Niakanjo Tsara
“Zanak’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo” (Deoteronomia 14:1).
-
Te-hiakanjo tsara i Elise. Nanaovany ny kiraron’i Dada ary nanao orona tsy tena izy miloko mena izy.
Mpanao hatsikana mampihomehy aho.
-
Nihazakazaka niverina tany amin’ny efitranony i Elise. Nanao satroka fanaovan’ny mpanangan-trano miloko mavo izy ary naka maritoa plastika iray.
-
Novelesin’i Elise tamin’ny maritoa ny gorodona talohan’ny nihazakazahany nankany amin’ny efitranony.
Mpanangan-trano matanjaka aho.
-
Nitafy akanjo lava mamirapiratra miloko volom-parasy sy misy lokom-bolafotsy i Elise ary nivoaka ny efitranony.
-
Tian’i Elise ny ho mpanjakavavy. Niakanjo ny akanjo lavany izy nandritra ny andro iray manontolo.
Mpanjakavavy tsara tarehy aho.
-
Rehefa tonga ny fotoana fatoriana dia nisolo an’ilay akanjo mandry maintsomaintso tena tiany i Elise. Nivoaka ny efitranony izy ary dia nipetraka teo ampofoan’i Neny.
-
Izaho no Elise. Zanak’ Andriamanitra aho.