2011
Ireo Sarin-tsoavaliko vita amin’ny Vikan-jaitra Mifampijadona
Aprily 2011


Ireo Sarin-tsoavaliko vita amin’ny Vikan-jaitra Mifampijadona

Sandra Jennings, Nouveau Mexique, Etazonia

Nanao sarin-tsoavaly vita amin’ny vikan-jaitra mifampijadona aho izay nataoko tao anatin’ny herintaona teo ho eo. Efa ho vita tanteraka ilay izy vao tsikaritro fa nisy fahadisoana nataoko teo amin’ny lokon’ny iray tamin’ireo soavaly. Satria loko nifanentana tamin’ny soavaly ilay izy dia tsy tsikaritro ny fahadisoako raha tsy efa nahita ny lokon’ilay soavaly ho nifangarika tamin’ilay loko lafika teo amin’ny tabilao ilay izy.

Vaka ny saiko. Nandany fotoana maro aho nanaovako izany sary izany ary ny fieritreretana hoe mila mamaha ireo vakin-jaitra teo amin’ny loko diso aho dia tena saika nahavalalanina. Tamin-dranomaso tokoa no nanokafako ilay fitoeram-pako ary nanariako izany sary izany tao.

Nipetraka teo an-databatra izay nisy ireo fitaovana fanjairana aho ary nitomany ny fanariana ilay sarin-tsoavaly tsara tarehy ary dia niroso nanao zavatra hafa. Kanefa tsy nahavita izany aho—Tsy afaka ny hamela fotsiny asa izay nifoforako mafy aho. Nosokafako ilay fanariam-pako dia nalaiko indray ilay lamba. Novahako tsimoramora ireo vohon-jaitra tao ambadik’ireo loko tsy nety. Navadiko ilay sary ary dia nanomboka namaha ireo kofehy aho.

Indraindray dia haingana ny famahana izany. Misy fotoana sarotra be izany. Tsy dia azo antoka loatra ny fomba hamahana ny zavatra izay nataoko. Indraindray dia tsy maintsy novahako tsirairay ireo kofehy teo amin’ny zaitra. Nilaza ny zanako lahy fa variana izy noho ny fanapahan-kevitro hanao izany asa be izany mba hahatonga izany araky ny tokony ho izy. Kanefa sarin-tsoavaly vita amin’ny vikan-jaitra mifampijadona fotsiny ihany anie izany e!

Teo am-pamahana ireo zaitra aho dia nanomboka nieritreritra ny amin’ny fibebahana sy ny hasarotana misy amin’ny fanitsiana ireo fahadisoana vitsivitsy nataoko. Ny fibebahana marina dia mitaky faniriana sy asa ary fijaliana mafy kanefa mahasoa ny fanaovana izany.

Teo am-panjairana indray ilay soavaly aho dia nahatsiaro fa ny fibebahana no mamela ny Sorompanavotan’i Jesoa hanala ireo pentimpentin’ny ota eo amin’ny fiainako sy manampy ahy hanomboka zava-baovao. Ireo “soavalin’ny fibebahako” dia mihantona ao an-tokantranoko, sary tsotra kanefa mpampahatsiahy miharihary momba ny tokony hanaovana ny tsara, sy ny tsy fihemorana raha sendra solafaka, ary ny fahatsiarovana fa amin’ny alalan’ny fibebahana dia hitondra fiovana ny Sorompanavotana.

Hamoaka printy