “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Tamin’ny taona 1829 izany dia nomena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy, dia i Petera sy i Jakoba ary i Jaona (jereo ny F&F 27:12). Masina sy mahery vaika mihoatra lavitra ny fahafahantsika mamaritra azy izany.
Ireo fanalahidin’ny fisoronana no hery hitarihana ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana. Noho izany, rehefa nanome an’i Joseph sy i Oliver ny Fisoronana Melkizedeka ireo Apôstôly, dia nanome azy ireo koa ny fanalahidy hitarihana ny fomba hampiasana izany (jereo ny F&F 27:12–13). Saingy tsy ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana no nomena tamin’izany fotoana izany. Ny fanalahidy iray manontolo sy ny fahalalana ilaina ho an’ity “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” ity (F&F 128:18) dia nomena “andalana anampy andalana” (andininy 21). Nomena tao amin’ny Tempolin’i Kirtland fito taona taty aoriana ireo fanalahidy fanampiny (jereo ny F&F 110:11–16). Ireo fanalahidy ireo dia nomena mba hitarihana ny fahefan’ny fisoronana tamin’ireo asa nampanaovina fanampiny tamin’izany fotoana izany, toy ny batisa ho an’ny maty.
Ny Fisoronana Melkizedeka dia tsy toeram-boninahitra na anarana fiantsoana. Izy io dia hery masina eo am-pelatanan’ireo lehilahy mendrika mba ho ampiasaina ho tombontsoan’ny asan’ Andriamanitra mahakasika ireo zanany. Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy ireo lehilahy mihazona ny fisoronana no antsoina hoe “fisoronana.” Tsy mety ny fitenenana hoe “ny fisoronana sy ny vehivavy.” Tokony hilaza isika hoe “ny mpihazona ny fisoronana sy ny vehivavy.”
II. Asa fanompoana
Andeha ary isika handinika ny zavatra andrasan’i Jesoa Kristy Tompo avy amin’ireo izay mihazona ny fisoronany, dia ny fomba hitondrantsika fanahy ho Azy.
Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampianatra hoe: “Tena voalaza marina tokoa fa lavorary ny fomba nandaminana ny Fiangonana. Ny hany olana dia tsy tena mahalala tsara ny adidy izay andrasana aminy ireo rafitra ireo. Rehefa lasa mahalala tsara ny zavatra takina aminy izy ireo dia hanatanteraka amim-pahatokiana kokoa ny andraikiny, ary hihamatanjaka sy hahery kokoa ary hahataona olona bebe kokoa eto amin’izao tontolo izao ny asan’ny Tompo.”1
Nampitandrina ihany koa ny Filoha Smith hoe:
“Ny anaram-boninahitra nomen’ Andriamanitra … mifandray amin’ireo anjara fanompoana maro sy ireo lamina ao amin’ny Fisoronana Masina dia tsy natao ho ampiasaina na horaisina tahaka ireo anaram-boninahitra fiantsoana noforonin’olombelona. Tsy natao hahazoana dera izy ireo na hanehoana ny fananam-pahefana, fa fanendrena kosa ho amin’ny asa fanompoana atao amim-panetrentena ao amin’ny asan’ilay Tompo izay ambarantsika fa tompointsika. …
“… Miasa ho an’ny famonjena fanahy isika, ary tokony hahatsapa isika fa izany no adidy lehibe indrindra nankinina tamintsika. Noho izany dia tokony hahatsapa ho vonona ny hamoy ny zavatra rehetra isika, raha ilaina, noho ny fitiavana an’ Andriamanitra, ho famonjena ny olona, ary ho an’ny fandresen’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.”2
III. Anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana
Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia manana anjara andraikitra samihafa ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia milaza fa ny mpisorona avo dia “filoha maharitra na mpanompo amin’ ireo tsatòka samy hafa miely patrana any ivelany” (F&F 124:134). Izany dia milaza fa ny loholona dia “mpanompo maharitra amin’ ny fiangona[n’ny Tompo]” (F&F 124:137 Ireto misy fampianarana hafa mikasika ireo anjara andraikitra samy hafa ireo.
Ny mpisorona avo dia manompo sy mitantana ny zavatra ara-panahy (jereo ny F&F 107:10, 12). Araka ny nampianarin’ny Filoha Joseph F. Smith ihany koa hoe “Noho izy efa voatendry ho mpisorona avo, dia tokony ho tsapany fa voatery izy … ny haneho ohatra mendrika ny ho alain’ireo zokiolona sy tanora tahaka, ary hametraka ny tenany amin’ny toerana iray mba ho mpampianatra ny fahamarinana, tsy amin’ny alalan’ny fampianarana fotsiny ihany fa amin’ny alalan’ny ohatra indrindra indrindra: mizara amin’ireo zandry mpihazona ny fisoronana ny tombontsoa azo avy amin’ny traikefa azo nandritra ny taona maro, ka noho izany dia lasa hery eo anivon’ny fiarahamonina izay honenany ny tenany.”3
Mahakasika ny andraikitry ny loholona dia nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo ny loholona. … Nomena andraikitra izy mba hanatanteraka ilay adidy ary hisolo tena ny Tompony … amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminy. Mpandraharahan’ny Tompo izy.”4
Ny Loholona McConkie dia nitsikera ilay fiheverana fa ny mpihazona ny fisoronana dia “loholona fotsiny ihany.” “Mitovy ihany ny fisoronana hazonin’ny loholona sy ny Filohan’ny Fiangonana … ,” hoy izy. Inona no atao hoe loholona? Mpiandry ondry izy, mpiandry ondry manompo ao amin’ny valan’ondrin’ilay Mpiandry Tsara.”5
Ao amin’io anjara andraikitra hanompo ao amin’ny valan’ondrin’ny Mpiandry Tsara io dia tsy misy fanavahana eo amin’ireo anjara fanompoan’ny mpisorona avo sy ny loholona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Manambara ny Tompo ao amin’ilay fizarana 107 lehiben’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa “Ny mpisorona avo, araka ny lamin’ ny Fisoronana Melkizedeka, dia manana zo hitarika eo amin’ ny toerany eo ambany fitarihan’ ny fiadidiana, amin’ ny fitantanana ny zavatra ara-panahy, ary koa amin’ ny anjara fanompoan’ ny loholona [na ireo anjara fanompoana misy ao amin’ny Fisoronana Aharôna]” (F&F 107:10 jereo ihany koa ny andininy 12
Ny fitsipika manan-danja indrindra ho an’ny mpihazona ny fisoronana rehetra dia ilay fitsipika nampianarin’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa avy natokana ho mpisorona sy mpampianatra ny vahoaka izy sy i Joseph rahalahiny, dia hoy izy: “Ary dia nandrianinay ny adidinay ho an’ ny Tompo, tamin’ ny nandraisanay ho andraikitra ny hamaliana ny fahotan’ ny olona eo ambony lohanay raha tsy nampianatra azy ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahazotoana rehetra izahay” (Jakôba 1:19
Ry rahalahy isany, ny andraikitsika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia tsy azo ivazivaziana. Ireo fikambanana hafa dia mety ho afa-po amin’ireo fenitr’izao tontolo izao eo amin’ny fanaovana asa amin’ny fizarana ny hafatr’izy ireo sy ny fanatanterahana ireo anjara andraikiny hafa. Fa isika mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra kosa dia manana ny hery masina izay mitantana mihitsy aza ny fidirana ho ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra. Isika dia manana ny tanjona sy ny andraikitra nofaritan’ny Tompo ao amin’ny sasintene izay nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Isika dia tokony hanambara amin’izao tontolo izao:
“Mba hahazoan’ ny olona tsirairay … miteny amin’ ny anaran’ ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao;
“Mba ho afaka hitombo eto an-tany koa ny finoana;
“Mba ho azo aorina ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay;
“Mba ho azon’ ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao ny fahafenoan’ ny filazantsarako” (F&F 1:20–23).
Mba hanatanterahana io andraikitra masina io dia tsy maintsy mahatoky isika amin’ny “filofosana” amin’ny antsontsika sy ny andraikitsika ao amin’ny fisoronana (jereo ny F&F 84:33). Ny Filoha Harold B. Lee dia nanazava ny dikan’ny hoe manandriana ny fisoronana: “Rehefa lasa mpihazona ny fisoronana ny olona iray dia lasa solontenan’ ny Tompo nahazo lalana. Ny antsony dia tokony ho raisiny ho toy ny hoe eo am-panaovana ny raharahan’ ny Tompo izy.” Izany no dikan’ny hoe manandriana ny fisoronana.”6
Noho izany, ry rahalahy isany, raha ny Tompo mihitsy no mangataka anareo hanampy ny iray amin’ireo zanany lahy na zanany vavy, izay nataony tamin’ny alalan’ireo mpanompony, dia hanao izany ve ianareo? Ary raha nataonareo ilay izy, dia hiasa tahaka ny solontenany nahazo lalana “eo am-panaovana ny raharahan’ny Tompo” ve ianareo, ka hiantehitra amin’ny fanampiana nampanantenany?
Nanana fampianarana hafa mikasika ny fanandrianana ny fisoronana ny Filoha Lee: “Rehefa mihazona fanita-jery eo amin’ny zavatra iray ianao dia mahatonga izany zavatra izany ho toy ny lehibe kokoa noho ny fahafahanao mahita izany amin’ny maso tsotra izany. Andrianin’ilay fanita-jery ilay zavatra. Koa, … raha misy olona manandriana ny fisoronany, dia manao izay hahatonga izany ho lehibe kokoa noho izay niheverany azy tamin’ny voalohany sy ho manan-danja lavitra noho izay niheveran’ny olona hafa izany. Izany no fomba hanandriananao ny fisoronanao.”7
Inty misy ohatra iray amin’ny mpihazona ny fisoronana iray manandriana ny andraikiny ao amin’ny fisoronana. Reko avy tamin’ny Loholona Jeffrey D. Erekson, izay namana niaraka tamiko tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray tao Idaho izy ity. Fony izy loholona tanora vao nanambady, tena nahantra ary nahatsapa ho tsy afaka namita ny taom-pianarany farany tao amin’ny oniversite, dia nanapa-kevitra ny hanajanona ny fianarany i Jeffrey ary nanaiky tolotr’asa iray izay nahasarika azy. Andro vitsy taty aoriana dia tonga tao an-tranony ny filohan’ny kôlejin’ny loholona nisy azy. “Takatrao ve ny halehiben’ny fanalahidin’ny fisoronana izay hazoniko?” hoy ilay filohan’ny kôlejin’ny loholona nanontany. Rehefa niteny i Jeffrey hoe takany, dia nilaza taminy ilay filoha fa hatramin’ny nandrenesany ny fikasan’i Jeffrey hiala tao amin’ny oniversite, dia nampiferinaina azy nandritra ny alina maro tsy nahitan-tory ny Tompo mba hanome ity hafatra ity an’i Jeffrey: “Amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny loholona misy anao ahy dia manoro hevitra anao aho tsy hiala ao amin’ny oniversite. Izany no hafatra ho anao avy amin’ny Tompo.” Nanohy ny fianarany i Jeffrey. Taona maro taty aoriana dia nifanena taminy aho rehefa lasa mpandraharaha nahomby izy ary nandre azy niteny tamin’ny mpihazona fisoronana maromaro izay nanatrika hoe: “Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainako izany [torohevitra] izany.”
Nanandriana ny fisoronany sy ny antsony ny mpihazona fisoronana iray, ary nisy “fiatraikany lehibe” teo amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra iray hafa izany.
IV. Fisoronana eo anivon’ny fianakaviana
Hatreto dia niresaka ireo anjara andraikitry ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana aho. Izao aho dia hiresaka momba ny fisoronana eo anivon’ny fianakaviana. Atomboko amin’ireo fanalahidy izany. Ilay fitsipika hoe ny fahefan’ny fisoronana dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo ambany fitarihan’ny olona mihazona ny fanalahidy ho an’izany anjara andraikitra izany dia fitsipika fototra ao amin’ny Fiangonana, saingy tsy mihatra amin’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny fianakaviana.8 Ny raim-pianakaviana mihazona ny fisoronana no miahy ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izay hazoniny. Tsy mila mahazo ny fitarihana na ny fankatoavana avy amin’ny fanalahidin’ny fisoronana izy mba hanomezana torolalana ny olona ao amin’ny fianakaviany, hanao fivoriam-pianakaviana, hanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny vady aman-janany, na hanome tsondrano fanasitranana ho amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny hafa.
Raha hanandriana ny fisoronany eo anivon’ny fianakaviany ireo raim-pianakaviana dia hanampy amin’ny fampandrosoana ny asa nanirahana ny Fiangonana tahaka ny zavatra hafa mety hataon’izy ireo izany. Ireo raim-pianakaviana mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony hitandrina ny didy mba hananany ny herin’ny fisoronana mba hanomezana tsodrano ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany. Tokony hanao ihany koa izay hisian’ny fifandraisan’ny mpianakavy feno fitiavana ny raim-pianakaviana mba hananan’ny olona ao amin’ny fianakaviana faniriana hangataka tsodrano amin’ny rain’izy ireo. Ary tokony hanao izay hisian’ny tsodranon’ny fisoronana bebe kokoa ao amin’ny fianakaviana ireo ray aman-dreny.
Ry raim-pianakaviana isany, meteza ho “mpiara-miasa mitovy lenta” amin’ny vadinareo, araka ny ampianarin’ilay fanambarana ho an’ny fianakaviana.9 Ary, ry raim-pianakaviana isany, rehefa nomena tombontsoa manokana ianareo mba hampiasa ny hery sy ny fitaoman’ny fahefan’ny fisoronana hazoninareo, dia ataovy “amin’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” (F&F 121:41) izany. Tena manan-danja tokoa ao amin’ny fianakaviana izany fenitra avo amin’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana izany. Ny Filoha Harold B. Lee dia nanome ity fampanantenana ity raha vantany vao lasa Filohan’ny Fiangonana ny tenany: “Tsy misy fotoana mahatonga ny herin’ny fisoronana izay hazoninareo ho mahatalanjona kokoa noho ny amin’ny fotoana hisian’ny olana, aretina goavana, na fanapahan-kevitra lehibe vitsivitsy tsy maintsy raisina ao an-tokantranonareo. … Hita ao anatin’ny herin’ny fisoronana, izay herin’ny Andriamanitra Tsitoha, ny hery hanatontosana fahagagana raha sitraky ny Tompo izany, saingy mba hahafahantsika mampiasa izany fisoronana izany, dia tsy maintsy mendrika ny hampiasa azy isika. Ny tsy fahafahana mahatakatra io fitsipika io dia tsy fahafahana mandray ireo fitahiana avy amin’ny fihazonana izany fisoronana lehibe izany.”10
Ry rahalahiko malala, ny fanandrianana ny fisoronana masina izay hazoninareo dia tena ilaina amin’ny asan’ny Tompo ao amin’ny fianakavianareo sy ao amin’ny antsonareo ao amin’ny Fiangonana.
Mijoro ho vavolombelona ny amin’Ilay Tompon’io fisoronana io aho. Amin’ny alalan’ny fijaliany manavotra sy ny fitsanganany tamin’ny maty, ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia manana ny fanomezana antoka hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Tokony ho mahatoky sy hanana zotom-po isika tsirairay avy amin’ny fanaovana ny anjarantsika ao amin’ity asa lehiben’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay ity, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.