2011
Saingy Tsy Misy Fiangonana Eto
Aprily 2011


Saingy Tsy Misy Fiangonana Eto

Julie Ismail, Andrefan’i Australie, Australie

Nandritra ny dia nataoko tany amin’ny Faritra Mediteraneana dia namonjy tamim-pahavitrihana ny fivorian’ny Fiangonana aho tamin’ny toerana rehetra izay nahafahako nanao izany. Tany Séville Espagne dia nila ny fanampian’ny mpandray vahiny tao amin’ny trano fandraisam-bahiny aho, sy ny boky hahitana ireo laharan-tariby ary ny sarintanin’ny tanàna mba hanampy ahy hahita ny trano fivorian’ny Olomasina teo an-toerana. Nosoratako tamin’ny teny espaniôla ny adiresy sy ny anaran’ny Fiangonana. Ny Asabotsy hariva aho dia nivavaka mba hahafantatra ny fotoana izay hanombohan’ireo fivoriana ary dia nanana fahatsapana mahery be aho fa nila tonga tany alohan’ny tamin’ny 10 maraina.

Nialohan’ny fiaingako ho any am-piangonana ny Alahady maraina tamin’ny 9:30 dia nivavaka indray aho mba hahafahako mahita ilay trano fivavahana. Nanaraka ilay sarintaniko aho ary dia nanomboka nanivatsiva lalana ety maromaro. Maraina nahafinaritra tamin’izay. Nandalo toerana fialana hetaheta sy tsenam-borona feno vorona mitabataba aho.

Tonga tamin’ny toerana nisy ilay adiresy aho ary tsy nahita na inona na inona mba farafaharatsiny niendrika fiangonana. Niakatra sy nidina ilay arabe aho nitady fa tsy nahita. Nikorontana ny saiko ary natahotra aho satria efa ho amin’ny 10 ora marina ny andro.

Farany dia nivavaka tamin’ny Raiko any an-danitra aho: “Nandidy ahy ny handeha hiangona ianao, ary eto aho saingy tsy misy fiangonana eto.”

Ary tamin’izay dia nisy lehilahy tsara fiakanjo nipoitra avy amin’ny kihon-dalana. Ohatry ny mpikamban’ny Fiangonana izy ary nahatsapa aho fa tokony hanakana azy. Ary tamin’ny fomba somary mikorontana no nilazako taminy hoe nitady ny fiangonana aho. Niteny zavatra izay tsy azoko izy ary dia vahotra aho. Dia nanokatra ny valiziny izy ary nahita boky nifono hoditra izay toy ny soratra masina aho. Natolotro azy ny taratasy izay nanoratako hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy”. Nitsiky izy ary dia nanondro niverina tamin’ilay lalana niaviako ary dia niaraka nandeha tany am-piangonana izahay. Ilay trano dia tamin’ny adiresy hafa izay niala minitra vitsy avy teo ary mora ny tsy mahita azy raha tsy mahafantatra ianao hoe eo izy. Tao anaty efajoro kely, aorian’ny vavahady lehibe [ilay trano].

Vetivety aho dia nahafantatra tao amin’ilay trano fivavahana fa ilay lehilahy izay nanampy ahy dia tsy iza fa ny evekan’ny paroasy ary ny fivoriana dia nanomboka tamin’ny 10.30. Tonga aho ary mbola ampy ny fotoanako.

Nandritra ny fivorian’ny fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona dia nahatsapa aho fa tokony hijoro ho vavolombelona. Nijoro ho vavolombelona aho niaraka tamin’ny misiônera iray izay nandika ny teny anglisiko tamin’ny teny espaniôla ary nitantara ny fomba nanampian’ny Tompo ahy ho tonga tao am-piangonana. Nijoro ho vavolombelona ny eveka ary nanazava izy fa nila nametraka ny fiarany lavitra kokoa iny maraina iny ka dia tara kely tsy toy ny mahazatra izy. Rehefa nahita ahy izy dia nieritreritra hoe ohatry ny mpikamban’ny Fiangonana aho ary dia nijanona izy nanampy ahy. Ary dia niresaka mikasika ireo mpikambana izay very ara-panahy izy ary nilaza fa mila manampy azy ireo isika hahita ny Fiangonana.

Nandritra ny taona maro dia nihalefy ny fitadidiako ny tanànan’i Séville saingy ny fahatsiarovako ilay nahitako ny fiangonana tany dia tsy niova. Izany fahatsiarovako izany dia fijoroana ho vavolombelona ho ahy ny amin’ny fitiavana lehiben’ny Raintsika any an-danitra ho antsika ary ny tanany izay hita teo amin’ny fiainako raha mikatsaka ireo zavatra rehetra izay “miara-miasa hahasoa [ahy] aho” (Romana 8:28).