Miresaka an’i Kristy Isika
Mibebaha, Miverena amin’ny Tompo ary Aoka Ianao Ho Sitrana
“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” (F&F 58:42).
Vao haingana dia nisy vehivavy tsara sy mahatoky izay fantatro naratra mafy vokatry ny lozam-piarakodia. Ny ratrany dia nahitana ny fahavakisan’ny taolan-tratra sy ny taolan-damosina. Anisan’ny takiana tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny vatany ny fanaovany fitaovana mihazona ny lamosiny sy ny tendany mba tsy hahafahany manetsika azy ireo. Toa tsy nahazoana aina mihitsy ny fijery izany fitaovana mihazona izany. Saingy nilaina. Nanome fepetra izany fa amin’ny alalany dia ho sitrana ny lamosiny sy ny tendany.
Ny fibebahana dia toy izany fitaovana mihazona izany. Rehefa manota isika dia mandratra ny fanahintsika ary ny fitsaboana araka an’Andriamanitra dia ilaina mba hahatonga antsika hiverina amin’ny laoniny indray. Ny fibebahana dia manolotra ny fepetra ahafahan’ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana, hanasitrana antsika (jereo ny 3 Nefia 9:13). Na dia manahirana—toy ilay fitaovana mihazona ilay lamosina tapaka aza—ny lafiny sasany ao min’ny fibebahana dia tsy maintsy mibebaka ihany isika.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe: “Ny fibebahana marina dia mitondra antsika miverina manao ny tsara. Mba hibebahana marina dia tokony hiaiky ny fahotantsika isika sy hahatsapa fanenenana, na koa alahelo araka an’Andriamanitra, ary tokony hibaboka ireo fahotana ireo amin’Andriamanitra. Raha tena goavana ny fahotantsika dia mila mibaboka izany any amin’ny mpitarika ny fisoronana nahazo alalana isika. Mila mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isika ary manao izay rehetra azontsika atao hanitsiana izay mety zavatra ratsy nateraky ny zavatra nataontsika. Ny fibebahana dia midika ho fiovan’ny saina sy ny fo—mitsahatra ny manao ireo zavatra tsy mety isika ary manomboka manao ireo zavatra izay mety. Mitondra toetra vaovao eo anatrehan’Andriamanitra sy ho an’ny tenantsika manokana ary eo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny izany.”1
Rehefa nahatanteraka tamim-pahombiazana ny dingan’ny fibebahana isika dia ny fanasitranana sy ny fahatsapana ho maivana ary ny fahasambarana no vokatra tsapa. I Dorothy J. R. White dia nanoratra toy izao:
Eritrereto ireo ranomaso latsaka ety ivelany,
Kanefa manasa ny ao anaty ho tonga madio.2
Ny Tompo dia miangavy tsy tapaka amim-pitiavana sy amim-pandresen-dahatra ny mba hibebahantsika, satria te-hanasitrana antsika Izy. Nizaka fijaliana ny vatany sy ny fanahiny mba hanonerana ny sazin’ny fahotantsika raha toa mibebaka isika. Manazava Izy hoe:
“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;
“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;
“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—
“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona.
“Noho izany, mandidy anareo indray aho mba hibebaka” (F&F 19:16–20).
Enga anie isika hibebaka ankehitriny, hitodika any amin’ny Tompo ary ho sitrana.