2011
I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy
Aprily 2011


Mitondra ny Kilonga Mody

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy

Azonao ampiasaina ity lesona sy asa atao ity hianarana bebe kokoa mikasika ny tarigetran’ny kilonga amin’ity volana ity.

“Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’ i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ ny filazantsara” (Fanekempinoana 1:3).

Inona no zavatra hafoinao an-tsitrapo ho an’ny olona iray izay tena tianao? Ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, dia tena tia antsika ka nanolotra ny ainy ho antsika.

Fantatry ny Ray any an-danitra fa raha manota sy manao hadisoana isika dia tsy ho afaka ny hiaina hiaraka Aminy indray. Koa dia nanolotra ny tenany ho Mpamonjy antsika ny Zanakalahiny i Jesoa Kristy. Nisafidy Azy mba hamonjy antsika ny Ray any an-danitra satria Izy ihany no hany afaka niaina fiainana tsy nisy ota.

Nijaly sy maty i Jesoa mba hanafahana antsika amin’ny fahafatesana sy ireo otantsika. Izany fihetsika feno fitiavana izany dia antsoina hoe Sorompanavotana. Noho ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka amin’ny otantsika isika, mahazo famelan-keloka ary lasa madio sy tsy misy pentina tahaka an’i Jesoa.

Nohomboana tamin’ny hazofijaliana sy maty i Jesoa kanefa telo andro taty aoriana dia nitsangana tamin’ny maty Izy. Velona indray Izy! Satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia hitsangana amin’ny maty koa isika. Izany dia midika hoe ny vatantsika sy ny fanahintsika dia hatambatra indray mandrakizay.

Tena Mpamonjy sy Mpanavotra antsika tokoa i Jesoa Kristy. Izy no ohatra tonga lafatra ho antsika rehetra. Nampianatra antsika ny fomba hifandraisana amin-katsaram-panahy Izy. Nampianatra antsika ny fomba hifanompoantsika Izy. Nampianatra antsika ny fomba hahatonga antsika ho tsara kokoa Izy. Tsy afaka ny hiaina fiainana tonga lafatra tahaka Azy isika, kanefa afaka ny hiverina hiaina hiaraka amin’i Jesoa sy ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy sy ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika. Mila manaraka an’i Jesoa Kristy isika isan’andro.

Eo ankavia: sary nataon’i Paul Mann © 1991 IRI; eo ankavanana: sary nataon’i Beth M. Whittaker

Hamoaka printy