Mihaino Ihany nony Farany
“Namako efa ela izy, ary tsy mampiaraka anie izahay e!” hoy aho tamin’ny tenako. Koa nahoana ny Fanahy no tsy nitsahatra nampitandrina ahy fa tsy tokony ho any aho?
Rehefa tany amin’ny oniversite aho dia nahazo fitahiana mba handeha hianatra asa feno fanamby tany amin’ny tanàna lavitra ny misy anay. Nisy namako efa ela izay nipetraka tsy lavitra ahy, ary na dia tsy nitovy finoana aza izahay, dia tsy nanakana anay ny ho mpinamana akaiky ny fahasamihafanay.
Tamin’ny fotoana nahitako an’i Madeline voalohany (nosoloina ny anarana), dia samy niasa niaraka tamin’ny zatovovavy iray izay tena ohatra lehibe ho an’ny Olomasina izahay. Tsaroako ny Fanahy nampiharihary ireo fahasamihafana miseho tampoka eo amin’ny tsirairay tamin’ireo zatovovavy, ary manazava fa na dia ny safidy kely indrindra aza dia afaka manova ny fizotran’ny fiainana ho amin’ny ho avy. Tena tsaroako nandritra ny taona maro ireo fahatsapana ara-panahy ireo.
Rehefa nifandray indray izahay taona vitsy taty aoriana ary dia nanao drafitra ny hihaona izaho sy i Madeline. Rehefa tonga ny hariva dia lasa tsy nilamin-tsaina tampoka izany. Nandray fiaran-dalamby nankany amin’ny tanàna nisy azy aho, ary rehefa nanakaiky aho dia nisy feo tao anaty eritreritro sy ny foko nilaza hoe: “Ianao dia tsy tokony hampiaraka afa-tsy amin’ny olona izay manana fitsipika avo ihany.”
“Tsy fampiarahana anie ity e!”, hoy aho tao an’eritreritro. “Hihaona amin’ny namako efa ela fotsiny aho.” Namerina ny fampitandremana ny Fanahy, nanosika mandrapahatonga saina ahy fa tena fiarahana mihitsy no ho ataonay ary nanomboka nanontany tena aho mikasika ireo fitsipika sy fomba fiainan’ilay namako tamin’izay fotoana izay. “Fantany aho hoe Olomasin’ny Andro Farany,” hoy aho nanamboatra saina. “Mahafantatra ny fitsipiko izy, ary tsy hisy ny olana.”
Kanefa dia nanomboka nanontany tena aho raha toa ka ireo “fahasamihafana miseho tampoka” izay tsikaritro taloha no nahatonga ny lalanay hisaraka mihoatra noho izay noheveriko. Koa dia nanaraka ny bitsiky ny Fanahy aho ary dia niantso ilay namako mba hanafoana ny fotoananay. Tena natahotra aho sao dia hanafintohina azy. Ahoana no fomba hanazavako fahatsapana ara-panahy amin’ny namana iray izay tsy mahafantatra ny anjara asan’ny Fanahy Masina?
Nohazavaiko fa tsy nahazo aina mikasika ny iray amin’ireo zavatra izay nokasaina hatao aho ary nanantena fa izany dia hanome antony azo ekena ho ahy hialana amin’io takariva io. Diso fanantenana izy ary dia nanao sosokevitra ny hanovana ny drafitray. Nahatsapa ho maivana aho ary nanaiky ilay fanovana satria nieritreritra aho hoe: “Angamba noho ilay zavatra saika hataonay no antony nampitandreman’ny Fanahy ahy.” Saingy tsy nety afaka ilay fahatsapana feno fiahiahiana nananako.
Tena nahafinaritra ny fotoana niarahanay io alina io, saingy niteny tamiko matetitetika ny Fanahy fa zava-dehibe ilay fampitandremana teo aloha. Tamin’ny voalohany dia toa tsy nisy zavatra nampiahiahy, saingy rehefa nandeha ny fotoana io hariva io dia toa nanjary nihanazava fa na dia nanana zavatra itoviana aza izahay dia nizotra tanteraka tamin’ny lalana samy hafa. Ireo fitsipikay dia tsy nitovy—na dia amin’ny zavatra kely indrindra aza. Rehefa naka divay izy dia nanazava aho fa tsy te-hividy zava-pisotro mahamamo. Nanaja ny faniriako izy ary dia naloany izany.
Tsy nitsaha-nitombo ny fiahiahiako raha nandroso ny alina. Raha vita ny sakafo dia teo amin’ny sisin’ny sezako aho, naneho fahavononana ny handeha, satria fantatro fa ny fiaran-dalamby farany dia efa handeha tsy ho ela ary lavitra loatra ny toerana ipetrahako raha handehanana taxi. Satria fantatr’ilay namako ny nampiasa ny lohako dia nilaza tamiko izy fa afaka matory any aminy aho. Ankehitriny, ny Fanahy dia tsy hamela ahy mihitsy, ary nanamafy ny zavatra efa fantatro: tsy ao anaty safidy ny mijanona.
Raha nanatitra azy tany an-trano aho dia tena nanao ezaka mafy ny ho hita ho tony. “Tena tsy hijanona tokoa ve ianao?” Hoy izy nanontany. Tena azoko antoka fa tsy hijanona aho. Tsy nivatravatra na nasiaka izy, saingy ny Fanahy dia niteny mora tamin’ny fomba mazava noho ny feon’ny kotro-baratra. Tsy maintsy hamonjy ny ny fiaran-dalambiako aho.
Niandry izay nidirany tao anatiny aho ary dia nihazakazaka araka izay tratry ny heriko mba ho tonga ara-potoana any amin’ilay toeram-piantsonan’ny fiaran-dalamby ara-potoana. Tonga tao an-tsaiko i Josefa tany Egypta rehefa nandositra ny fakam-panahy izy (jereo ny Genesisy 39:7–12).
Rehefa mieritreritra ireo zava-nitranga io hariva io aho dia sady mahatsapa tahotra no mahatsapa fankasitrahana: tahotra ho an’izay mety nitranga ary fankasitrahana noho ny fiarahan’ny Fanahy Masina tamiko. Ny Fanahy dia niteny, ary na dia tokony nataoko aloha kokoa aza izany dia faly aho fa nihaino nony farany.
Mazava be fa ny fahitako ny toe-javatra tamin’io alina io dia tsy misy fihambahambana fa tsy mazava ohatry ny an’ny Tompo. Araka ny rakitsoratr’i Isaia hoe:
“Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.
“Fa tahaka ny haavon’ny lanitra mihoatra ny tany dia toy izany koa, ny lalako tsy lalanareo ary ny fihevitro tsy fihevitrareo” (Isaia 55:8–9).
Ny safidy sasany izay atrehantsika eo amin’ny fiainana dia mora atao sy mora adino. Misy safidy hafa izay tonga miaraka amin’ny lesona izay tokony tsy ho hadinointsika na oviana na oviana. Tena feno fankasitrahana aho amin’ny fahafantarako fa rehefa manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina isika—ary rehefa manao izany eo no ho eo—dia afaka mijanona mora kokoa amin’ny làlana izay napetrak’i Jesoa Kristy mba ho arahintsika isika.