Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana
Ankehitriny dia trano rava sisa no hita eo Kapernaomy, ilay tanàna eo akaikin’ny morom-parihy, toerana ivon’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo Galilia. Tao no nitoriany tao amin’ny sinagôga, nampianarany teo amoron-dranomasina ary nanasitranany olona tany an-tokantrano.
Teo am-panombohana ny asa fanompoany i Jesoa dia nitanisa teny avy tamin’i Isaia, manao hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava” Isaia 61:1; jereo koa ny Lioka 4:18)—izay fanambarana mazava ny drafitra masina iray mba hanavotana ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra.
Kanefa izany fitorian-tenin’i Jesoa tao Galilia izany dia fiantombohana fotsiny ihany. Ilay Zanak’olona dia nihazona lalandava tao anatiny ilay fotoana mampivarahontsana eo amin’ny havoan’i Golgota.
Rehefa avy nosamborina tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy taorian’ny Fanasana Farany, ka nilaozan’ny Mpianany, nororaina, nalaina fanahy ary nambanimbaniana dia nivembena teny am-pilanjana ny Hazo fijaliany nankany Kalvary i Jesoa. Nandalo fandresena nankany amin’ny famitahana sy fampijaliana ary fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana Izy.
Araka ny tonon’ilay hira “Ilay Tanàna Masina,” izay manao hoe:
Niova ny tontolo. …
Nangatsiaka namirifiry ny maraina.
Raha niakatra ny aloky ny hazo fijaliana iray
Teo amin’ilay havoana mitoka-monina.1
Ho antsika no nanomezan’ny Ray any an-danitra ny Zananilahy. Ho antsika no nanoloran’ny Lahimatoantsika ny ainy.
Afaka nandà izany ny Tompo tamin’ny ora farany. Saingy tsy nanao izany Izy. Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hamonjeny ny zava-drehetra: ny taranak’olombelona, ny tany ary ny zava-manana aina rehetra niaina teto ambonin’ny tany.
Ho ahy dia tsy nisy teny nanan-danja kokoa ato amin’ny tontolo Kristiana mihoatra ireo teny nolazain’ilay anjely tamin’i Maria Magdalene sy ilay Maria iray hafa vonton-dranomaso raha nankany amin’ny fasana mba hikarakara ny vata-mangatsiakan’ny Tompon’izy ireo izay nanao hoe: “Nahoana no ato amin’ny maty no hitadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Lioka 24:5–6).
Arak’ity filazana ity, dia voavonjy daholo ireo izay niaina ka efa nodimandry, ireo izay miaina ankehitriny ary ho faty indray andro any, ary ireo izay mbola tsy teraka akory ka mbola ho faty ihany koa.
Vokatry ny fandresen’i Kristy ny fasana dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra. Izany no fanavotana ny fanahy. Nanoratra i Paoly hoe:
“Ary misy tenan’ny any an-danitra, ary misy tenan’ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny ety an-tany.
“Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana, fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
“Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:40–42).
Izany voninahitra selestialy izany no katsahintsika. Eo anatrehan’Andriamanitra no iriantsika honenana. Izany fianakaviana mandrakizay izany no tiantsika hisy antsika.
Amin’ny anaran’Ilay Iray izay nanafaka antsika tsirairay tamin’ny fahafatesana tsy misy fetra no ijoroako ho vavolombelona fa Izy ilay mpampianatra ny fahamarinana—kanefa mihoatra noho ny mpampianatra iray Izy. Izy no ohatry ny fiainana tonga lafatra—kanefa mihoatra noho ny ohatra fotsiny Izy. Izy ilay mpanasitrana lehibe—kanefa mihoatra noho ny mpanasitrana fotsiny Izy. Izy ara-bakiteny no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny Zanakalahin’Andriamanitra, ilay Andrian’ny Fiadanana, ilay Iray Masin’Isiraely, eny ilay Tompo efa nitsangana, izay nanambara hoe: “Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ ny Ray” (F&F 110:4).
“Endrey mamy sy kanto re: Ny mandre fa velon’i Kristy!‘”2
Izany no ijoroako ho vavolombelona.