2011
Namakivaky Ranomasina Tamim-pahatokian-tena tany amin’ny Nosikely Marshall
Aprily 2011


Namakivaky Ranomasina Tamim-pahatokian-tena tany amin’ny Nosikely Marshall

Rehefa mamakivaky ny rano lalin’ny fiainana isika, dia mahazo tombony amin’ny fitarihan’ny mpikambana mahatoky izay manampy antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra ny tsirairay avy amintsika.

Ny tantsambo fahiny dia namakivaky ireo ranomasina tamin’ny alalan’ny fitarihan’ny toerana nisy ny masoandro, ny volana ary ny kintana. Amin’ny alina dia nifantoka tsara tamin’ny Kintana Avaratra ny mason’izy ireo, ka ny tsy fiovany toerana dia nanome vatofantsika eny an-danitra ho an’ireo tantsambo, ary nanampy azy ireo hanatanteraka dia marina mankany amin’ny toerana alehany.

Teny amin’ireo Nosikely Marshall, any amin’ny faritry ny Ranomasimbe Pasifika dia nahita teknika hafa ireo tantsambo. Any dia mivezivezy eo anelanelan’ireo nosikely amin’ny endriny sy fomba tsy miova ireo alon-drano sy ireo onjan-dranomasina. Ny tantsambo tsara hofana iray dia afaka mamakivaky ny ranomasina an-jatony kilometatra maromaro eo ho eo amin’ny alalan’ny fanarahana fitambaran’ny onja sarotra—ny tsirairay toy ny lalana iray zotra tsy azo ifanenana—avy amin’ny nosy na nosikely iray mankany amin’ny manaraka. Ireo izay mahalala ny toeran’ireo onja sy ny lalan’izy ireo dia afaka mitarika ny mpanao dia lavitra hafa ho tody soa any amin’ny toerana alehany.

Ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika, ary ny fahazavany marina no mitarika antsika. Ny lalàny sy ny ôrdônansiny, tahaka ireo onjan-dranomasina dia afaka mitarika antsika ho tody soa any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Kanefa ho antsika rehetra dia misy ireo olon-kafa izay mifandray amin’ilay anjara asan’ilay Tompo izay Tantsambo ny asa fanompoana sy ny fanohanana ataon’izy ireo. Amin’ireto tantara manaraka ireto dia misy mpikambana avy any amin’ny Nosikely Marshall telo izay mizara ny fomba nanampian’ny hafa azy ireo hamakivaky ireo rano lalina sy kotro-baratry ny fiainana mba hitondra azy ireo ho any amin’i Kristy.

Ny Hery Misariky ny Vehivavy Marina Iray

Mipetraka amin’ny sezany ary mitsiky i Hirobo Obeketang. Izy sy ny vadiny, Linda dia vao avy nahavita ny takarivan’ny mpianakavy niaraka tamin’ny efatra tamin’ireo zanak’izy ireo sy ireo rahavavy misiônera. Dia nanasa ireo misiônera hihinana trondro hatao sakafo hariva izy ireo, trondro feno miaraka amin’ny masony sy ny rambony—araky ny fomba any Majuro, ilay renivohitry ny Nosikely Marshall. Raha namaritra ny fiainany i Hirobo dia naneho fankasitrahany lehibe noho ny Fiangonana sy ny filazantsara ary ny fianakaviana, indrindra ny vadiny.

Jona 2009 izao. Naorina andro iray mialohan’izany ny Tsatokan’ny Nosikely Marshall ary i Hirobo dia voantso ho mpitantsoratra mpanatanteraka voalohan’ny tsatòka. Araka ny famaritan’ny filohan’ny tsatòka vaovao Arlington Tibon, dia “tena matanjaka tokoa” i Hirobo ary isan’ireo mpitarika mahatoky eo amin’ny nosy.

Saingy i Hirobo no voalohany nanamarika fa tsy toy izany foana akory izy. Raha ny marina dia lazainy fa ny vadiny no tena matanjaka—ilay nitondra fiovana teo amin’ny fiainany. Manazava izy hoe: “Natao batisa aho tamin’ny fahavalo taonako, kanefa rehefa 16 taona aho dia lasa nalaindaina.”

Taona vitsy taty aoriana dia nanomboka niaraka nipetraka izy sy i Linda na dia tsy nivady aza. Tsy mpikamban’ny Fiangonana akory i Linda. Tamin’ny 2000, rehefa fantatr’i Linda fa efa vita batsisa tamin’ny fahazazany i Hirobo dia nanomboka liana tamin’ny Fiangonana izy ary nanomboka nihaona tamin’ireo rahavavy mpitory.

“Nianatra nandritra ny roa taona izy ary dia nanapa-kevitra ny atao batisa,” hoy i Hirobo nitantara. “Nila nivady aloha izahay saingy tsy mba taitra ny hanambady aho. Nisafotofoto ny saiko, tena tao anatin’ny fakam-panahin’izao tontolo izao aho. Tsy nahatakatra ny lanjan’ny fianakaviana aho ary tsy tena niraharaha na koa nihaino na iza na iza.”

Na dia tsy vita batisa aza i Linda dia nitaiza ny zanak’izy ireo tao amin’ny Fiangonana. Isan-taona dia nangataka an’i Hirobo hanambady azy i Linda saingy tsia hatrany no nasetrin’i Hirobo an’izany. Nandalo ny taona ary dia natao batisa ny roa tamin’ny zanak’izy ireo vavy, saingy tsy nanatrika ny batisan’izy ireo i Hirobo.

Ary tamin’ny 2006 dia maty ny zanak’izy ireo lahy, Takao, fa tratran’ny tazo mahery. Teo amin’ny mpikambana 300 avy amin’ny Distrikan’i Majuro no tonga tany amin’ny fandevenana mba hanohana ny fianakaviana.

“Ny fanohanan’izy ireo dia tena zavatra lehibe tokoa ho ahy” hoy i Hirobo. “Nanomboka nieritreritra aho fa angamba miteny zavatra amiko Andriamanitra.”

Nanomboka nieritreritra izy fa noho izy no tsy nahafahan’ny vadiny natao batisa, na dia mpikamban’ny Fiangonana aza izy. “Nihanatanjaka hatrany i Linda. Tena fanovozako hery izy” hoy izy nitantara.

”Ary dia nipetraka aho ary nieritreritra fa hay mbola eo amin’ny antsasa-dalan’ny fiainako aho. Nanontany tena aho hoe: ‘Mbola hanohy ny zavatra ataoko ve aho? Moa ve aho mba manana fahafahana hiasa ho an’Andriamanitra mandritra ny tapany faharoan’ny fiainako?’ Nanomboka nivavaka aho ary nieritreritra ny hiverina ao amin’ny fiangonana mba hanomboka hiasa ho an’Andriamanitra.”

Nanombo niverina nianatra tamin’ireo misiônera i Hirobo ary niverina nianatra ny fotopampianarana. Ny Filoha Nelson Bleak avy ao amin’ny Misiônan’i Majuro Nosikely Marshall dia ninamana taminy, ary tahaka izany koa ny mpikambana hafa, ka tao anatin’izany ny filohan’ny distrika Arlington Tibon. Farany dia nanapa-kevitra ny hiverina i Hirobo ary ny zavatra manaraka fantany dia tsy nanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo fotsiny ihany izy fa nanatrika ihany koa ny Sekoly Alahady sy ny fivorian’ny fisoronana. Nony farany dia nanapa-kevitra i Hirobo.

“Rehefa niverina aho dia hoy aho hoe: ‘Izao no izy. Izao no zavatra ho ataoko.’ Ary dia nanova tanteraka ny fiainako izany.”

Nivady tamin’ny 30 Aogositra 2008 i Hirobo sy i Linda. Dia nandray ny Fisoronan’i Aharôna izy ary dia nanao batisa ny vadiny. Roa volana taty aoriana dia nandray ny Fisoronan’i Melkizedeka i Hirobo ary dia voantso ho mpitantsoratra mpanatanteraky ny distrika.

Mijery ny vadiny i Hirobo ary dia mitsiky. “Tsy nampino azy hoe izaho no hanao batisa azy,” hoy izy. “Alaivo sary an-tsaina hoe—nandaniany valo taona ny faniriana izany, nanomboka ny 2000 ka hatramin’ny 2008. Mampitolagaga izy.”

Ny Ohatry Nasehon’ny Ray Marina Iray

Indraindray ny mpitari-dalana antsika, toy ny tantsambo, dia miaraka miasa akaiky amintsika, mampianatra antsika izay ilaintsika ho fantatra mba hahafahantsika mamakivaky amim-pahombiazana ny fiainana. Ao anatin’ny tranga maro ilay tantsambo dia manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fametrahana ohatra ho arahintsika. Toy izany ny tantaran’i Frank, rain’i Patricia Horiuchi.

Taorian’ny nihaonany tamin’ireo misiônera, dia nanasa tsy tapaka azy ireo hisakafo hariva i Frank. Ary dia nanomboka nianatra ireo lesona izy. Saingy tsy nisy na dia iray tamin’ny fianakaviana te-hifandray tamin’ny Fiangonana. “Rehefa hitanay ireo misiônera fa tonga” hoy i Patricia, “dia rifatra nandositra daholo izahay—izaho sy ireo zandriko lahy sy vavy.”

Avy eo dia nataon’ny filohan’ny misiôna, Nelson bleak, batisa ny volana Jolay 2007 i Frank. Tena fotoana nanan-danja lehibe izany ho an’i Patricia sy ireo iray tampo taminy.

“Nahita ny raiko nanomboka niova aho,” hoy izy. “Fantatro fa raha afaka mikasika ny fon’ny raiko ny filazantsara dia afaka mikasika ny ahy ary manova ny fiainako koa. Ary dia nanapa-kevitra ny hianatra miaraka amin’ireo rahavavy misiônera aho ary dia nanome fanamby ahy mba handalina ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly izy ireo. Ny rahalahiko sy ny tenako dia niady talohan’izany, ary dia tsy namela azy mihitsy aho. Ary dia namaky tao amin’ny soratra masina aho fa raha mamela ny hafa ianao dia ho avelan’Andriamanitra.” (Jereo ao amin’ny 3 Nefia 13:14–15.)

Tonga saina i Patricia fa nila namela ny anadahiny izy raha te-hanomboka fiainana vaovao sy ho madio ary hanana fiadanana. Ary dia nataony izany.

“Rehefa nariako ireo fomba fihetsiko ratsy ary niova ho olom-baovao izay mitandrina ny didy aho dia tena nahatsiaro fifaliana. Fantatro fa nila natao batisa aho mba hahatonga ahy ato amin’ny Fiangonana marina,” hoy izy. “Ny Fiangonana dia nametraka ahy teo amin’ny lalana marina. Nanasaraka ahy tamin’ny hery misarika amin’ny ratsy izany. Nampianatra ahy hanaja ireo ray aman-dreniko izany, hijanona ao an-tsekoly ary ny hijanona eo amin’ny lalana marina.

Ny Hery Misariky ny Lehilahy Marina Iray

I Lydia Kaminaga, tahaka an’i Hirobo Obeketang, dia teraka tao amin’ny Fiangonana saingy lasa nalaindaina nandritra ny fahatanorany. Saingy ny tantaran’ny fiverenany dia sady mahavariana no miavaka.

Samy lehibe tao am-piangonana i Lydia sy ny vadiny Kaminaga Kaminaga. “Tsy mbola nanana ahiahy ny amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana mihitsy aho,” hoy i Kaminaga. “Nino azy ireny hatrany aho.”

Saingy tsy tahaka izany ny fandroson’ny fiainan’i Lydia. Rehefa tao amin’ny kilasy faha-7 izy dia nilaza hoe: “Izaho irery no Môrmôna tao amin’ny sekoliko ary dia nahatsapa ho voailikilika aho. Nanao ny fanaon’ireo namako aho. Lasa diso ny laharam-pahamehako.”

Nalefan’ny ray aman-dreniny tany Provo, Utah Etazonia i Lydia, hiaraka hipetraka amin’ny fianakaviana iray, ary nanantena izy ireo fa ny hery misarik’izy ireo dia mety hanosika an’i Lydia hiaina ny filazantsara. Na dia nianatra zavatra izay nanampy azy teo amin’ny fiainany taty aoriana aza izy dia tsy nahaliana azy ny havitrika ao amin’ny Fiangonana.

Niverina tany amin’ny Nosikely Marshall i Lydia ny volana Janoary 2002, iray volana monja taorian’ny niverenan’i Kaminaga avy tany fanaovana asa fitoriana tany Japon. Nifankahita izy ireo fotoana kely taorian’izany. Na dia tsy niaina ny fitsipiky ny Fiangonana aza i Lydia dia tsy nitsahatra nandeha tany an-tranony i Kimanaga ary dia mody nilaza fa te-hamangy ilay zanaky ny iray tampo amin’i Lydia izy dia i Gary Zackious izany.

Farany dia nanapa-kevitra i Kaminaga fa hiresaka amin’ny ray aman-dreniny mikasika ny fandehanany nampiaraka amin’i Lydia—sy ny fandehanany hiaraka hanao zavatra mahasoa sy madio. Na dia niezaka ny hampiova hevitra azy aza izy reo dia nilaza i Kaminaga “fa niteny tamin’izy ireo izy nony farany hoe ‘Mbola misy fanantenana ny hiovany.’ Rehefa niteny izany aho dia niova tanteraka ny fahatsapana tao amin’ilay efitra. Nitomany ny dadany ary niteny hoe: ‘Naniry hatrany ny hiverenany ato amin’ny Fiangonana aho. Afaka manandrana ianao.’”

Tamin’ny voalohany dia tsy noraisin’i Lydia ho tena matotra ny fikasan’i Kaminaga. Izy rahateo misiônera vao niverina ary ny tenany dia tsy navitrika tao amin’ny Fiangonana.

“Saingy nahita zavatra izay tsy hitako izy,” hoy i Lydia nanazava. Noho izy tsy niaraka tamin’iza na iza dia nanaiky ny hiaraka hivoaka tamin’i Kaminaga. “Namerina ahy izy. Rehefa lasa niaraka taminy aho dia nila nandamina ny fitsipi-piainako. Nampahatsiahy ahy ny fanekempihavanan’ny batisako izy. Nampahatsiahy ahy ireo zavatra rehetra izay tena tsy nataoko izy, toy ny famakiana ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy. Niaraka nanao asa fanompoana izaho sy i Kaminaga. Namaky ny Bokin’i Môrmôna izahay. Nanatrika takariva amorom-patana izahay. Nasehony ahy ny fomba iainana fiainana hafa. Ny mandeha any am-piangonana dia tsy ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo fotsiny ihany fa ny Sekoly Alahady sy ny Fikambanana Ifanampiana ihany koa.”

Raha nandany ny fotoan’izy ireo tamin’ny fiarahana izay madio sy manome hery izy ireo dia nanomboka niova ny fiainan’i Lydia ary nitombo ny fijoroany ho vavolombelona. Kanefa dia mbola nisy zavatra nila nalaminy aloha.

Miaiky izy fa “sarotra ny fiverenana.” “Ny fibebahana dia tsy mora saingy tena manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fibebahana aho. Ny fiarahanay teo amin’ny lafiny maro dia mikasika ny fifankahafantarana bebe kokoa sy nikasika ny famerenana ahy tao am-piangonana mba hahita ny zavatra amin’ny fomba hafa.

“Mikasika ny fifandraisana,” hoy i Kaminaga manampy.

Nivady ny 28 Nôvambra 2002 i Lydia sy Kaminaga. Taona iray taty aoriana dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Laie Hawaii izy roa ary nianatra tao amin’i Brigham Young University–Hawaii. Ankehitriny dia mipetraka any amin’ny Nosikely Marshall miaraka amin’ny zanak’izy ireo telo izy ireo. I Lydia dia manompo amin’ny maha-mpampianatra Sekoly Alahady ho an’ny zatovolahy sy zatovovavy azy ao amin’ny paroasy ary i Kaminaga dia manompo amin’ny maha-filohan’ny Zatovolahy azy.

Tahaka ny fijoroana ho vavolombelon’i Hirobo sy i Patricia ary i Lydia dia maro ny zavatra azo tanterahina rehefa mampihatra finoana sy faharetana isika ary mikatsaka ireo fitahian’ny Tompo. Ireo izay manaraka ny Mpamonjy sy mihaino ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia afaka mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny olona hafa, tahaka ilay tantsambo fahiny izay mitarika ny mpivahiny hody.

Ambony ankavia, Hirobo Obeketang (miseho ihany koa miaraka amin’ny fianakaviany ao amin’ireo pejy eo aloha) dia miasa amin’ny maha-mpitantana trano fivahinianana azy. Ambany: Patricia Horiuchi dia mpitarika ny fihaonambe voalohan’ny tanora mpitovo any amin’ny Nosikely Marshall tamin’ny volana Jona 2009 (ambany ankavanana).

“Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fibebahana aho,” hoy i Lydia Kaminaga, izay hita eto miaraka amin’ny vadiny Kaminaga sy ny zanak’izy ireo vavy, Wellisa.

Sary nalain’i Joshua J. Perkey, afa-tsy ireo misy fanamarihana; sarin’ny sambo © Getty Images

Hamoaka printy